< 1 Samoela 25 >
1 Ary maty Samoela; ary nivory ny Isiraely rehetra ka nisaona azy sy nandevina azy tao amin’ ny fonenany tao Rama. Ary Davida niainga ka nidina nankany an-efitra Parana.
爰にサムエル死にしかばイスラエル人皆あつまりて之をかなしみラマにあるその家にてこれを葬むれりダビデたちてバランの野にくだる
2 Ary nisy lehilahy tao Maona, ary tao Karmela ny fananany; mpanjatobe ralehilahy ka nanana ondry telo arivo sy osy arivo, ary nanety ny ondriny tao Karmela izy.
マオンに一箇の人あり其所有はカルメルにあり其人甚だ大なる者にして三千の羊と一千の山羊をもちしがカルメルにて羊の毛を剪り居たり
3 Nabala no anaran-dralehilahy; ary Abigaila no anaran’ ny vavy; vehivavy hendry sady tsara tarehy izy; fa ny lahy kosa saro-po sy ratsy amin’ izay ataony; ary isan’ ny taranak’ i Kaleba izy.
其人の名はナバルといひ其妻の名はアビガルといふアビガルは賢く顔美き婦なりされど其夫は剛愎にして其爲すところ惡かりきかれはカレブの人なり
4 Ary ren’ i Davida tany an-efitra fa Nabala manety ny ondriny.
ダビデ野にありてナバルが其羊の毛を剪りをるを聞き
5 Dia naniraka zatovo folo lahy Davida ka nanao taminy hoe: Miakara any Karmela ianareo, ary mankanesa any amin’ i Nabala, ka miarahabà azy amin’ ny anarako.
ダビデ十人の少者を遣はすダビデ其少者にいひけるはカルメルにのぼりナバルにいたりわが名をもてかれに安否をとひ
6 Ary izao no holazainareo aminy: trarantitra ianao, fiadanana anie ho anao, ary fiadanana ho amin’ ny ankohonanao, ary fiadanana ho amin’ izay anananao rehetra.
かくのごとくいへ願くは壽ながかれ爾平安なれ爾の家やすらかなれ爾が有ところの物みなやすらかなれ
7 Ary ankehitriny efa reko fa manety ondry ianao; koa ny mpiandry ondrinao, izay tao aminay, tsy nasianay ratsy, ary tsy nisy very na inona na inona tamin’ ny andro rehetra nitoerany tao Karmela.
我爾が羊毛を剪せをるを聞り爾の牧羊者は我らとともにありしが我らこれを害せざりきまたかれらがカルメルにありしあひだかれらの物何も失たることなし
8 Anontanio ny zatovonao, fa hilaza aminao izy. Koa aoka hahita fitia eo imasonao ny zatovo (fa andro fifaliana no ihavianay); masìna ianao, mba omeo amin’ izay azon’ ny tananao ireto mpanomponao sy Davida zanakao.
爾の少者に問へかれら爾につげん願くは少者をして爾のまへに恩をえせしめよ我ら吉日に來る請ふ爾の手にあるところの物を爾の僕らおよび爾の子ダビデにあたへよ
9 Ary rehefa tonga ny zatovon’ i Davida, dia niteny tamin’ i Nabala tamin’ ny anaran’ i Davida araka izany teny rehetra Izany izy, ka dia nipetraka.
ダビデの少者いたりダビデの名をもって是らのことばの如くナバルに語りてやめり
10 Fa Nabala namaly ny mpanompon’ i Davida hoe: Inona moa Davida? Ary inona moa ny zanak’ i Jese? Misy mpanompo maro ankehitriny izay milefa miala amin’ ny tompony.
ナバル、ダビデの僕にこたへていひけるはダビデは誰なるヱサイの子は誰なる此頃は主人をすてて遁逃るる僕おほし
11 Koa halaiko va ny mofoko sy ny ranoko ary ny zavatra izay efa novonoiko ho an’ ny mpanety ondriko, ka homeko izay olona tsy fantatro nihaviana akory?
我あにわがパンと水およびわが羊毛をきる者のために殺したる肉をとりて何處よりか知れざるところの人々にあたふべけんや
12 Dia nihodina ny zatovon’ i Davida ka nankany amin’ izay nalehany; ary dia nody tany aminy indray izy ka nanambara izany teny rehetra izany taminy.
