< 1 Samoela 4 >

1 Ary tonga tany amin’ ny Isiraely rehetra ny tenin’ i Samoela. Dia nandeha ny Isiraely hiady tamin’ ny Filistina ka nitoby teo anilan’ i Ebenezera; ary ny Filistina kosa nitoby tany Afeka.
Nalo neno la Samweli likaja kwa Israeli yote. Basi Waisraeli walitoka kwenda kupigana dhidi ya Wafilisti. Waisraeli wakapiga kambi huko Ebenezeri, nao Wafilisti wakapiga kambi huko Afeki.
2 Dia nilahatra ny Filistina hiady amin’ ny Isiraely; ary rehefa raikitra ny ady, dia resin’ ny Filistina ny Isiraely, ka nahafatesany tokony ho efatra arivo lahy ny miaramila nilahatra tany an-tsaha.
Wafilisti wakapanga safu za majeshi yao kupambana na Israeli, wakati vita vilipoenea, Israeli wakashindwa na Wafilisti, ambao waliwaua askari wa Israeli wapatao 4,000 kwenye uwanja wa vita.
3 Ary rehefa tonga tany an-toby ny olona, dia hoy ny loholon’ ny Isiraely: Nahoana no, namely antsika teo anoloan’ ny Filistina Jehovah androany? Andeha halaintsika avy any Silo ho eto amintsika ny fiaran’ ny faneken’ i Jehovah, ka raha tonga eto amintsika izany, dia hamonjy antsika amin’ ny tanan’ ny fahavalontsika.
Askari waliporudi kambini, wazee wa Israeli wakawauliza, “Kwa nini Bwana ameruhusu leo tushindwe mbele ya Wafilisti? Tuleteni Sanduku la Agano la Bwana kutoka Shilo, ili lipate kwenda pamoja nasi, na kutuokoa kutoka mikono ya adui zetu.”
4 Dia naniraka nankany Silo ny olona haka ny fiaran’ ny faneken’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Izay mipetraka amin’ ny kerobima; ary tao Silo, teo amin’ ny fiaran’ ny faneken’ Andriamanitra, izy mirahalahy zanak’ i Ely, dia Hofinia sy Finehasa.
Hivyo wakawatuma watu huko Shilo, nao wakalichukua Sanduku la Agano la Bwana Mwenye Nguvu Zote, aliyekaa kwenye kiti chake cha enzi kati ya makerubi. Nao wale wana wawili wa Eli, Hofni na Finehasi, walikuwako huko pamoja na Sanduku la Agano la Mungu.
5 Ary rehefa tonga teo an-toby ny fiaran’ ny faneken’ i Jehovah, dia nihoby mafy ny Zanak’ Isiraely rehetra, ka dia nanako ny tany.
Wakati Sanduku la Agano la Bwana lilikuja kambini, Waisraeli wote wakapiga kelele kwa sauti kuu hata ardhi ikatikisika.
6 Ary rehefa ren’ ny Filistina ny hoby, dia hoy izy; Inona re izany hoby mafy any an-tobin’ ny Hebreo izany? Ary fantany fa tonga ao an-toby ny fiaran’ i Jehovah.
Wafilisti waliposikia makelele wakauliza, “Ni nini makelele haya yote katika kambi ya Waebrania?” Walipofahamu kuwa Sanduku la Bwana limekuja kambini,
7 Dia raiki-tahotra ny Filistina ka nanao hoe: Andriamanitra no tonga ao an-toby. Ary hoy koa izy: Mahita loza isika! fa tsy mbola nisy toy izao.
Wafilisti wakaogopa, wakasema, “Mungu amekuja kambini, ole wetu. Halijatokea jambo kama hili tangu hapo.
8 Mahita loza isika! Iza no hamonjy antsika amin’ ny tànan’ ireo andriamanitra mahery ireo? Ireo no andriamanitra izay namely ny Egyptiana tamin’ ny kapoka rehetra tany an-efitra.
Ole wetu! Ni nani atakayetuokoa kutoka mikononi mwa miungu hii yenye nguvu? Ni miungu ile iliyowapiga Wamisri kwa mapigo ya aina zote huko jangwani.
9 Mahereza, ary aoka hitomban-dahy ianareo, ry Filistina, fandrao hanompo ny Hebreo ianareo tahaka ny nanompoany anareo; misehoa ho lehilahy ianareo, ka miadia.
Tuweni hodari, enyi Wafilisti! Tuweni wanaume, la sivyo mtakuwa watumwa wa Waebrania, kama wao walivyokuwa kwenu. Kuweni wanaume, mpigane!”
10 Ary niady ny Filistina, dia resy ny Isiraely, ka samy nandositra ho any an-dainy avy izy rehetra, ary be dia be no maty, dia lehilahy telo alina mandeha an-tongotra tamin’ ny Isiraely no niampatrampatra.
Basi Wafilisti wakapigana, nao Waisraeli wakashindwa na kila mtu akakimbilia hemani mwake. Mauaji yalikuwa makubwa sana, Israeli wakapoteza askari 30,000 waendao kwa miguu.
11 Dia lasan-ko babo ny fiaran’ Andriamanitra, ary maty izy mirahalahy zanak’ i Ely, dia Hofinia sy Finehasa.
Sanduku la Mungu likatekwa, na hao wana wawili wa Eli, Hofni na Finehasi, wakauawa.
