< 1 Timoty 4 >

1 Fa ny Fanahy milaza marina fa amin’ ny andro aoriana dia hihemotra amin’ ny finoana ny sasany, manaiky fanahy mamitaka sy fampianaran’ ny demonia,
পৱিত্র আত্মা স্পষ্টম্ ইদং ৱাক্যং ৱদতি চরমকালে কতিপযলোকা ৱহ্নিনাঙ্কিতৎৱাৎ
2 amin’ ny fihatsaram-belatsihin’ ny mpilaza lainga, ka voapetaky ny vy mahamay ny fieritreretany,
কঠোরমনসাং কাপট্যাদ্ অনৃতৱাদিনাং ৱিৱাহনিষেধকানাং ভক্ষ্যৱিশেষনিষেধকানাঞ্চ
3 izay mandrara tsy hanam-bady, ary mampifady hanina, izay nataon’ Andriamanitra ho an’ izay mino sady mahalala ny marina, mba horaisiny amin’ ny fisaorana.
ভূতস্ৱরূপাণাং শিক্ষাযাং ভ্রমকাত্মনাং ৱাক্যেষু চ মনাংসি নিৱেশ্য ধর্ম্মাদ্ ভ্রংশিষ্যন্তে| তানি তু ভক্ষ্যাণি ৱিশ্ৱাসিনাং স্ৱীকৃতসত্যধর্ম্মাণাঞ্চ ধন্যৱাদসহিতায ভোগাযেশ্ৱরেণ সসৃজিরে|
4 Fa ny zavatra rehetra nataon’ Andriamanitra dia tsara avokoa, ka tsy misy tokony holavina, raha raisina amin’ ny fisaorana,
যত ঈশ্ৱরেণ যদ্যৎ সৃষ্টং তৎ সর্ৱ্ৱম্ উত্তমং যদি চ ধন্যৱাদেন ভুজ্যতে তর্হি তস্য কিমপি নাগ্রাহ্যং ভৱতি,
5 satria hamasinin’ ny tenin’ Andriamanitra sy ny fivavahana izany.
যত ঈশ্ৱরস্য ৱাক্যেন প্রার্থনযা চ তৎ পৱিত্রীভৱতি|
6 Raha manoro hevitra ny rahalahy ny amin’ izany zavatra izany ianao, dia ho mpanompo tsara an’ i Kristy Jesosy, tezaina amin’ ny tenin’ ny finoana sy ny fampianarana tsara izay efa narahinao.
এতানি ৱাক্যানি যদি ৎৱং ভ্রাতৃন্ জ্ঞাপযেস্তর্হি যীশুখ্রীষ্টস্যোত্তম্ঃ পরিচারকো ভৱিষ্যসি যো ৱিশ্ৱাসো হিতোপদেশশ্চ ৎৱযা গৃহীতস্তদীযৱাক্যৈরাপ্যাযিষ্যসে চ|
7 Fa ny anganongano ratsy fanaom-bavy antitra dia lavo, ka mampiasà ny tenanao ho amin’ ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra.
যান্যুপাখ্যানানি দুর্ভাৱানি ৱৃদ্ধযোষিতামেৱ যোগ্যানি চ তানি ৎৱযা ৱিসৃজ্যন্তাম্ ঈশ্ৱরভক্তযে যত্নঃ ক্রিযতাঞ্চ|
8 Fa mahasoa kely ihany ny fampiasana ny tena; fa ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra no mahasoa amin’ ny zavatra rehetra ka manana ny teny fikasana ny amin’ ny fiainana ankehitriny sy ny ho avy koa.
যতঃ শারীরিকো যত্নঃ স্ৱল্পফলদো ভৱতি কিন্ত্ৱীশ্ৱরভক্তিরৈহিকপারত্রিকজীৱনযোঃ প্রতিজ্ঞাযুক্তা সতী সর্ৱ্ৱত্র ফলদা ভৱতি|
9 Mahatoky izao teny izao ka tokony hekena amin’ ny fankasitrahana rehetra.
ৱাক্যমেতদ্ ৱিশ্ৱসনীযং সর্ৱ্ৱৈ র্গ্রহণীযঞ্চ ৱযঞ্চ তদর্থমেৱ শ্রাম্যামো নিন্দাং ভুংজ্মহে চ|
10 Fa izany no ikelezanay aina sy iezahanay, satria izahay manantena an’ Andriamanitra velona, Izay Mpamonjy ny olona rehetra, indrindra fa izay mino.
১০যতো হেতোঃ সর্ৱ্ৱমানৱানাং ৱিশেষতো ৱিশ্ৱাসিনাং ত্রাতা যোঽমর ঈশ্ৱরস্তস্মিন্ ৱযং ৱিশ্ৱসামঃ|
11 Izany zavatra izany no andidio sy ampianaro.
১১ৎৱম্ এতানি ৱাক্যানি প্রচারয সমুপদিশ চ|
12 Aoka tsy hisy olona hanao tsinontsinona anao noho ny hatanoranao; fa aoka ho tonga fianarana ho an’ ny mino ianao amin’ ny fiteny, amin’ ny fitondran-tena, amin’ ny fitiavana, amin’ ny finoana, amin’ ny fahadiovana.
১২অল্পৱযষ্কৎৱাৎ কেনাপ্যৱজ্ঞেযো ন ভৱ কিন্ত্ৱালাপেনাচরণেন প্রেম্না সদাত্মৎৱেন ৱিশ্ৱাসেন শুচিৎৱেন চ ৱিশ্ৱাসিনাম্ আদর্শো ভৱ|
13 Mandra-pihaviko tandremo ny famakian-teny, ny fananarana, ny fampianarana.
১৩যাৱন্নাহম্ আগমিষ্যামি তাৱৎ ৎৱ পাঠে চেতযনে উপদেশে চ মনো নিধৎস্ৱ|
14 Aza tsy mitandrina ny fanomezam-pahasoavana izay ao anatinao, izay nomena anao tamin’ ny faminaniana sy ny fametrahan-tànan’ ny loholona.
১৪প্রাচীনগণহস্তার্পণসহিতেন ভৱিষ্যদ্ৱাক্যেন যদ্দানং তুভ্যং ৱিশ্রাণিতং তৱান্তঃস্থে তস্মিন্ দানে শিথিলমনা মা ভৱ|
15 Mazotoa hihevitra izany zavatra izany, dia mikeleza aina fatratra amin’ izany, mba hiseho amin’ ny olona rehetra ny fandrosoanao.
১৫এতেষু মনো নিৱেশয, এতেষু ৱর্ত্তস্ৱ, ইত্থঞ্চ সর্ৱ্ৱৱিষযে তৱ গুণৱৃদ্ধিঃ প্রকাশতাং|
16 Tandremo ny tenanao sy ny fampianaranao, ka mahareta amin’ izany; fa raha manao izany ianao, dia hamonjy ny tenanao sy izay mihaino anao.
১৬স্ৱস্মিন্ উপদেশে চ সাৱধানো ভূৎৱাৱতিষ্ঠস্ৱ তৎ কৃৎৱা ৎৱযাত্মপরিত্রাণং শ্রোতৃণাঞ্চ পরিত্রাণং সাধযিষ্যতে|

< 1 Timoty 4 >