< 1 Samoela 4 >
1 Ary tonga tany amin’ ny Isiraely rehetra ny tenin’ i Samoela. Dia nandeha ny Isiraely hiady tamin’ ny Filistina ka nitoby teo anilan’ i Ebenezera; ary ny Filistina kosa nitoby tany Afeka.
イスラエル人ペリシテ人にいであひて戰はんとしエベネゼルの邊に陣をとりペリシテ人はアベクに陣をとる
2 Dia nilahatra ny Filistina hiady amin’ ny Isiraely; ary rehefa raikitra ny ady, dia resin’ ny Filistina ny Isiraely, ka nahafatesany tokony ho efatra arivo lahy ny miaramila nilahatra tany an-tsaha.
ペリシテ人イスラエル人にむかひて陣列をなせり戰ふにおよびてイスラエル人ペリシテ人のまへにやぶるペリシテ人戰場において其軍四千人ばかりを殺せり
3 Ary rehefa tonga tany an-toby ny olona, dia hoy ny loholon’ ny Isiraely: Nahoana no, namely antsika teo anoloan’ ny Filistina Jehovah androany? Andeha halaintsika avy any Silo ho eto amintsika ny fiaran’ ny faneken’ i Jehovah, ka raha tonga eto amintsika izany, dia hamonjy antsika amin’ ny tanan’ ny fahavalontsika.
民陣營にいたるにイスラエルの長老曰けるはヱホバ何故に今日我等をペリシテ人のまへにやぶりたまひしやヱホバの契約の櫃をシロより此にたづさへ來らん其櫃われらのうちに來らば我らを敵の手よりすくひいだすことあらんと
4 Dia naniraka nankany Silo ny olona haka ny fiaran’ ny faneken’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Izay mipetraka amin’ ny kerobima; ary tao Silo, teo amin’ ny fiaran’ ny faneken’ Andriamanitra, izy mirahalahy zanak’ i Ely, dia Hofinia sy Finehasa.
かくて民人をシロにつかはしてケルビムの上に坐したまふ萬軍のヱホバの契約の櫃を其處よりたづさへきたらしむ時にエリの二人の子ホフニとピネハス神の契約のはことともに彼處にありき
5 Ary rehefa tonga teo an-toby ny fiaran’ ny faneken’ i Jehovah, dia nihoby mafy ny Zanak’ Isiraely rehetra, ka dia nanako ny tany.
ヱホバの契約の櫃陣營にいたりしときイスラエル人皆大によばはりさけびければ地なりひびけり
6 Ary rehefa ren’ ny Filistina ny hoby, dia hoy izy; Inona re izany hoby mafy any an-tobin’ ny Hebreo izany? Ary fantany fa tonga ao an-toby ny fiaran’ i Jehovah.
ペリシテ人喊呼の聲を聞ていひけるはヘブル人の陣營に起れる此大なるさけびの聲は何ぞやと遂にヱホバの櫃の其陣營にいたれるを知る
7 Dia raiki-tahotra ny Filistina ka nanao hoe: Andriamanitra no tonga ao an-toby. Ary hoy koa izy: Mahita loza isika! fa tsy mbola nisy toy izao.
ペリシテ人おそれていひけるは神陣營にいたる又いひけるは鳴呼われら禍なるかな今にいたるまで斯ることなかりき
8 Mahita loza isika! Iza no hamonjy antsika amin’ ny tànan’ ireo andriamanitra mahery ireo? Ireo no andriamanitra izay namely ny Egyptiana tamin’ ny kapoka rehetra tany an-efitra.
ああ我等禍なるかな誰かわれらを是らの強き神の手よりすくひいださんや此等の神は昔し諸の災を以てエジプト人を曠野に撃し者なり
9 Mahereza, ary aoka hitomban-dahy ianareo, ry Filistina, fandrao hanompo ny Hebreo ianareo tahaka ny nanompoany anareo; misehoa ho lehilahy ianareo, ka miadia.
ペリシテ人よ強くなり豪傑のごとく爲せヘブル人がかつて汝らに事へしごとく汝らこれに事ふるなかれ豪傑のごとく爲して戰へよ
10 Ary niady ny Filistina, dia resy ny Isiraely, ka samy nandositra ho any an-dainy avy izy rehetra, ary be dia be no maty, dia lehilahy telo alina mandeha an-tongotra tamin’ ny Isiraely no niampatrampatra.
