< 1 Samoela 25 >
1 Ary maty Samoela; ary nivory ny Isiraely rehetra ka nisaona azy sy nandevina azy tao amin’ ny fonenany tao Rama. Ary Davida niainga ka nidina nankany an-efitra Parana.
Na rĩrĩ, Samũeli agĩkua, nao andũ othe a Isiraeli makĩũngana makĩmũrĩrĩra; makĩmũthika mũciĩ gwake kũu Rama. Nake Daudi agĩikũrũka agĩthiĩ Werũ wa Maoni.
2 Ary nisy lehilahy tao Maona, ary tao Karmela ny fananany; mpanjatobe ralehilahy ka nanana ondry telo arivo sy osy arivo, ary nanety ny ondriny tao Karmela izy.
Mũndũ ũmwe wa kũu Maoni, ũrĩa warĩ na indo kũu Karimeli, aarĩ mũtongu mũno. Aarĩ na mbũri ngiri ĩmwe na ngʼondu ngiri ithatũ, iria aamuraga guoya kũu Karimeli.
3 Nabala no anaran-dralehilahy; ary Abigaila no anaran’ ny vavy; vehivavy hendry sady tsara tarehy izy; fa ny lahy kosa saro-po sy ratsy amin’ izay ataony; ary isan’ ny taranak’ i Kaleba izy.
Nake eetagwo Nabali, na mũtumia wake eetagwo Abigaili. Aarĩ mũtumia mũũgĩ na mũthaka, no mũthuuriwe, ũrĩa warĩ Mũkalebu, aarĩ mũũru na mũkarĩ maũndũ-inĩ make.
4 Ary ren’ i Davida tany an-efitra fa Nabala manety ny ondriny.
Daudi arĩ werũ-inĩ nĩaiguire atĩ Nabali nĩ ngʼondu aramura guoya.
5 Dia naniraka zatovo folo lahy Davida ka nanao taminy hoe: Miakara any Karmela ianareo, ary mankanesa any amin’ i Nabala, ka miarahabà azy amin’ ny anarako.
Nĩ ũndũ ũcio agĩtũma aanake ikũmi akĩmeera atĩrĩ, “Ambatai mũthiĩ kũrĩ Nabali kũu Karimeli na mũmũgeithie mwĩĩtanĩtie na niĩ.
6 Ary izao no holazainareo aminy: trarantitra ianao, fiadanana anie ho anao, ary fiadanana ho amin’ ny ankohonanao, ary fiadanana ho amin’ izay anananao rehetra.
Mwĩrei atĩrĩ; ‘Ũrotũũra mĩaka mĩingĩ! Ũrogĩa na ũgima, wee na nyũmba yaku! O na kĩrĩa gĩothe ũrĩ nakĩo kĩroogĩa na ũhooreri!
7 Ary ankehitriny efa reko fa manety ondry ianao; koa ny mpiandry ondrinao, izay tao aminay, tsy nasianay ratsy, ary tsy nisy very na inona na inona tamin’ ny andro rehetra nitoerany tao Karmela.
“‘Na rĩrĩ, ndĩraigua atĩ nĩ hĩndĩ ya kũmura ngʼondu guoya. Rĩrĩa arĩithi aku maarĩ hamwe na ithuĩ, tũtiamekire ũũru, na ihinda rĩrĩa rĩothe maarĩ Karimeli gũtirĩ kĩndũ o na kĩmwe kĩao kĩorire.
8 Anontanio ny zatovonao, fa hilaza aminao izy. Koa aoka hahita fitia eo imasonao ny zatovo (fa andro fifaliana no ihavianay); masìna ianao, mba omeo amin’ izay azon’ ny tananao ireto mpanomponao sy Davida zanakao.
Ũria ndungata ciaku na nĩigũkwĩra. Nĩ ũndũ wa ũguo ĩka aanake acio akwa maũndũ mega, nĩgũkorwo tũũkĩte hĩndĩ ya gĩkeno. Ndagũthaitha ũhe ndungata ciaku na mũrũguo Daudi kĩrĩa gĩothe ũngĩmoonera.’”