ダビデの少者ふりかへりて其道に就き歸りきたりて此等の言のごとくダビデに告ぐ
13 Ary hoy Davida tamin’ ny olony: Samia manao ny sabatrareo eo amin’ ny fehin-tsabany avy ianareo; ka dia samy nanao ny sabany teo amin’ ny fehin-tsabany avy ny olona, ary dia mba nanao ny sabany teo amin’ ny fehin-tsabany koa Davida; ary nisy tokony ho efa-jato lahy niakatra nanaraka an’ i Davida, ary roan-jato lahy kosa nipetraka teo amin’ ny entana.
是においてダビデ其從者に爾らおのおの劍を帶よと言ければ各劍をおぶダビデもまた劍をおぶ而して四百人ばかりダビデにしたがひて上り二百人は輜重のところに止れり
14 Ary Abigaila, vadin’ i Nabala, dia nilazan’ ny anankiray tamin’ ny zatovony hoe: Indro, Davida naniraka olona avy tany an-efitra mba hiarahaba ny tompontsika, nefa nisafoaka tamin’ ireny izy.
時にひとりの少者ナバルの妻アビガルに告ていひけるは視よダビデ野より使者をおくりて我らの主人を祝したるに主人かれらを詈れり
15 Fa ireo lehilahy ireo dia nanao tsara tokoa taminay, ka tsy naninona tsy naninona izahay, ary tsy nisy zavatra very tamin’ izay andro nitoeranay tao aminy, fony tany an-tsaha izahay.
されどかの人々はわれらに甚だ善くなし我らは害をかうむらず亦われら野にありし時かれらとともにをるあひだはなにをも失なはざりき
16 Izy no mandanay andro aman’ alina tamin’ ny andro rehetra nitoeranay niandry ondry tao aminy.
我らが羊をかひて彼らとともにありしあひだ彼らは日夜われらの墻となれり
17 Koa dia fantaro sy hevero ankehitriny izay hataonao; fa ratsy no ifofoan’ ny tompontsika mbamin’ ny ankohonany rehetra; fa Nabala dia tena ratsy fanahy, ka tsy misy olona mahazo miteny aminy.
されば爾今しりてなにをなさんかを考ふべし其はわれらの主人および主人の全家に定めて害きたるべければなり主人は邪魔なる者にして語ることをえずと
18 Dia nandeha faingana Abigaila ka naka mofo roan-jato sy divay eran’ ny tavoara roa sy ondry dimy voavoatra sy lango indimin’ ny vata sy takela-boaloboka maina zato ary ampempan’ aviavy roan-jato, dia nasampiny tamin’ ny boriky izany.
アビガルいそぎパン二百酒の革嚢二旣に調へたる羊五烘麥五セア乾葡萄百球乾無花果の團塊二百を取て驢馬にのせ
19 Ary hoy izy tamin’ ny zatovony: Mandehana eo alohako, indro, izaho hanaraka anareo; nefa Nabala vadiny tsy mba nilazany.
其少者にいひけるは我先に進め視よ我爾らの後にゆくと然ど其夫ナバルには告げざりき
20 Ary tamin’ izany, nony nitaingina ny borikiny izy ka nidina tao amin’ ny takon’ ny havoana, dia indro, Davida sy ny olony nidina nanatona azy, ary izy nifanena taminy.
アビガル驢馬にのりて山の僻處にくだれる時視よダビデと其從者かれにむかひてくだりければかれ其人々にあふ
21 Ary Davida efa nilaza hoe: Foana tokoa ny an-efitra, ka tsy nisy very na inona na inona; fa novaliany ratsy ny soa nataoko.
ダビデかつていひけるは誠にわれ徒に此人の野にて有る物をみなまもりてその物をして何もうせざらしめたりかれは惡をもてわが善にむくゆ
22 Mba hataon’ Andriamanitra toy izany anie ny fahavalon’ i Davida, eny, mihoatra noho izany aza, raha dia havelako hisy miangana na dia lehilahy iray aza izay mety ho azy ambara-pahazavan’ ny andro.
ねがはくは神ダビデの敵にかくなしまた重ねてかくなしたまへ明晨までに我はナバルに屬する總ての物の中ひとりの男をものこさざるべし
23 Ary Abigaila, raha nahita an’ i Davida, dia niala faingana tamin’ ny boriky ary niankohoka teo anatrehan’ i Davida ka nitsaoka azy.
アビガル、ダビデを視しとき急ぎ驢馬よりおりダビデのまへに地に俯して拝し
24 Dia niankohoka tamin’ ny tongony izy ka nanao hoe: Aoka ho ahy dia ho ahy ity heloka ity, tompokolahy; masìna ianao, avelao ny ankizivavinao hiteny eto anatrehanao, ka henoy ny tenin’ ny ankizivavinao.
