< 1 Samoela 23 >

1 Ary nisy nanambara tamin’ i Davida hoe: Indro, ny Filistina mamely an’ i Keila ka mamabo ny ao amin’ ny famoloana.
E hicieron saber a David, diciendo: He aquí que los Fililsteos combaten a Ceila, y saquean las eras.
2 Ary Davida nanontany tamin’ i Jehovah hoe: Handeha hamely izao Filistina izao va aho? Ary hoy Jehovah tamin’ i Davida: Mandehana, asio ny Filistina, ka vonjeo Keila.
Y David consultó a Jehová, diciendo: ¿Iré a herir a estos Filisteos? Y Jehová respondió a David: Vé, hiere los Filisteos, y libra a Ceila.
3 Ary hoy ny olon’ i Davida taminy: He! atỳ Joda aza isika matahotra, koa mainka raha mankany Keila hiady amin’ ny miaramilan’ ny Filistina?
Y los varones que estaban con David, le dijeron: He aquí que nosotros estando aquí en Judá, estamos con miedo: ¿cuánto más si fuéremos a Ceila contra el ejército de los Filisteos?
4 Dia nanontany tamin’ i Jehovah indray Davida. Ary Jehovah namaly azy hoe: Miaingà, midìna hankany Keila, fa Izaho no hanolotra ny Filistina ho eo an-tananao.
Y David tornó a consultar a Jehová: y Jehová le respondió, y dijo: Levántate, desciende a Ceila, que yo entregaré en tu mano a los Fililsteos.
5 Dia lasa Davida sy ny olony nankany Keila ary niady tamin’ ny Filistina ka namabo ny ombiny sady nahafaty olona be dia be. Ary dia voavonjin’ i Davida ny mponina tao Keila.
Y partióse David con sus hombres a Ceila, y peleó contra los Filisteos, y trajo antecogidos sus ganados, e hiriólos con grande estrago, y libró David a los de Ceila.
6 Ary raha nandositra nankany amin’ i Davida tany Keila Abiatara, zanak’ i Ahimeleka, dia nitondra efoda teny an-tànany izy.
Y aconteció, que huyendo Abiatar, hijo de Aquimelec, a David a Ceila, vino también con el efod en su mano.
7 Ary nambara tamin’ i Saoly fa tonga tao Keila Davida. Dia hoy Saoly: Andriamanitra efa nanolotra azy ho eo an-tanako, satria efa voahidy izy izao noho ny nidirany amin’ ny tanàna misy vavahady mihidy.
Y fue dicho a Saul, como David había venido a Ceila; y dijo Saul: Dios le ha traído a mis manos: porque él está encerrado metiéndose en ciudad con puertas y cerraduras.
8 Ary Saoly namory ny olona rehetra hidina hankany Keila hanafika ka hanao fahirano an’ i Davida sy ny olony.
Y juntó Saul todo el pueblo a la batalla para descender a Ceila y poner cerco a David, y a los suyos.
9 Ary fantatr’ i Davida fa Saoly namorona sain-dratsy hamelezana azy; dia hoy izy tamin’ i Abiatara mpisorona: Ento etỳ ny efoda.
Y entendiendo David que Saul pensaba contra él mal, dijo a Abiatar sacerdote: Trae el efod.
10 Dia hoy Davida: Ry Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely ô, efa ren’ ny mpanomponao tokoa fa Saoly mitady hankatỳ Keila mba handrava ny tanana noho ny amiko.
Y dijo David: Jehová Dios de Israel, tu siervo ha oído que Saul procura de venir contra Ceila a destruir la ciudad por causa mía.
11 Ka moa ny mponina etỳ Keila hanolotra ahy ho eo an-tànany va? Hidina etỳ va Saoly toy ny efa ren’ ny mpanomponao? Ry Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely ô, mifona aminao aho, ambarao amin’ ny mpanomponao. Ary hoy Jehovah: Hidina izy.
¿Entregarme han los señores de Ceila en sus manos? ¿Descenderá Saul, como tu siervo ha oído? Jehová Dios de Israel, ruégote que lo declares a tu siervo. Y Jehová dijo: Sí, que descenderá.
12 Dia hoy Davida: Ny mponina etỳ Keila hanolotra ahy sy ny oloko ho eo an-tànan’ i Saoly va? Ary hoy Jehovah Hanolotra anao izy.
Y dijo David: ¿Entregarme han los señores de Ceila a mí, y a los varones que están conmigo en las manos de Saul? Y Jehová respondió: Sí, os entregarán.
13 Ary dia niainga Davida sy ny olony tokony ho enin-jato lahy ka niala tao Keila ary nandeha tamin’ izay azony naleha. Ary nolazaina tamin’ i Saoly fa efa nandositra niala tao Keila Davida, dia nijanona tsy nandeha izy.
David entonces se levantó con sus hombres, que eran como seiscientos, y saliéronse de Ceila, y fuéronse de una parte a otra. Y la nueva vino a Saul, como David se había escapado de Ceila: y dejó de salir.
14 Ary Davida nitoetra tany an-efitra tao amin’ ny batery fiarovana sy nitoetra tany amin’ ny tany havoana tany an-efitr’ i Zifa. Ary Saoly nitady azy isan’ andro, fa Andriamanitra tsy nanolotra azy ho eo an-tànany.
Y David se estaba en el desierto en peñas, y habitaba en un monte en el desierto de Zif: y Saul le buscaba todos los días: mas Dios no le entregó en sus manos.
