< 1 Tesaloniana 4 >
1 Ary farany, ry rahalahy, mangataka aminareo sy mananatra anareo ao amin’ i Jesosy Tompo izahay, mba ho araka ny nandraisanareo taminay izay mety handehananareo sy hanaovanareo ny sitrapon’ Andriamanitra ― dia araka ny andehananareo ihany ― no hitomboanareo bebe kokoa.
Даље, браћо, молимо вас и саветујемо у Христу Исусу, као што примисте од нас, како вам треба живети и угађати Богу, као што живите, да бивате све изобилнији.
2 Fa fantatrareo ny didy nomenay anareo avy tamin’ i Jesosy Tompo.
Јер знате какве вам заповести дадосмо кроз Господа Исуса.
3 Fa izao no sitrapon’ Andriamanitra, dia ny hanamasinana anareo, hifadianareo ny fijangajangana,
Јер је ово воља Божија, светост ваша, да се чувате од курварства,
4 mba samy hahafantatra izay hahazoanareo ny fanaky ny tenanareo avy, amin’ ny fahamasinana sy ny voninahitra,
И сваки од вас да зна држати свој суд у светињи и у части,
5 tsy amin’ ny filàna fotsiny, tahaka ny jentilisa izay tsy mahalala an’ Andriamanitra,
А не у сласти жеља, као и незнабошци, који не познају Бога;
6 mba tsy hisy hanao saina hifetsy ny rahalahiny amin’ izany; fa ny Tompo no mpamaly ny amin’ izany zavatra rehetra izany, toy ny nolazainay sy nambaranay taminareo rahateo.
И да не преступате и закидате у ствари брата свог; јер ће Господ покајати све то, као што вам и пре казасмо и посведочисмо.
7 Fa Andriamanitra tsy niantso antsika ho amin’ ny fahalotoana, fa amin’ ny fahamasinana.
Јер Бог нас не дозва на нечистоту, него у светост.
8 Koa izay mandà, dia tsy olona no laviny, fa Andriamanitra, Izay manome anareo ny Fanahiny Masìna.
Који дакле одбацује, не одбацује човека него Бога, који је дао Светог Духа свог у вас.
9 Fa ny amin’ ny fifankatiavan’ ny mpirahalahy, dia tsy misy tokony hosoratako aminareo, satria ny tenanareo dia ampianarin’ Andriamanitra hifankatia.
А за братољубље не треба да вам се пише, јер сте сами од Бога научени да се љубите међу собом,
10 Fa manao izany ihany ianareo amin’ ny rahalahy rehetra eran’ i Makedonia; nefa mananatra anareo ihany izahay, ry rahalahy, mba hitombo bebe kokoa,
Јер то чините са свом браћом по целој Македонији. Али вас молимо, браћо, да још изобилније чините,
11 ary mba hokendrenareo ny ho tafatoetra tsara sy hitandrina ny raharahanareo ary hiasa amin’ ny tananareo araka ny nandidianay anareo,
И да се љубазно старате да сте мирни, и да гледате свој посао, и да радите својим рукама, као што вам заповедисмо;
12 mba handehananareo amin’ izay fitondran-tena mahamendrika amin’ ny eo ivelany, ary mba tsy hanan-java-mahory ianareo.
Да се владате поштено према онима што су напољу, и да од њих ништа не потребујете.
13 Fa tsy tianay tsy ho fantatrareo, ry rahalahy, ny amin’ izay modi-mandry, mba tsy hahalahelovanareo tahaka ny sasany izay tsy manana fanantenana.
Нећу вам пак затајити, браћо, за оне који су умрли, да не жалите као и остали који немају наду;
14 Fa raha inoantsika fa efa maty Jesosy sady efa nitsangana indray, dia toy izany koa no hitondran’ Andriamanitra izay efa nodi-mandry tao amin’ i Jesosy hiaraka aminy.
Јер ако верујемо да Исус умре и васкрсе, тако ће Бог и оне који су умрли у Исусу довести с Њим.
15 Fa izao no lazainay aminareo amin’ ny tenin’ ny Tompo: isika, izay velona ka mbola mitoetra mandra-pihavin’ ny Tompo, dia tsy mba hialoha izay efa nodi-mandry tsy akory.
Јер вам ово казујемо речју Господњом да ми који живимо и останемо за долазак Господњи, нећемо претећи оних који су помрли.
16 Fa ny tenan’ ny Tompo no hidina avy any an-danitra amin’ ny fiantsoana sy ny feon’ ny arikanjely ary ny trompetran’ Andriamanitra, ka izay maty ao amin i Kristy no hitsangana aloha;
Јер ће сам Господ са заповешћу, са гласом Арханђеловим, и с трубом Божјом сићи с неба; и мртви у Христу васкрснуће најпре;
17 ary rehefa afaka izany, dia isika izay velona ka mbola mitoetra no hakarina hiaraka aminy ho eny amin’ ny rahona hitsena ny Tompo any amin’ ny habakabaka; dia ho any amin’ ny Tompo mandrakariva isika.
А потом ми живи који смо остали, заједно с њима бићемо узети у облаке на сусрет Господу на небо, и тако ћемо свагда с Господом бити.
18 Koa dia mifampionòna ianareo amin’ izany teny izany.
Тако утешавајте један другог овим речима.