9 Ary rehefa tonga ny zatovon’ i Davida, dia niteny tamin’ i Nabala tamin’ ny anaran’ i Davida araka izany teny rehetra Izany izy, ka dia nipetraka.
Rĩrĩa andũ a Daudi maakinyire-rĩ, makĩhe Nabali ndũmĩrĩri ĩyo ya Daudi. Nao magĩcooka magĩeterera.
10 Fa Nabala namaly ny mpanompon’ i Davida hoe: Inona moa Davida? Ary inona moa ny zanak’ i Jese? Misy mpanompo maro ankehitriny izay milefa miala amin’ ny tompony.
Nabali agĩcookeria ndungata cia Daudi atĩrĩ, “Daudi nũũ? Mũrũ wa Jesii ũyũ nĩ ũrĩkũ? Ndungata nyingĩ nĩiroora ikoima kũrĩ aathani acio matukũ maya.
11 Koa halaiko va ny mofoko sy ny ranoko ary ny zavatra izay efa novonoiko ho an’ ny mpanety ondriko, ka homeko izay olona tsy fantatro nihaviana akory?
Nĩ kĩĩ kĩngĩtũma njoe mĩgate yakwa, na maaĩ, na nyama iria thĩnjĩire andũ akwa a kũmura ngʼondu guoya, ndĩcihe andũ itooĩ kũrĩa moimĩte?”
12 Dia nihodina ny zatovon’ i Davida ka nankany amin’ izay nalehany; ary dia nody tany aminy indray izy ka nanambara izany teny rehetra izany taminy.
Andũ acio a Daudi makĩhũndũka, magĩcooka na thuutha. Hĩndĩ ĩrĩa maakinyire, makĩheana ũhoro ũcio wothe.
13 Ary hoy Davida tamin’ ny olony: Samia manao ny sabatrareo eo amin’ ny fehin-tsabany avy ianareo; ka dia samy nanao ny sabany teo amin’ ny fehin-tsabany avy ny olona, ary dia mba nanao ny sabany teo amin’ ny fehin-tsabany koa Davida; ary nisy tokony ho efa-jato lahy niakatra nanaraka an’ i Davida, ary roan-jato lahy kosa nipetraka teo amin’ ny entana.
Daudi akĩĩra andũ ake atĩrĩ, “Mwĩohei hiũ cianyu cia njora!” Nao makĩĩoha hiũ ciao cia njora, o nake Daudi akĩĩoha rwake. Andũ ta magana mana makĩambata hamwe na Daudi, nao andũ magana meerĩ magĩtigwo maikarĩtie indo.
14 Ary Abigaila, vadin’ i Nabala, dia nilazan’ ny anankiray tamin’ ny zatovony hoe: Indro, Davida naniraka olona avy tany an-efitra mba hiarahaba ny tompontsika, nefa nisafoaka tamin’ ireny izy.
Na rĩrĩ, ũmwe wa ndungata cia Nabali akĩĩra Abigaili mũtumia wa Nabali atĩrĩ, “Daudi nĩaratũmĩte ndungata ciake kuuma werũ-inĩ irehere mwathi witũ ngeithi, nake araciruma.
15 Fa ireo lehilahy ireo dia nanao tsara tokoa taminay, ka tsy naninona tsy naninona izahay, ary tsy nisy zavatra very tamin’ izay andro nitoeranay tao aminy, fony tany an-tsaha izahay.
No andũ acio nĩmatwĩkire wega. Matiatwĩkire ũũru, ihinda rĩothe rĩrĩa twarĩ kũu mĩgũnda-inĩ hakuhĩ nao, na gũtirĩ kĩndũ kĩorire.
