< 1 Samoela 9 >

1 Ary nisy lehilahy avy amin’ ny Benjamina, atao hoe Kisy, zanak’ i Abiela, zanak’ i Zerora, zanak’ i Bekorata, zanak’ i Afia, Benjamita izy sy mpanjatobe.
А беше један човек од племена Венијаминовог, коме име беше Кис, син Авила, сина Серора, сина Вехората, сина Афије, сина једног човека од племена Венијаминовог, храбар јунак.
2 Ary nanan-janakalahy atao hoe Saoly izy, izay mbola tanora sady tsara tarehy, ka tsy nisy tsara tarehy noho izy teo amin’ ny Zanak’ Isiraely, ary nanan-tombo noho ny olona rehetra hatramin’ ny sorony no ho miakatra ny halavany.
Он имаше сина по имену Саула, који беше млад и леп да не беше лепшег од њега међу синовима Израиљевим, а главом беше виши од свега народа.
3 Ary very ny borikivavin’ i Kisy, rain’ i Saoly. Dia hoy Kisy tamin’ i Saoly zanany: Mitondrà zatovo anankiray hanaraka anao, dia miaingà, ka mandehana hitady ny boriky.
А Кису, оцу Сауловом несташе магарице, па рече Кис Саулу сину свом: Узми са собом једног момка, па устани и иди те тражи магарице.
4 Dia nandeha namaky ny tany havoan’ i Efraima izy ka namaky ny tany Salisa, fa tsy nahita azy; dia nandeha namaky ny tany Salima indray izy, nefa tsy tany ireny; dia nandeha namaky ny tanin’ ny Benjamina izy, fa mbola tsy nahita azy ihany indray.
И он прође гору Јефремову, и прође земљу салиску; али не нађоше; па прођоше и земљу салимску, и не беше их; па прођоше и земљу Венијаминову, и не нађоше.
5 Ary nony tonga teo amin’ ny tany Zofa izy, dia hoy Saoly tamin’ ny zatovony nanaraka azy: Andeha isika hiverina, fandrao isika indray no ahin’ ikaky, fa tsy ny boriky intsony.
А кад дођоше у земљу суфску, рече Саул момку свом који беше с њим: Хајде да се вратимо, да се не би отац оканио магарица и забринуо се за нас.
6 Fa hoy ny mpanompony taminy: Indro, misy lehilahin’ Andriamanitra amin’ iroa tanàna iroa, ary lehilahy malaza izy, fa izay rehetra lazainy dia tanteraka tokoa; koa andeha isika hankany, fa angamba hatorony antsika izay lalana tokony halehantsika.
А он му рече: Ево, у овом граду има човек Божји, ког веома поштују; шта год каже све се збива; хајдемо к њему, може бити да ће нас упутити куда бисмо ишли.
7 Dia hoy Saoly tamin’ ny zatovony: indro, raha mankany isika, inona moa no haterintsika ho an-dralehilahy? fa efa lany ny mofo rehetra tao amin’ ny fitondrantsika, ary tsy misy zavatra haterintsika ho an’ ny lehilahin’ Andriamanitra; ka inona moa no atỳ amintsika?
А Саул рече момку свом: Хајде да идемо; али шта ћемо однети човеку? Јер нам је хлеба нестало у торбама, а дар немамо да однесемо човеку Божијем. Шта имамо?
8 Dia namaly an’ i Saoly indray ilay zatovo ka nanao hoe: Indro, atỳ an-tanako misy vola ampahefatry ny sekely; koa homeko ny lehilahin’ Andriamanitra izany, mba hanoroany antsika izay lalana tokony halehantsika.
А момак опет одговарајући рече Саулу: Ето у мене четврт сикла сребра; то да дам човеку Божијем да нас упути.
9 (Fahiny teo amin’ ny Isiraely, raha nisy olona nandeha hanontany amin’ Andriamanitra, dia izao no fanaony: Andeha, aoka hankany amin’ ny mpahita isika; fa izay atao hoe mpaminany ankehitriny no natao hoe mpahita tany aloha.)
