< 1 Samoela 29 >

1 Ary ny Filistina dia namory ny miaramilany rehetra ho ao Afeka; fa ny Isiraely kosa nitoby teo anilan’ ny loharano ao Jezirela.
فلسطینی‌ها قوای خود را در افیق به حال آماده‌باش درآوردند و اسرائیلی‌ها نیز کنار چشمه‌ای که در یزرعیل است اردو زدند.
2 Ary ireo andrianan’ ny Filistina nandroso nitarika ny miaramilany isan-jato sy isan’ arivo; fa Davida sy ny olony kosa nandroso teo aoriana niaraka tamin’ i Akisy.
رهبران فلسطینی صفوف سربازان خود را به حرکت درآوردند. داوود و سربازانش همراه اخیش به دنبال آنها در حرکت بودند.
3 Ary hoy ireo andrianan’ ny Filistina: Haninona moa ireto Hebreo ireto? Ary hoy Akisy tamin’ ireo andrianan’ ny Filistina: Tsy io va no Davida, mpanompon’ i Saoly, mpanjakan’ ny Isiraely, ilay tatỳ amiko elaela ihany izay, ary tsy hitako izay tsininy hatrizay nialany niandany tamiko ka mandraka androany?
رهبران فلسطینی پرسیدند: «این عبرانی‌ها در سپاه ما چه می‌کنند؟» اخیش به آنها جواب داد: «این داوود است. او از افراد شائول، پادشاه اسرائیل است که از نزد او فرار کرده و بیش از یک سال است با ما زندگی می‌کند. در این مدت کوچکترین اشتباهی از او سر نزده است.»
4 Dia tezitra taminy ireo andrianan’ ny Filistina ka nanao taminy hoe: Avereno ihany ilehio ho any amin’ ny fonenany izay efa nomenao azy, fa aza avela hidina hiaraka amintsika hiady izy, fandrao ho tonga fahavalontsika raha miady; fa amin’ inona no hahazoan’ io sitraka amin’ ny tompony? Tsy amin’ ny lohan’ ireto olona ireto va?
ولی رهبران فلسطینی خشمگین شدند و به اخیش گفتند: «او را به شهری که به او داده‌ای برگردان! چون ما را در جنگ یاری نخواهد کرد و از پشت به ما خنجر خواهد زد. برای اینکه رضایت اربابش را جلب نماید چه چیز بهتر از اینکه سرهای ما را به او پیشکش کند.
5 Tsy io moa no Davida, izay nandihizany sy nanaovany hira mifamaly hoe: “Saoly nahafaty arivoarivo, Fa Davida nahafaty alinalina?”
این همان داوود است که زنان اسرائیلی برای او می‌رقصیدند و می‌سرودند: شائول هزاران نفر را کشته و داوود ده‌ها هزار نفر را!»
6 Ary Akisy niantso an’ i Davida ka nanao taminy hoe: Raha velona koa Jehovah, marina ianao, sady sitrako ny iarahanao miditra sy mivoaka amiko eto an-toby, fa tsy hitako izay tsininao hatrizay nahatongavanao teto amiko ka mandraka androany; nefa kosa tsy sitrak’ ireo andriana ireo ianao.
پس اخیش، داوود و افرادش را احضار کرد و گفت: «به خداوند زنده قسم که من به تو اطمینان دارم و در این مدت که با ما بودی هیچ بدی از تو ندیده‌ام. من راضی هستم که با ما به جنگ بیایی، ولی رهبران فلسطینی قبول نمی‌کنند.
7 Koa miverena, ary mandehana soa aman-tsara, mba tsy hanaovanao izay tsy sitrak’ ireo andrianan’ ny Filistina.
پس خواهش می‌کنم ایشان را ناراحت نکنید و بدون سر و صدا برگردید.»
8 Fa hoy Davida tamin’ i Akisy: Inona no nataoko, ary inona no hitanao tamin’ ny mpanomponao hatrizay nitoerako tatỳ aminao ka mandraka androany, no tsy hahazoako mandeha hiady amin’ ny fahavalon’ ny mpanjaka tompoko?
داوود گفت: «مگر در این مدت از من چه بدی دیده‌اید؟ چرا نباید با دشمنان شما بجنگم؟»
9 Ary Akisy namaly an’ i Davida hoe: Fantatro fa tsara eo imasoko tahaka ny anjelin’ Andriamanitra ianao; nefa ireo andrianan’ ny Filistina no nanao hoe: Tsy hiara-miakatra amintsika hiady izy.
اما اخیش گفت: «در نظر من، تو چون فرشتهٔ خدا خوب هستی ولی رهبران فلسطینی نمی‌خواهند تو با ما بیایی.
10 Koa mifohaza maraina koa ianao mbamin’ ny mpanompon’ ny tomponao izay nanaraka anao; ary rehefa nifoha maraina ianareo, ka mazava ny andro, dia mandehana.
بنابراین فردا صبح زود بلند شو و همراه افرادت از اینجا برو.»
11 Ary Davida sy ny olony nifoha maraina koa handeha maraina hiverina any amin’ ny tanin’ ny Filistina. Ary ny Filistina dia niakatra nankany Jezirela.
پس داوود و افرادش، صبح زود برخاستند تا به سرزمین فلسطین برگردند، ولی سپاه فلسطین عازم یزرعیل شد.

< 1 Samoela 29 >