< 1 Timoty 6 >

1 Aoka izay andevo rehetra eo ambanin’ ny zioga hanao ny tompony ho miendrika hohajaina tsara, mba tsy hitenenana ratsy ny anaran’ Andriamanitra sy ny fampianarana.
ⲁ̅ⲚⲒⲈⲂⲒⲀⲒⲔ ⲈⲦⲬⲎ ϦⲀ ⲪⲚⲀϨⲂⲈϤ ⲘⲀⲢⲞⲨⲬ ⲀⲚⲞⲨϬⲒⲤⲈⲨ ⲚⲦⲞⲦⲞⲨ ϦⲈⲚⲦⲀⲒⲞ ⲚⲒⲂⲈⲚ ϨⲒⲚⲀ ⲚⲤⲈϢⲦⲈⲘϪⲈⲞⲨⲀ ⲈⲪⲢⲀⲚ ⲘⲪⲚⲞⲨϮ ⲚⲈⲘ ϮⲤⲂⲰ.
2 Ary izay manana tompo mino dia aoka tsy hanao tsinontsinona azy, satria rahalahy izy; fa vao mainka tokony hotompoiny aza izy, satria mino sy malala ilay mpandray ny soa atao. Izany zavatra izany no ampianaro sy ananaro.
ⲃ̅ⲚⲎ ⲆⲈ ⲈⲦⲈ ⲞⲨⲞⲚⲦⲰⲞⲨ ⲘⲘⲀⲨ ⲚϨⲀⲚϬ ⲒⲤⲈⲨ ⲘⲠⲒⲤⲦⲞⲤ ⲘⲠⲈⲚⲐⲢⲞⲨⲈⲢⲔⲀⲦⲀⲪⲢⲞⲚⲒⲚ ϪⲈ ϨⲀⲚⲤⲚⲎⲞⲨ ⲚⲈⲀⲖⲖⲀ ⲘⲀⲖⲖⲞⲚ ⲘⲀⲢⲞⲨⲈⲢⲂⲰⲔ ϪⲈ ϨⲀⲚⲠⲒⲤⲦⲞⲤ ⲚⲈⲞⲨⲞϨ ϨⲀⲚⲘⲈⲚⲢⲀϮ ⲚⲎ ⲈⲦⲀⲘⲞⲚⲒ ⲚⲦⲞⲦⲞⲨ ϦⲈⲚϮⲘⲈⲦⲢⲈϤⲈⲢϨⲈⲂⲚⲞⲨϤⲒ ⲚⲀⲒ ⲘⲀⲤⲂⲰ ⲞⲨⲞϨ ⲘⲀⲚⲞⲘϮ ⲚϦⲎⲦⲞⲨ.
3 Raha misy olona manao fampianarana hafa noho izany ka tsy manaiky ny teny tsy misy kilema, dia ny an’ i Jesosy Kristy Tompontsika, sy ny fampianarana izay mahatonga ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra,
ⲅ̅ⲪⲎ ⲆⲈ ⲈⲦϮ ⲚⲔⲈⲤⲂⲰ ⲞⲨⲞϨ ⲈⲦⲈⲚϤⲚⲎ ⲞⲨ ⲀⲚ ⲈϨⲀⲚⲤⲀϪⲒ ⲈⲐⲞⲨⲞϪ ⲚⲦⲈⲠⲈⲚϬⲞⲒⲤ ⲒⲎⲤⲞⲨⲤ ⲠⲬⲢⲒⲤⲦⲞⲤ ⲚⲈⲘ ϮⲤⲂⲰ ⲚⲦⲈϮⲘⲈⲦⲈⲨⲤⲈⲂⲎⲤ.
