< 1 Samoela 24 >
1 Ary rehefa niverina avy nanenjika ny Filistina Saoly, dia nisy nanambara taminy hoe; Indro, Davida any an-efitr’ i En-jedy.
Bayan da Shawulu ya komo daga fafaran Filistiyawa, sai aka gaya masa cewa, “Dawuda yana can a Jejin En Gedi.”
2 Ary Saoly naka telo arivo lahy voafantina tamin’ ny Isiraely rehetra ka lasa nitady an’ i Davida sy ny olony tany amin’ ny vatolampin’ ny osi-dia.
Saboda haka Shawulu ya zaɓi mutum dubu uku daga cikin dukan Isra’ila, suka fita neman Dawuda da mutanensa kusa da Duwatsun Awakin Jeji.
3 Ary tonga teo amin’ ny valan’ ondry tamoron-dalana izay nisy zohy izy, ka niditra tao Saoly mba hiavela; nefa Davida sy ny olony efa nipetraka tao anatin’ ny zohy.
Da Shawulu ya isa inda ake ajiye garken tumaki a bakin hanya inda akwai kogo, sai ya shiga ciki kogon don yă yi bayan gari. Dawuda da mutanensa kuwa suna can zaune a ƙurewar kogon.
4 Ary hoy ny olon’ i Davida taminy: Izao no andro nolazain’ i Jehovah taminao hoe: Indro, hatolotro eo an-tananao ny fahavalonao hataonao araka izay sitrakao. Dia nitsangana Davida ka nitsaitsaika nanapaka ny sisin’ ny kapôtin’ i Saoly.
Mutanen Dawuda suka ce, wannan rana ce Ubangiji ya yi magana ya ce maka, “Zan ba da maƙiyinka a hannunka domin ka yi abin da ka ga dama da shi.” Sai Dawuda ya tashi a hankali ya je ya yanke shafin rigar Shawulu.
5 Nefa nony efa vita izany, dia namely an’ i Davida ny eritreriny noho ny nanapahany ny sisin’ ny kapôtin’ i Saoly,
Daga baya Dawuda ya damu domin ya yanke shafin rigar Shawulu.
6 ka hoy izy tamin’ ny olony: Sanatria amiko eo anatrehan’ i Jehovah, raha hanao izany zavatra izany amin’ ny tompoko izay voahosotr’ i Jehovah ka haninjitra ny tanako aminy, fa voahosotr’ i Jehovah izy.
Ya ce wa mutanensa, “Ubangiji yă sawwaƙe in yi abu haka ga shugabana da Ubangiji ya shafe, ko in ɗaga hannuna in kashe shi, gama shi shafaffe ne na Ubangiji.”
7 Dia nampijanona ny mpanompony tamin’ izany teny izany Davida ka tsy namela azy hitsangana hamely an’ i Saoly. Ary Saoly nitsangana ka niala tao an-johy, dia nandeha tamin’ izay nalehany.
Da wannan magana Dawuda ya kwaɓi mutanensa, bai yarda su fāɗa wa Shawulu ba. Shawulu kuwa ya bar kogon ya yi tafiyarsa.
8 Ary rehefa afaka izany, dia mba nitsangana koa Davida ka niala tao an-johy koa, dia niantso an’ i Saoly ka nanao hoe: Ry mpanjaka tompoko ô! Ary nony nitodika azy Saoly, dia niondrika tamin’ ny tany Davida ka niankohoka.
Daga baya Dawuda ya fita daga kogon sai ya kira Shawulu ya ce, “Ranka yă daɗe, sarki!” Da Shawulu ya waiwaya, sai Dawuda ya rusuna da fuskarsa har ƙasa.
9 Ary hoy Davida tamin’ i Saoly: Nahoana ianao no maka vavan’ olona hoe: Indro, Davida mitady hanisy ratsy anao?
Ya ce wa Shawulu, “Me ya sa kake saurari mutanen da suke cewa, ‘Dawuda ya dāge yă cuce ka’?
10 Indro, hitan’ ny masonao androany ny nanoloran’ i Jehovah anao ho eo an-tanako tao an-johy; ary nisy nilaza hevitra hamonoana anao, saingy niantra anao ny masoko, ka hoy izaho: Tsy haninjitra ny tanako amin’ ny tompoko aho, fa voahosotr’ i Jehovah izy.
Yau ka ga da idonka yadda Ubangiji ya bashe ka a hannuna a cikin kogon nan. Waɗansu sun ce mini in kashe ka, amma na bar ka, na ce, ‘Ba zan sa hannuna a kan shugabana ba, gama shi shafaffe ne na Ubangiji.’
