< 1 Samoela 8 >

1 Ary rehefa antitra Samoela, dia ny zanany no nataony mpitsara ny Isiraely.
А кад Самуило остаре, постави синове своје за судије Израиљу.
2 Ary Joela no anaran’ ny lahimatoany, ary Abia no anaran’ ny faralahiny; mpitsara tany Beri-sheba izy ireo.
А име сину његовом првенцу беше Јоило, а другом Авија, и суђаху у Вирсавеји.
3 Nefa ny zanany tsy nanaraka ny dian-drainy, fa nivily nitady vola aman-karena ka nandray kolikoly sy nanao fitsarana miangatra.
Али синови његови не хођаху путевима његовим, него ударише за добитком, и примаху поклоне и извртаху правду.
4 Ary ny loholon’ ny Isiraely rehetra nivory tao Rama ho any amin’ i Samoela
Тада се скупише све старешине Израиљеве и дођоше к Самуилу у Раму.
5 ka nanao taminy hoe: Indro, efa antitra ianao, ary ny zanakao tsy manaraka ny dianao; koa manendre mpanjaka ho anay hitsara anay, tahaka ny firenena rehetra.
И рекоше му: Ето, ти си остарео, а синови твоји не ходе твојим путевима: зато постави нам цара да нам суди, као што је у свих народа.
6 Fa tsy sitrak’ i Samoela ny nanaovan’ ny olona hoe: Omeo mpanjaka izahay hitsara anay. Dia nivavaka tamin’ i Jehovah Samoela.
Али Самуилу не би по вољи што рекоше: Дај нам цара да нам суди. И Самуило се помоли Господу.
7 Ary hoy Jehovah tamin’ i Samoela: Henoy ihany ny tenin’ ny olona amin’ izany rehetra lazainy aminao; fa tsy ianao no laviny, fa Izaho no laviny tsy hanjaka aminy.
А Господ рече Самуилу: Послушај глас народни у свему што ти говоре; јер не одбацише тебе него мене одбацише да не царујем над њима.
8 Araka ny asa rehetra izay nataony hatramin’ ny andro nitondrako azy nivoaka avy tany Egypta ka mandraka androany, dia ny nahafoizany Ahy sy ny nanompoany andriamani-kafa, dia toy izany koa no ataony aminao.
Како чинише од оног дана кад их изведох из Мисира до данас, и оставише ме и служише другим боговима, по свим тим делима чине и теби.
9 Ary ankehitriny henoy ihany ny teniny, kanefa lazao aminy marimarina, ka asehoy azy ny ho fanaon’ ny mpanjaka izay hanjaka aminy.
Зато сада послушај глас њихов; али им добро засведочи и кажи начин којим ће цар царовати над њима.
10 Dia nambaran’ i Samoela tamin’ ny olona izay nangataka mpanjaka taminy ny teny rehetra nolazain’ i Jehovah.
И каза Самуило све речи Господње народу који искаше од њега цара;
11 Ary hoy izy: Izao no ho fanaon’ ny mpanjaka izay hanjaka aminareo: Ny zanakareo-lahy dia halainy ka hotendreny ho amin’ ny kalesiny sy ho mpitaingin-tsoavaliny ary hihazakazaka eo alohan’ ny kalesiny,
И рече: Ово ће бити начин којим ће цар царовати над вама: синове ваше узимаће и метати их на кола своја и међу коњике своје, и они ће трчати пред колима његовим;
12 ary hotendreny ho mpifehy arivo sy ho mpifehy dimam-polo, ary hiasa ny taniny sy hijinja ny vokany ary hanao ny fiadiany sy ny fanaka momba ny kalesiny;
И поставиће их да су му хиљадници и педесетници, и да му ору њиве и жњу летину, и да му граде ратне справе и шта треба за кола његова.
13 ary ny zanakareo-vavy dia halainy ho mpangaroharo zava-manitra ary ho mpahandro sy mpanao mofo;
Узимаће и кћери ваше да му граде мирисне масти и да му буду куварице и хлебарице.
14 ary ny tsara indrindra amin’ ny sahanareo sy ny tanim-boalobokareo sy ny tanin’ olivanareo dia halainy ka homeny ho an’ ny mpanompony;
И њиве ваше и винограде ваше и маслинике ваше најбоље узимаће и раздавати слугама својим.
15 ary ny ampahafolon’ ny voan-javatrareo sy ny tanim-boalobokareo dia halainy ka homeny ho an’ ny tandapany sy ny tandonany.
Узимаће десетак од усева ваших и од винограда ваших, и даваће дворанима својим и слугама својим.
16 Ary ny ankizilahinareo sy ny ankizivavinareo sy ny zatovonareo tsara indrindra ary ny borikinareo dia halainy ka hampanaoviny ny asany.
И слуге ваше и слушкиње ваше и младиће ваше најлепше и магарце ваше узимаће, и обртати на своје послове.
17 Ary halainy koa ny ampahafolon’ ny ondry aman’ osinareo; ary ny tenanareo ho tonga mpanompony.
Стада ће ваша десетковати и ви ћете му бити робови.
18 Ary hitaraina amin’ izany andro izany ianareo noho ny mpanjakanareo izay nofidinareo ho anareo, fa Jehovah tsy hamaly anareo amin’ izany andro izany.
Па ћете онда викати, ради цара свог, ког изабрасте себи; али вас Господ неће онда услишити.
19 Kanefa tsy nety nihaino ny tenin’ i Samoela ny olona, fa hoy izy: Tsia, fa aoka ihany hisy mpanjaka hanjaka aminay,
Али народ не хте послушати речи Самуилове, и рекоше: Не, него цар нека буде над нама,
20 mba ho tahaka ny firenena rehetra koa izahay, ka ny mpanjakanay hitsara anay sy hivoaka eo alohanay ary hitarika ny adinay.
Да будемо и ми као сви народи; и нека нам суди цар наш и иде пред нама и води наше ратове.
21 Ary ren’ i Samoela ny teny rehetra nolazain’ ny olona, ka dia nolazainy teo anatrehan’ i Jehovah kosa.
А Самуило чувши све речи народне, каза их Господу.
22 Ary hoy Jehovah tamin’ i Samoela: Henoy ny teniny ka manendre mpanjaka ho azy. Dia hoy Samoela tamin’ ny lehilahy amin’ ny Isiraely: Samia ary mandeha ho any amin’ ny tanànanareo avy ianareo rehetra.
А Господ рече Самуилу: Послушај глас њихов, и постави им цара. И Самуило рече Израиљцима: Идите сваки у свој град.

< 1 Samoela 8 >