< 1 Samoela 7 >
1 Dia tonga teo ny mponina tao Kiriata-jearima ka nitondra ny fiaran’ i Jehovah niakatra, dia nitondra azy ho ao an-tranon’ i Abinadaba teo an-kavoana, ary nanamasina an’ i Eleazara zanany mba hitandrina ny fiaran’ i Jehovah izy.
Choncho anthu a ku Kiriati-Yearimu anabwera ndi kudzatenga Bokosi la Yehova. Iwo anapita nalo ku nyumba ya Abinadabu ya ku phiri ndipo anapatula Eliezara mwana wake kuti aziyangʼanira Bokosi la Yehovalo.
2 Ary hatramin’ izany andro izany dia nitoetra ela tany Kiriata-jearima ny fiaran’ i Jehovah, dia roa-polo taona; ary ny taranak’ Isiraely rehetra nalahelo an’ i Jehovah.
Zaka makumi awiri zinapita kuyambira pamene Bokosi la Yehova linakhala ku Kiriati-Yearimu, ndipo anthu a Israeli onse analira kupempha Yehova kuti awathandize.
3 Ary hoy Samoela tamin’ ny taranak’ Isiraely rehetra: Raha miverina amin’ i Jehovah amin’ ny fonareo rehetra tokoa ary ianareo, dia ario hiala aminareo ny andriamani-kafa sy ireo Astarta, ka ampiomany ny fonareo ho an’ i Jehovah, ary aoka Izy ihany no hotompoinareo, dia hamonjy anareo amin’ ny tanan’ ny Filistina Izy.
Ndipo Samueli anati kwa nyumba yonse ya Israeli, “Ngati mukubwerera kwa Yehova ndi mtima wanu wonse, muchotse milungu yachilendo ndi Asiteroti pakati panu ndipo mitima yanu ikhazikike pa Yehova ndi kutumikira Iye yekha. Mukatero Iye adzakupulumutsani mʼmanja mwa Afilisti.”
4 Dia nanary ireo Bala sy Astarta ny Zanak’ Isiraely ka nanompo an’ i Jehovah irery ihany.
Choncho Aisraeli anachotsa milungu yawo ya Baala ndi Asitoreti ndi kutumikira Yehova yekha.
5 Ary hoy Samoela: Vorio ny Isiraely rehetra ho any Mizpa, dia hivavaka amin’ i Jehovah ho anareo aho.
Kenaka Samueli anati, “Sonkhanitsani Aisraeli onse ku Mizipa ndipo ine ndidzakupemphererani kwa Yehova.”
6 Dia nivory tany Mizpa izy ary nanovo rano ka nandraraka izany teo anatrehan’ i Jehovah, sady nifady hanina tamin’ izany andro izany izy ka nanao hoe: Efa nanota tamin’ i Jehovah isika. Ary Samoela nitsara ny Zanak’ Isiraely tany Mizpa.
Choncho anasonkhana ku Mizipa, ndipo anatunga madzi ndi kuwathira pansi pamaso pa Yehova. Pa tsiku limenelo anasala kudya namanena kuti, “Ife tachimwira Yehova.” Ndipo Samueli anali mtsogoleri wa Israeli ku Mizipa.
7 Ary rehefa ren’ ny Filistina fa efa vory tany Mizpa ny Zanak’ Isiraely, dia niakatra hamely azy ireo andrianan’ ny Filistina. Ary nony nandre izany ny Zanak’ Isiraely, dia raiki-tahotra izy noho ny Filistina.
Afilisti anamva kuti Aisraeli asonkhana ku Mizipa, choncho akalonga awo anabwera kudzawathira nkhondo. Ndipo Aisraeli atamva anachita mantha chifukwa cha Afilisti.
8 Dia hoy ny Zanak’ Isiraely tamin’ i Samoela: Aza mitsahatra mitaraina amin’ i Jehovah Andriamanitsika ho anay ianao, mba hamonjeny anay amin’ ny tanan’ ny Filistina.
Choncho anati kwa Samueli, “Musasiye kutipempherera kwa Yehova Mulungu wathu, kuti atipulumutse mʼdzanja la Afilistiwa.”