16 Izy no mandanay andro aman’ alina tamin’ ny andro rehetra nitoeranay niandry ondry tao aminy.
Ũtukũ na mũthenya maarĩ ta rũthingo rwatũrigiicĩirie hĩndĩ ciothe rĩrĩa twarĩithagia ngʼondu ciitũ gũkuhĩ nao.
17 Koa dia fantaro sy hevero ankehitriny izay hataonao; fa ratsy no ifofoan’ ny tompontsika mbamin’ ny ankohonany rehetra; fa Nabala dia tena ratsy fanahy, ka tsy misy olona mahazo miteny aminy.
Rĩu-rĩ, wĩciirie wone ũrĩa wagĩrĩirwo nĩ gwĩka, nĩ ũndũ mwanangĩko nĩũkuhĩrĩirie mwathi witũ na nyũmba yake yothe. Nĩ mũndũ mwaganu ũũ atĩ gũtirĩ mũndũ ũngĩmwarĩria.”
18 Dia nandeha faingana Abigaila ka naka mofo roan-jato sy divay eran’ ny tavoara roa sy ondry dimy voavoatra sy lango indimin’ ny vata sy takela-boaloboka maina zato ary ampempan’ aviavy roan-jato, dia nasampiny tamin’ ny boriky izany.
Abigaili ndaateire ihinda. Akĩoya mĩgate magana meerĩ, na mondo igĩrĩ cia ndibei, na ngʼondu ithano ĩrĩ thĩnje, na ibaba ithano cia ngano hĩhie, na imanjĩka igana cia thabibũ nyũmũ, na ikũmba magana meerĩ cia ngũyũ, agĩciigĩrĩra ndigiri igũrũ.
19 Ary hoy izy tamin’ ny zatovony: Mandehana eo alohako, indro, izaho hanaraka anareo; nefa Nabala vadiny tsy mba nilazany.
Ningĩ akĩĩra ndungata ciake atĩrĩ, “Thiiagai mbere; nĩngũmũrũmĩrĩra.” No ndeerire mũthuuriwe Nabali ũhoro ũcio.
20 Ary tamin’ izany, nony nitaingina ny borikiny izy ka nidina tao amin’ ny takon’ ny havoana, dia indro, Davida sy ny olony nidina nanatona azy, ary izy nifanena taminy.
Na rĩrĩa aathiiaga ahaicĩte ndigiri yake agereire mũkuru warĩ kĩrĩma-inĩ, Daudi na andũ ake magĩũka maikũrũkĩte na kũrĩa aarĩ, agĩcemania nao.
21 Ary Davida efa nilaza hoe: Foana tokoa ny an-efitra, ka tsy nisy very na inona na inona; fa novaliany ratsy ny soa nataoko.
Daudi aakoretwo oiga atĩrĩ, “Warĩ wĩra wa tũhũ, niĩ ngarorera mũndũ ũcio indo ciake kũu werũ-inĩ, nĩgeetha gũtikagĩe kĩndũ o na kĩmwe gĩake gĩkũũra. Nake andĩhĩte wega na ũũru.
22 Mba hataon’ Andriamanitra toy izany anie ny fahavalon’ i Davida, eny, mihoatra noho izany aza, raha dia havelako hisy miangana na dia lehilahy iray aza izay mety ho azy ambara-pahazavan’ ny andro.
Ngai aroherithia Daudi, na amwĩke ũũru makĩria, ingĩgaatigia mũndũ mũrũme o na ũmwe muoyo ũrĩa ũmũkoniĩ rũciũ rũciinĩ!”
23 Ary Abigaila, raha nahita an’ i Davida, dia niala faingana tamin’ ny boriky ary niankohoka teo anatrehan’ i Davida ka nitsaoka azy.
Rĩrĩa Abigaili onire Daudi, akĩhiũha kuuma igũrũ rĩa ndigiri yake na akĩinamĩrĩra mbere ya Daudi aturumithĩtie ũthiũ thĩ.
