< 1 Samoela 31 >

1 Ary ny Filistina niady tamin’ ny Isiraely, ary nandositra teo anoloan’ ny Filistina ny lehilahy amin’ ny Isiraely, ary niampatrampatra teny an-tendrombohitra Gilboa ny faty.
Filistiyawa suka yi yaƙi da Isra’ilawa, sai Isra’ilawa suka gudu a gaban Filistiyawa, aka kuma karkashe da yawa a dutsen Gilbowa.
2 Ary ny Filistina nanenjika mafy an’ i Saoly sy ny zanany, ka matin’ ny Filistina Jonatana sy Abinadaba ary Malkisoa, zanak’ i Saoly.
Filistiyawa suka abka wa Shawulu da’ya’yansa maza, suka kashe’ya’yan Shawulu. Yonatan da Abinadab da Malki-Shuwa.
3 Ary mafy ny ady tamin’ i Saoly, dia nifanehatra tamin’ ny mpandefa tsipìka izy; ary raiki-tahotra indrindra izy noho ny mpandefa tsipìka.
Yaƙin ya yi zafi ƙwarai kewaye da Shawulu, har maharba suka ji masa ciwo sosai bayan sun sha ƙarfinsa.
4 Ary hoy Saoly tamin’ ny mpitondra ny fiadiany: Tsoahy ny sabatrao, ka tsatohy miboroaka aho, fandrao avy irery tsy mifora irery ka hotsatohany miboroaka aho, dia hataony ho fihomehezana. Nefa tsy nety ny mpitondra ny fiadany, fa natahotra loatra izy. Dia nalain’ i Saoly ny sabatra ka nianjerany.
Sai Shawulu ya ce wa mai ɗauka masa makami, “Ka zare takobinka ka soke ni, kada waɗannan marasa kaciya su zo su ci mini mutunci, su kashe ni.” Amma mai ɗaukan makaman bai yarda ba don ya ji tsoro sosai. Sai Shawulu ya zāre takobinsa ya soki kansa.
5 Ary rehefa hitan’ ny mpitondra ny fiadiany fa maty Saoly, dia mba nianjera tamin’ ny sabany koa izy ka niara-maty taminy.
Da mai ɗaukar makamai ya ga Shawulu ya mutu, sai shi ma ya zāre takobinsa ya soki kansa ya mutu.
6 Ka dia niara-maty androtrizay ihany Saoly sy ny zanany telo lahy sy ny mpitondra ny fiadiany ary ny olony rehetra.
Shawulu da yaransa uku da mai ɗaukar makamansa da dukan mutanensa suka mutu a rana ɗaya.
7 Ary nony hitan’ ny lehilahy amin’ ny Isiraely teny an-dafin’ ny lohasaha sy teny an-dafin’ i Jordana fa nandositra ny lehilahy amin’ ny Isiraely, ary maty Saoly sy ny zanany, dia niala tao an-tanàna izy ka nandositra; ary dia tonga ny Filistina ka nonina tao.
Sa’ad da Isra’ilawa na bakin kwari da waɗanda suke hayin Urdun suka ga sojojin Isra’ila suna gudu, Shawulu da yaransa uku kuma duk sun mutu, sai suka bar mallakansu suka sheƙa da gudu. Filistiyawa kuwa suka zo suka mamaye wuraren.
8 Ary nony ampitso, raha tonga haka ny zavatra teo amin’ ny maty ny Filistina, dia nahita an’ i Saoly sy ny zanany telo lahy niampatrampatra teo an-tendrombohitra Gilboa izy.
Kashegari, da Filistiyawa suka zo domin su washe kayan matattun, sai suka tarar Shawulu da’ya’yansa uku duk sun mutu, a dutsen Gilbowa.
9 Ary notapahiny ny lohany, sady nalainy ny fiadiany, ary dia naniraka tany amin’ ny tanin’ ny Filistina manodidina izy hanambara izany zavatra mahafaly izany ao amin’ ny tranon’ ny sampiny sy amin’ ny olona.
Suka sare kansa suka tuɓe makamansa, suka aika manzanni a dukan ƙasar Filistiyawa, su ba da labarin a haikalin allolinsu da cikin mutanensu.
10 Dia napetrany tao amin’ ny tranon’ i Astarta ny fiadiany; ary ny fatiny nohomboany teo amin’ ny màndan’ i Beti-sana.
Suka ajiye makaman Shawulu a cikin haikalin gumakan Ashtarot. Suka kafa gawarsa a kan katanga Bet-Shan.
11 Ary nony ren’ ny mponina tany Jabesi-gileada izay nataon’ ny Filistina tamin’ i Saoly,
Sa’ad da mutanen Yabesh Gileyad suka sami labarin abin da Filistiyawa suka yi wa Shawulu.
12 dia niainga ny lehilahy mahery rehetra ka nandeha mandritra ny alina ary naka ny fatin’ i Saoly sy ny fatin’ ny zanany teo amin’ ny màndan’ i Beti-sana; ary tonga tao Jabesy izy ka nandoro azy tao.
Sai dukan jarumawansu suka tashi cikin dare suka tafi Bet-Shan suka saukar da gawar Shawulu da na’ya’yansa daga kan katangan Bet-Shan suka tafi Yabesh inda suka ƙone su.
13 Ary nentiny ny taolany ka naleviny tao ambanin’ ilay hazo tamariska tao Jabesy, ary dia nifady hanina hafitoana izy.
Sai suka kwashi ƙasusuwansu suka binne a gindin itace tsamiya a Yabesh, suka kuma yi azumi kwana bakwai.

< 1 Samoela 31 >