其足もとにふしていひけるはわが主よ此咎を我に歸したまへ但し婢をして爾の耳にいふことを得さしめ婢のことばを聽たまへ
25 Masìna ianao, aoka ny tompoko tsy hisaina io Nabala lehilahy tena ratsy fanahy io, fa araka ny anarany ihany no toeny; Nabala no anarany, ary hadalana no ao aminy; fa izaho ankizivavinao, tompoko, tsy mba nahita ny zatovo nirahinao.
ねがはくは我主この邪なる人ナバル(愚)の事を意に介むなかれ其はかれは其名の如くなればなりかれの名はナバルにしてかれは愚なりわれなんぢの婢はわが主のつかはせし少ものを見ざりき
26 Koa ankehitriny, tompoko, raha velona koa Jehovah, ary raha velona koa ny fanahinao, Jehovah efa niaro anao tsy hahazo heloka amin’ ny fandatsahan-drà ary tsy hamaly ho an’ ny tenanao; ary avelao ny fahavalonao sy izay mitady hanisy ratsy anao, tompoko, ho tahaka an’ i Nabala.
さればわがしゆよヱホバはいくまたなんぢのたましひはいくヱホバなんぢのきたりて血をながしまた爾がみづから仇をむくゆるを阻めたまへりねがはくは爾の敵たるものおよびわが主に害をくはへんとする者はナバルのごとくなれ
27 Ary izao saotra nentin’ ny ankizivavinao aminao izao, tompoko, dia aoka homena ny zatovo manaraka ny Tompoko.
さて仕女がわが主にもちきたりしこの禮物をねがはくはわが主の足迹にあゆむ少者にたてまつらしめたまへ
28 Masìna ianao, mamelà ny fahadisoan’ ny ankizivavinao, fa Jehovah hampaharitra ny taranaky ny tompoko tokoa; fa ny tompoko miady ny adin’ i Jehovah, ary tsy misy ratsy ho hita aminao amin’ ny andro rehetra iainanao.
請ふ婢の過をゆるしたまへヱホバ必ずわが主のために堅き家を立たまはん是はわが主ヱホバの軍に戰ふにより又世にいでてよりこのかた爾の身に惡きこと見えざるによりてなり
29 Nefa raha misy olona mitsangana hanenjika anao ka mitady ny ainao, dia hofehezina amin’ ny fehin’ aina ao amin’ i Jehovah Andriamanitra ny fanahin’ ny tompoko, fa ny fanahin’ ny fahavalonao kosa dia hatorany toy ny eo amin’ ny foitran’ antsamotady.
人たちて爾を追ひ爾の生命を求むれどもわが主の生命は爾の神ヱホバとともに生命の包裏の中に包みあり爾の敵の生命は投石器のうちより投すつる如くヱホバこれをなげすてたまはん
30 Ary amin’ izany, raha Jehovah mahavita amin’ ny tompoko araka ny soa rehetra nilazany anao ka manendry anao ho mpanapaka ny Isiraely,
ヱホバその爾につきて語りたまひし諸の善き事をわが主になして爾をイスラエルの主宰に命じたまはん時にいたりて
31 dia tsy ho alahelo na ho nenina amin’ ny fon’ ny tompoko izany, fa tsy nandatsa-drà foana ianao, na namaly ho an’ ny tenanao, tompoko; fa rehefa asian’ i Jehovah soa ny tompoko, dia mba tsarovy aho ankizivavinao.
爾の故なくして血をながしたることも又わが主のみづから其仇をむくいし事も爾の憂となることなくまたわが主の心の責となることなかるべし但しヱホバのわが主に善くなしたまふ時にいたらばねがはくは婢を憶たまへ
32 Ary hoy Davida tamin’ i Abigaila: Isaorana anie Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, Izay naniraka anao hihaona amiko androany.
ダビデ、アビガルにいふ今日汝をつかはして我をむかへしめたまふイスラエルの神ヱホバは頌美べきかな
33 Ary hotahiny anie ny fahendrenao, ary hotahiny anie ianao, izay niaro ahy androany tsy hahazo heloka amin’ ny fandatsahan-drà ary tsy hamaly ho an’ ny tenako.