24 Dia niankohoka tamin’ ny tongony izy ka nanao hoe: Aoka ho ahy dia ho ahy ity heloka ity, tompokolahy; masìna ianao, avelao ny ankizivavinao hiteny eto anatrehanao, ka henoy ny tenin’ ny ankizivavinao.
Akĩĩgũithia magũrũ-inĩ make, akĩmwĩra atĩrĩ, “Mwathi wakwa, reke ũũru ũyũ ũnjookerere ndĩ nyiki. Ndagũthaitha, reke ndungata yaku ĩkwarĩrie; ũthikĩrĩrie ũrĩa ndungata yaku ĩrenda kuuga.
25 Masìna ianao, aoka ny tompoko tsy hisaina io Nabala lehilahy tena ratsy fanahy io, fa araka ny anarany ihany no toeny; Nabala no anarany, ary hadalana no ao aminy; fa izaho ankizivavinao, tompoko, tsy mba nahita ny zatovo nirahinao.
Mwathi wakwa aroaga kũrũmbũiya mũndũ ũcio mwaganu ti Nabali. Ahaana o ta rĩĩtwa rĩake, rĩĩtwa rĩake riugĩte mũndũ mũkĩĩgu, na akoragwo arĩ o mũkĩĩgu. No niĩ ndungata yaku-rĩ, ndionire andũ acio mwathi wakwa aatũmĩte.
26 Koa ankehitriny, tompoko, raha velona koa Jehovah, ary raha velona koa ny fanahinao, Jehovah efa niaro anao tsy hahazo heloka amin’ ny fandatsahan-drà ary tsy hamaly ho an’ ny tenanao; ary avelao ny fahavalonao sy izay mitady hanisy ratsy anao, tompoko, ho tahaka an’ i Nabala.
“Na rĩrĩ, kuona atĩ wee mwathi wakwa, Jehova nĩakweheranĩirie na ũiti wa thakame, na kwaga kwĩrĩhĩria na moko maku-rĩ, ti-itherũ o ta ũrĩa Jehova atũũraga muoyo na ũrĩa wee ũtũũraga muoyo-rĩ, thũ ciaku na arĩa othe mangĩenda gwĩka mwathi wakwa ũũru marohaana ta Nabali.
27 Ary izao saotra nentin’ ny ankizivavinao aminao izao, tompoko, dia aoka homena ny zatovo manaraka ny Tompoko.
Na ũreke kĩheo gĩkĩ, kĩrĩa ndungata yaku ĩreheire mwathi wakwa, kĩnengerwo andũ arĩa makũrũmĩrĩire.
28 Masìna ianao, mamelà ny fahadisoan’ ny ankizivavinao, fa Jehovah hampaharitra ny taranaky ny tompoko tokoa; fa ny tompoko miady ny adin’ i Jehovah, ary tsy misy ratsy ho hita aminao amin’ ny andro rehetra iainanao.
Ndagũthaitha ũrekere ndungata yaku ihĩtia rĩayo, nĩgũkorwo no nginya Jehova agaatũma nyũmba ya mwathi wakwa ĩtuĩke ya ũthamaki wa gũtũũra, tondũ arũaga mbaara cia Jehova. Gũtikanoneke ũndũ mũũru thĩinĩ waku hĩndĩ ĩrĩa yothe ũgũtũũra muoyo.
29 Nefa raha misy olona mitsangana hanenjika anao ka mitady ny ainao, dia hofehezina amin’ ny fehin’ aina ao amin’ i Jehovah Andriamanitra ny fanahin’ ny tompoko, fa ny fanahin’ ny fahavalonao kosa dia hatorany toy ny eo amin’ ny foitran’ antsamotady.
O na kũngĩkorwo kũrĩ mũndũ ũgũthingatĩte akũrute muoyo-rĩ, muoyo wa mwathi wakwa nĩũgakorwo wohanĩtio wega na kĩohe kĩa arĩa marĩ muoyo nĩ Jehova Ngai waku. No mĩoyo ya thũ ciaku nĩakamĩikia kũraihu ta ĩikĩtio na kĩgũtha.
