< 1 Samoela 28 >

1 Ary tamin’ izany andro izany ny Filistina dia namory ny miaramilany hanafika ny Isiraely. Ary hoy Akisy tamin’ i Davida: Aoka ho fantatrao tsara fa hiara-mivoaka amiko hanafika ianao sy ny olonao.
Filistiyawa suka tattara sojojinsu domin su yaƙi Isra’ila. Akish ya ce wa Dawuda, “Sai ka sani fa, kai da mutanenka za ku tafi tare da ni da sojojina.”
2 Ary hoy Davida tamin’ i Akisy: Amin’ izao dia ho fantatrao tokoa izay hain’ ny mpanomponao hatao. Ary hoy Akisy tamin’ i Davida: Noho izany dia hataoko mpiaro ny lohako mandrakizay ianao.
Dawuda ya ce, “Kai da kanka za ka ga abin da bawanka zai yi.” Akish ya ce, “Da kyau, zan sa ka zama mai kāre ni.”
3 (Ary efa maty Samoela, ka ny Isiraely rehetra efa nisaona azy sy nandevina azy tao Rama, dia tao an-tanànany. Ary efa noroahin’ i Saoly hiala amin’ ny tany izay nanao azy ho tsindrian-javatra sy ny mpanao hatsarana.)
Sama’ila dai ya riga ya rasu, dukan Isra’ila suka yi makokinsa suka binne shi a garinsa a Rama. Shawulu kuma ya kori duk masu duba da masu maitanci daga ƙasar.
4 Ary ny Filistina nivory, dia tonga ka nitoby tao Sonema; fa Saoly namory ny Isiraely rehetra, ka nitoby tao Gilboa kosa ireo.
Filistiyawa suka tattaru suka yi sansani a Shunem. Shawulu ya tattara dukan Isra’ila suka yi sansani a Gilbowa.
5 Ary Saoly, raha nahita ny miaramilan’ ny Filistina, dia raiki-tahotra sady niemponempona ny fony.
Da Shawulu ya ga sojojin Filistiyawa sai ya ji tsoro, ya firgita ƙwarai.
6 Ary Saoly dia nanontany tamin’ i Jehovah, fa Jehovah tsy namaly azy, na tamin’ ny nofy, na tamin’ ny Orima, na tamin’ ny mpaminany.
Ya nemi nufin Ubangiji amma bai sami amsa daga wurin Ubangiji ko ta wurin mafarki, ko ta wurin Urim, ko ta wurin annabawa ba.
7 Ary hoy Saoly tamin’ ny mpanompony: Itadiavo vehivavy manao azy ho tsindrian-javatra aho hankanesako any hanontaniako aminy. Ary hoy ny mpanompony taminy: Indro, misy vehivavy manao azy ho tsindrian-javatra eo Andora.
Shawulu ya ce wa fadawansa, “Ku nemo mini wata mace mai duba domin in tafi wurinta in yi tambaya.” Suka ce, “Akwai guda a En Dor.”
8 Dia nanova tarehy Saoly ka nitafy fitafiana hafa, dia nandeha izy sy ny olona roa lahy nanaraka azy ka tonga tao amin-dravehivavy nony alina; ary hoy izy: Masìna ianao, manaova fankatovana ho ahy amin’ ny zavatra manindry anao, ka ampiakaro ho etỳ amiko izay hotononiko aminao.
Sai Shawulu ya sa waɗansu tufafi ya ɓad da kama, shi da waɗansu mutum biyu suka tafi wurin matar da dare, ya ce mata, “Ki yi mini duba ta hanyar sihiri, ki hawar mini duk wanda zan faɗa miki.”
9 Ary hoy ravehivavy taminy: Indro, fantatrao izay nataon’ i Saoly, dia ny nandroahany ny manao azy ho tsindrian-javatra sy ny mpanao hatsarana hiala amin’ ny tany, ka nahoana ianao no mamandrika ny aiko hahafaty ahy?
Amma matar ta ce masa, “Tabbatacce ka dai san abin da Shawulu ya yi, ya karkashe masu duba da masu maitanci a ƙasar. Me ya sa kake sa mini tarko, don ka sa a kashe ni?”
10 Ary Saoly nianiana tamin’ i Jehovah ka nanao taminy hoe: Raha velona koa Jehovah, dia tsy hisy heloka hahazo anao amin’ izao zavatra izao.
Shawulu ya rantse mata da Ubangiji. Ya ce, “Muddin Ubangiji yana a raye, ba za a hukunta ki a kan wannan ba.”
11 Dia hoy ravehivavy: Iza ary no hampiakariko ho eto aminao? Ary hoy izy: Samoela no ampiakaro ho etỳ amiko.
Sai matar ta ce, “Wa kake so in hauro maka?” Sai ya ce, “Ki hauro mini da Sama’ila.”
12 Ary hitan-dravehivavy Samoela, dia nidradradradra tamin’ ny feo mafy izy ka nanao tamin’ i Saoly hoe: Nahoana no namitaka ahy ianao? fa ianao no Saoly.
Da matar ta ga Sama’ila sai ta yi ihu da ƙarfi ta ce wa Shawulu, “Me ya sa ka ruɗe ni? Kai ne Shawulu!”
13 Ary hoy ny mpanjaka taminy: Aza matahotra; fa inona no hitanao? Ary hoy ravehivavy tamin’ i Saoly: Andriamanitra miakatra avy amin’ ny tany no hitako.
Sai sarki ya ce mata, “Kada ki ji tsoro. Me kika gani?” Matar ta ce, “Na ga wani kurwa tana fitowa daga ƙasa.”
