< 1 Samoela 26 >

1 Ary ny Zifita tonga tao amin’ i Saoly tany Gibea ka nanao hoe: Tsy miery any amin’ ny havoana Hakila manandrify ny efitra va Davida?
Wazifi wakamwendea Sauli huko Gibea na kusema, “Je, Daudi akujificha katika vilima vya Hakila, ambavyo viko mbele ya jangwa?”
2 Dia niainga Saoly nidina nankany an-efitr’ i Zifa, nitondra telo arivo lahy voafantina tamin’ ny Isiraely hanaraka azy hitady an’ i Davida any an-efitr’ i Zifa.
Kisha Sauli akaamka na kwenda chini ya jangwa la Zifu, akiwa na watu elfu tatu waliochaguliwa katika Israeli, wamtafute Daudi katika jangwa la Zifu.
3 Ary nitoby tao amin’ ny havoana Hakila manandrify ny efitra teo amoron-dalana izy. Fa Davida kosa nitoetra tany an-efitra, ary hitany fa tonga nanaraka azy tany an-efitra Saoly.
Sauli akaweka kambi kwenye kilima cha Hakila, kilicho mbele ya jangwa, kando ya barabara. Lakini Daudi alikuwa akikaa nyikani, na akaona kwamba Sauli alikuwa anamfuatia huko jangwani.
4 Dia naniraka mpisafo Davida, ka fantany fa tonga tokoa Saoly.
Hivyo Daudi akawatuma wapelelezi na akafahamu kwamba hakika Sauli alikuwa amekuja.
5 Dia niainga Davida ka tonga teo amin’ ny nitobian’ i Saoly; ary hitan’ i Davida izay nandrian’ i Saoly sy Abnera, zanak’ i Nera, komandin’ ny miaramilany; fa Saoly nandry teo anatin’ ny sehatra-sariety, sady nitoby nanodidina azy ny vahoaka.
Daudi akaamka na kwenda hadi mahali ambapo Sauli alipiga kambi; akaona mahali alipolala Sauli, na Abneri mwana wa Neri, mkuu wa jeshi lake; Sauli alilala katikati ya kambi, na watu walipiga kambi kumzunguka, na wote wamesinzia.
6 Ary hoy Davida tamin’ i Ahimeleka Hetita sy Abisay, zanak’ i Zeroia, rahalahin’ i Joaba; Iza no hidina hiaraka amiko ho any amin’ i Saoly any an-toby? Dia hoy Abisay: Izaho hidina hiaraka aminao.
Ndipo Daudi akamwambia Ahimeleki Mhiti, na Abishai mwana wa Seruya, ndugu yake Yoabu, “Ni nani atakwenda nami kambini kwa Sauli? Abishai akasema, “Mimi nitashuka pamoja nawe.”
7 Ary tonga tao amin’ ny vahoaka Davida sy Abisay nony alina; ary, indro, Saoly nandry ka natory teo anatin’ ny sehatra-sariety, ary ny lefony nitsatoka amin’ ny tany teo anilan’ ny lohany; fa Abnera sy ny vahoaka nandry manodidina azy.
Hivyo Daudi na Abishai wakaliendea jeshi usiku. Na Sauli alikuwapo akisinzia ndani ya kambi, mkuki wake umechomekwa chini pembeni mwa kichwa chake. Abneri na Askari wake wamelala kwa kumzunguka.
8 Ary hoy Abisay tamin’ i Davida: Efa voahidin’ Andriamanitra eo an-tananao ny fahavalonao izao; koa, masìna ianao, aoka holefoniko indray mandeha monja hataoko miboroaka amin’ ny tany izy, fa tsy hamely azy indroa akory aho.
Kisha Abishai akamwambia Daudi, “Leo Mungu amemweka adui yako mkononi mwako. Basi tafadhali acha nimchome mkuki nimtoboe hadi chini kwa pigo moja. Sitampiga mara mbili.”
9 Fa hoy Davida tamin’ i Abisay: Aza mamono azy; fa iza no maninjitra ny tànany tamin’ ny voahosotr’ i Jehovah ka tsy nanan-tsiny?