30 Ary amin’ izany, raha Jehovah mahavita amin’ ny tompoko araka ny soa rehetra nilazany anao ka manendry anao ho mpanapaka ny Isiraely,
Rĩrĩa Jehova agaakorwo ekĩte mwathi wakwa maũndũ mothe mega marĩa eeranĩire mamũkoniĩ, na akorwo agũtuĩte mũtongoria wa gũtongoragia Isiraeli-rĩ,
31 dia tsy ho alahelo na ho nenina amin’ ny fon’ ny tompoko izany, fa tsy nandatsa-drà foana ianao, na namaly ho an’ ny tenanao, tompoko; fa rehefa asian’ i Jehovah soa ny tompoko, dia mba tsarovy aho ankizivavinao.
mwathi wakwa ndakanakorwo arĩ na mũrigo wa kũmũritũhĩra thĩinĩ wa thamiri yake nĩ ũndũ wa gũitithia thakame hatarĩ na gĩtũmi kana akorwo erĩhĩirie. Na hĩndĩ ĩrĩa Jehova akaarehera mwathi wakwa ũhootani-rĩ, ũkaaririkana ndungata yaku.”
32 Ary hoy Davida tamin’ i Abigaila: Isaorana anie Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, Izay naniraka anao hihaona amiko androany.
Daudi akĩĩra Abigaili atĩrĩ, “Jehova, Ngai wa Isiraeli, arogoocwo, ũcio ũgũtũmire ũmũthĩ ũũke ũcemanie na niĩ.
33 Ary hotahiny anie ny fahendrenao, ary hotahiny anie ianao, izay niaro ahy androany tsy hahazo heloka amin’ ny fandatsahan-drà ary tsy hamaly ho an’ ny tenako.
Ũrorathimwo nĩ ũndũ wa itua rĩaku rĩega na kũngiria ndigaite thakame ũmũthĩ, na ndikerĩhĩrie na moko makwa.
34 Kanefa, raha velona koa Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, Izay niaro ahy tsy hanisy ratsy anao, raha tsy avy faingana hitsena ahy ianao toy izay, dia efa tsy nasiako niangana na dia lehilahy iray aza amin’ i Nabala ambara-pahazavan’ ny andro.
Tiga nĩ ũguo-rĩ, ti-itherũ o ta ũrĩa Jehova, Ngai wa Isiraeli, atũũraga muoyo, ũcio ũgiririe ngũgere ngero, korwo ndũnooka na ihenya kũndũnga-rĩ, gũtirĩ mũndũ mũrũme o na ũmwe ũkoniĩ Nabali ũngĩakorwo arĩ muoyo gũgĩkĩa.”
35 Ka dia noraisin’ i Davida teny an-tànany ilay zavatra nentiny, ary hoy izy taminy: Miakara soa aman-tsara ho any an-tranonao ianao; indro, efa nohenoiko ny feonao, ary nankasitrahako ianao.
Ningĩ Daudi akĩamũkĩra kĩrĩa aamũreheire kuuma guoko-inĩ gwake, na akĩmwĩra atĩrĩ, “Inũka na thayũ. Nĩndaigua ũhoro waku na nĩndetĩkĩra ihooya rĩaku.”
36 Ary Abigaila dia tonga tao amin’ i Nabala; kanjo, indro, nanao fanasana tao an-tranony izy tahaka ny fanasan’ ny mpanjaka, ary faly ny fon’ i Nabala tamin’ izany, ary mamo loatra izy, ka dia tsy nisy nambaran’ ny vavy taminy, na kely na be mandra-pahazavan’ ny andro.
Rĩrĩa Abigaili aathiire kũrĩ Nabali, akĩmũkora arĩ nyũmba thĩinĩ arugithĩtie iruga ta rĩa mũthamaki. Ngoro yake yarĩ njanjamũku na aarĩ mũrĩĩu mũno. Nĩ ũndũ ũcio ndarĩ ũndũ aamwĩrire nginya rĩrĩa gwakĩire.
