< 1 Samoela 21 >

1 Ary Davida tonga tany Noba, tany amin’ i Ahimeleka mpisorona; ary toran-kovitra Ahimeleka, raha nihaona tamin’ i Davida, ka nanao taminy hoe: Nahoana no mandeha irery ianao, fa tsy misy manaraka anao?
داوود به شهر نوب نزد اخیملک کاهن رفت. اخیملک چون چشمش به داوود افتاد ترسید و از او پرسید: «چرا تنها هستی؟ چرا کسی با تو نیست؟»
2 Dia hoy Davida tamin’ i Ahimeleka mpisorona: Ny mpanjaka efa nanome raharaha ahy, ka hoy izy tamiko: Aoka tsy ho fantatr’ olona ny raharaha nanirahako sy nandidiako anao; ka dia nasaiko nankary ny zatovoko.
داوود در جواب وی گفت: «پادشاه مرا به یک مأموریت سرّی فرستاده و دستور داده است که در این باره با کسی حرف نزنم. من به افرادم گفته‌ام که مرا در جای دیگری ببینند.
3 Koa inona no misy ato aminao? Omeo mofo dimy aho ho etỳ an-tanako, na izay misy.
حال، خوردنی چه داری؟ اگر داری پنج نان بده و اگر نه هر چه داری بده.»
4 Ary ny mpisorona namaly an’ i Davida hoe: Tsy misy mofo fihinana ato amiko, fa mofo masìna ihany no ato, ka raha mba nifady vehivavy ahay mantsy ny zatovo.
کاهن در جواب داوود گفت: «ما نان معمولی نداریم، ولی نان مقدّس داریم و اگر افراد تو در این چند روز با زنان نزدیکی نکرده باشند، می‌توانند از آن بخورند.»
5 Ary Davida namaly ny mpisorona ka nanao taminy hoe: Eny, fa hatramin’ ny hateloana efa tsy niara-nitoetra tamim-behivavy rahateo izahay; ary tamin’ izaho niainga dia masìna ny fanaky ny zatovo; ary na dia tsy masìna aza ny lalana, dia hohamasinina anio izy noho ny fanaka.
داوود گفت: «وقتی من و افرادم به مأموریت می‌رویم خود را از زنان دور نگه می‌داریم، به‌ویژه اینک که مأموریت مقدّسی هم در پیش داریم. مطمئن باش افراد من نجس نیستند.»
6 Ary ny mpisorona nanome azy mofo masìna; fa tsy nisy mofo teo, afa-tsy ny mofo aseho, izay nalainy teo anatrehan’ i Jehovah, mba hasiana mofo mafana tamin’ ny andro nanesorana azy.
پس چون نان دیگری در دسترس نبود، کاهن به ناچار نان حضور را که از خیمهٔ عبادت برداشته و به جای آن نان تازه گذاشته بود، به داوود داد.
7 (Nefa nisy anankiray tamin’ ny mpanompon’ i Saoly teo tamin’ izany andro izany, voahazona teo anatrehan’ i Jehovah, Doega Edomita no anarany; lehiben’ ny mpiandrin’ i Saoly izy.)
(برحسب اتفاق، همان روز دوآغ ادومی رئیس چوپانان شائول، برای انجام مراسم تطهیر در آنجا بود.)
8 Ary hoy Davida tamin’ i Ahimeleka: Tsy misy lefona na sabatra va eto aminao? fa izaho tsy nitondra ny sabatro na ny fiadiako etỳ amiko, satria nahamaika ny raharahan’ ny mpanjaka.
داوود از اخیملک پرسید: «آیا شمشیر یا نیزه داری؟ این مأموریت آنقدر فوری بود که من فراموش کردم اسلحه‌ای بردارم!»
9 Fa hoy ny mpisorona: Ny sabatr’ i Goliata Filistina, ilay novonoinao tao amin’ ny lohasaha Elaha, indro, fa mifono lamba ao ivohon’ ny efoda izy; ka raha iny no ho entinao, dia ento; fa tsy misy afa-tsy iny eto. Ary hoy Davida: Tsy misy tahaka iny, fa omeo ahy.
کاهن پاسخ داد: «شمشیر جُلیاتِ فلسطینی اینجاست. همان کسی که تو او را در درهٔ ایلاه از پای درآوردی. آن شمشیر را در پارچه‌ای پیچیده‌ام و پشت ایفود گذاشته‌ام. اگر می‌خواهی آن را بردار، چون غیر از آن چیزی در اینجا نیست.» داوود گفت: «شمشیری بهتر از آن نیست! آن را به من بده.»
10 Ary Davida niainga nandositra tamin’ izany andro izany mba tsy ho azon’ i Saoly, dia nankany amin’ i Akisy, mpanjakan’ i Gata.
داوود همان روز از آنجا نزد اخیش، پادشاه جت رفت تا از دست شائول در امان باشد.
11 Ary hoy ny mpanompon’ i Akisy taminy: Tsy ity moa no Davida, mpanjakan’ ny tany? Tsy izy va no nandihizany sy nifampihirany hoe: Saoly nahafaty arivoarivo, Fa Davida nahafaty alinalina?
مأموران اخیش به او گفتند: «آیا این شخص همان داوود، رهبر اسرائیل نیست که مردم رقص‌کنان به استقبالش آمده، می‌گفتند: شائول هزاران نفر را کشته است، ولی داوود ده‌ها هزار نفر را؟»
12 Ary dia nalatsak’ i Davida tao am-pony izany teny izany, ka natahotra an’ i Akisy, mpanjakan’ i Gata, indrindra izy.
داوود با شنیدن این سخن به فکر فرو رفت و از اَخیش پادشاه جَت ترسید.
13 Dia nody adala teo anatrehany izy ka nanao tahaka ny olona very saina teo aminy, fa nanoratsoratra teo amin’ ny lela-vavahady izy, sady navelany hitsororoka tamin’ ny somony ny iviny.
پس خود را به دیوانگی زد. او روی درها خط می‌کشید و آب دهانش را روی ریش خود می‌ریخت،
14 Ary hoy Akisy tamin’ ny mpanompony: He! hitanareo fa very saina io lehilahy io, ka nahoana no nentinareo etỳ amiko izy?
تا اینکه بالاخره اخیش به مأمورانش گفت: «این دیوانه را چرا نزد من آورده‌اید؟ دیوانه کم داشتیم که این یکی را هم دعوت کردید میهمان من بشود؟»
15 Izaho moa mitady olona very saina, no nitondranareo ity olona very saina ity mba hanondrana eto anatrehako? Moa hiditra ato an-tranoko va ilehio?

< 1 Samoela 21 >