Daudi akamwambia Abishai, “Usimwangamize; kwa maana nani awezaye kunyoosha mkono wake dhidi ya mtiwa mafuta wa BWANA na asiwe na hatia?”
10 Ary hoy koa Davida: Raha velona koa Jehovah, dia aoka Jehovah no hamely azy; na ho tonga ny androny, ka ho faty izy; na hirotsaka ho amin’ ny ady izy, ka any no hahafaty azy.
Daudi akasema, “Kama BWANA aishivyo, BWANA atamuua, au siku ya kufa kwake itakuja, au atakwenda katika vita na ataangamia.
11 Sanatria amiko eo anatrehan’ i Jehovah, raha haninjitra ny tanako hamely ny voahosotr’ i Jehovah aho; fa masìna ianao, ny lefona eo anilan’ ny lohany sy ny tavoara fitondran-drano no alao, dia andeha isika handeha.
BWANA apishe mbali nisinyooshe mkono wangu dhidi ya mtiwa mafuta wake; lakini sasa, nakusihi chukua mkuki uliokichwani pake na jagi la maji, tuondoke.”
12 Dia nalain’ i Davida ny lefona sy ny tavoara izay teo anilan’ ny lohan’ i Saoly ka dia lasa izy, ary tsy nisy olona nahita, na nahalala, na nahatsiaro; fa natory izy rehetra, satria nataon’ i Jehovah renoky ny torimaso izy.
Hivyo Daudi akachukua mkuki na jagi la maji kutoka kichwani pa Daudi, wakatoweka. Hakuna mtu aliyewaona au kufahamu habari hii, wala hakuna aliyetoka usingizini, maana wote walisinzia, kwa sababu usingizi mzito kutoka kwa BWANA uliwaangukia.
13 Dia nita nankeny an-dafin-tsaha Davida ka nijanona teo an-tampon’ ny tendrombohitra lavidavitra (lavidavitra ihany ny elanelan’ izy roa tonta);
Kisha Daudi akaenda upande mwingine na akasimama juu ya mlima mbali sana; ukiwepo umbali mkubwa katikati yao.
14 ary Davida niantso ny olona sy Abnera, zanak’ i Nera, hoe: Tsy mamaly va ianao, ry Abnera? Ary Abnera dia namaly hoe: Iza moa ianao, no miantso ho re eto anatrehan’ ny mpanjaka?
Daudi akawapigia kelele watu hao na Abneri mwana Neri; akisema, “Hujibu neno, Abneri?” Ndipo Abneri akajibu na kusema, “Wewe ni nani unayempigia mfalme kelele?”
15 Ary hoy Davida tamin’ i Abnera: Tsy lehilahy mahery va ianao, ary iza no tahaka anao amin’ ny Isiraely? Koa nahoana ianao no tsy miambina ny mpanjaka tomponao? fa nisy anankiray tamin’ ny olona tonga teo hamono ny mpanjaka tomponao.
Daudi akamwambia Abneri, “Wewe siye mtu jasiri? Ni nani yuko kama wewe katika Israeli? Kwa nini basi hukukaa macho kumlinda bwana wako mfalme? Kwa maana mtu fulani aliingia kumuua mfalme, bwana wako.
16 Tsy mety izany nataonao izany. Raha velona koa Jehovah, dia tokony ho faty ianareo, satria tsy miambina ny tomponareo, ilay voahosotr’ i Jehovah Ary izahao ange, fa aiza moa ny lefon’ ny mpanjaka sy ny tavoara fitondran-drano teo anilan’ ny lohany?
Jambo hili ulilolifanya siyo zuri. Kama BWANA aishivyo, unapaswa kufa kwa sababu hukumlinda bwana wako, mtiwa mafuta wa BWANA. Na sasa tazama ulipo mkuki wa mfalme, na jagi la maji lililokuwa kichwani pake.”
17 Ary fantatr’ i Saoly ny feon’ i Davida ka hoy izy: Feonao moa izany, ry Davida zanako? Ary hoy Davida: Feoko tokoa, ry mpanjaka tompoko.
Sauli aliitambua sauti ya Daudi akasema, “Hiyo ni sauti yako, Daudi mwanangu?” Daudi akasema, “Ni sauti yangu, mfalme, bwana wangu.”