А у старо време ко би ишао да пита Бога говораше: Хајде да идемо к видеоцу. Јер ко се сада зове пророк у старо се време зваше виделац.
10 Dia hoy Saoly tamin’ ny mpanompony: Tsara izany, fa andeha isika hankany. Dia lasa izy roa lahy nankany amin’ ny tanàna nitoeran’ ilay lehilahin’ Andriamanitra.
И Саул рече момку свом: Добро велиш; хајде да идемо. И пођоше у град где беше човек Божји.
11 Ary raha mbola niakatra teo amin’ ny fiakarana ho any an-tanàna izy roa lahy, dia nahita zazavavy mivoaka hantsaka, ka hoy izy taminy: Ao ihany va ny mpahita?
И кад иђаху уз брдо градско, сретоше девојке које излажаху да захватају воду, па им рекоше: Је ли ту виделац?
12 Dia namaly azy ireo ka nanao hoe: Ao ihany izy; indro ao alohanao ao izy; mandehana faingana, fa efa tonga ao an-tanàna izy izao, satria misy fanatitra hataon’ ny vahoaka ao amin’ ny fitoerana avo anio;
А оне одговарајући рекоше: Јесте, ето пред тобом; похитај, јер је данас дошао у град, јер данас народ има жртву на гори.
13 ary raha vao miditra ao an-tanàna ianareo, dia ho hitanareo izy, raha tsy mbola miakatra hihinana ao amin’ ny fitoerana avo, fa tsy hihinana ny vahoaka mandra-pahatongany, fa izy no manao fisaorana amin’ ny fanatitra, ary rehefa afaka izany, dia vao mihinana izay nasaina; koa miakara ianareo ankehitriny, fa amin’ izao no hahitanareo azy.
Како уђете у град, наћи ћете га пре него пође на гору да једе; јер народ неће јести докле он не дође, јер он треба да благослови жртву, па онда ће званице јести; зато идите, јер ћете га сада наћи.
14 Dia niakatra tao an-tanàna izy roa lahy; ary nony tonga tao izy, dia, indro, Samoela nivoaka niakatra ho any amin’ ny fitoerana avo ka nifanena taminy.
И отидоше у град; а кад дођоше усред града, гле Самуило полазећи на гору срете их.
15 Ary Jehovah efa nanambara tamin’ i Samoela omalin’ ny andro nahatongavan’ i Saoly ka nanao hoe:
А Господ беше објавио Самуилу дан пре него дође Саул, рекавши:
16 Rahampitso toy izao dia hampandehaniko ho atỳ aminao ny lehilahy anankiray avy amin’ ny tanin’ ny Benjamina, ary hohosoranao ho mpanapaka ny Isiraely oloko izy ka hamonjy azy amin’ ny tanan’ ny Filistina, fa efa nijery ny oloko Aho, satria efa mby etỳ amiko ny fitarainany.
Сутра у ово доба послаћу к теби једног човека из земље Венијаминове, њега помажи да буде вођ народу мом Израиљу, и он ће избавити мој народ из руку филистејских. Јер погледах на народ свој, јер вика његова дође до мене.
17 Ary nony hitan’ i Samoela Saoly, dia hoy Jehovah taminy: Indro ny lehilahy voalazako taminao; io no hanjaka amin’ ny oloko.
И кад Самуило угледа Саула, рече му Господ: Ето човека за ког ти рекох; тај ће владати мојим народом.
18 Ary Saoly dia nanatona an’ i Samoela teo am-bavahady ka nanao hoe: Masìna ianao, atoroy ahy ny tranon’ ny mpahita.
И Саул приступи к Самуилу на вратима, и рече: Кажи ми, где је кућа видеочева?
19 Ary Samoela dia namaly an’ i Saoly hoe: Izaho no mpahita; miakara eo alohako ho any amin’ ny fitoerana avo; fa hiara-mihinana amiko ianareo anio, ary raha maraina dia halefako handeha ianao ka holazaiko aminao izay rehetra ao am-ponao.
