< 1 Samoela 3 >

1 Ary Samoela zaza nanao fanompoam-pivavahana tamin’ i Jehovah teo anatrehan’ i Ely. Ary tamin’ izany andro izany efa nahàlana ny tenin’ i Jehovah: tsy nisy fahitana niseho loatra.
The child Samuel ministered to the LORD before Eli. The word of the LORD was rare in those days; there was no frequent vision.
2 Ary tamin’ izany andro izany, raha nandry tao amin’ ny fandriany Ely (efa pahina ny masony, ka tsy nahita izy),
It happened at that time, when Eli was lying down in his place (now his eyes had begun to grow dim, so that he could not see),
3 sady tsy mbola maty ny jiron’ Andriamanitra, ary Samoela efa nandry tao amin’ ny tempolin’ i Jehovah, izay nisy ny fiaran’ Andriamanitra,
and the lamp of God hadn't yet gone out, and Samuel was lying down in the LORD's temple, where the ark of God was;
4 dia niantso an’ i Samoela Jehovah, ary izy namaly hoe: Inty aho.
that the LORD called, "Samuel. Samuel." And he said, "Here I am."
5 Dia nihazakazaka nankeo amin’ i Ely izy ka nanao hoe: Inty aho, fa niantso ahy ianao. Fa hoy Ely: Tsy niantso aho, andeha mandry ihany. Dia lasa nandry izy.
He ran to Eli, and said, "Here I am; for you called me." He said, "I did not call; lie down again." He went and lay down.
6 Ary Jehovah niantso azy indray hoe: Ry Samoela! Dia nifoha Samoela ka nankao amin’ i Ely ary nanao hoe: Inty aho, fa niantso ahy ianao. Fa hoy izy: Tsy niantso aho, anaka; andeha mandry ihany.
The LORD called yet again, "Samuel. Samuel." And he got up and went to Eli, and said, "Here I am; for you called me." He answered, "I did not call, my son; lie down again."
7 Ary Samoela tsy mbola nahalala an’ i Jehovah, sady tsy mbola nanehoana ny tenin’ i Jehovah izy.
Now Samuel did not yet know God, neither was the word of the LORD yet revealed to him.
8 Ary Jehovah niantso an’ i Samoela indray fanintelony. Dia nifoha izy ka nankao amin’ i Ely ary nanao hoe: Inty aho, fa niantso ahy ianao. Dia fantatr’ i Ely fa Jehovah no niantso ny zaza.
Then the LORD called Samuel again the third time, and he got up and went to Eli, and said, "Here I am, for you called me." Then Eli realized that the LORD had called the child.
9 Ary hoy Ely tamin’ i Samoela: Andeha mandry ihany; ary raha tàhiny miantso anao Izy, dia valio hoe: Mitenena, Jehovah ô; fa mihaino ny mpanomponao. Dia lasa Samoela nandry tao amin’ ny fandriany.
So he said, "Go, lie down, and if he calls you, reply, 'Speak, for your servant is listening.'" Then Samuel went and lay down in his place.
10 Ary avy Jehovah, dia nitsangana ka niantso toy ny teo ihany hoe: Ry Samoela, ry Samoela ô! Dia namaly Samoela hoe: Mitenena, fa mihaino ny mpanomponao.
And the LORD came and stood, and called as at other times. Then Samuel said, "Speak, for your servant is listening."
11 Ary hoy Jehovah tamin’ i Samoela: Indro, Izaho hanao zavatra eo amin’ ny Isiraely, ka izay rehetra mandre izany, dia hangintsingintsina ny sofiny roa.
The LORD said to Samuel, "Look, I will do a thing in Israel, at which both the ears of everyone who hears it shall tingle.
12 Amin’ izany andro izany dia hotanterahiko amin’ i Ely izay zavatra rehetra voalazako ny amin’ ny taranany: hatomboko izany, ka dia hotanterahiko.
In that day I will perform against Eli all that I have spoken concerning his house, from the beginning even to the end.
13 Fa efa nambarako taminy fa hotsaraiko mandrakizay ny taranany noho ny heloka izay fantany, satria ny zanany nahatonga ozona ho an’ ny tenany, nefa tsy nosakanany.
For I have told him that I will judge his house forever, for the iniquity which he knew, because his sons were cursing God, and he did not restrain them.
14 Koa izany no nianianako ny amin’ ny taranak’ i Ely fa tsy hisy fanatitra hahafaka ny helony mandrakizay.
Therefore I have sworn to the house of Eli, that the iniquity of Eli's house shall not be removed with sacrifice nor offering forever."
15 Ary nandry Samoela mandra-pahamarain’ ny andro, dia namoha ny varavaran’ ny tranon’ i Jehovah izy. Ary Samoela natahotra hilaza ny fahitana tamin’ i Ely.
And Samuel lay there until the morning, and in the morning he got up and opened the doors of the house of the LORD. And Samuel was afraid to tell Eli the vision.
16 Fa Ely niantso an’ i Samoela ka nanao hoe: Ry Samoela, zanako! Dia hoy izy: Inty aho.
Then Eli said to Samuel, "Samuel, my son." And he replied, "Here I am."
17 Ary hoy izy: Inona no zavatra nolazain’ i Jehovah taminao? masìna ianao, aza afeninao ahy; hataon’ Andriamanitra aminao anie izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha nisy afeninao ahy ny zavatra rehetra nolazainy taminao.
He said, "What is the thing that he has spoken to you? Please do not hide it from me. May God do thus to you if you hide anything from me of all the words that he spoke to you in your ears."
18 Dia nambaran’ i Samoela azy avokoa ny zavatra rehetra, ka tsy nisy nafeniny azy. Dia hoy Ely: Izy no Jehovah, aoka Izy hanao izay sitraky ny fony.
And Samuel told him everything, and did not hide anything from him. And he said, "It is the LORD. Let him do what seems good to him."
19 Ary nitombo Samoela, sady nomba azy Jehovah, ka tsy nisy navelany ho raraka an-tany ny teniny.
So Samuel continued to grow, and the LORD was with him and let none of his words fail.
20 Ary ny Isiraely rehetra hatrany Dana ka hatrany Beri-sheba nahalala fa efa mpaminanin’ i Jehovah tokoa Samoela.
Thus all Israel from Dan to Beersheba knew that Samuel was established as a prophet of the LORD.
21 Dia niseho tao Silo indray Jehovah; fa niseho tamin’ i Samoela tao Silo Jehovah tamin’ ny teniny.
And the LORD appeared again in Shiloh, for the LORD revealed himself to Samuel.

< 1 Samoela 3 >