< 1 Timoty 6 >
1 Aoka izay andevo rehetra eo ambanin’ ny zioga hanao ny tompony ho miendrika hohajaina tsara, mba tsy hitenenana ratsy ny anaran’ Andriamanitra sy ny fampianarana.
Let as many as are servants under the yoke account their own masters worthy of all honor; that the name of God and his doctrine may not be blasphemed:
2 Ary izay manana tompo mino dia aoka tsy hanao tsinontsinona azy, satria rahalahy izy; fa vao mainka tokony hotompoiny aza izy, satria mino sy malala ilay mpandray ny soa atao. Izany zavatra izany no ampianaro sy ananaro.
and let not those who have believing masters, despise them, because they are brethren; but serve them more readily, because they are faithful and beloved by God, partakers of his grace.
3 Raha misy olona manao fampianarana hafa noho izany ka tsy manaiky ny teny tsy misy kilema, dia ny an’ i Jesosy Kristy Tompontsika, sy ny fampianarana izay mahatonga ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra,
These things teach and exhort. If any one teach otherwise, and adhere not to the sound words of our Lord Jesus Christ, and the doctrine which is according to godliness;
4 dia mieboebo foana izy ka tsy mahalala na inona na inona, fa adala amin’ ny fiadian-kevitra sy ny fiadian-teny izay mahatonga fialonana, fifandirana, fanaratsiana, fiahiahian-dratsy,
he is proud, knowing nothing, but is delirious about questions and strifes of words: from which cometh envy, contention, calumnies, wicked suspicions, perverse debates of men corrupted in mind,
5 fifandirana lalandava, fanaon’ ny olona vetaveta saina sady efa nialan’ ny fahamarinana, manao ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra ho fahazoan-javatra.
and void of truth, accounting gain to be godliness: from such withdraw thyself.
6 Fa misy tombony lehibe tokoa ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra omban’ ny fianinana.
But godliness with contentment is great gain.
7 Fa tsy nitondra na inona na inona ho amin’ izao tontolo izao isika, sady hita fa tsy hahatondra na inona na inona hiala.
For we brought nothing into the world, and it is certain that we can carry nothing out:
8 Fa raha manan-kanina sy fitafiana isika, dia aoka hianina amin’ izany.
having therefore food and raiment, let us be herewith content.
9 Ary izay ta-hanan-karena dia latsaka amin’ ny fakam-panahy sy ny fandrika ary ny filàna maro tsy misy antony sady mandratra, izay mandentika ny olona ao amin’ ny fandringanana sy ny fahaverezana.
But they, that will be rich, fall into temptation and a snare, and into many foolish and hurtful lusts, which plunge men into ruin and perdition.
10 Fa ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra, koa ny sasany izay fatra-pitady izany dia efa voavily niala tamin’ ny finoana ka nanindrona ny tenany tamin’ ny alahelo be.
For the love of money is the root of all evils, which some coveting after have been led astray from the faith, and pierced themselves through with many sorrows.
11 Fa ianao kosa, sy lehilahin’ Andriamanitra, mandosira izany zavatra izany, ka miezaha mitady fahamarinana, toe-panahy araka an’ Andriamanitra, finoana, fitiavana, faharetana, fahalemem-panahy.
But do thou, O man of God, flee these things, and follow after righteousness, piety, fidelity, love, patience, meekness.
12 Miadia ny ady tsaran’ ny finoana, hazòny ny fiainana mandrakizay; fa ho amin’ izany no niantsoana anao koa sy nanaovanao ilay fanekena tsara teo imason’ ny vavolombelona maro. (aiōnios )
Maintain the glorious combat of faith, lay hold on eternal life, to which thou hast been called, and hast made a good profession before many witnesses. (aiōnios )
13 Izaho mananatra anao eo anatrehan’ Andriamanitra, Izay mamelona ny zavatra rehetra, ary eo anatrehan’ i Kristy Jesosy, Izay nanao ilay fanekena tsara teo anatrehan’ i Pontio Pilato,
I charge thee before God, who giveth life to all, and before Christ Jesus who witnessed a good confession before Pontius Pilate,
14 mba hotehirizinao tsy hanan-tsiny amam-pondro hatramin’ ny fisehoan’ i Jesosy Kristy Tompontsika izany didy izany;
that thou keep this commandment, unspotted and blameless, till the appearance of our Lord Jesus Christ;
15 ny Andriana finaritra sady tokana, Mpanjakan’ ny mpanjaka sy Tompon’ ny tompo, no haneho izany amin’ ny fotoany;
which He will manifest in his own times, who is the blessed and only potentate, the King of kings, and Lord of lords,
16 Izy ihany no manana ny tsi-fahafatesana, mitoetra eo amin’ ny mazava tsy azo hatonina, Izay tsy hitan’ olona sady tsy hainy jerena; ho Azy anie ny voninahitra sy ny fanjakana mandrakizay. Amena. (aiōnios )
who alone hath immortality, dwelling in light inaccessible, whom no man hath seen, nor can see: to whom be honor and power everlasting. Amen. (aiōnios )
17 Anaro ny mpanankarena amin’ izao fiainana ankehitriny izao mba tsy hiavonavona, na hatoky ny harena miovaova, fa Andriamanitra, Izay manome antsika malalaka ny zavatra rehetra mba hifaliantsika, (aiōn )
Charge them, that are rich in this world, not to be high-minded nor trust in uncertain riches, but in the living God, who richly affords us all things for enjoyment: charge them to do good, (aiōn )
18 mba hanao soa, mba hanan-karena amin’ ny asa tsara, hazoto manome sy miantra,
to be rich in good works, to be ready to distribute, willing to communicate;
19 ka dia hihary fanorenana tsara ho an’ ny tenany ho amin’ ny andro ho avy, mba hihazonany ny tena fiainana.
treasuring up to themselves a good foundation for the future, that they may obtain eternal life.
20 Ry Timoty, tehirizo ilay natolotra anao, ka mialà amin’ ny fibedibedena foana sy ny fanoherana avy amin’ izay atao hoe fahalalana, kanjo tsy izy,
O Timothy, keep that with which thou art entrusted, avoiding profane empty babblings, and the oppositions of science falsely so called:
21 izay neken’ ny sasany, ka nania tamin’ ny finoana izy. Ho aminareo anie ny fahasoavana.
which some pretending to, have erred from the faith. Grace be with thee. Amen.