4 dia mieboebo foana izy ka tsy mahalala na inona na inona, fa adala amin’ ny fiadian-kevitra sy ny fiadian-teny izay mahatonga fialonana, fifandirana, fanaratsiana, fiahiahian-dratsy,
ⲇ̅ⲀϤϬⲞⲤⲒ ⲚϨⲎⲦ ⲚϤⲤⲰⲞⲨⲚ ⲚϨⲖⲒ ⲀⲚ ⲀⲖⲖⲀ ⲀϤϢⲰⲚⲒ ⲘⲠⲔⲰϮ ⲚϨⲀⲚⲌⲎⲦⲎⲤⲒⲤ ⲚⲈⲘ ϨⲀⲚⲤⲀϪⲒ ⲚⲘⲖⲀϨ ⲚⲎ ⲈϢⲀⲢⲈ ϨⲀⲚⲪⲐⲞⲚⲞⲤ ϢⲰⲠⲒ ⲈⲂⲞⲖ ⲘⲘⲰⲞⲨ ⲚⲈⲘ ϨⲀⲚϢⲞⲚⲦ ⲚⲈⲘ ϨⲀⲚϪⲈⲞⲨⲀ ⲚⲈⲘ ϨⲀⲚⲘⲈⲨⲒ ⲈⲨϨⲰⲞⲨ.
5 fifandirana lalandava, fanaon’ ny olona vetaveta saina sady efa nialan’ ny fahamarinana, manao ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra ho fahazoan-javatra.
ⲉ̅ⲚⲈⲘ ϨⲀⲚⲘⲈⲦⲢⲈϤϮⲐⲰϦ ϨⲀⲚⲢⲰⲘⲒ ⲈⲢⲈ ⲠⲞⲨϨⲎⲦ ⲦⲀⲔⲎⲞⲨⲦ ⲞⲨⲞϨ ⲈⲨϤⲎϪ ⲚⲐⲘⲎⲒ ⲈⲨⲘⲈⲨⲒ ⲈϮⲘⲈⲦⲈⲨⲤⲈⲂⲎⲤ ϪⲈ ⲞⲨⲘⲈⲦⲢⲈϤϪⲪⲈ ϨⲎⲞⲨ ⲦⲈ.
6 Fa misy tombony lehibe tokoa ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra omban’ ny fianinana.
ⲋ̅ⲞⲨⲚⲒϢϮ ⲆⲈ ⲘⲘⲈⲦⲢⲈϤϪⲪⲈ ϨⲎⲞⲨ ⲦⲈ ϮⲘⲈⲦⲈⲨⲤⲈⲂⲎⲤ ϦⲈⲚⲞⲨⲢⲰϢⲒ.
7 Fa tsy nitondra na inona na inona ho amin’ izao tontolo izao isika, sady hita fa tsy hahatondra na inona na inona hiala.
ⲍ̅ⲘⲠⲈⲚⲈⲚ ϨⲖⲒ ⲄⲀⲢ ⲈϦⲞⲨⲚ ⲈⲠⲒⲔⲞⲤⲘⲞⲤ ⲞⲨⲞϨ ⲘⲘⲞⲚ ϢϪⲞⲘ ⲘⲘⲞⲚ ⲈⲈⲚ ϨⲖⲒ ⲈⲂⲞⲖ.
8 Fa raha manan-kanina sy fitafiana isika, dia aoka hianina amin’ izany.
ⲏ̅ⲈⲞⲨⲞⲚⲦⲀⲚ ⲆⲈ ⲘⲘⲀⲨ ⲚⲞⲨϦⲢⲈ ⲚⲈⲘ ⲞⲨϨⲈⲂⲤⲰ ⲚⲀⲒ ⲘⲀⲢⲞⲨⲢⲀϢⲈⲚ.
9 Ary izay ta-hanan-karena dia latsaka amin’ ny fakam-panahy sy ny fandrika ary ny filàna maro tsy misy antony sady mandratra, izay mandentika ny olona ao amin’ ny fandringanana sy ny fahaverezana.
ⲑ̅ⲚⲎ ⲆⲈ ⲈⲐⲞⲨⲰϢ ⲈⲈⲢⲢⲀⲘⲀⲞ ϢⲀⲨϨⲈⲒ ⲈϦⲢⲎⲒ ⲈⲞⲨⲠⲒⲢⲀⲤⲘⲞⲤ ⲚⲈⲘ ⲞⲨⲪⲀϢ ⲚⲈⲘ ⲞⲨⲘⲎ ϢⲚⲈⲠⲒⲐⲨⲘⲒⲀ ⲘⲘⲈⲦⲀⲦϨⲎⲦ ⲚⲤⲈⲈⲢⲚⲞϤⲢⲒ ⲀⲚ ⲚⲎ ⲈϢⲀⲨⲰⲘⲤ ⲘⲠⲒⲢⲰⲘⲒ ⲈϦⲢⲎⲒ ⲘⲠϤⲰϮ ⲈⲂⲞⲖ ⲚⲈⲘ ⲠⲒⲦⲀⲔⲞ.
