< 1 Samoela 26 >

1 Ary ny Zifita tonga tao amin’ i Saoly tany Gibea ka nanao hoe: Tsy miery any amin’ ny havoana Hakila manandrify ny efitra va Davida?
ジフ人ギベアにきたりサウルの許にいたりてひけるはダビデは曠野のまへなるハキラの山にかくれをるにあらずやと
2 Dia niainga Saoly nidina nankany an-efitr’ i Zifa, nitondra telo arivo lahy voafantina tamin’ ny Isiraely hanaraka azy hitady an’ i Davida any an-efitr’ i Zifa.
サウルすなはち起ちジフの野にダビデを尋ねんとイスラエルの中より選みたる三千の人をしたがへてジフの野にくだる
3 Ary nitoby tao amin’ ny havoana Hakila manandrify ny efitra teo amoron-dalana izy. Fa Davida kosa nitoetra tany an-efitra, ary hitany fa tonga nanaraka azy tany an-efitra Saoly.
サウルは曠野のまへなるハキラの山において路のほとりに陣を取るダビデは曠野に居てサウルのおのれをおふて曠野にきたるをさとりければ
4 Dia naniraka mpisafo Davida, ka fantany fa tonga tokoa Saoly.
ダビデ斥候を出してサウルの誠に來しをしれり
5 Dia niainga Davida ka tonga teo amin’ ny nitobian’ i Saoly; ary hitan’ i Davida izay nandrian’ i Saoly sy Abnera, zanak’ i Nera, komandin’ ny miaramilany; fa Saoly nandry teo anatin’ ny sehatra-sariety, sady nitoby nanodidina azy ny vahoaka.
ここにおいてダビデたちてサウルの陣をとれるところにいたりサウルおよび其軍の長ネルの子アブネルの寝たるところを見たりすなはちサウルは車營の中に寝ぬ民其まはりに陣をはれり
6 Ary hoy Davida tamin’ i Ahimeleka Hetita sy Abisay, zanak’ i Zeroia, rahalahin’ i Joaba; Iza no hidina hiaraka amiko ho any amin’ i Saoly any an-toby? Dia hoy Abisay: Izaho hidina hiaraka aminao.
ダビデ答へてヘテ人アヒメレクおよびゼルヤの子にしてヨアブの兄弟なるアビシヤイにいひけるは誰か我とともにサウルの陣にくだらんかとアビシヤイいふ我汝とともに下らん
7 Ary tonga tao amin’ ny vahoaka Davida sy Abisay nony alina; ary, indro, Saoly nandry ka natory teo anatin’ ny sehatra-sariety, ary ny lefony nitsatoka amin’ ny tany teo anilan’ ny lohany; fa Abnera sy ny vahoaka nandry manodidina azy.
ダビデとアビシヤイすなはち夜にいりて民の所にいたるに視よサウルは車營のうちに寝臥し其槍地にさして枕邊にありアブネルと民は其まはりに寝たり
8 Ary hoy Abisay tamin’ i Davida: Efa voahidin’ Andriamanitra eo an-tananao ny fahavalonao izao; koa, masìna ianao, aoka holefoniko indray mandeha monja hataoko miboroaka amin’ ny tany izy, fa tsy hamely azy indroa akory aho.
アビシヤイ、ダビデにいひけるは神今日爾の敵を爾の手にわたしたまふ請ふいま我に槍をもてかれを一度地にさしとほさしめよ再びするにおよばじ
9 Fa hoy Davida tamin’ i Abisay: Aza mamono azy; fa iza no maninjitra ny tànany tamin’ ny voahosotr’ i Jehovah ka tsy nanan-tsiny?
ダビデ、アビシヤイにいふ彼をころすなかれ誰かヱホバの膏そそぎし者に敵して其手をのべて罪なからんや
10 Ary hoy koa Davida: Raha velona koa Jehovah, dia aoka Jehovah no hamely azy; na ho tonga ny androny, ka ho faty izy; na hirotsaka ho amin’ ny ady izy, ka any no hahafaty azy.
ダビデまたいひけるはヱホバは生くヱホバかれを撃たまはんあるひはその死ぬる日來らんあるひは戰ひにくだりて死うせん
11 Sanatria amiko eo anatrehan’ i Jehovah, raha haninjitra ny tanako hamely ny voahosotr’ i Jehovah aho; fa masìna ianao, ny lefona eo anilan’ ny lohany sy ny tavoara fitondran-drano no alao, dia andeha isika handeha.
わがヱホバのあぶらそそぎしものに敵して手をのぶることはきはめて善らずヱホバ禁じたまふされどいま請ふ爾そのまくらもとの槍と水の瓶をとれしかして我らさりゆかんと
12 Dia nalain’ i Davida ny lefona sy ny tavoara izay teo anilan’ ny lohan’ i Saoly ka dia lasa izy, ary tsy nisy olona nahita, na nahalala, na nahatsiaro; fa natory izy rehetra, satria nataon’ i Jehovah renoky ny torimaso izy.
ダビデ、サウルの枕邊より槍と水の瓶を取りてかれらさりゆきしが誰も見ず誰もしらず誰も目を醒さざりき其はかれら皆眠り居たればなり即ちヱホバかれらをふかく睡らしめたまふ
13 Dia nita nankeny an-dafin-tsaha Davida ka nijanona teo an-tampon’ ny tendrombohitra lavidavitra (lavidavitra ihany ny elanelan’ izy roa tonta);
かくてダビデは彼旁にわたりて遥に山の頂にたてり彼と此とのへだたり大なり
14 ary Davida niantso ny olona sy Abnera, zanak’ i Nera, hoe: Tsy mamaly va ianao, ry Abnera? Ary Abnera dia namaly hoe: Iza moa ianao, no miantso ho re eto anatrehan’ ny mpanjaka?