15 Ary hitan’ i Davida fa Saoly nivoaka hitady ny ainy; fa Davida dia tany an-efitr’ i Zifa tany anaty ala.
Y viendo David, que Saul había salido en busca de su vida, David se estaba en el bosque en el desierto de Zif.
16 Ary Jonatana, zanak’ i Saoly, niainga, dia nankany amin’ i Davida tany an’ ala ka nampahery ny tànany tamin’ Andriamanitra.
Y levantándose Jonatán, hijo de Saul, vino a David en el bosque, y confortó su mano en Dios:
17 Ary hoy izy tamin’ i Davida: Aza matahotra, fa tsy hahazo anao ny tànan’ i Saoly raiko; fa ianao no ho mpanjaka amin’ ny Isiraely, ary izaho no hanarakaraka anao, ary fantatr’ i Saoly raiko koa izany.
Y díjole: No tengas temor, que no te hallará la mano de Saul mi padre, y tú reinarás sobre Israel, y yo seré segundo después de ti: y aun mi padre lo sabe así.
18 Ary nanao fanekena teo anatrehan’ i Jehovah izy roa lahy; ary Davida dia nitoetra tany an’ ala, fa Jonatana kosa nankany an-tranony.
E hicieron ambos alianza delante de Jehová: y David se quedó en el bosque, y Jonatán se volvió a su casa.
19 Ary niakatra nankany amin’ i Saoly tany Gibea ny Zifita ka nanao hoe: Tsy miery any aminay ao amin’ ny batery fiarovana any an’ ala, any amin’ ny havoana Hakila, izay atsimon’ ny efitra, va Davida?
Y subieron los de Zif a decir a Saul en Gabaa: ¿No está David escondido en nuestra tierra en las peñas del bosque, en el collado de Jaquila, que está a la mano derecha del desierto?
20 Koa ankehitriny, ry mpanjaka, araka ny fanirian’ ny fonao hidina, dia midìna ianao, fa azonay hatolotra eo an-tànan’ ny mpanjaka izy.
Por tanto, oh rey, desciende presto ahora, según todo el deseo de tu alma, y nosotros le entregaremos en la mano del rey.
21 Ary hoy Saoly: Hotahin’ i Jehovah anie ianareo; fa ianareo namindra fo tamiko.
Y Saul dijo: Benditos seáis vosotros de Jehová, que habéis tenido compasión de mí.
22 Masìna ianareo, mandehana, hevero indray, ka tsongoy tsara ny diany, ary fantaro izay nahita azy tany; fa manao saina lalina dia lalina, hono, izy.
Id pues ahora, y apercibíd aun, y considerád, y ved su lugar donde tiene el pie, y quien le haya visto allí: porque me ha sido dicho, que él es en gran manera astuto.
23 Koa izahao sy fantaro tsara ny fierena rehetra izay iereny, dia miverena etỳ amiko indray hilaza marimarina, ary izaho dia hiaraka aminareo; koa raha mitoetra amin’ ny tany izy, dia hotadiaviko eran’ ny arivon’ i Joda rehetra.
Considerád pues, y ved todos los escondrijos donde se esconde, y volvéd a mí con la certeza, y yo iré con vosotros: que si él estuviere en la tierra, yo le buscaré con todos los millares de Judá.
24 Dia niainga nankany Zifa ireo hialoha an’ i Saoly; fa Davida sy ny olony dia tany amin’ ny efitr’ i Maona, tamin’ ny tani-hay atsimon’ ny efitra.
Y ellos se levantaron, y se fueron a Zif delante de Saul: mas David y sus varones estaban en el desierto de Maón, en la campaña que está a la diestra del desierto.
25 Ary nandeha Saoly sy ny mpanompony hitady azy. Ary nolazaina tamin’ i Davida izany, ka dia nidina tany amin’ ny harambato izy ka nitoetra tany an-efitr’ i Maona. Ary nony ren’ i Saoly izany, dia nanenjika an’ i Davida tany an-efitr’ i Maona izy.
Y partióse Saul con sus varones a buscarle: y fue dado aviso a David, y descendió de allí a la peña, y quedóse en el desierto de Maón. Lo cual como Saul oyó, siguió a David al desierto de Maón.
26 Ary Saoly nandeha tamin’ ny ilan’ ny tendrombohitra iray, fa Davida sy ny olony tamin’ ny ilany kosa; ary niezaka mafy handositra Davida noho ny tahony an’ i Saoly; fa Saoly sy ny olony saiky nahodidina an’ i Davida sy ny olony hisambotra azy.
Y Saul iba por el un lado del monte, y David con los suyos por el otro lado del monte, y David se daba priesa para ir delante de Saul: mas Saul y los suyos encerraron a David y a los suyos para tomarlos.
27 Dia nisy iraka tonga tao amin’ i Saoly nanao hoe: Avia haingana ianao, fa ny Filistina efa manafika ny tany.
Entonces vino un mensajero a Saul, diciendo: Ven luego, porque los Filisteos han entrado con ímpetu en la tierra.
28 Dia niverina Saoly tamin’ ny nanenjehany an’ i Davida ary nandeha niady tamin’ ny Filistina; ary ny anaran’ izany tany izany dia nataony hoe: Sela-hamalekota.
Y así se volvió Saul de perseguir a David, y partióse contra los Filisteos. Por esta causa pusieron nombre a aquel lugar, Sela-hammalecot.
29 Ary Davida niakatra niala teo ka nitoetra tao amin’ ny batery fiarovana tany En-jedy.
Entonces David subió de allí, y habitó en las fortalezas de Engadí.

< 1 Samoela 23 >