< 1 Samoela 31 >

1 Ary ny Filistina niady tamin’ ny Isiraely, ary nandositra teo anoloan’ ny Filistina ny lehilahy amin’ ny Isiraely, ary niampatrampatra teny an-tendrombohitra Gilboa ny faty.
블레셋 사람이 이스라엘을 치매 이스라엘 사람들이 블레셋 사람 앞에서 도망하여 길보아 산에서 엎드러져 죽으니라
2 Ary ny Filistina nanenjika mafy an’ i Saoly sy ny zanany, ka matin’ ny Filistina Jonatana sy Abinadaba ary Malkisoa, zanak’ i Saoly.
블레셋 사람들이 사울과 그 아들들을 쫓아 미쳐서 사울의 아들 요나단과 아비나답과 말기수아를 죽이니라
3 Ary mafy ny ady tamin’ i Saoly, dia nifanehatra tamin’ ny mpandefa tsipìka izy; ary raiki-tahotra indrindra izy noho ny mpandefa tsipìka.
사울이 패전하매 활 쏘는 자가 따라 미치니 사울이 그 활 쏘는 자를 인하여 중상한지라
4 Ary hoy Saoly tamin’ ny mpitondra ny fiadiany: Tsoahy ny sabatrao, ka tsatohy miboroaka aho, fandrao avy irery tsy mifora irery ka hotsatohany miboroaka aho, dia hataony ho fihomehezana. Nefa tsy nety ny mpitondra ny fiadany, fa natahotra loatra izy. Dia nalain’ i Saoly ny sabatra ka nianjerany.
그가 병기 든 자에게 이르되 네 칼을 빼어 나를 찌르라 할례없는 자들이 와서 나를 찌르고 모욕할까 두려워하노라 하나 병기 든 자가 심히 두려워하여 즐겨 행치 아니하는지라 이에 사울이 자기 칼을 취하고 그 위에 엎드러지매
5 Ary rehefa hitan’ ny mpitondra ny fiadiany fa maty Saoly, dia mba nianjera tamin’ ny sabany koa izy ka niara-maty taminy.
병기 든 자가 사울의 죽음을 보고 자기도 자기 칼 위에 엎드러져 그와 함께 죽으니라
6 Ka dia niara-maty androtrizay ihany Saoly sy ny zanany telo lahy sy ny mpitondra ny fiadiany ary ny olony rehetra.
사울과 그 세 아들과 병기 든 자와 그의 모든 사람이 다 그 날에 함께 죽었더라
7 Ary nony hitan’ ny lehilahy amin’ ny Isiraely teny an-dafin’ ny lohasaha sy teny an-dafin’ i Jordana fa nandositra ny lehilahy amin’ ny Isiraely, ary maty Saoly sy ny zanany, dia niala tao an-tanàna izy ka nandositra; ary dia tonga ny Filistina ka nonina tao.
골짜기 저편에 있는 이스라엘 사람과 요단 건너편에 있는 자들이 이스라엘 사람들의 도망한 것과 사울과 그 아들들의 죽었음을 보고 성읍들을 버리고 도망하매 블레셋 사람들이 이르러 거기 거하니라
8 Ary nony ampitso, raha tonga haka ny zavatra teo amin’ ny maty ny Filistina, dia nahita an’ i Saoly sy ny zanany telo lahy niampatrampatra teo an-tendrombohitra Gilboa izy.
그 이튿날 블레셋 사람들이 죽은 자를 벗기러 왔다가 사울과 그 세 아들이 길보아 산에서 죽은 것을 보고
9 Ary notapahiny ny lohany, sady nalainy ny fiadiany, ary dia naniraka tany amin’ ny tanin’ ny Filistina manodidina izy hanambara izany zavatra mahafaly izany ao amin’ ny tranon’ ny sampiny sy amin’ ny olona.
사울의 머리를 베고 그 갑옷을 벗기고 자기들의 신당과 백성에게 전파하기 위하여 그것을 블레셋 사람의 땅 사방에 보내고
10 Dia napetrany tao amin’ ny tranon’ i Astarta ny fiadiany; ary ny fatiny nohomboany teo amin’ ny màndan’ i Beti-sana.
그 갑옷은 아스다롯의 집에 두고 그 시체는 벧산 성벽에 못 박으매
11 Ary nony ren’ ny mponina tany Jabesi-gileada izay nataon’ ny Filistina tamin’ i Saoly,
길르앗 야베스 거민들이 블레셋 사람들의 사울에게 행한 일을 듣고
12 dia niainga ny lehilahy mahery rehetra ka nandeha mandritra ny alina ary naka ny fatin’ i Saoly sy ny fatin’ ny zanany teo amin’ ny màndan’ i Beti-sana; ary tonga tao Jabesy izy ka nandoro azy tao.
모든 장사가 일어나 밤새도록 가서 사울과 그 아들들의 시체를 벧산 성벽에서 취하여 가지고 야베스에 돌아와서 거기서 불사르고
13 Ary nentiny ny taolany ka naleviny tao ambanin’ ilay hazo tamariska tao Jabesy, ary dia nifady hanina hafitoana izy.
그 뼈를 가져다가 야베스 에셀나무 아래 장사하고 칠 일을 금식하였더라

< 1 Samoela 31 >