ダビデ民とネルの子アブネルによばはりいひけるはアブネルよ爾こたへざるかアブネルこたへていふ王をよぶ爾はたれなるや
15 Ary hoy Davida tamin’ i Abnera: Tsy lehilahy mahery va ianao, ary iza no tahaka anao amin’ ny Isiraely? Koa nahoana ianao no tsy miambina ny mpanjaka tomponao? fa nisy anankiray tamin’ ny olona tonga teo hamono ny mpanjaka tomponao.
ダビデ、アブネルにいひけるは爾は勇士ならずやイスラエルの中にて誰か爾に如ものあらんしかるに爾なんぞ爾の主なる王をまもらざるや民のひとり爾の主なる王を殺さんとていりぬ
16 Tsy mety izany nataonao izany. Raha velona koa Jehovah, dia tokony ho faty ianareo, satria tsy miambina ny tomponareo, ilay voahosotr’ i Jehovah Ary izahao ange, fa aiza moa ny lefon’ ny mpanjaka sy ny tavoara fitondran-drano teo anilan’ ny lohany?
爾がなせる此事よからずヱホバは生くなんぢらの罪死にあたれり爾らヱホバの膏そそぎし爾らの主をまもらざればなり今王の槍と王の枕邊にありし水の瓶はいづくにあるかを見よ
17 Ary fantatr’ i Saoly ny feon’ i Davida ka hoy izy: Feonao moa izany, ry Davida zanako? Ary hoy Davida: Feoko tokoa, ry mpanjaka tompoko.
サウル、ダビデの聲をしりていひけるはわが子ダビデよ是は爾の聲なるかダビデいひけるは王わが主よわが聲なり
18 Ary hoy koa izy: Nahoana ny tompoko no manenjika ny mpanompony? Inona no nataoko, ary inona no ratsy amin’ ny tanako?
ダビデまたいひけるはわが主なにゆゑに斯くその僕をおふや我なにをなせしや何の惡き事わが手にあるや
19 Ary ankehitriny masìna ianao, ry mpanjaka tompoko, mihainoa ny tenin’ ny mpanomponao. Raha Jehovah no nanesika anao hamely ahy, dia aoka handray fanatitra mani-pofona Izy; fa raha zanak’ olona kosa, dia aoka ho voaozona eo anatrehan’ i Jehovah izy, satria efa nandroaka ahy androany tsy hanana anjara amin’ ny lova nomen’ i Jehovah izy ka nanao hoe: Mandehana, manompoa andriamani-kafa.
王わが主よ請ふいま僕の言を聽きたまへ若しヱホバ爾を我に敵せしめたまふならばねがはくはヱホバ禮物をうけたまへされど若し人ならばねがはくは其人々ヱホバのまへにのろはれよ其は彼等爾ゆきて他の神につかへよといひて今日我を追ひヱホバの產業に連なることをえざらしむるが故なり
20 Koa aza avela ho latsaka amin’ ny tany lavitra an’ i Jehovah ny rako; fa ny mpanjakan’ ny Isiraely nivoaka nitady parasy iray, tahaka ny manenjika tsipoy eny an-tendrombohitra.
ねがはくは我血をしてヱホバのまへをはなれて地におちしむるなかれそは人の山にて鷓鴣をおふがごとくイスラエルの王一の蚤をたづねにいでたればなり
21 Ary hoy Saoly: Efa nanota aho: miverena, ry Davida zanako, fa tsy hanisy ratsy anao intsony aho, fa soa teo imasonao ny aiko androany; indro, efa nanao adala aho ka diso indrindra.
サウルいひけるは我罪ををかせりわが子ダビデよ歸れわが生命今日爾の目に寶と見なされたる故により我々かさねて爾に害を加へざるべし嗚呼われ愚なることをなして甚だしく過てり
22 Ary Davida namaly hoe: Indro ny lefon’ ny mpanjaka! koa asaovy misy zatovo anankiray mankety haka azy.
ダビデこたへていひけるは王よ槍を視よ請ひとりの少者をしてわたりてこれを取しめよ
23 Ny lehilahy izay nanoloran’ i Jehovah anao teo an-tànany androany dia hovaliany araka ny fahitsiany sy ny fahamarinany, fa tsy nety naninjitra ny tanako hamely ny voahosotr’ i Jehovah aho.
ねがはくはヱホバおのおのに其義と眞實とにしたがひて報いたまへ共はヱホバ今日爾をわが手にわたしたまひしに我ヱホバの受膏者に敵してわが手をのぶることをせざればなり
24 Ary, indro, fa tahaka ny nanaovako ny aina ho lehibe androany no mba hanaovan’ i Jehovah ny aiko ho lehibe kosa ka hanafahany ahy amin’ ny fahoriana rehetra.
爾の生命を今日わがおもんぜしごとくねがはくはヱホバわが生命をおもんじて諸の艱難のうちより我をすくひいだしたまへ
25 Ary hoy Saoly tamin’ i Davida: Hotahina anie ianao, ry Davida zanako; hanao dia hanao ianao sady hahatontosa. Dia lasa Davida, fa Saoly kosa nitodi-doha hiverina.
サウル、ダビデにいひけるはわが子ダビデよ爾はほむべきかな爾大なる事を爲さん亦かならず勝をえんとしかしてダビデは其道にさりサウルはおのれの所にかへれり

< 1 Samoela 26 >