14 Ary hoy izy taminy: Manao ahoana no endriny? Dia hoy izy: Lehilahy antitra no miakatra sady mikapôty izy. Ary fantatr’ i Saoly fa Samoela izay, dia niondrika tamin’ ny tany izy ka niankohoka.
Ya ce, “Yaya kamanninsa yake?” Ta ce, “Wani tsoho sanye da taguwa ne yake haurawa.” Shawulu ya gane cewa Sama’ila ne, sai ya rusuna da fuskarsa har ƙasa.
15 Ary hoy Samoela tamin’ i Saoly: Nahoana no korontaninao aho ka ampiakarinao? Dia hoy Saoly: Tery loatra aho, fa miady amiko ny Filistina, ary Andriamanitra efa nahafoy ahy ka tsy mamaly teny ahy intsony, na amin’ ny mpaminany, na amin’ ny nofy; koa izany no nampanalako anao mba hampahalalanao ahy izay hataoko.
Sama’ila ya ce wa Shawulu, “Don me ka dame ni, ta wurin hauro da ni?” Shawulu ya ce, “Ina cikin babban damuwa ce, Filistiyawa sun fāɗa mini, Allah kuma ya juya mini baya. Bai amsa mini, ko ta mafarki, ko kuma ta annabawa ba, saboda haka na kira ka don ka gaya mini abin yi.”
16 Ary hoy Samoela: Nahoana no manontany amiko ianao, nefa Jehovah efa mahafoy anao ka tonga fahavalonao.
Sama’ila ya ce, “Don me kake tambayata bayan Ubangiji ya rabu da kai? Ya zama maƙiyinka?
17 Fa Jehovah efa nanao ho Azy araka ny nampilazainy ahy; fa efa nendahany hiala amin’ ny tananao ny fanjakana ka nomeny an’ i Davida namanao.
Ubangiji ya cika abin da ya yi magana ta wurina. Ubangiji ya fizge mulki daga hannunka, ya ba maƙwabcinka Dawuda.
18 Satria tsy nihaino ny feon’ i Jehovah ianao ka tsy nahatanteraka ny fahatezerany mirehitra tamin’ ny Amalekita, dia izany no nanaovan’ i Jehovah izao zavatra izao taminao androany.
Gama ba ka yi biyayya ga Ubangiji ba, ba ka zartar da hukuncinsa mai zafi a kan Amalekawa ba. Saboda haka Ubangiji ya yi maka haka yau.
19 Ary hiaraka hatolotr’ i Jehovah ho eo an-tànan’ ny Filistina ny tenanao sy ny Isiraely; ary rahampitso dia ho etỳ amiko ianao sy ny zanakao; ary ny miaramilan’ ny Isiraely koa dia hatolotr’ i Jehovah eo an-tànan’ ny Filistina.
Ubangiji zai ba da Isra’ila da kuma kai ga Filistiyawa, gobe kuwa da kai da’ya’yanka za ku kasance tare da ni. Ubangiji kuma zai ba da sojojin Isra’ila a hannun Filistiyawa.”
20 Dia lavo niampatra tamin’ ny tany niaraka tamin’ izay Saoly ka raiki-tahotra indrindra noho ny tenin’ i Samoela; sady efa tsy nisy hery intsony izy, satria tsy nihinan-kanina indray andro sy indray alina maninjitra.
Da jin maganar Sama’ila sai Shawulu ya faɗi ƙasa warwas. Tsoro ya kama shi ƙwarai. Ba shi kuma da ƙarfi domin bai ci kome ba dukan yini da kuma dukan dare.
21 Ary nankao amin’ i Saoly ravehivavy ka nahita azy ory indrindra, dia nanao taminy hoe: Indro, ny ankizivavinao nihaino ny feonao, dia nanao ny aiko tsy ho zavatra aho ka nihaino ny teninao izay nolazainao tamiko.
Da matar ta zo wurin Shawulu, ta ga shi a firgice, sai ta ce masa, “Duba baranyarka ta yi maka biyayya ta yi kasai da ranta, ta yi abin da ka ce ta yi.
22 Koa ankehitriny, masìna ianao, mba henoy kosa ny tenin’ ny ankizivavinao, ary aoka aho handroso sombin-kanina kely eo anoloanao; dia hano izany mba hahatanjaka anao, raha handeha amin’ ny alehanao ianao.
To, kai ma ka kasa kunne ga baranyarka, zan ba ka abinci ka ci don ka sami ƙarfin tafiya.”
23 Fa tsy nety izy, fa hoy izy: Tsy hihinana aho. Fa ny mpanompony sy ravehivavy mbola nanery azy ihany, ka dia nihaino ny feony izy. Dia nitsangana izy ka nipetraka teo am-parafara.
Sai ya ƙi. Ya ce, “Ba zan ci abinci ba.” Sai da bayinsa da matar suka roƙe shi, sa’an nan ya ji maganarsu, ya tashi daga ƙasa, ya zauna a bakin gado.
24 Ary ravehivavy nanana zanak’ omby mifahy tao an-trano; dia nandeha haingana izy ka namono izany, ary naka koba izy, dia nofetafetainy ka nendasiny ho mofo tsy misy masirasira.
Matar kuwa tana da maraƙin da take kiwo a gida, sai ta ɗauke shi nan da nan ta yanka. Ta ɗauki garin fulawa ta kwaɓa, ta yi waina marar yisti.
25 Ary narosony teo anoloan’ i Saoly sy teo anoloan’ ny mpanompony izany; dia nihinana izy ireo, ary dia niainga ka lasa nandeha tamin’ iny alina iny ihany.
Sai ta kawo wa Shawulu da bayinsa suka kuwa ci. A daren nan suka tashi suka tafi.

< 1 Samoela 28 >