12 Ary nisy lehilahy Benjamita anankiray nihazakazaka avy tany tamin’ ny miaramila ka tonga tao Silo androtrizay ihany, ary triatra ny akanjony, sady nihosin-tany ny lohany.
Siku ile ile mtu mmoja wa kabila la Benyamini akakimbia kutoka kwenye uwanja wa vita na kwenda Shilo, nguo zake zikiwa zimeraruka na akiwa na mavumbi kichwani mwake.
13 Ary raha tonga izy, indro, Ely nipetraka teo amin’ ny sezany ka nitazana teo amoron-dalana, fa niemponempona ny fony noho ny fiaran’ Andriamanitra. Ary nony tonga tao an-tanàna ralehilahy ka nilaza, dia nidradradradra ny tao an-tanàna rehetra.
Alipofika, Eli alikuwa ameketi juu ya kiti chake kando ya barabara akiangalia, kwa sababu moyo wake ulikuwa na hofu kwa ajili ya Sanduku la Mungu. Mtu yule alipoingia mjini na kueleza kilichokuwa kimetokea, mji wote ukalia.
14 Ary rehefa ren’ i Ely ny feo midradradradra, dia hoy izy: Inona izao feo mitabataba izao? Ary ilay lehilahy nanatona faingana ka nilaza tamin’ i Ely.
Eli akasikia kelele za kilio, naye akauliza, “Ni nini maana ya makelele haya?” Yule mtu akafanya haraka kwenda kwa Eli,
15 Ary efa valo amby sivi-folo taona Ely tamin’ izay, sady efa pahina ny masony, ka tsy nahita izy.
wakati huu Eli alikuwa na miaka tisini na minane nayo macho yake yalikuwa yamepofuka na hakuweza kuona.
16 Ary hoy ilay lehilahy tamin’ i Ely: Izaho ilay avy tany an-tafika, ary androany ihany no nandosirako niala tamin’ ny miaramila. Ary hoy izy: Nanao ahoana izay tany, anaka?
Akamwambia Eli, “Mimi nimetoka vitani sasa hivi, nimekimbia kutoka huko leo hii.” Eli akamuuliza, “Je, mwanangu, ni nini kimetokea huko?”
17 Dia namaly ilay nitondra teny ka nanao hoe: Nandositra teo anoloan’ ny Filistina ny Isiraely, ka be dia be no maty, ary izy mirahalahy zanakao, Hofinia sy Finehasa, mba maty koa, sady lasan-ko babo ny fiaran’ Andriamanitra.
Yule mtu aliyeleta habari akajibu, “Israeli amekimbia mbele ya Wafilisti, nalo jeshi limepata hasara kubwa. Pia wana wako wawili, Hofni na Finehasi, wamekufa, na Sanduku la Mungu limetekwa.”
18 Ary nony nilaza ny amin’ ny fiaran’ Andriamanitra izy, dia lavo nitsilany niala tamin’ ny sezany teo anilan’ ny vavahady Ely, ka folaka ny vozony, dia maty izy, satria efa antitra sady mavesatra. Ary efa nitsara ny Isiraely efa-polo taona izy.
Mara alipotaja Sanduku la Mungu, Eli alianguka kutoka kwenye kiti chake kwa nyuma kando ya lango. Shingo yake ikavunjika naye akafa, kwa kuwa alikuwa mzee tena mzito. Alikuwa amewaongoza Israeli kwa miaka arobaini.
19 Ary ny vinantoni-vavy, vadin’ i Finehasa, nanan’ anaka ka efa ho teraka; koa nony reny fa lasan-ko babo ny fiaran’ Andriamanitra, sady maty avokoa ny rafozany sy ny vadiny, dia nitanondrika izy ka narary nihetsi-jaza, fa efa ho teraka.
Mkwewe, mke wa Finehasi, alikuwa mjamzito na karibu wakati wa kujifungua. Aliposikia habari kwamba Sanduku la Mungu limetekwa na ya kuwa baba mkwe wake na mumewe wamekufa, akapata utungu naye akajifungua lakini akazidiwa na utungu.
20 Ary rehefa nadiva hiala aina izy, dia niteny ireo vehivavy nitsangana teo anilany ka nanao taminy hoe: Aza matahotra, fa velon-dahy ianao. Fa tsy namaly na nihaino izany izy.
Alipokuwa akifa, wanawake waliokuwa wanamhudumia wakamwambia, “Usikate tamaa, umemzaa mwana.” Lakini hakujibu wala kuweka maanani.
21 Dia nataony hoe Ikaboda ny anaran’ ny zaza; fa hoy izy: Afaka ny voninahitry ny Isiraely, satria efa lasan-ko babo ny fiaran’ Andriamanitra, sady efa maty koa ny rafozany sy ny vadiny.
Alimwita yule mtoto Ikabodi, akisema, “Utukufu umeondoka katika Israeli,” kwa sababu ya kutekwa kwa Sanduku la Mungu na vifo vya baba mkwe na mumewe.
22 Ary hoy izy: Afaka tamin’ ny Isiraely ny voninahitra, fa lasan-ko babo ny fiaran’ Andriamanitra.
Akasema, “Utukufu umeondoka katika Israeli, kwa kuwa Sanduku la Mungu limetekwa.”

< 1 Samoela 4 >