11 Ary koa, ry ikaky ô, jereo dia jereo ange ny sisin’ ny kapôtinao etỳ an-tanako; fa raha nanapaka ny sisin’ ny kapôtinao aho, fa tsy nahafaty anao, dia izahao ka fantaro fa tsy misy faharatsiana na fahadisoana amin’ ny tanako, ary tsy nanota taminao aho, nefa ianao kosa mihaza ny aiko mba hahafaty azy.
Babana, duba, ga shafin rigarka a hannuna, na yanke shafin rigarka amma ban kashe ka ba. Yanzu ka gane ka kuma sani cewa ba ni da laifin aikata kome ko tayarwa, ban yi maka laifi ba, amma kana farautar raina.
12 Jehovah no hitsara ahy sy ianao, ary Jehovah no hamaly anao noho ny amiko, fa ny tanako tsy mba haninona anao.
Ubangiji zai shari’anta tsakanina da kai. Ubangiji zai sāka mini laifin da ka yi mini, amma ni kam ba zan taɓa ka ba.
13 Araka ny lazain’ ny ohabolan’ ny ntaolo hoe: Avy amin’ ny ratsy fanahy no ivoahan’ ny ratsy, nefa ny tanako tsy haninona anao.
Kamar yadda karin maganan nan na dā ya ce, ‘Daga cikin masu mugunta, mugunta ke fitowa,’ hannuna dai ba zai taɓa ka ba.
14 Hitady an’ iza no nivoahan’ ny mpanjakan’ ny Isiraely? Iza no enjehinao? Amboa maty; parasy iray.
“Wane ne sarkin Isra’ila, ka fito kake bi? Wa kake kora? Kana bin mataccen kare ko kuɗin cizo?
15 Aoka Jehovah no ho mpitsara, ka dia hitsara ahy sy ianao ary hijery sy handahatra ho ahy ka hanafaka ahy amin’ ny tananao.
Ubangiji yă zama alƙali, yă yi shari’a tsakanina da kai, bari Ubangiji yă duba, yă tsaya mini, yă nuna ba ni da laifi.”
16 Ary nony vita izany teny nataon’ i Davida tamin’ i Saoly izany, dia hoy Saoly: Feonao va izany, ry Davida zanako ô? Ary Saoly nanandratra ny feony ka nitomany;
Da Dawuda ya gama wannan magana, sai Shawulu ya ce, “Muryarka ke nan ɗana Dawuda?” Sai ya fasa da kuka.
17 ary hoy izy tamin’ i Davida: Marina noho izaho ianao; fa ianao dia nanisy soa ahy, fa izaho kosa namaly ratsy anao.
Ya ce, “Ka fi ni gaskiya, ka yi mini alheri, ni kuwa na yi maka mugunta.
18 Ary ianao dia naneho androany ny nanaovanao soa tamiko, fa na dia natolotr’ i Jehovah teo an-tananao aza aho, dia tsy nahafaty ahy ianao.
Ga shi yanzu ka faɗa mini alherin da ka yi mini. Ubangiji ya bashe ni a hannunka amma ba ka kashe ni ba.
19 Fa moa raha misy olona mahazo ny fahavalony, havelany handeha soa aman-tsara va izy? Koa hovalian’ i Jehovah soa anie ianao noho ny nataonao tamiko androany.
In mutum ya sami maƙiyinsa, zai bar shi yă tafi lafiya ba tare da yin masa rauni ba? Ubangiji yă sāka maka, gama ka nuna mini alheri a yau.
20 Ary, indro, ankehitriny fantatro fa ho mpanjaka tokoa ianao, ary ny fanjakan’ ny Isiraely ho tafatoetra tsara eo an-tananao.
Na sani tabbatacce za ka zama sarki. Masarautar Isra’ila za tă kahu a hannunka.
21 Koa mianiàna amiko amin’ i Jehovah ianao ankehitriny fa tsy handringana ny taranako mandimby ahy ianao, ary tsy hovonoinao amin’ ny mpianakavin’ ny raiko ny anarako.
Yanzu ka rantse mini da Ubangiji cewa ba za ka hallaka zuriyarta ko ka share sunana daga iyalin mahaifina ba.”
22 Ary Davida dia nianiana tamin’ i Saoly; ary dia lasa nody Saoly, fa Davida sy ny olony kosa niakatra nankany amin’ ny batery fiarovana.
Sai Dawuda ya rantse wa Shawulu. Sa’an nan Shawulu ya koma gida, amma Dawuda da mutanensa suka haura zuwa wurin ɓuya.