< 1 Samoela 1 >

1 Ary nisy lehilahy Efraimita anankiray tany Ramataima-zofima any amin’ ny tany havoan’ i Efraima, Elkana no anarany zanak’ i Jerohama, zanak’ i Eliho, zanak’ i Toho, zanak’ i Zofa.
Akwai wani mutum daga Ramatayim, mutumin Zuf daga ƙasar tuddan Efraim, sunansa Elkana, ɗan Yeroham, shi jikan Elihu ɗan Tohu, tattaɓa kunnen Zuf, mutumin Efraim.
2 Ary namporafy izy, Hana no anaran’ ny vadiny anankiray, ary Penina no anaran’ ny anankiray; ary Penina nanan-janaka, fa Hana kosa tsy mba nanana.
Yana da mata biyu, ɗaya sunanta Hannatu, ɗayan kuwa ana kiranta Feninna. Ita Feninna tana da’ya’ya, amma Hannatu ba ta da’ya’ya.
3 Ary ralehilahy niakatra isan-taona niala tamin’ ny tanànany hivavaka sy hamono zavatra hatao fanatitra ho an’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, tao Silo. Ary tao izy mirahalahy, zanak’ i Ely, dia Hofinia sy Finehasa, mpisoron’ i Jehovah.
Shekara-shekara wannan mutum yakan haura daga garinsa zuwa Shilo domin yin sujada da miƙa hadayu ga Ubangiji Maɗaukaki. A can kuwa’ya’yan Eli maza biyu, Hofni da Finehas su ne firistoci na Ubangiji.
4 Ary tamin’ ny andro namonoan’ i Elkana zavatra hatao fanatitra dia samy nomeny anjara iray avy Penina vadiny sy ny zananilahy ary ny zananivavy rehetra.
Duk sa’ad da rana ta kewayo don Elkana yă miƙa hadaya, yakan ba da kashin nama ga matarsa Feninna da dukan’ya’yanta maza da mata.
5 Fa Hana kosa nomeny anjaran-droa, satria izy no tiany, nefa nataon’ i Jehovah momba.
Amma Hannatu kuwa sai yă ba ta babban rabo gama yana ƙaunarta ko da yake Ubangiji ya kulle mahaifarta.
6 Ary ny rafiny dia nanorisory azy mba hampalahelo azy mafy noho ny nanaovan’ i Jehovah azy momba.
Saboda Ubangiji ya kulle mahaifarta, sai kishiyarta ta dinga tsokanarta don tă ba ta haushi.
7 Ary izany no fanaon’ i Elkana isan-taona, raha niakatra ho any an-tranon’ i Jehovah Hana, ary izany koa no nanorisoren’ ny rafiny azy, koa nitomany izy sady tsy nety nihinan-kanina.
Wannan ya ci gaba shekara da shekaru. Duk lokacin da Hannatu ta haura zuwa haikalin Ubangiji, sai kishiyarta tă tsokane ta har tă yi ta kuka tă kuma ƙi cin abinci.
8 Fa Elkana vadiny nanao taminy hoe: Ry Hana, nahoana no mitomany ianao? ary nahoana no tsy mety mihinan-kanina ianao? ary nahoana no malahelo fo ianao? Tsy tsara lavitra aminao mihoatra noho ny zanaka folo mirahalahy va aho?
Elkana mijinta kuwa yakan ce mata, “Hannatu don me kike kuka? Me ya sa ba za ki ci abinci ba? Don me kika karaya? Ashe, ban fi’ya’ya goma a gare ki ba?”
9 Ary rehefa nihinana sy nisotro tao Silo izy, dia nitsangana Hana. Ary Ely mpisorona nipetraka tamin’ ny sezany teo anilan’ ny tolam-baravaran’ ny tempolin’ i Jehovah.
Wata rana sa’ad da suka gama ci da sha a Shilo, Hannatu ta miƙe tsaye. Eli firist kuwa yana zaune a kujera a bakin ƙofar haikalin Ubangiji.
