< 1 Timoty 2 >
1 Koa mananatra voalohany indrindra aho mba hatao izay fangatahana, fivavahana, fifonana, fisaorana, ho an’ ny olona rehetra,
ⲁ̅ϮϮϨⲞ ⲞⲨⲚ ⲚϢⲞⲢⲠ ⲚϨⲰⲂ ⲚⲒⲂⲈⲚ ⲈⲒⲢⲒ ⲚϨⲀⲚⲦⲰⲂϨ ⲚⲈⲘ ϨⲀⲚⲠⲢⲞⲤⲈⲨⲬⲎ ϨⲀⲚⲤⲈⲘⲒ ϨⲀⲚϢⲈⲠϨⲘⲞⲦ ⲈϨⲢⲎⲒ ⲈϪⲈⲚ ⲢⲰⲘⲒ ⲚⲒⲂⲈⲚ.
2 ho an’ ny mpanjaka mbamin’ izay rehetra manana fahefana, mba hiainantsika miadana sy mandry fahizay amin’ ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra sy ny fahamaotinana rehetra.
ⲃ̅ⲈϪⲈⲚ ⲚⲒⲞⲨⲢⲰⲞⲨ ⲚⲈⲘ ⲈϪⲈⲚ ⲞⲨⲞⲚ ⲚⲒⲂⲈⲚ ⲈⲦϬⲞⲤⲒ ϨⲒⲚⲀ ⲚⲦⲞⲨϢⲰⲠⲒ ϦⲈⲚⲞⲨⲰⲚϦ ⲈϤϨⲞⲨⲢⲰⲞⲨ ⲞⲨⲞϨ ⲚⲢⲈⲘⲢⲀⲨϢ ϦⲈⲚⲘⲈⲦⲈⲨⲤⲈⲂⲎ ⲤⲚⲒⲂⲈⲚ ⲚⲈⲘ ⲘⲈⲦⲤⲈⲘⲚⲞⲤ ⲚⲒⲂⲈⲚ.
3 Izany no tsara ka ankasitrahana eo imason’ Andriamanitra, Mpamonjy antsika,
ⲅ̅ⲪⲀⲒ ⲚⲀⲚⲈϤ ⲞⲨⲞϨ ϤϢⲎⲠ ⲘⲠⲈⲘⲐⲞ ⲘⲪⲚⲞⲨϮ ⲠⲈⲚⲤⲰⲦⲎⲢ.
4 Izay tia ny olona rehetra hovonjena ka ho tonga amin’ ny fahalalana ny marina.
ⲇ̅ⲪⲀⲒ ⲈⲐⲞⲨⲰϢ ⲚⲦⲈⲢⲰⲘⲒ ⲚⲒⲂⲈⲚ ⲚⲞϨⲈⲘ ⲞⲨⲞϨ ⲚⲤⲈⲒ ⲈⲠⲤⲞⲨⲈⲚ ϮⲘⲈⲐⲘⲎⲒ.
5 Fa iray no Andriamanitra, ary iray no Mpanalalana amin’ Andriamanitra sy ny olona, dia Kristy Jesosy, Izay olona,
ⲉ̅ⲞⲨⲀⲒ ⲄⲀⲢ ⲠⲈ ⲪⲚⲞⲨϮ ⲞⲨⲞϨ ⲞⲨⲀⲒ ⲠⲈ ⲠⲒⲘⲈⲤⲒⲦⲎⲤ ⲚⲦⲈⲪⲚⲞⲨϮ ⲚⲈⲘ ⲚⲒⲢⲰⲘⲒ ⲞⲨⲢⲰⲘⲒ ⲠⲬⲢⲒⲤⲦⲞⲤ ⲒⲎⲤ
6 sady nanolotra ny tenany ho avotra hisolo ny olona rehetra, dia zavatra ho fitory amin’ izao androny izao.
ⲋ̅ⲪⲀⲒ ⲈⲦⲀϤⲦⲎⲒϤ ⲚⲤⲰϮ ⲈϪⲈⲚ ⲞⲨⲞⲚ ⲚⲒⲂⲈⲚ ⲠⲒⲘⲈⲐⲢⲈ ϦⲈⲚⲠⲈϤⲤⲎⲞⲨ
7 Mba hanao izany no nanendrena ahy ho mpitory sy Apostoly (milaza ny marina aho, fa tsy mandainga), ho mpampianatra ny jentilisa amin’ ny finoana sy ny fahamarinana.
ⲍ̅ⲪⲀⲒ ⲀⲚⲞⲔ ⲈⲦⲀⲨⲬⲀⲦ ⲚⲀϤ ⲚⲢⲈϤϨⲒⲰⲒϢ ⲚⲈⲘ ⲀⲠⲞⲤⲦⲞⲖⲞⲤ ⲐⲘⲎⲒ ⲠⲈϮϪⲰ ⲘⲘⲞⲤ ⲚϮϪⲈⲘⲈⲐⲚⲞⲨϪ ⲀⲚ ⲪⲢⲈϤϮⲤⲂⲰ ⲚⲦⲈϨⲀⲚⲈⲐⲚⲞⲤ ϦⲈⲚⲞⲨⲚⲀϨϮ ⲚⲈⲘ ⲞⲨⲘⲈⲐⲘⲎⲒ.
8 Koa tiako ny lehilahy hivavaka eny tontolo eny manandra-tanana masìna, tsy amin’ ny fahatezerana na amin’ ny fifandirana.