かくてペリシテ人戰ひしかばイスラエル人やぶれて各々其天幕に逃かへる戰死はなはだ多くイスラエルの歩兵の仆れし者三萬人なりき
11 Dia lasan-ko babo ny fiaran’ Andriamanitra, ary maty izy mirahalahy zanak’ i Ely, dia Hofinia sy Finehasa.
又神の櫃は奪はれエリの二人の子ホフニとピネハス殺さる
12 Ary nisy lehilahy Benjamita anankiray nihazakazaka avy tany tamin’ ny miaramila ka tonga tao Silo androtrizay ihany, ary triatra ny akanjony, sady nihosin-tany ny lohany.
是日ベニヤミンの一人軍中より走來り其衣を裂き土をかむりてシロにいたる
13 Ary raha tonga izy, indro, Ely nipetraka teo amin’ ny sezany ka nitazana teo amoron-dalana, fa niemponempona ny fony noho ny fiaran’ Andriamanitra. Ary nony tonga tao an-tanàna ralehilahy ka nilaza, dia nidradradradra ny tao an-tanàna rehetra.
其いたれる時エリ道の傍に壇に坐して觀望居たり其心に神の櫃のことを思ひ煩らひたればなり其人いたり邑にて人々に告ければ邑こぞりてさけびたり
14 Ary rehefa ren’ i Ely ny feo midradradradra, dia hoy izy: Inona izao feo mitabataba izao? Ary ilay lehilahy nanatona faingana ka nilaza tamin’ i Ely.
エリ此呼號の聲をききていひけるは是喧嘩の聲は何なるやと其人いそぎきたりてエリにつぐ
15 Ary efa valo amby sivi-folo taona Ely tamin’ izay, sady efa pahina ny masony, ka tsy nahita izy.
時にエリ九十八歳にして其目かたまりて見ることあたはず
16 Ary hoy ilay lehilahy tamin’ i Ely: Izaho ilay avy tany an-tafika, ary androany ihany no nandosirako niala tamin’ ny miaramila. Ary hoy izy: Nanao ahoana izay tany, anaka?
其人エリにいひけるは我は軍中より來れるもの我今日軍中より逃れたりエリいひけるは吾子よ事いかん
17 Dia namaly ilay nitondra teny ka nanao hoe: Nandositra teo anoloan’ ny Filistina ny Isiraely, ka be dia be no maty, ary izy mirahalahy zanakao, Hofinia sy Finehasa, mba maty koa, sady lasan-ko babo ny fiaran’ Andriamanitra.
使人答へていひけるはイスラエル人ペリシテ人の前に逃げ且民の中に大なる戰死ありまた汝の二人の子ホフニとピネハスは殺され神の櫃は奪はれたり
18 Ary nony nilaza ny amin’ ny fiaran’ Andriamanitra izy, dia lavo nitsilany niala tamin’ ny sezany teo anilan’ ny vavahady Ely, ka folaka ny vozony, dia maty izy, satria efa antitra sady mavesatra. Ary efa nitsara ny Isiraely efa-polo taona izy.
神の櫃のことを演しときエリ其壇より仰けに門の傍におち頸をれて死ねり是はかれ老て身重かりければなり其イスラエルを鞫しは四十年なりき
19 Ary ny vinantoni-vavy, vadin’ i Finehasa, nanan’ anaka ka efa ho teraka; koa nony reny fa lasan-ko babo ny fiaran’ Andriamanitra, sady maty avokoa ny rafozany sy ny vadiny, dia nitanondrika izy ka narary nihetsi-jaza, fa efa ho teraka.
エリの媳ピネハスの妻孕みて子產ん時ちかかりしが神の櫃の奪はれしと舅と夫の死にしとの傳言を聞しかば其痛みおこりきたり身をかがめて子を產り
20 Ary rehefa nadiva hiala aina izy, dia niteny ireo vehivavy nitsangana teo anilany ka nanao taminy hoe: Aza matahotra, fa velon-dahy ianao. Fa tsy namaly na nihaino izany izy.
其死なんとする時傍にたてる婦人これにいひけるは懼るるなかれ汝男子を生りと然ども答へず又かへりみず
21 Dia nataony hoe Ikaboda ny anaran’ ny zaza; fa hoy izy: Afaka ny voninahitry ny Isiraely, satria efa lasan-ko babo ny fiaran’ Andriamanitra, sady efa maty koa ny rafozany sy ny vadiny.
只榮光イスラエルをさりぬといひて其子をイカボデ(榮なし)と名く是は神の櫃奪はれしによりまた舅と夫の故に因るなり
22 Ary hoy izy: Afaka tamin’ ny Isiraely ny voninahitra, fa lasan-ko babo ny fiaran’ Andriamanitra.
またいひけるは榮光イスラエルをさりぬ神の櫃うばはれたればなり