10 Ary Hana dia nalahelo fanahy indrindra, ka nivavaka tamin’ i Jehovah izy sady nitomany dia nitomany.
A cikin baƙin ciki, Hannatu ta yi kuka mai zafi ta yi addu’a ga Ubangiji.
11 Ary nivoady izy ka nanao hoe: Jehovah, Tompon’ ny maro, raha mba hitsinjo tokoa ny alahelon’ ny ankizivavinao Hianao ka hahatsiaro ahy ary tsy hanadino ny ankizivavinao, fa hanome ahy zazalahy, dia homeko ho an’ i Jehovah kosa izy amin’ ny andro rehetra hiainany, ka tsy hokasihin-kareza ny lohany.
Ta yi ta cewa, “Ya Ubangiji Maɗaukaki. In har ka dubi baƙin cikin baiwarka, ka tuna da ni, ba ka kuma manta da baiwarka ba, amma ka ba ta ɗa, ni ma zan miƙa shi ga Ubangiji dukan rayuwarsa, aska kuwa ba za tă taɓa kansa ba.”
12 Ary raha mbola naharitra nivavaka teo anatrehan’ i Jehovah izy, dia nodinihin’ i Ely ny vavany.
Yayinda take addu’a ga Ubangiji, Eli ya lura da bakinta.
13 Fa niteny anakampo Hana, ka ny molony ihany no nihetsiketsika, fa ny feony tsy re akory; ka dia nataon’ i Ely fa mamo izy.
Hannatu tana addu’a a zuci, ba a jin muryarta, sai leɓunanta ne kawai suna motsi. Eli kuwa ya yi tsammani ta bugu ne.
14 Dia hoy Ely taminy: Mandrapahoviana no ho mamo ianao? Esory aminao ny divainao.
Sai ya ce mata, “Har yaushe za ki ci gaba da maye? Ki daina shan ruwan inabi.”
15 Dia namaly Hana ka nanao hoe: Tsia, tompoko; vehivavy malahelo fanahy aho, fa tsy nisotro divay na toaka tsy akory, fa mamoaka ny ato am-poko eto anatrehan’ i Jehovah aho.
Hannatu ta ce, “Ba haka ba ne, ranka yă daɗe, ni mace ce da take cikin matsala ƙwarai da gaske. Ban sha ruwan inabi ba, ko wani abu mai sa maye, ina dai faɗa wa Ubangiji abin da yake damuna ne.
16 Aza mba atao ho vehivavy tena ratsy fanahy ny ankizivavinao; fa ny haben’ ny fahoriako sy ny alaheloko no nitenenako mandraka ankehitriny.
Kada ka yi zato baiwarka’yar iska ce. Ina addu’a a nan saboda yawan azaba da baƙin cikin da nake ciki.”
17 Dia namaly Ely ka nanao hoe: Mandehana soa aman-tsara; ary homen’ Andriamanitry ny Isiraely anao anie izay nangatahinao taminy.
Eli ya ce, “In haka ne, to, ki sauka lafiya, Allah na Isra’ila kuma yă ba ki abin da kika roƙa daga gare shi.”
18 Ary hoy izy: Aoka hahita fitia eo imasonao ny ankizivavinao. Dia lasa nandeha ravehivavy, ary nihinana izy ka tsy nalahelo tarehy intsony.
Ta ce, bari baiwarka tă sami tagomashi a idonka. Sai ta yi tafiyarta ta je ta ci wani abu, fuskarta kuwa ba tă ƙara kasance da baƙin ciki ba.
19 Ary nifoha maraina koa izy ireo ka nivavaka teo anatrehan’ i Jehovah, dia lasa nody ka tonga tao an-tranony tany Rama; ary Elkana nahalala an’ i Hana vadiny, ary Jehovah nahatsiaro azy.
