< 1 Tesaloniana 2 >
1 Fa ny tenanareo, ry rahalahy, dia mahalala fa tsy foana ny fidiranay tatỳ aminareo;
2 fa rehefa nampahorina sy nisetrasetrana tany Filipy izahay teo aloha, tahaka ny fantatrareo ihany, dia sahy tao amin’ Andriamanitray izahay hiteny taminareo ny filazantsaran’ Andriamanitra, na dia be aza ny fanoherana.
3 Fa ny fananaranay dia tsy avy amin’ ny fitaka, na ny fahalotoana, na ny soloky.
4 Fa tahaka ny nankasitrahan’ Andriamanitra anay, ka notolorana ny filazantsara ho adidinay izahay, dia araka izany koa no itenenanay, tsy toy ny mila sitraka amin’ olona, fa amin’ Andriamanitra, Izay mizaha toetra ny fonay.
5 Fa tsy nanao teny mandrobo akory izahay na oviana na oviana, tahaka ny fantatrareo ihany, na nihatsaravelatsihy hanafina fieremana (Andriamanitra no vavolombelona);
6 ary tsy nitady voninahitra tamin’ olona izahay, na taminareo, na tamin’ ny sasany, na dia nanam-pahefana hahavaky tratra aza izahay, araka izay mah’ Apostolin’ i Kristy anay.
7 Fa nalemy fanahy teo aminareo izahay, tahaka ny reny mitaiza ny zanany naterany,
8 dia toy izany no nahazoto anay, noho ny fitiavanay anareo indrindra; hanome anareo, tsy ny filazantsaran’ Andriamanitra ihany, fa ny ainay koa aza, satria efa malalanay ianareo.
9 Fa tsaroanareo, ry rahalahy, ny fikelezanay aina sy ny fisasaranay; fa niasa andro aman’ alina, mba tsy hahavaky tratra na dia olona iray akory taminareo aza, no nitorianay ny filazantsaran’ Andriamanitra taminareo.
10 Hianareo no vavolombelona ary Andriamanitra koa fa masìna sy marina ary tsy nanan-tsiny tokoa ny fitondran-tenanay teo imasonareo izay mino,
11 toy ny fantatrareo fa tahaka ny ray amin’ ny zanaka no namporisihanay sy nampiononanay anareo isam-batana sy nananaranay mafy anareo,
12 mba handehananareo miendrika an’ Andriamanitra, Izay miantso anareo ho amin’ ny fanjakany sy ny voninahiny.
13 Ary noho izany izahay koa dia tsy mitsahatra misaotra an’ Andriamanitra, satria rehefa nandray ny tenin’ Andriamanitra izay notorinay ianareo, dia tsy noraisinareo ho tenin’ olona, fa araka izay marina, dia ny tenin’ Andriamanitra, izay miasa anatinareo izay mino koa.
14 Fa ianareo, ry rahalahy, dia efa tahaka ny fiangonan’ Andriamanitra any Jodia izay amin’ i Kristy Jesosy; fa ny nanjo anareo noho ny nataon’ ny iray firenena aminareo dia sahafa amin’ ny nanjo ireo koa noho ny nataon’ ny Jiosy taminy,
15 izay namono an’ i Jesosy Tompo sy ny mpaminany koa ary nandroaka anay sady tsy manao ny sitrapon’ Andriamanitra ary manohitra ny olona rehetra,
16 ka mandrara anay tsy hitory amin’ ny jentilisa mba tsy hamonjena ireny, mba hameno ny fahotan’ ny tenany mandrakariva; kanjo efa niharan’ ny fahatezerana hatramin’ ny farany izy.
17 Ary izahay, ry rahalahy, rehefa tafasaraka taminareo vetivety foana tamin’ ny fanatrehana, fa tsy tamin’ ny fo, dia vao mainka nitady sy naniry fatratra hahita ny tavanareo.
18 Koa naniry hankany aminareo indray mandeha amana indroa izahay, dia izaho Paoly; nefa nosakanan’ i Satana izahay.
19 Fa inona moa no fanantenanay, na fifalianay, na satro-boninahitra reharehanay? Moa tsy ianareo eo anatrehan’ i Jesosy Tompontsika amin’ ny fihaviany va?
20 Fa ianareo no voninahitray sy fifalianay.