ⲏ̅ϮⲞⲨⲰϢ ⲞⲨⲚ ⲚⲦⲈⲢⲰⲘⲒ ⲚⲒⲂⲈⲚ ⲦⲰⲂϨ ϦⲈⲚⲘⲀⲒ ⲚⲒⲂⲈⲚ ⲈⲨϤⲀⲒ ⲚϨⲀⲚϪⲒϪ ⲈⲠϢⲰⲒ ⲈⲨⲞⲨⲀⲂ ⲬⲰⲢⲒⲤ ϪⲰⲚⲦ ⲚⲈⲘ ⲘⲞⲔⲘⲈⲔ.
9 Ary toy izany koa ny vehivavy, hiravaka amin’ ny fitafiana mahamendrika mbamin’ ny fahamaotinana sy ny fahononan-tena, fa tsy amin’ ny volo mirandrana sy ny volamena, na vato soa, na fitafiana saro-bidy,
ⲑ̅ⲠⲀⲒⲢⲎϮ ⲞⲚ ⲚⲒϨⲒⲞⲘⲒ ⲈⲨϦⲈⲚ ⲞⲨⲘⲈⲦⲤⲀⲒ ⲚϨⲎⲦ ⲈⲤⲞⲢϤ ⲚⲈⲘ ⲞⲨⲘⲈⲦϪⲪⲒⲎϮ ⲚⲈⲘ ⲞⲨⲤⲀⲂⲈ ⲈⲨⲤⲞⲖⲤⲈⲖ ⲘⲘⲰⲞⲨ ϦⲈⲚϨⲀⲚϨⲰⲖⲔ ⲀⲚ ⲚⲈⲘ ϨⲀⲚⲚⲞⲨⲂ ⲚⲈⲘ ϨⲀⲚⲀⲚⲀⲘⲎⲒ ⲒⲈ ϦⲈⲚⲞⲨϬⲒϨⲂⲰⲤ ⲈⲚⲀϢⲈⲚⲤⲞⲨⲈⲚϤ.
10 fa amin’ ny asa tsara, araka izay mahamendrika ny vehivavy manaiky ny fivavahana amin’ Andriamanitra.
ⲓ̅ⲀⲖⲖⲀ ⲠⲈⲦϨⲢⲀⲨ ⲚⲚⲒϨⲒⲞⲘⲒ ϬⲒ ⲘⲘⲞϤ ⲈⲨⲰϢ ϦⲈⲚⲞⲨⲘⲈⲦⲐⲈⲞⲤⲈⲂⲎⲤ ⲈⲂⲞⲖ ϦⲈⲚϨⲀⲚϨⲂⲎⲞⲨⲒ ⲈⲚⲀⲚⲈⲨ
11 Aoka ny vehivavy hianatra mangingina ka hanaiky tsara.
ⲓ̅ⲁ̅ⲞⲨⲤϨⲒⲘⲒ ⲘⲀⲢⲈⲤϬⲒⲤⲂⲰ ϦⲈⲚⲞⲨⲘⲈⲦⲢⲈⲘⲢⲀⲨϢ ⲚϦⲢⲎⲒ ϦⲈⲚϬⲚⲈϪⲰϤ ⲚⲒⲂⲈⲚ.
12 Fa ny vehivavy tsy avelako hampianatra na hanapaka ny lehilahy, fa hangina ihany.
ⲓ̅ⲃ̅ϮⲞⲨⲀϨⲤⲀϨⲚⲒ ⲆⲈ ⲀⲚ ⲚⲤϨⲒⲘⲒ ⲈϮⲤⲂⲰ ⲞⲨⲆⲈ ⲈⲐⲢⲈⲤⲈⲢϪⲰϪ ⲈⲠⲈⲤϨⲀⲒ ⲀⲖⲖⲀ ⲘⲀⲢⲈⲤϬⲒⲤⲂⲰ ϦⲈⲚⲞⲨⲘⲈⲦⲢⲈⲘⲢⲀⲨϢ.
13 Fa Adama no natao voalohany, vao Eva.
ⲓ̅ⲅ̅ⲀⲆⲀⲘ ⲄⲀⲢ ⲀⲨⲈⲢⲠⲖⲀⲌⲒⲚ ⲘⲘⲞϤ ⲚϢⲞⲢⲠ ⲒⲦⲀ ⲈⲨⲀ.
14 Ary tsy Adama no voafitaka, fa ny vehivavy no voafitaka, ka dia tonga mpanota.
ⲓ̅ⲇ̅ⲞⲨⲞϨ ⲀⲆⲀⲘ ⲘⲠⲞⲨϢⲈⲢϨⲀⲖ ⲘⲘⲞϤ ϮⲤϨⲒⲘⲒ ⲆⲈ ⲚⲐⲞⲤ ⲈⲦⲀⲨⲈⲢϨⲀⲖ ⲘⲘⲞⲤ ⲀⲤϢⲰⲠⲒ ϦⲈⲚⲞⲨⲠⲀⲢⲀⲂⲀⲤⲒⲤ.
15 Nefa hovonjena ihany izy amin’ ny fiterahan-jaza, raha maharitra amin’ ny finoana sy ny fitiavana ary ny fahamasinana mbamin’ ny fahononan-tena.
ⲓ̅ⲉ̅ⲈⲤⲈⲚⲞϨⲈⲘ ⲆⲈ ⲈⲂⲞⲖ ϨⲒⲦⲈⲚ ⲦⲈⲤⲘⲈⲦⲢⲈϤϪⲪⲈ ϢⲎⲢⲒ ⲈϢⲰⲠ ⲀⲨϢⲀⲚⲞϨⲒ ϦⲈⲚⲠⲒⲚⲀϨϮ ⲚⲈⲘ ϮⲀⲄⲀⲠⲎ ⲚⲈⲘ ⲠⲒⲦⲞⲨⲂⲞ ϦⲈⲚⲞⲨⲘⲈⲦⲤⲀⲂⲈ.