< 1 Tesaloniana 5 >

1 Fa ny amin’ ny andro sy ny fotoana, ry rahalahy, dia tsy misy tokony hosoratako aminareo,
Asi maererano nenguva nemwaka, hama, hamufaniri kuti munyorerwe,
2 satria ianareo mahalala marimarina fa ho avy toy ny mpangalatra amin’ ny alina ny andron’ ny Tompo.
nokuti imwi mumene munoziva kwazvo kuti sembavha usiku, saizvozvo zuva raIshe rinosvika;
3 Raha misy olona manao hoe: Miadana sy mandry fahizay, dia hanjo azy tampoka ny fandringanana, toy ny fahararian’ ny vehivavy raha miteraka, ka tsy ho afa-mandositra mihitsy izy.
nokuti pavanoti: Rugare nekugarika, pakarepo kuparadzwa kunovawira, sekurwadzwa nemimba kwemukadzi ane mimba; uye havangatongopukunyuki.
4 Fa ianareo, ry rahalahy, tsy ao amin’ ny maizina, mba hahatratra anareo toy ny mpangalatra izany andro izany.
Asi imwi, hama, hamusi murima, kuti zuva iro rikubatei sembavha.
5 Fa ianareo rehetra dia zanaky ny mazava sy zanaky ny andro; tsy an’ ny alina na an’ ny maizina isika.
Imwi mese muri vana vechiedza nevana vemasikati; hatisi veusiku kana verima;
6 Koa dia aza mba matory toy ny sasany isika, fa aoka hiambina ka hahonon-tena.
naizvozvo zvino ngatirege kurara sevamwewo, asi ngatirinde, tipengenuke.
7 Fa izay matory dia matory amin’ ny alina; ary izay mamo dia mamo amin’ ny alina.
Nokuti vanorara vanorara usiku; nevanoraradza vanoraradza usiku.
8 Fa satria an’ ny andro isika, dia aoka hahonon-tena ka hitafy ny finoana sy ny fitiavana ho fiarovan-tratra, ary ny fanantenana ny famonjena ho fiarovan-doha.
Asi isu tiri vemasikati, ngatipengenuke, tichipfeka chidzitiro chechifuva cherutendo nerudo; netariro yeruponeso ive ngowani.
9 Fa Andriamanitra tsy nanendry antsika ho amin’ ny fahatezerana, fa mba hahazo famonjena amin’ ny alalan’ i Jesosy Kristy Tompontsika,
Nokuti Mwari haana kutitemera hasha, asi kuwana ruponeso naIshe wedu Jesu Kristu,
10 Izay maty hamonjy antsika, mba hiara-belona aminy isika, na mahatsiaro na matory.
wakatifira, kuti kana tikarinda kana kurara, tirarame pamwe naye.
11 Koa mifananara sy mifampahatanjaha, tahaka ny ataonareo ihany.
Saka kurudziranai, muvakane, sezvamunoitawo.
12 Ary mangataka aminareo izahay, ry rahalahy, mba hekenareo izay mikely aina eo aminareo sy mitondra anareo amin’ ny Tompo ary mananatra anareo,
Asi tinokukumbirai, hama, kuziva vanoshanda zvine simba pakati penyu, nevanokutungamirirai muna Ishe, nekukurairai,
13 ary mba hohajainareo indrindra amin’ ny fitiavana izy noho ny asany. Mihavàna tsara.
uye muvakudze zvikurusa murudo, nekuda kwebasa ravo. Ivai nerugare pakati penyu.
14 Ary mananatra anareo izahay, ry rahalahy; anaro izay tsy mitoetra tsara; omeo toky ny malemy saina; ampaherezo ny reraka; mandefera amin’ ny olona rehetra.
Asi tinokukurudzirai, hama, yambirai vasina murairo, munyaradze vanopera moyo, tsigirai vasina simba, muve nemoyo murefu kune vese.
15 Tandremo mba tsy hisy hamaly ratsy olona; fa miezaha mandrakariva hitady izay tsara, na amin’ ny namanareo na amin’ ny olona rehetra.
Chenjerai kuti umwe arege kutsiva umwe zvakaipa nezvakaipa; asi nguva dzese teverai zvakanaka, zvese pakati penyu nekune vese.
16 Mifalia mandrakariva.
Farai nekusingaperi;
17 Mivavaha, ka aza mitsahatra.
nyengeterai musingamiri;
18 Misaora amin’ ny zavatra rehetra; fa izany no sitrapon’ Andriamanitra ao amin’ i Kristy Jesosy ho anareo.
vongai pazvinhu zvese; nokuti ichi ndicho chido chaMwari muna Kristu Jesu maererano nemwi.
19 Aza mamono ny Fanahy.
Musadzima Mweya;
20 Aza manao tsinontsinona ny faminaniana.
musazvidza zviporofita;
21 Fantaro ny zavatra rehetra; hazòny mafy izay tsara.
idzai zvinhu zvese; mubatisise zvakanaka;
22 Fadio ny fanao ratsy rehetra.
ibvai pakuonekwa kwese kwekuipa.
23 Ary Andriamanitry ny fiadanana anie hahamasina anareo samy ho tanteraka, ka aoka harovana avokoa ny fanahinareo sy ny ainareo ary ny tenanareo ho tanteraka ka tsy hanan-tsiny amin’ ny fihavian’ i Jesosy Kristy Tompontsika.
NaMwari werugare amene ngaakuitei vatsvene zvakazara; nemweya wenyu wese, nemoyo, nemuviri, zvichengetwe zvisina zvazvingapomerwa pakuuya kwaIshe wedu Jesu Kristu.
24 Mahatoky Izay miantso anareo, sady Izy ihany no hanefa izany.
Wakatendeka iye anokudanai, achazviitawo.
25 Ry rahalahy, mivavaha ho anay.
Hama, tinyengetererei.
26 Manaova veloma ny rahalahy rehetra amin’ ny fanorohana masìna.
Kwazisai hama dzese nekutsvoda kutsvene.
27 Mampianiana anareo amin’ ny Tompo aho mba hovakina amin’ ny rahalahy rehetra ity epistily ity.
Ndinokupikirai naIshe, kuti tsamba iyi iverengerwe hama tsvene dzese.
28 Ho aminareo anie ny fahasoavan’ i Jesosy Kristy Tompontsika.
Nyasha dzaIshe wedu Jesu Kristu ngadzive nemwi. Ameni.

< 1 Tesaloniana 5 >