Kashegari da sassafe suka tashi suka yi sujada a gaban Ubangiji, sai suka koma garinsu a Rama. Elkana kuwa ya kwana da matarsa Hannatu, Ubangiji kuma ya tuna da ita.
20 Ary tamin’ ny fahatanterahan’ ny andro dia nanan’ anaka Hana ka nitera-dahy, ary ny anarany nataony hoe Samoela, fa hoy izy: Tamin’ i Jehovah no nangatahako azy.
Ana nan sai Hannatu ta yi ciki, ta kuma haifi ɗa. Ta ba shi suna Sama’ila; tana cewa, “Domin na roƙe shi daga wurin Ubangiji.”
21 Ary ralehilahy Elkana sy ny ankohonany rehetra niakatra hamono zavatra mba hanaterany ny fanatitra fanao isan-taona ho an’ i Jehovah sy ny fanalam-boadiny.
Da shekara ta kewayo, sai Elkana da iyalinsa suka sāke tafi Shilo domin su yi hadaya ga Ubangiji, yă kuma cika alkawarin da ya yi.
22 Fa Hana kosa tsy mba niakatra; fa hoy izy tamin’ ny vadiny: Aoka aloha mandra-panoty ny zaza, fa amin’ izay aho vao hitondra azy hiseho eo anatrehan’ i Jehovah, ka hitoetra ao mandrakizay izy.
Hannatu kuwa ba tă bi su ba. Ta gaya wa mijinta cewa, “Sai bayan na yaye yaron, zan kai shi in miƙa shi a gaban Ubangiji, yă kuma kasance a wurin koyaushe.”
23 Ary hoy Elkana vadiny taminy: Ataovy ary izay tianao; mitoera ihany mandra-panotinao azy; ary hefain’ i Jehovah anie ny teniny. Dia nitoetra ravehivavy ka nampinono ny zanany mandra-panotiny azy.
Elkana mijinta ya ce mata, “Ki yi abin da kika ga ya fi miki kyau. Ki jira har sai bayan kin yaye shi. Ubangiji dai ya cika maganarsa.” Saboda haka matar ta tsaya a gida, ta yi ta renon ɗanta har ta yaye shi.
24 Ary nony efa maoty ny zaza, vao nentiny niakatra niaraka taminy izy mbamin’ ny vantotr’ ombilahy telo sy koba iray efaha ary divay iray tavoara, ka nentiny ho ao an-tranon’ i Jehovah tao Silo izy; ary mbola kely ny zaza.
Bayan ta yaye shi, sai ta ɗauki yaron tare da bijimi bana uku, da mudun gari, da salkan ruwan inabi, ta kawo su a gidan Ubangiji a Shilo.
25 Dia novonoiny ny vantotr’ ombilahy iray, ary nentiny ho ao amin’ i Ely ny zaza.
Bayan an yanka bijimin, sai suka kawo yaron wurin Eli.
26 Ary hoy Hana: Tompoko ô, raha velona koa ny ainao, tompoko, izaho ilay vehivavy nitsangana teto anilanao ka nivavaka tamin’ i Jehovah.
Sai ta ce masa, “Ranka yă daɗe, ba ka gane ni ba? Ai, ni ce matar da ta taɓa tsayawa a gabanka, tana addu’a ga Ubangiji.
27 Ny hahazoako ity zazalahy ity no nivavahako; dia nomen’ i Jehovah ahy izay nangatahiko taminy.
Wannan yaron ne na roƙa daga wurin Ubangiji, ya kuwa ba ni abin da na roƙa daga gare shi.
28 Koa atolotro ho an’ i Jehovah kosa izy: eny, amin’ ny andro rehetra hiainany dia voatolotra ho an’ i Jehovah izy. Dia nivavaka tamin’ i Jehovah izy.
Saboda haka, na ba da shi ga Ubangiji muddin ransa, zai zama na Ubangiji.” A can kuwa ya yi wa Ubangiji sujada.

< 1 Samoela 1 >