10 Fa ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra, koa ny sasany izay fatra-pitady izany dia efa voavily niala tamin’ ny finoana ka nanindrona ny tenany tamin’ ny alahelo be.
ⲓ̅ⲐⲚⲞⲨⲚⲒ ⲄⲀⲢ ⲘⲠⲈⲦϨⲰⲞⲨ ⲚⲒⲂⲈⲚ ⲦⲈ ϮⲘⲈⲦⲘⲀⲒϨⲀⲦ ⲐⲎ ⲈⲦⲀ ϨⲀⲚⲞⲨⲞⲚ ⲘⲈⲚⲢⲒⲦⲤ ⲀⲨⲤⲰⲢⲈⲘ ⲈⲂⲞⲖ ϨⲀ ⲪⲚⲀϨϮ ⲞⲨⲞϨ ⲀⲨⲤⲰⲔ ⲚⲰⲞⲨ ⲘⲘⲀⲨⲀⲦⲞⲨ ⲚϨⲀⲚⲘⲎϢ ⲚⲈⲘⲔⲀϨ ⲚϨⲎ Ⲧ.
11 Fa ianao kosa, sy lehilahin’ Andriamanitra, mandosira izany zavatra izany, ka miezaha mitady fahamarinana, toe-panahy araka an’ Andriamanitra, finoana, fitiavana, faharetana, fahalemem-panahy.
ⲓ̅ⲁ̅ⲚⲐⲞⲔ ⲆⲈ ⲰⲪⲢⲰⲘⲒ ⲘⲪⲚⲞⲨϮ ⲪⲰⲦ ⲤⲀⲂⲞⲖ ⲚⲚⲀⲒ ϬⲞϪⲒ ⲆⲈ ⲚⲤⲀϮⲘⲈⲐⲘⲎⲒ ϮⲘⲈⲦⲈⲨⲤⲈⲂⲎⲤ ⲠⲒⲚⲀϨϮ ϮⲀⲄⲀⲠⲎ ϮϨⲨⲠⲞⲘⲞⲚⲎ ϮⲘⲈⲦⲢⲈϤϢⲈⲠⲘⲔⲀϨ ϦⲈⲚⲞⲨⲘⲈⲦⲢⲈⲘⲢⲀⲨϢ.
12 Miadia ny ady tsaran’ ny finoana, hazòny ny fiainana mandrakizay; fa ho amin’ izany no niantsoana anao koa sy nanaovanao ilay fanekena tsara teo imason’ ny vavolombelona maro. (aiōnios g166)
ⲓ̅ⲃ̅ⲀⲢⲒⲀⲄⲰⲚⲒⲌⲈⲤⲐⲈ ⲘⲠⲒⲀⲄⲰⲚ ⲈⲐⲚⲀⲚⲈϤ ⲚⲦⲈⲪⲚⲀϨϮ ⲀⲘⲞⲚⲒ ⲘⲠⲒⲰⲚϦ ⲚⲈⲚⲈϨ ⲪⲎ ⲈⲦⲀⲨⲐⲀϨⲘⲈⲔ ⲈⲢⲞϤ ⲞⲨⲞϨ ⲀⲔⲞⲨⲰⲚϨ ⲈⲂⲞⲖ ⲘⲠⲒⲞⲨⲰⲚϨ ⲈⲂⲞⲖ ⲈⲐⲚⲀⲚⲈϤ ⲘⲠⲈⲘⲐⲞ ⲚⲞⲨⲘⲎ ϢⲘⲘⲈⲐⲢⲈ. (aiōnios g166)
13 Izaho mananatra anao eo anatrehan’ Andriamanitra, Izay mamelona ny zavatra rehetra, ary eo anatrehan’ i Kristy Jesosy, Izay nanao ilay fanekena tsara teo anatrehan’ i Pontio Pilato,
