< 2 Tantara 10 >
1 Ary Rehoboama nankany Sekema, fa tany no efa nalehan’ ny Isiraely rehetra hampanjaka azy.
And Roboam came to Sychem: for all Israel came to Sychem to make him king.
2 Koa raha nandre izany Jeroboama, zanak’ i Nebata, izay efa nandositra nankany Egypta niala teo anatrehan’ i Solomona mpanjaka, dia niverina avy tany Egypta izy.
And it came to pass when Jeroboam the son of Nabat heard [it], (now he was in Egypt, forasmuch as he had fled thither from the face of king Solomon, and Jeroboam dwelt in Egypt, ) that Jeroboam returned out of Egypt.
3 Ary naniraka naka azy ny olona. Dia tonga Jeroboama sy ny Isiraely rehetra ka niteny tamin-dRehoboama hoe:
And they sent and called him: and Jeroboam and all the congregation came to Roboam, saying,
4 Rainao dia nampitondra zioga mavesatra anay; fa inty kosa mby aminao ka mba hamaivano ny fanompoana mafy tamin-drainao sy ny zioga mavesatra izay nataony taminay, dia hanompo anao izahay.
Thy father made our yoke grievous: now then abate [somewhat] of thy father's grievous rule, and of his heavy yoke which he put upon us, and we will serve thee.
5 Fa hoy kosa izy taminy: Rehefa afaka hateloana, dia mankanesa atỳ amiko indray. Dia lasa ny olona.
And he said to them, Go away for three days, and [then] come to me. So the people departed.
6 Ary Rehoboama mpanjaka naka saina tamin’ ny zoki-olona izay nitoetra teo anatrehan’ i Solomona rainy fony fahavelony ka nanao hoe: Ahoana no hevitra omenareo havaly ny vahoaka?
And king Roboam assembled the elders that stood before his father Solomon in his life-time, saying, How do ye counsel [me] to return an answer to this people?
7 Dia hoy ireo taminy: Raha ho mora amin’ ny vahoaka ianao ka hankasitraka azy sy hanao teny mora aminy, dia ho mpanomponao mandrakizay izy.
And they spoke to him, saying, If thou wouldest this day befriend this people, and be kind to them, and speak to them good words, then will they be thy servants for ever.
8 Nefa nolavin-dRehoboama ny saina nomen’ ireo zoki-olona azy, dia naka hevitra tamin’ ny tovolahy izay indray nihira taminy sady efa nitoetra teo anatrehany izy ka nanao taminy hoe:
But he forsook the advice of the old men, who took counsel with him, and he took counsel with the young men who had been brought up with him, who stood before him.
9 Ahoana kosa no mba hevitra omenareo havalintsika ny vahoaka izay niteny tamiko hoe: Hamaivano ny zioga izay nataon-drainao taminay?
And he said to them, What do ye advise that I should answer this people, who spoke to me, saying, Ease [somewhat] of the yoke which thy father laid upon us?
10 Ary ireo tovolahy indray nihira taminy nanao taminy hoe: Izao no lazao amin’ ny vahoaka izay niteny taminao hoe: Rainao nampitondra zioga mavesatra anay; fa inty kosa mby aminao, ka mba hamaivano aminay izany, izao no lazao aminy. Ny ankihikeliko dia lehibe noho ny valahan’ ny raiko;
And the young men that had been brought up with him spoke to him, saying, Thus shalt thou speak to the people that spoke to thee, saying, Thy father made our yoke heavy, and do thou lighten [somewhat of it] from us; thus shalt thou say, My little finger [shall be] thicker than my father's loins.
11 koa raha nampitondra zioga mavesatra anareo ny raiko, izaho kosa dia mainka hanampy ny zioga ho entinareo; kotopia no namaizan’ ny raiko anareo, fa maingoka fikapohana kosa no hamaizako anareo.
And whereas my father chastised you with a heavy yoke, I will also add to your yoke: my father chastised you with whips, and I will chastise you with scorpions.
12 Ary Jeroboama sy ny vahoaka rehetra dia nankany amin-dRehoboama tamin’ ny andro fahatelo, araka ilay nolazain’ ny mpanjaka hoe: Mankanesa atỳ amiko indray amin’ ny andro fahatelo.
And Jeroboam and all the people came to Roboam on the third day, as the king had spoken, saying, Return to me on the third day.
13 Ary Rehoboama mpanjaka nanao teny mafy tamin’ ny olona, fa nandà ny hevitra nomen’ ireo zoki-olona azy
And the king answered harshly; and king Roboam forsook the counsel of the old men,
14 ka niteny taminy araka ny hevitra nomen’ ireo tovolahy hoe: Nampitondra zioga mavesatra anareo ny raiko, fa izaho kosa mainka hanampy izany; kotopia no namaizan’ ny raiko anareo, fa maingoka fikapohana kosa hamaizako anareo.
and spoke to them according to the counsel of the young men, saying, My father made your yoke heavy, but I will add to it: my father chastised you with whips, but I will chastise you with scorpions.
15 Ka dia tsy nihaino ny olona ny mpanjaka, fa avy tamin’ Andriamanitra izany zavatra izany hahatanteraka ny teniny izay nampilazainy an’ i Ahia Silonita tamin’ i Jeroboama, zanak’ i Nebata.
And the king hearkened not to the people, for there was a change [of their minds] from God, saying, The Lord has confirmed his word, which he spoke by the hand of Achia the Selonite concerning Jeroboam the son of Nabat, and [concerning] all Israel;
16 Ary nony hitan’ ny Isiraely rehetra fa tsy nihaino azy ny mpanjaka, dia namaly ny mpanjaka ny vahoaka ka nanao hoe: Inona moa no anjaranay amin’ i Davida? Tsy manana lova amin’ ny zanak’ i Jese izahay. Samia mody any an-dainy avy, ry Isiraely e! ankehitriny tandremo ny taranakao, ry Davida ô. Dia samy nody ho any an-dainy avy ny Isiraely rehetra.
for the king did not hearken to them. And the people answered the king, saying, What portion have we in David, or inheritance in the son of Jessae? to thy tents, O Israel: now see to thine own house, David. So all Israel went to their tents.
17 Fa ny Zanak’ isiraely izay nonina tany an-tanànan’ ny Joda ihany no nanjakan-dRehoboama.
But the men of Israel, even those who dwelt in the cities of Juda, [remained] and made Roboam king over them.
18 Ary dia naniraka an’ i Adorama, komandin’ ny mpanao fanompoana, Rehoboama mpanjaka, nefa ny Zanak’ isiraely nitora-bato azy, ka maty izy. Dia niezaka faingana nankeo amin’ ny kalesiny Rehoboama mpanjaka handositra ho any Jerosalema.
And king Roboam sent to them Adoniram that was over the tribute; and the children of Israel stoned him with stones, and he died. And king Roboam hasted to mount [his] chariot, to flee to Jerusalem.
19 Ka dia niodina tamin’ ny taranak’ i Davida ny Isiraely mandraka androany.
So Israel rebelled against the house of David until this day.