А Самуило одговори Саулу и рече: Ја сам виделац. Хајде преда мном на гору, и данас ћете са мном јести; а сутра ћу те отпустити, и шта ти је год у срцу, казаћу ти.
20 Ary aza malahelo ny amin’ ny borikinao izay efa very hateloana, fa efa hita ireny; ary ho an’ iza ny zavatra irina rehetra eo amin’ ny Isiraely? Tsy ho anao sy ny ankohonan-drainao va?
А за магарице, којих ти је нестало пре три дана, не брини се; јер су се нашле. И чије ће бити све што је најбоље у Израиљу? Еда ли не твоје и свега дома оца твог?
21 Dia namaly Saoly ka nanao hoe: Tsy Benjamita va aho, avy amin’ ilay kely indrindra amin’ ny firenen’ Isiraely? ary tsy kely indrindra va ny mpianakaviko eo amin’ ny mpianakavin’ ny firenen’ i Benjamina rehetra? ka nahoana no miteny amiko toy izany ianao?
А Саул одговори и рече: Нисам ли од племена Венијаминовог, најмањег племена Израиљевог, и дом мој најмањи између свих домова племена Венијаминовог? Што ми дакле говориш тако?
22 Ary Samoela dia nitondra an’ i Saoly sy ny zatovony ka nampiditra azy tao amin’ ny efi-trano, dia nanome azy toerana aloha teo amin’ izay nasaina; ary tokony ho olona telo-polo ireo.
А Самуило узе Саула и његовог момка, и одведе их у собу, и посади их у зачеље међу званицама којих беше до тридесет људи.
23 Ary hoy Samoela tamin’ ny mpanao nahandro: Ento ilay anjara nomeko anao, izay efa nolazaiko taminao hoe. Tehirizo ity.
И Самуило рече кувару: Донеси део који ти дадох и за који ти рекох: Остави га код себе.
24 Dia nalain’ ny mpanao nahandro ny soro-kena mbamin’ ny eo aminy ka napetrany teo anoloan’ i Saoly, ary hoy Samoela: Indro, izay efa natokana dia voapetraka eto anoloanao, koa hano; fa ho amin’ izao fotoana izao no nitehirizana izany ho anao hatramin’ izay nanaovako hoe: Efa nanasa ny vahoaka aho. Ary Saoly dia niara-nihinana tamin’ i Samoela androtrizay.
Тада донесе кувар плеће и шта беше на њему; а Самуило га метну пред Саула, и рече: Ево шта је остало, узми преда се, те једи, јер је сачувано пре за тебе, кад рекох: Позвао сам народ. Тако једе Саул са Самуилом онај дан.
25 Ary izy roa lahy nidina avy tao amin’ ny fitoerana avo hankany an-tanàna, ary dia niresaka tamin’ i Saoly teo an-tampon-trano Samoela.
Потом сиђоше с горе у град, и Самуило се разговара са Саулом на крову.
26 Ary nifoha maraina koa izy ireo; ary nony nazavaratsy ny andro, dia niantso an’ i Saoly teo an-tampon-trano Samoela ka nanao hoe: Mitsangàna ianao mba havoakako. Dia nitsangana Saoly, ka lasa nivoaka ho any ala-trano izy roa lahy, dia izy sy Samoela.
А ујутру уранише, и кад свиташе, зовну Самуило Саула на кров, и рече му: Дигни се, да те отпустим. И кад се диже Саул, изиђоше обојица, он и Самуило.
27 Ary nony nidina teo amin’ ny faran’ ny tanàna izy, dia hoy Samoela tamin’ i Saoly: Ampandehano eo alohantsika ny zatovo (dia lasa nandeha izy), fa mijanòna kely ianao hilazako ny tenin’ Andriamanitra.
И кад дођоше на крај града, рече Самуило Саулу: Реци момку нека иде напред (и он прође напред), а ти стани мало да ти јавим реч Божију.

< 1 Samoela 9 >