< 1 Tesaloniana 1 >
1 Paoly sy Silasy ary Timoty mamangy ny fiangonan’ ny Tesaloniana, izay ao amin’ Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy Tompo: ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana.
Павло й Силуа́н та Тимофій до Церкви Солу́нської в Бозі Отці й Господі Ісусі Христі: благода́ть вам і мир!
2 Misaotra an’ Andriamanitra mandrakariva izahay ny aminareo rehetra ka manonona anareo amin’ ny fivavahanay,
Ми дякуємо Богові за́вжди за всіх вас, згадуючи вас у наших моли́твах.
3 sady tsy mitsahatra mahatsiaro ny asanareo amin’ ny finoana sy ny fikelezanareo aina amin’ ny fitiavana ary ny faharetanareo amin’ ny fanantenana an i Jesosy Kristy Tompontsika eo imason’ Andriamanitra Raintsika;
Ми згадуємо безпереста́нку про ваше ді́ло віри, і про працю любови, і про терпіння надії на Господа нашого Ісуса Христа, перед Богом і Отцем нашим,
4 fa fantatray, ry rahalahy malalan’ Andriamanitra, ny fifidianana anareo,
зна́ючи, Богом улю́блені браття, про ваше обра́ння.
5 fa ny filazantsaranay tsy tonga teo aminareo tamin’ ny teny ihany, fa tamin’ ny hery koa sy ny Fanahy Masìna ary ny fahatokiana be, araka ny ahafantaranareo izay toetry ny fitondran-tenanay teo aminareo noho ny aminareo.
Бо наша Єва́нгелія не була́ для вас тільки у слові, а й у силі, і в Дусі Святім, і з великим упе́вненням, як знаєте ви, які ми були́ поміж вами для вас.
6 Ary ianareo efa nanahaka anay sy ny Tompo, satria nandray ny teny tamin’ ny fahoriana be mbamin’ ny hafaliana avy amin’ ny Fanahy Masìna,
І ви стали наслідувачі нам і Господе́ві, слово прийнявши в великому утискові з радістю Духа Святого,
7 ka dia tonga fianarana ho an’ ny mino rehetra any Makedonia sy Akaia ianareo.
так що ви стали взірце́м для всіх віруючих у Македонії та в Ахаї.
8 Fa avy taminareo no nanenoan’ ny tenin’ ny Tompo, tsy tany Makedonia sy Akaia ihany, fa teny tontolo eny no nielezan’ ny lazan’ ny finoanareo an’ Andriamanitra, ka dia tsy misy holazainay intsony.
Бо проне́слося Слово Господнє від вас не тільки в Македонії та в Ахаї, а й до кожного міста прийшла ваша віра в Бога, так що вам непотрібно казати чого́сь.
9 Fa ireny ihany no milaza ny aminay, dia izay fidirana azonay ho atỳ aminareo sy ny nialanareo tamin’ ny sampy hiverenana amin’ Andriamanitra mba hanompo an’ Andriamanitra velona sy marina,
Вони бо звіщають про нас, який був при́хід наш до вас, і як ви наверну́лись до Бога від і́долів, щоб служити живому й правдивому Богові,
10 ary mba hiandry ny Zanany avy any an-danitra, Izay natsangany tamin’ ny maty, dia Jesosy, izay Mpanafaka antsika amin’ ny fahatezerana ho avy.
і з неба очікувати Сина Його, що Його воскресив Він із мертвих, Ісуса, що визволює нас від майбу́тнього гніву.