< 1 Timoty 4 >
1 Fa ny Fanahy milaza marina fa amin’ ny andro aoriana dia hihemotra amin’ ny finoana ny sasany, manaiky fanahy mamitaka sy fampianaran’ ny demonia,
Lino Muuya ulaamba entanganana kuti muzyiindi ziyotobela bamwi bantu bayosiya lusyomo alimwi bakaswiilile myuuya yalweeneeno akunjiisyo zyabadayimona
2 amin’ ny fihatsaram-belatsihin’ ny mpilaza lainga, ka voapetaky ny vy mahamay ny fieritreretany,
mukubeja kwakuupawupa, mamvwido aabo beni kaali asizigwa.
3 izay mandrara tsy hanam-bady, ary mampifady hanina, izay nataon’ Andriamanitra ho an’ izay mino sady mahalala ny marina, mba horaisiny amin’ ny fisaorana.
Bayokasya bantu kuti bakwatane alimwi akuyanda kuti balilesye kuzilyo Leza nzyakalenga kuti zitambulwe chakupa kulumba abaabo basyoma akuziba kasimpe.
4 Fa ny zavatra rehetra nataon’ Andriamanitra dia tsara avokoa, ka tsy misy tokony holavina, raha raisina amin’ ny fisaorana,
Nkaambo choonse chilengwa chaLeza nchibotu, alimwi takwe pe chitambwidwe kakulikupa kulumba chiyokakwa.
5 satria hamasinin’ ny tenin’ Andriamanitra sy ny fivavahana izany.
Nkaambo chakasalazigwa ajwi lyaLea ankombyo.
6 Raha manoro hevitra ny rahalahy ny amin’ izany zavatra izany ianao, dia ho mpanompo tsara an’ i Kristy Jesosy, tezaina amin’ ny tenin’ ny finoana sy ny fampianarana tsara izay efa narahinao.
Na wabika eezi zintu kunembo lyabakwesu, uyooba mulanda mubotu wa Jesu Kkilisito. Nkaambo mulikukomezegwa amajwi alusyomo alimwi akunjiisyo mbotu nzimwakatobela.
7 Fa ny anganongano ratsy fanaom-bavy antitra dia lavo, ka mampiasà ny tenanao ho amin’ ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra.
Pesi amukake twaano twanyika twakayandwa aabanakazi bapati. Aboobo, amukaliyiisye nobeni mubunaleza.
8 Fa mahasoa kely ihany ny fampiasana ny tena; fa ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra no mahasoa amin’ ny zavatra rehetra ka manana ny teny fikasana ny amin’ ny fiainana ankehitriny sy ny ho avy koa.
Nkaambo kuliyiisya kwamumubili kuli empindu nini, pesi bunaLeza bulabelesegwa kuzintu zyoonse. Kujisi chisyomezyo chabuumi bwalino alimwi akubuumi buza.
9 Mahatoky izao teny izao ka tokony hekena amin’ ny fankasitrahana rehetra.
Mulumbe ooyu ulisyomekede alimwi uleelede kutambulwa kuzwide.
10 Fa izany no ikelezanay aina sy iezahanay, satria izahay manantena an’ Andriamanitra velona, Izay Mpamonjy ny olona rehetra, indrindra fa izay mino.
Nkaambo nkinkaako nchitubeleka akulwisya. Nkaambo tulalangilila muliLeza muumi, Mufutuli wabantu boonse, pesi ikapati wabasyomi.
11 Izany zavatra izany no andidio sy ampianaro.
Mubululami layilila alimwi yiisya zintu eezi.
12 Aoka tsy hisy olona hanao tsinontsinona anao noho ny hatanoranao; fa aoka ho tonga fianarana ho an’ ny mino ianao amin’ ny fiteny, amin’ ny fitondran-tena, amin’ ny fitiavana, amin’ ny finoana, amin’ ny fahadiovana.
Kutabi muntu uulangilila aansi bukubusi bwako. Aboobo, kulibaabo basyoma, ba chitondezyo mukwaambula, mukuchita, muluyando, mukusyoma a mubusalali.
13 Mandra-pihaviko tandremo ny famakian-teny, ny fananarana, ny fampianarana.
Mane do ndisike, kkala mukubala, mukulumbayizya alimwi a mukuyiisya.
14 Aza tsy mitandrina ny fanomezam-pahasoavana izay ao anatinao, izay nomena anao tamin’ ny faminaniana sy ny fametrahan-tànan’ ny loholona.
Utalekeleli chipo chili mulinduwe, chakapegwa kulinduwe kwiinda muchisinsim, akubikwa maanza abapati bembungano.
15 Mazotoa hihevitra izany zavatra izany, dia mikeleza aina fatratra amin’ izany, mba hiseho amin’ ny olona rehetra ny fandrosoanao.
Bamba zintu eezi. Ba mulinzizyo, kuti kuzwidilila kwako kukaboneke kubantu boonse.
16 Tandremo ny tenanao sy ny fampianaranao, ka mahareta amin’ izany; fa raha manao izany ianao, dia hamonjy ny tenanao sy izay mihaino anao.
Kolibamba chakulangisisya lwako mwini akukuyiisya. Kkalilila muzintu eezi. Nkaambo mukuchita oobo, uyolifutula lwako alimwi abaabo batakaswiilizye nduwe.