< 1 Tesaloniana 3 >
1 Ary amin’ izany, raha tsy naharitra intsony izahay, dia nataonay fa mety ny hilaozana hitoetra irery tany Atena,
Mwishowe hatukuweza kuvumilia zaidi. Basi, tuliamua kubaki kule Athene peke yetu,
2 ka dia nirahinay Timoty, rahalahinay sady mpanompon’ Andriamanitra amin’ ny filazantsaran’ i Kristy, mba hampahery sy hamporisika anareo amin’ ny finoanareo,
na kumtuma kwenu ndugu yetu Timotheo, ambaye ni mfanyakazi mwenzetu kwa ajili ya Mungu katika kuhubiri Habari Njema ya Kristo. Tulimtuma ili awaimarisheni na kuwafarijini,
3 mba tsy hisy ho taitra amin’ izao fahoriana izao; fa ny tenanareo mahalala fa ho amin’ izao no nanendrena antsika.
kusudi imani ya mtu yeyote miongoni mwenu isije ikafifia kwa sababu ya taabu hizo. Ninyi mnajua kwamba tunapaswa kupata mateso.
4 Fa fony teo aminareo aza izahay, dia nilaza taminareo rahateo fa tsy maintsy hampahorina isika, dia toy ny efa nanjo ihany ka fantatrareo.
Maana, tulipokuwa pamoja nanyi, tuliwaambieni kwamba tutateswa; na kama mjuavyo ndivyo ilivyotukia.
5 Ary noho izany izaho koa, raha tsy naharitra intsony, dia naniraka hahafantatra ny finoanareo, fandrao sendra naka fanahy anareo ny mpaka-fanahy, ka ho foana ny nikelezanay aina.
Ndio maana nilimtuma Timotheo kwenu. Sikuweza kungoja zaidi, na hivyo nilimtuma nipate habari za imani yenu. Isije ikawa labda Mshawishi aliwajaribuni na kazi yote tuliyofanya miongoni mwenu imepotea bure!
6 Fa raha vao tonga atỳ aminay ankehitriny Timoty avy tatỳ aminareo ka nilaza teny taminay ny amin’ ny finoanareo sy ny fitiavanareo ary ny fahatsiarovana anareo tsara anay mandrakariva, ka maniry hahita anay indrindra ianareo, tahaka anay aminareo koa, ―
Sasa Timotheo amekwisha rudi, naye ametupa habari za kufurahisha kuhusu imani na upendo wenu. Ametuarifu kwamba mnatukumbuka daima, na kwamba mna hamu ya kutuona sisi kama nasi tulivyo na hamu ya kuwaoneni.
7 noho izany, ry rahalahy, dia nampionona anay teo amin’ ny fahaterenay sy ny fahorianay rehetra ny finoanareo;
Basi, habari za imani yenu zimetutia moyo katika taabu na mateso yetu yote,
8 fa ankehitriny velona izahay, raha tomoetra tsara amin’ ny Tompo ianareo.
kwani sasa tunaishi kweli ikiwa ninyi mnasimama imara katika kuungana na Bwana.
9 Fa manao ahoana no saotra azonay havaly an’ Andriamanitra ny aminareo noho ny fifaliana rehetra izay ifalianay noho ny aminareo eo anatrehan’ Andriamanitray,
Sasa twaweza kumshukuru Mungu wetu kwa ajili yenu. Tunamshukuru kwa furaha tuliyo nayo mbele yake kwa sababu yenu.
10 amin’ ny fangatahanay fatratra andro aman’ alina hahita ny tavanareo sy hahatanteraka ny tsy ampy amin’ ny finoanareo?
Tunazidi kumwomba Mungu usiku na mchana kwa moyo wetu wote ili atupatie fursa ya kuwaoneni uso kwa uso ili tuweze kurekebisha chochote kilichopungua katika imani yenu.
11 Ary Andriamanitra Raintsika anie sy Jesosy Tompontsika hanitsy ny lalanay ho atỳ
Tunamwomba Mungu, Baba yetu mwenyewe, na Bwana wetu Yesu atutayarishie njia ya kuja kwenu.
12 Ary ny Tompo anie hampitombo sy hampandroso anareo amin’ ny fifankatiavana sy ny fitiavana ny olona rehetra, dia tahaka anay aminareo koa,
Bwana awawezeshe ninyi kupendana na kuwapenda watu wote zaidi na zaidi, kama vile sisi tunavyowapenda ninyi.
13 mba hampiorina ny fonareo tsy hanan-tsiny amin’ ny fahamasinana eo anatrehan’ Andriamanitra Raintsika amin’ ny fihavian’ i Jesosy Tompontsika mbamin’ ny masiny rehetra.
Hivyo ataiimarisha mioyo yenu, nanyi mtakuwa wakamilifu na watakatifu mbele ya Mungu na Baba yetu wakati Bwana wetu Yesu atakapokuja pamoja na wote walio wake.