< 1 Samoela 29 >
1 Ary ny Filistina dia namory ny miaramilany rehetra ho ao Afeka; fa ny Isiraely kosa nitoby teo anilan’ ny loharano ao Jezirela.
Afilisti anasonkhanitsa asilikali awo onse ku Afeki, ndipo Israeli anamanga misasa yawo pa chitsime cha Yezireeli.
2 Ary ireo andrianan’ ny Filistina nandroso nitarika ny miaramilany isan-jato sy isan’ arivo; fa Davida sy ny olony kosa nandroso teo aoriana niaraka tamin’ i Akisy.
Pamene atsogoleri a Afilisti ankatsogolera magulu awo ankhondo a miyandamiyanda, Davide ndi ankhondo ake ankayenda pambuyo pamodzi ndi Akisi.
3 Ary hoy ireo andrianan’ ny Filistina: Haninona moa ireto Hebreo ireto? Ary hoy Akisy tamin’ ireo andrianan’ ny Filistina: Tsy io va no Davida, mpanompon’ i Saoly, mpanjakan’ ny Isiraely, ilay tatỳ amiko elaela ihany izay, ary tsy hitako izay tsininy hatrizay nialany niandany tamiko ka mandraka androany?
Tsono atsogoleri a Afilisti aja anafunsa kuti, “Kodi Ahebri awa akufuna chiyani?” Akisi anayankha kuti, “Uyu ndi Davide, mtumiki wa Sauli mfumu ya Israeli. Iye wakhala ndi ine kwa masiku ndithu, kapena titi zaka ndipo kuyambira tsiku limene anachoka kwa Sauli mpaka lero, ine sindinapeze cholakwa mwa iye.”
4 Dia tezitra taminy ireo andrianan’ ny Filistina ka nanao taminy hoe: Avereno ihany ilehio ho any amin’ ny fonenany izay efa nomenao azy, fa aza avela hidina hiaraka amintsika hiady izy, fandrao ho tonga fahavalontsika raha miady; fa amin’ inona no hahazoan’ io sitraka amin’ ny tompony? Tsy amin’ ny lohan’ ireto olona ireto va?
Koma atsogoleri a ankhondo a Afilisti anamukwiyira Akisi kwambiri ndipo anati, “Mubweze munthuyu kuti abwerere ku malo amene unamupatsa. Iye asapite nafe ku nkhondo kuopa kuti angadzasanduke mdani wathu. Kodi iyeyu adzadziyanjanitsa bwanji ndi mbuye wake? Iyeyutu adzadziyanjanitsa ndi mbuye wake pakupha anthu ali panowa?
5 Tsy io moa no Davida, izay nandihizany sy nanaovany hira mifamaly hoe: “Saoly nahafaty arivoarivo, Fa Davida nahafaty alinalina?”
Paja ameneyu ndi Davide yemwe ankamuvinira namuyimbira kuti, “‘Sauli wapha anthu 1,000 koma Davide wapha miyandamiyanda?’”
6 Ary Akisy niantso an’ i Davida ka nanao taminy hoe: Raha velona koa Jehovah, marina ianao, sady sitrako ny iarahanao miditra sy mivoaka amiko eto an-toby, fa tsy hitako izay tsininao hatrizay nahatongavanao teto amiko ka mandraka androany; nefa kosa tsy sitrak’ ireo andriana ireo ianao.
Kotero Akisi anayitana Davide ndipo anamuwuza kuti, “Pali Yehova wamoyo, iwe wakhala wodalirika ndipo chikanakhala chinthu chabwino kuti uzimenya nkhondo pamodzi nane popeza chibwerere iwe kuno ine sindinapeze cholakwa chilichonse ndi iwe. Koma atsogoleri enawa ndiwo sakukufuna.
7 Koa miverena, ary mandehana soa aman-tsara, mba tsy hanaovanao izay tsy sitrak’ ireo andrianan’ ny Filistina.
Tsono bwerera. Upite mu mtendere kuopa kuti ungachite kanthu kena koyipira atsogoleri a Afilistiwa.”
8 Fa hoy Davida tamin’ i Akisy: Inona no nataoko, ary inona no hitanao tamin’ ny mpanomponao hatrizay nitoerako tatỳ aminao ka mandraka androany, no tsy hahazoako mandeha hiady amin’ ny fahavalon’ ny mpanjaka tompoko?
Davide anafunsa Akisi kuti, “Kodi ndachita chiyani? Kodi mwapeza cholakwa chotani mwa ine mtumiki wanu chiyambire kukutumikirani mpaka lero? Tsono chifukwa chiyani sindingapite kukamenya nkhondo ndi adani a mbuye wanga mfumu?”
9 Ary Akisy namaly an’ i Davida hoe: Fantatro fa tsara eo imasoko tahaka ny anjelin’ Andriamanitra ianao; nefa ireo andrianan’ ny Filistina no nanao hoe: Tsy hiara-miakatra amintsika hiady izy.
Akisi anayankha kuti, “Ine ndikudziwa kuti ndiwe wangwiro ngati mngelo wa Mulungu. Komabe atsogoleri a ankhondo a Afilisti akuti, ‘Davide asapite nafe ku nkhondo.’
10 Koa mifohaza maraina koa ianao mbamin’ ny mpanompon’ ny tomponao izay nanaraka anao; ary rehefa nifoha maraina ianareo, ka mazava ny andro, dia mandehana.
Tsono udzuke mmamawa, pamodzi ndi ankhondo ako amene unabwera nawo, ndipo unyamuke kukangocha.”
11 Ary Davida sy ny olony nifoha maraina koa handeha maraina hiverina any amin’ ny tanin’ ny Filistina. Ary ny Filistina dia niakatra nankany Jezirela.
Choncho Davide ndi anthu ake anadzuka mmamawa kubwerera ku dziko la Afilisti. Koma Afilistiwo anapita ku Yezireeli.