ⲓ̅ⲅ̅ϮϨⲞⲚϨⲈⲚ ⲚⲀⲔ ⲘⲠⲈⲘⲐⲞ ⲘⲪⲚⲞⲨϮ ⲪⲀⲒ ⲈⲦⲦⲀⲚϦⲞ ⲚϨⲰⲂ ⲚⲒⲂⲈⲚ ⲚⲈⲘ ⲠⲬⲢⲒⲤⲦⲞⲤ ⲒⲎⲤⲞⲨⲤ ⲪⲀⲒ ⲈⲦⲀϤⲈⲢⲘⲀⲢⲦⲨⲢⲞⲤ ϨⲒ ⲠⲞⲚⲦⲒⲞⲤ ⲠⲒⲖⲀⲦⲞⲤ ⲠⲒⲞⲨⲰⲚϨ ⲈⲂⲞⲖ ⲈⲐⲚⲀⲚⲈϤ
14 mba hotehirizinao tsy hanan-tsiny amam-pondro hatramin’ ny fisehoan’ i Jesosy Kristy Tompontsika izany didy izany;
ⲓ̅ⲇ̅ⲈⲐⲢⲈⲔⲀⲢⲈϨ ⲈⲦⲀⲒⲈⲚⲦⲞⲖⲎ ⲈⲔⲞⲒ ⲚⲀⲦⲀϬ ⲚⲒ ⲈⲔⲞⲒ ⲚⲀⲦⲢⲒⲔⲒ ϢⲀ ⲈϦⲞⲨⲚ ⲈⲪⲞⲨⲞⲚϨ ⲈⲂⲞⲖ ⲘⲠⲈⲚϬⲞⲒⲤ ⲒⲎⲤⲞⲨⲤ ⲠⲬⲢⲒⲤⲦⲞⲤ.
15 ny Andriana finaritra sady tokana, Mpanjakan’ ny mpanjaka sy Tompon’ ny tompo, no haneho izany amin’ ny fotoany;
ⲓ̅ⲉ̅ⲪⲀⲒ ⲈⲦⲈϤⲚⲀⲞⲨⲞⲚϨϤ ϦⲈⲚⲚⲈϤⲤⲎⲞⲨ ⲚϪⲈⲠⲒⲘⲀⲔⲀⲢⲒⲞⲤ ⲈⲦⲈ ⲞⲨⲞⲚ ϢϪⲞⲘ ⲘⲘⲞϤ ϦⲈⲚϨⲰⲂ ⲚⲒⲂⲈⲚ ⲠⲞⲨⲢⲞ ⲚⲦⲈⲚⲒⲞⲨⲢⲰⲞⲨ ⲞⲨⲞϨ ⲠϬⲞⲒⲤ ⲚⲦⲈⲚⲒϬⲞⲒⲤ.
16 Izy ihany no manana ny tsi-fahafatesana, mitoetra eo amin’ ny mazava tsy azo hatonina, Izay tsy hitan’ olona sady tsy hainy jerena; ho Azy anie ny voninahitra sy ny fanjakana mandrakizay. Amena. (aiōnios g166)
ⲓ̅ⲋ̅ⲠⲒⲞⲨⲀⲒ ⲘⲘⲀⲨⲀⲦϤ ⲈⲦⲈ ϮⲘⲈⲦⲀⲦⲘⲞⲨ ⲚⲦⲀϤ ⲞⲨⲞϨ ⲈⲦϢⲞⲠ ϦⲈⲚⲠⲒⲞⲨⲰⲒⲚⲒ ⲚⲀⲦϢϦⲰⲚⲦ ⲈⲢⲞϤ ⲪⲎ ⲈⲦⲈ ⲘⲠⲈ ϨⲖⲒ ⲚⲢⲰⲘⲒ ⲚⲀⲨ ⲈⲢⲞϤ ⲞⲨⲆⲈ ⲘⲘⲞⲚ ϢϪⲞⲘ ⲚⲤⲈⲚⲀⲨ ⲈⲢⲞϤ ⲪⲀⲒ ⲈⲦⲈ ⲪⲰϤ ⲠⲈ ⲠⲒⲦⲀⲒⲞ ⲚⲈⲘ ⲠⲒⲀⲘⲀϨⲒ ϢⲀ ⲈⲚⲈϨ ⲀⲘⲎⲚ. (aiōnios g166)