また汝の智慧はほむべきかな又汝はほむべきかな汝今日わがきたりて血をながし自ら仇をむくゆるを止めたり
34 Kanefa, raha velona koa Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, Izay niaro ahy tsy hanisy ratsy anao, raha tsy avy faingana hitsena ahy ianao toy izay, dia efa tsy nasiako niangana na dia lehilahy iray aza amin’ i Nabala ambara-pahazavan’ ny andro.
わが汝を害するを阻めたまひしイスラエルの神ヱホバは生く誠にもし汝いそぎて我を來り迎ずば必ず翌朝までにナバルの所にひとりの男ものこらざりしならんと
35 Ka dia noraisin’ i Davida teny an-tànany ilay zavatra nentiny, ary hoy izy taminy: Miakara soa aman-tsara ho any an-tranonao ianao; indro, efa nohenoiko ny feonao, ary nankasitrahako ianao.
ダビデ、アビガルの携へきたりし物を其手より受てかれにいひけるは安かに汝の家にかへりのぼれ視よわれ汝の言をききいれて汝の顔を立たり
36 Ary Abigaila dia tonga tao amin’ i Nabala; kanjo, indro, nanao fanasana tao an-tranony izy tahaka ny fanasan’ ny mpanjaka, ary faly ny fon’ i Nabala tamin’ izany, ary mamo loatra izy, ka dia tsy nisy nambaran’ ny vavy taminy, na kely na be mandra-pahazavan’ ny andro.
かくてアビガル、ナバルにいたりて視にかれは家に酒宴を設け居たり王の酒宴のごとしナバルの心これがために樂みて甚だしく酔たればアビガル多少をいはず何をも翌朝までかれにつげざりき
37 Ary nony maraina, ka afaka ny hamamoan’ i Nabala, dia nambaran’ ny vavy taminy izany zavatra izany, ka dia matihena ny fony ka tonga tahaka ny vato.
朝にいたりナバルの酒のさめたる時妻かれに是等の事をつげたるに彼の心そのうちに死て其身石のごとくなりぬ
38 Ary nony afaka hafoloana, dia nasian’ i Jehovah Nabala, ka dia maty izy.
十日ばかりありてヱホバ、ナバルを撃ちたまひければ死り
39 Ary nony ren’ i Davida fa maty Nabala, dia hoy izy: Isaorana anie Jehovah izay niady ho ahy ka nahafa-tondromaso ahy tamin’ i Nabala sy niaro ny mpanompony tsy hahatanteraka ny ratsy; fa ny ratsy nataon’ i Nabala dia nampodin’ i Jehovah ho eo an-dohany ihany. Ary Davida naniraka hiresaka amin’ i Abigaila hila azy ho vady.
ダビデ、ナバルの死たるを聞ていひけるはヱホバは頌美べきかなヱホバわが蒙むりたる恥辱の訟を理してナバルにむくい僕を阻めて惡をおこなはざらしめたまふ其はヱホバ、ナバルの惡を其首に歸し賜へばなりと爰にダビデ、アビガルを妻にめとらんとて人を遣はしてこれとかたらはしむ
40 Ary nony tonga tany amin’ i Abigaila teo Karmela ny mpanompon’ i Davida, dia hoy izy: Davida naniraka anay hankatỳ aminao hila anao ho vadiny.
ダビデの僕カルメルにをるアビガルの許にいたりてこれにかたりいひけるはダビデ汝を妻にめとらんとて我らを汝に遣はすと
41 Dia nitsangana izy ary niankohoka tamin’ ny tany ka nanao hoe: Indro, aoka ny ankizivavinao ho mpanompo hanasa ny tongotry ny mpanompon’ itompokolahy.
アビガルたちて地にふして拝しいひけるは視よ婢はわが主の僕等の足を洗ふ仕女なりと
42 Ary Abigaila nitsangana faingana ka nitaingina boriky, ary ankizivaviny dimy no nanaraka azy; dia nanaraka ny irak’ i Davida izy, ka dia novadiny.
アビガルいそぎたちて驢馬に乗り五人の侍女とともにダビデの使者にしたがひゆきてダビデの妻となる
43 Ary Davida efa nanambady an’ i Ahinoama avy any Jezirela koa; ary samy novadiny avokoa izy roa vavy.
ダビデまたヱズレルのアヒノアムを娶れり彼ら二人ダビデの妻となる
44 Fa Saoly efa nanome an’ i Mikala, zananivavy, vadin’ i Davida, ho vadin’ i Palty, zanak’ i Laisy, avy any Galima.
但しサウルはダビデの妻なりし其女ミカルをガリムの人なるライシの子パルテにあたへたり