< 1 Timoty 1 >

1 Paoly, Apostolin’ i Kristy Jesosy araka ny didin’ Andriamanitra, Mpamonjy antsika, sy Kristy Jesosy fanantenantsika,
Pauro, muapositori waJesu Kristu nekuraira kwaMwari Muponesi wedu, nekwaIshe Jesu Kristu tariro yedu,
2 mamangy an’ i Timoty, tena zanako amin’ ny finoana: fahasoavana, famindram-po, fiadanana avy amin’ Andriamanitra Ray sy Kristy Jesosy Tompontsika.
kuna Timotio mwana wangu chaiye parutendo: Nyasha, tsitsi, nerugare zvinobva kuna Mwari Baba vedu naJesu Kristu Ishe wedu.
3 Toy ny nangatahako anao hitoetra any Efesosy, rehefa hankany Makedonia aho, mba handidianao ny sasany tsy hanao fampianarana hafahafa,
Sezvandakakukurudzira kuti ramba ugere paEfeso, ndichienda kuMakedhonia, kuti uraire vamwe kuti varege kudzidzisa imwe dzidziso,
4 na hitandrina ny anganongano sy ny tantaram-pirazanana tsy hita lany izay mahatonga ady hevitra, fa tsy mampandroso ny fitondrana araka an’ Andriamanitra amin’ ny finoana, dia toy izany koa no ataoko ankehitriny.
kana kuchenjerera ngano nenhoroondo dzemadzinza dzisingaperi, dzinomutsa gakava pane kuvaka kwaMwari kuri murutendo.
5 Fa ny anton’ ny didy dia fitiavana avy amin’ ny fo madio sy ny fieritreretana tsara ary ny finoana tsy mihatsaravelatsihy,
Asi chinangwa chemurairo rudo rwunobva pamoyo wakachena nehana yakanaka nerutendo rusinganyepedzeri;
6 izay nivilian’ ny sasany, ka nania ho amin’ ny taria foana izy,
pane izvozvi vamwe vakatsvedza vakatsaukira kukutaura kusina maturo,
7 dia olona izay te-ho mpampiana-dalàna, kanefa tsy fantany akory izay lazainy na izay itompoany.
vachida kuva vadzidzisi vemurairo, vasinganzwisisi kana zvavanoreva, kana maererano nezvavanosimbisa.
8 Nefa fantatsika fa tsara ny lalàna, raha entin’ ny olona araka izay antony,
Asi tinoziva kuti murairo wakanaka, kana munhu achiushandisa zviri pamurairo,
9 ka fantany fa tsy ny olona marina no nanaovana ny lalàna, fa ny mpandika lalàna sy ny maditra, dia ny tsy matahotra an’ Andriamanitra sy ny mpanota, ny olona tsy manaja izay masìna sy ny olona vetaveta, ny mpamono ray sy ny mpamono reny, ny mpamono olona,
achiziva izvi, kuti murairo hauna kuitirwa wakarurama, asi vasina murairo nevasingateereri, vasingadi Mwari nevatadzi, vasiri vatsvene nevasina hanya naMwari, mhondi dzemadzibaba nemhondi dzana amai, vanouraya vanhu,
10 ny mpijangajanga, ny sodomita, ny mpangalatra olona, ny mpandainga, ny mpianian-tsy tò, ary na inona na inona manohitra ny fampianarana tsy misy kilema,
mhombwe, ngochani, vanopamba vanhu, vanyepi, vaputsi vemhiko, uye kana chimwe chiriko chinopesana nedzidziso yakagwinya,
11 araka ny filazantsaran’ ny voninahitr’ Andriamanitra finaritra, izay natolotra ho adidiko.
maererano neevhangeri yekubwinya kwaMwari wakaropafadzwa yandakabatiswa.
12 Misaotra an’ i Kristy Jesosy Tompontsika aho, Izay nampahery ahy, fa nataony mahatoky aho ka notendreny ho amin’ ny fanompoana,
Uye ndinovonga wakandigonesa, Kristu Jesu Ishe wedu, kuti wakandiona ndakatendeka, akandiisa paushumiri,
13 dia izaho, izay mpiteny ratsy fahiny sady mpanenjika sy mpampahory; kanefa nahazo famindram-po aho, satria tamin’ ny tsi-fahalalana no nanaovako izany noho ny tsi-finoana.
ini ndaimbova munyombi nemushushi nemutuki; asi ndakawana tsitsi, nokuti ndakaita nekusaziva pakusatenda;
14 Fa be indrindra ny fahasoavan’ ny Tompontsika tamin’ ny finoana sy ny fitiavana, izay ao amin’ i Kristy Jesosy.
asi nyasha dzaIshe wedu dzakawedzeresa pamwe nerutendo nerudo rwuri muna Kristu Jesu.
15 Mahatoky ka tokony hekena amin’ ny fankasitrahana rehetra izao teny izao: tonga tetỳ ambonin’ ny tany Kristy Jesosy hamonjy ny mpanota, ary amin’ ireny izaho no lohany.
Ishoko rakatendeka uye rinofanira kugamuchirwa chese, kuti Kristu Jesu wakauya munyika kuzoponesa vatadzi, vandiri ini mukuru wavo;
16 Kanefa izao no namindrana fo tamiko, dia ny mba hasehon’ i Jesosy Kristy eo amiko, izay lohany, ny fahari-po rehetra ho fianarana ho an’ izay hino Azy hahazoana fiainana mandrakizay. (aiōnios g166)
asi nekuda kweizvi ndakawana tsitsi, kuti mandiri ndinova mukuru, Jesu Kristu aratidze moyo murefu wese, uve muenzaniso kune vanozotenda kwaari, paupenyu husingaperi. (aiōnios g166)
17 Ary ho an’ ny Mpanjaka tsy manan-taloha, tsy mety maty, tsy hita, dia ho an’ Andriamanitra tokana ihany anie ny laza sy ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amena. (aiōn g165)
Zvino kuna Mambo wekusingaperi, asingafi, asingaonekwi, Mwari wega wakachenjera, ngakuve nekukudzwa nekubwinya kusvikira rinhi narinhi. Ameni. (aiōn g165)
18 Izao didy izao no omeko anao, ry Timoty zanako, araka ireo faminaniana natao fahiny ny aminao ireo, mba ho entinao miady ny ady tsara ireo,
Murairo uyu ndinokumikidza kwauri, mwana wangu Timotio, sezviporofita zvakatanga pamusoro pako, kuti nazvo urwe kurwa kwakanaka;
19 amin’ ny itananao ny finoana sy ny fieritreretana tsara, izay efa narian’ ny sasany, ka toy ny olona vaky sambo izy ny amin’ ny finoana;
wakabata rutendo nehana yakanaka, vamwe vakati vairasa zvichienderana nerutendo vakaputsikirwa nechikepe,
20 naman’ ireny Hymeneo sy Aleksandro, izay natolotro ho an’ i Satana mba hofaizana tsy hiteny ratsy.
vamwe vavo ndiHimenayosi naArekizandro, vandakakumikidza kuna Satani, kuti vadzidze kusanyomba.

< 1 Timoty 1 >