9 Dia naka zanak’ ondry mbola minono Samoela ka nanatitra azy ho fanatitra dorana ho an’ i Jehovah; dia nitaraina tamin’ i Jehovah ho an’ ny Isiraely Samoela, ary nihaino azy Jehovah.
Ndipo Samueli anatenga mwana wankhosa wamkazi woyamwa ndi kumupereka monga nsembe yopsereza kwa Yehova. Iye anapemphera kwa Yehova mʼmalo mwa Aisraeli, ndipo Yehova anamuyankha.
10 Ary raha mbola nanatitra ny fanatitra dorana Samoela, dia nanatona ny Filistina hiady amin’ ny Isiraely; fa Jehovah nampikotrokorana mafy tamin’ ny Filistina tamin’ izany andro izany ka nampifanaritaka azy, dia resy teo anoloan’ ny Isiraely izy.
Samueli akupereka nsembe yopsereza, Afilisti anayandikira kuti ayambe kuwathira nkhondo Aisraeli. Koma tsiku limenelo Yehova anawaopseza Afilisti aja ndi mawu aakulu ngati bingu. Choncho anasokonezeka motero kuti Aisraeli anawagonjetsa.
11 Ary ny lehilahy amin’ ny Isiraely niala tany Mizpa, dia nanenjika ny Filistina ka namely azy mandra-pahatongany teo ambanin’ i Beti-kara.
Aisraeli anatuluka ku Mizipa kuthamangitsa Afilisti aja nʼkumawapha mʼnjira yonse mpaka kumunsi kwa Beti-Kari.
12 Ary Samoela naka vato ka nanorina azy teo anelanelan’ i Mizpa sy Sena, ary ny anarany nataony hoe Ebenezera; fa hoy izy: Efa novonjen’ i Jehovah isika hatramin’ izao.
Kenaka Samueli anatenga mwala nawuyika pakati pa Mizipa ndi Seni. Iye anawutcha Ebenezeri, popeza anati, “Yehova watithandiza mpaka pano.”
13 Dia resy ny Filistina ka tsy tafiditra teo anatin’ ny fari-tanin’ ny Isiraely intsony; ary ny tànan’ i Jehovah namely ny Filistina tamin’ ny andro rehetra niainan’ i Samoela.
Kotero Afilisti anagonjetsedwa ndipo sanadzalowenso mʼdziko la Israeli. Yehova analimbana ndi Afilisti masiku onse a Samueli.
14 Ary ny tanàna izay efa nalain’ ny Filistina tamin’ ny Isiraely dia azon’ ny Isiraely indray, hatrany Ekrona ka hatrany Gata; ary ny faritanin’ ireo dia nalain’ ny Isiraely tamin’ ny tanan’ ny Filistina koa. Ary nihavana ny Isiraely sy ny Amorita.
Mizinda yonse imene Afilisti analanda kuchokera ku Ekroni mpaka ku Gati inabwezedwa kwa Aisraeli. Choncho Aisraeli anapulumutsa dziko lawo. Ndipo panalinso mtendere pakati pa Aisraeli ndi Aamori.
15 Ary Samoela nitsara ny Isiraely tamin’ ny andro rehetra niainany.
Samueli anatsogolera Aisraeli moyo wake wonse.
16 Ary nandeha isan-taona isan-taona izy nitety any Betela sy Gilgala ary Mizpa ka nitsara ny Isiraely teo amin’ ireo tanàna rehetra ireo.
Chaka ndi chaka Samueli ankakonza ulendo wozungulira kuchokera ku Beteli mpaka ku Giligala ndi Mizipa, kuweruza milandu ya Aisraeli mʼmadera onsewa.
17 Dia niverina ho any Rama indray izy, fa tao ny tranony; ary nitsara ny Isiraely tao izy sady nanorina alitara tao ho an’ i Jehovah.
Koma pambuyo pake ankabwerera ku Rama, kumene kunali nyumba yake. Ankaweruza Aisraeli kumeneko. Ndipo iye anamanga guwa lansembe la Yehova kumeneko.