17 Anaro ny mpanankarena amin’ izao fiainana ankehitriny izao mba tsy hiavonavona, na hatoky ny harena miovaova, fa Andriamanitra, Izay manome antsika malalaka ny zavatra rehetra mba hifaliantsika, (aiōn g165)
ⲓ̅ⲍ̅ⲚⲒⲢⲀⲘⲀⲞ ⲚⲦⲈⲠⲀⲒⲈⲚⲈϨ ⲚⲦⲈϮⲚⲞⲨ ϨⲞⲚϨⲈⲚ ⲚⲰⲞⲨ ⲚⲤⲈϢⲦⲈⲘϬⲒⲤⲒ ⲚϨⲎⲦ ⲞⲨⲆⲈ ⲚⲤⲈϢⲦⲈⲘⲈⲢϨⲈⲖⲠⲒⲤ ⲈⲦⲀⲒⲘⲈⲦⲢⲀⲘⲀⲞ ⲈⲦⲈⲚⲤⲤⲘⲞⲚⲦ ⲀⲚ ⲀⲖⲖⲀ ⲈⲈⲢϨⲈⲖⲠⲒⲤ ⲈⲪⲚⲞⲨϮ ⲪⲀⲒ ⲈⲦϮ ⲚϨⲰⲂ ⲚⲒⲂⲈⲚ ⲚⲀⲚ ϦⲈⲚⲞⲨⲘⲈⲦⲢⲀⲘⲀⲞ ϪⲈ ⲚⲦⲈⲚϬⲒⲘⲈ. (aiōn g165)
18 mba hanao soa, mba hanan-karena amin’ ny asa tsara, hazoto manome sy miantra,
ⲓ̅ⲏ̅ⲈⲈⲢ ϨⲰⲂ ⲈⲚⲀⲚⲈϤ ⲈⲈⲢⲢⲀⲘⲀⲞ ϦⲈⲚϨⲀⲚϨⲂⲎⲞⲨⲒ ⲈⲚⲀⲚⲈⲨ ⲈⲈⲢⲢⲈϤⲤⲰⲞⲨⲦⲈⲚ ⲚⲢⲈϤⲈⲢϢⲪⲎ Ⲣ.
19 ka dia hihary fanorenana tsara ho an’ ny tenany ho amin’ ny andro ho avy, mba hihazonany ny tena fiainana.
ⲓ̅ⲑ̅ⲈⲨϨⲒⲞⲨⲒ ⲚⲰⲞⲨ ⲈϦⲞⲨⲚ ⲈⲞⲨⲤⲈⲚϮ ⲈⲚⲀⲚⲈⲤ ⲈⲠⲈⲐⲚⲎⲞⲨ ϨⲒⲚⲀ ⲚⲤⲈⲀⲘⲞⲚⲒ ⲘⲠⲒⲰⲚϦ ⲚⲦⲀⲪⲘⲎⲒ.
20 Ry Timoty, tehirizo ilay natolotra anao, ka mialà amin’ ny fibedibedena foana sy ny fanoherana avy amin’ izay atao hoe fahalalana, kanjo tsy izy,
ⲕ̅ⲰⲦⲒⲘⲞⲐⲈⲞⲤ ⲀⲢⲈϨ ⲈϮⲠⲀⲢⲀⲐⲎⲔⲎ ⲈⲔⲢⲒⲔⲒ ⲘⲘⲞⲔ ⲤⲀⲂⲞⲖ ⲚⲚⲒⲤⲘⲎ ⲈⲦⲤⲰϤ ⲞⲨⲞϨ ⲈⲦϢⲞⲨⲒⲦ ⲚⲈⲘ ϮⲘⲈⲦⲢⲈϤϮ ⲈϦⲞⲨⲚ ⲈϨⲢⲀⲚ ⲚⲦⲈϮⲄⲚⲰⲤⲒⲤ ⲚⲦⲈⲠⲒⲢⲀⲚ ⲘⲘⲈⲐⲚⲞⲨϪ.
21 izay neken’ ny sasany, ka nania tamin’ ny finoana izy. Ho aminareo anie ny fahasoavana.
ⲕ̅ⲁ̅ⲐⲀⲒ ⲈⲦⲀ ϨⲀⲚⲞⲨⲞⲚ ⲰϢ ⲘⲘⲞⲤ ⲘⲠⲞⲨϮ ⲘⲀϮ ϦⲈⲚⲪⲚⲀϨϮ ⲠϨⲘⲞⲦ ⲚⲈⲘⲰⲦⲈⲚ

< 1 Timoty 6 >