18 Ary hoy koa izy: Nahoana ny tompoko no manenjika ny mpanompony? Inona no nataoko, ary inona no ratsy amin’ ny tanako?
Daudi akasema, “Kwa nini bwana wangu anamwandama mtumishi wake? Nimefanya nini? Mkononi mwangu kuna uovu gani?
19 Ary ankehitriny masìna ianao, ry mpanjaka tompoko, mihainoa ny tenin’ ny mpanomponao. Raha Jehovah no nanesika anao hamely ahy, dia aoka handray fanatitra mani-pofona Izy; fa raha zanak’ olona kosa, dia aoka ho voaozona eo anatrehan’ i Jehovah izy, satria efa nandroaka ahy androany tsy hanana anjara amin’ ny lova nomen’ i Jehovah izy ka nanao hoe: Mandehana, manompoa andriamani-kafa.
Kwa hiyo sasa, nakusihi, bwana wangu mfalme asikilize maneno ya mtumishi wake. Kama ni BWANA ndiye amekuchochea dhidi yangu, na aikubali sadaka; lakini kama ni wanadamu, na walaaniwe mbele za BWANA, maana leo wamenifukuza, nisishikamane na urithi wa BWANA; wameniambia, 'Nenda ukaabudu miungu mingine.'
20 Koa aza avela ho latsaka amin’ ny tany lavitra an’ i Jehovah ny rako; fa ny mpanjakan’ ny Isiraely nivoaka nitady parasy iray, tahaka ny manenjika tsipoy eny an-tendrombohitra.
Kwa hiyo, sasa, usiiachilie damu yangu ianguke ardhini mbali na uwepo wa BWANA; kwa kuwa mfalme wa Israeli ametoka nje kutafuta kiroboto, kama vile mtu awindavyo kware milimani.”
21 Ary hoy Saoly: Efa nanota aho: miverena, ry Davida zanako, fa tsy hanisy ratsy anao intsony aho, fa soa teo imasonao ny aiko androany; indro, efa nanao adala aho ka diso indrindra.
Kisha Sauli akasema, “Nimefanya dhambi. Rudi, Mwanangu, Daudi; maana sitakudhuru tena, kwa sababu leo maisha yangu yalikuwa yenye thamani machoni pako. Tazama, nimetenda upumbavu na nimekosa sana.”
22 Ary Davida namaly hoe: Indro ny lefon’ ny mpanjaka! koa asaovy misy zatovo anankiray mankety haka azy.
Daudi akajibu na akasema, “Tazama, mkuki wako uko hapa, mfalme! Mruhusu kijana mmojawapo aje auchukue na aulete kwako.
23 Ny lehilahy izay nanoloran’ i Jehovah anao teo an-tànany androany dia hovaliany araka ny fahitsiany sy ny fahamarinany, fa tsy nety naninjitra ny tanako hamely ny voahosotr’ i Jehovah aho.
Na BWANA amlipe kila mtu kwa ajili ya uadilifu wake na kwa uaminifu wake; kwa sababu leo BWANA alikuweka mkononi mwangu, lakini nisinge mpiga mtiwa mafuta wake.
24 Ary, indro, fa tahaka ny nanaovako ny aina ho lehibe androany no mba hanaovan’ i Jehovah ny aiko ho lehibe kosa ka hanafahany ahy amin’ ny fahoriana rehetra.
Na tazama, kama maisha yako leo yalivyokuwa ya thamani machoni pangu, vivyo hivyo maisha yangu yathaminiwe sana machoni pa BWANA, na aweze kuniokoa katika shida zote.”
25 Ary hoy Saoly tamin’ i Davida: Hotahina anie ianao, ry Davida zanako; hanao dia hanao ianao sady hahatontosa. Dia lasa Davida, fa Saoly kosa nitodi-doha hiverina.
Ndipo Sauli akamwambia Daudi, “Na ubarikiwe, mwanangu Daudi, ili uweze kutenda mambo makuu, na hakika uweze kufanikiwa.” Ndipo Daudi akaenda zake, na Sauli akarudi kwake.

< 1 Samoela 26 >