37 Ary nony maraina, ka afaka ny hamamoan’ i Nabala, dia nambaran’ ny vavy taminy izany zavatra izany, ka dia matihena ny fony ka tonga tahaka ny vato.
Ningĩ rũciinĩ gwakĩa, rĩrĩa Nabali aarĩĩũkirwo, mũtumia wake akĩmwĩra maũndũ macio mothe; ngoro yake ĩgĩkira, akĩhaana ta ihiga.
38 Ary nony afaka hafoloana, dia nasian’ i Jehovah Nabala, ka dia maty izy.
Thuutha wa mĩthenya ta ikũmi, Jehova akĩgũtha Nabali, nake agĩkua.
39 Ary nony ren’ i Davida fa maty Nabala, dia hoy izy: Isaorana anie Jehovah izay niady ho ahy ka nahafa-tondromaso ahy tamin’ i Nabala sy niaro ny mpanompony tsy hahatanteraka ny ratsy; fa ny ratsy nataon’ i Nabala dia nampodin’ i Jehovah ho eo an-dohany ihany. Ary Davida naniraka hiresaka amin’ i Abigaila hila azy ho vady.
Hĩndĩ ĩrĩa Daudi aaiguire atĩ Nabali nĩakuĩte, akiuga atĩrĩ, “Jehova arogoocwo, ũrĩa ũndũĩrĩire mbaara iitũ na Nabali nĩ ũndũ wa kũũnyarara. Nĩagirĩrĩirie ndungata yake ndĩgeeke ũũru, na agacookereria Nabali ũũru wake we mwene.” Daudi agĩcooka agĩtũmanĩra Abigaili, akĩmũũria atuĩke mũtumia wake.
40 Ary nony tonga tany amin’ i Abigaila teo Karmela ny mpanompon’ i Davida, dia hoy izy: Davida naniraka anay hankatỳ aminao hila anao ho vadiny.
Ndungata ciake igĩthiĩ Karimeli, ikĩĩra Abigaili atĩrĩ, “Daudi nĩatũtũmĩte kũrĩ we tũgũtware ũgatuĩke mũtumia wake.”
41 Dia nitsangana izy ary niankohoka tamin’ ny tany ka nanao hoe: Indro, aoka ny ankizivavinao ho mpanompo hanasa ny tongotry ny mpanompon’ itompokolahy.
Akĩinamĩrĩra, agĩturumithia ũthiũ thĩ, akĩmeera atĩrĩ, “Niĩ ndungata yanyu ya mũndũ-wa-nja ndĩ haha, nĩndĩhaarĩirie gũtungatĩra na gũthambia magũrũ ma ndungata cia mwathi wakwa.”
42 Ary Abigaila nitsangana faingana ka nitaingina boriky, ary ankizivaviny dimy no nanaraka azy; dia nanaraka ny irak’ i Davida izy, ka dia novadiny.
Abigaili akĩhaica ndigiri na ihenya, agĩthiĩ na airĩtu ake atano a kũmũtungataga, agĩtwarana hamwe na andũ acio maatũmĩtwo nĩ Daudi, agĩtuĩka mũtumia wake.
43 Ary Davida efa nanambady an’ i Ahinoama avy any Jezirela koa; ary samy novadiny avokoa izy roa vavy.
Daudi nĩahikĩtie Ahinoamu wa Jezireeli, nao eerĩ maarĩ atumia ake.
44 Fa Saoly efa nanome an’ i Mikala, zananivavy, vadin’ i Davida, ho vadin’ i Palty, zanak’ i Laisy, avy any Galima.
No Saũlũ nĩaheanĩte mwarĩ Mikali, mũtumia wa Daudi, kũrĩ Palitieli wa Laishi, ũrĩa warĩ wa kuuma Galimu.