< 1 Samoela 20 >

1 Ary Davida nandositra niala tao Naiota any Rama, dia tonga ka nilaza teo anatrehan’ i Jonatana hoe: Inona no nataoko? Inona no heloko? Ary inona no fahotako teo anatrehan-drainao, no dia mitady ny aiko izy?
David s’enfuit de Naïot près de Rama et vint trouver Jonathan, à qui il dit: "Qu’ai-je fait à ton père, quel est mon tort, quelle est ma faute à son égard, pour qu’il en veuille à ma vie?"
2 Ary hoy izy taminy: Sanatria izany! Tsy ho faty ianao; indro, tsy misy tsy ambaran’ ikaky ahy izay ataony na be na kely, ary hataon’ ikaky ahoana no fanafina izany zavatra izany amiko? Tsy misy izany.
"Oh! non, lui répondit-il, tu ne mourras point: mon père ne fait rien, ni grande ni petite chose, sans me l’avoir fait connaître; pourquoi donc m’aurait-il laissé ignorer ce dessein? Cela n’est pas."
3 Ary Davida mbola nianiana indray nanao hoe: Fantatry ny rainao marimarina fa efa mahita fitia eo imasonao aho, ka hoy izy: Aoka tsy ho fantatr’ i Jonatana izany, fandrao malahelo izy; fa raha velona koa Jehovah, ary raha velona koa ny fanahinao, toa iray dia monja no anelanelako sy ny fahafatesana.
David insista avec serment et dit: "Ton père sait bien que j’ai trouvé faveur à tes yeux, et il se sera dit: Que Jonathan n’en sache rien, il en serait affligé… Mais, certes, par le Dieu vivant et ta propre vie! Il n’y a qu’un pas entre moi et la mort."
4 Dia hoy Jonatana tamin’ i Davida: Na inona na inona no angatahinao, dia hatàoko aminao izany.
Jonathan dit à David: "Que veux-tu donc que je fasse pour toi?"
5 Ary hoy Davida tamin’ i Jonatana: Indro, ho tsinam-bolana rahampitso, ary izaho tokony hiara-mipetraka hihinana amin’ ny mpanjaka; nefa avelao aho handeha hiery any an-tsaha ambara-pihavin’ ny afaka ampitso harivariva.
David répondit à Jonathan: "C’Est demain la néoménie, et je dois être assis à table près du roi. Tu me permettras de m’absenter, et je me cacherai dans la campagne 'jusqu’au troisième soir.
6 Koa raha hitan’ ny rainao fa tsy eo aho, dia ataovy hoe: Niera fatratra tamiko Davida mba hikaretsaka kely hankany Betlehema tanànany; fa misy fanatitra fanao amin’ izy mianakavy rehetra isan-taona any.
Si ton père remarque mon absence, tu diras: David m’a demandé la permission de courir à Bethléem, sa ville, où toute sa famille célèbre le sacrifice annuel.
7 Ary raha lazainy hoe: Tsara izany, dia fiadanana no ho an’ ny mpanomponao; fa raha tezitra mafy kosa izy, dia aoka ho fantatrao tsara fa misy ratsy ifofoany ahy.
Si alors il dit: Bon! C’Est le salut pour ton serviteur; mais s’il se met en colère, sache qu’il a résolu mon malheur.
8 Koa mamindrà fo amin’ ny mpanomponao; fa nampanaovinao ny faneken’ i Jehovah aminao ny mpanomponao; nefa raha manankeloka aho, dia aoka ianao ihany no hahafaty ahy, fa nahoana no ho entinao any amin’ ny rainao aho?
Tu agiras amicalement envers ton serviteur, car c’est dans une alliance divine que tu l’as fait entrer avec toi. Que si je suis en faute, fais-moi mourir toi-même, et pourquoi m’amènerais-tu à ton père?"
9 Fa hoy Jonatana: Sanatria raha hahazo anao izany! Fa raha fantatro tokoa fa misy ratsy ifofoan’ ikaky anao, dia hambarako aminao mihitsy izany.
Jonathan répondit: "Loin de toi cette pensée! Certes, si je savais ta perte arrêtée dans l’esprit de mon père, est-ce que je ne te le ferais pas savoir?"
10 Dia hoy Davida tamin’ i Jonatana: Iza no hanambara izany amiko, na hampandre ahy izay teny sarotra havalin-drainao anao?
"Mais, dit David à Jonathan, qui m’avertira, si ton père t’adresse à toi-même une parole sévère?"
11 Ary hoy Jonatana tamin’ i Davida: Andeha ary isika hivoaka any an-tsaha. Dia nivoaka tany an-tsaha izy roa lahy.
"Viens, dit Jonathan à David, sortons dans la campagne." Et tous deux s’en allèrent dans la campagne.
12 Ary hoy Jonatana tamin’ i Davida: Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, anie ho vavolombelona! Rehefa fotorako tsara rahampitso na afaka ampitso toy izao ny hevitry ny raiko, ka hitako fa misy soa ho an’ i Davida, ka tsy maniraka any aminao aho sy manambara izany aminao,
Et Jonathan dit à David: "Par l’Eternel, Dieu d’Israël! Je sonderai mon père dans ces trois jours; s’il est bien disposé pour David, et si alors je ne te l’envoie pas révéler,
13 dia hataon’ i Jehovah toy izany anie Jonatana, eny, mihoatra noho izany aza; fa raha kasain’ ny raiko kosa ny hanisy ratsy anao, dia hambarako aminao izany, ka halefako ianao mba handehananao soa aman-tsara; ary homba anao tahaka ny tamin’ ny raiko anie Jehovah.
que le Seigneur en fasse tant et plus à Jonathan! Que si mon père se complaisait dans la pensée de te nuire, je te le révélerai, je te ferai partir, et tu t’en iras en paix; et que le Seigneur t’assiste comme il a assisté mon père!
14 Ary raha mbola velona ihany aho, dia tsy hasehonao ahy va ny fiantran’ i Jehovah mba tsy hahafaty ahy?
Et puisses-tu, tant que je vivrai, puisses-tu m’être bienveillant au nom du Seigneur, pour que je ne meure point;
15 Ary tsy hesorinao amin’ ny taranako koa ny famindram-ponao mandrakizay, eny, na dia avy aza izay handringanan’ i Jehovah ny fahavalon’ i Davida rehetra tsy ho etỳ ambonin’ ny tany.
et ne jamais retirer ta bienveillance à ma maison; pas même quand le Seigneur aura fait disparaître de la terre chacun des ennemis de David!"
16 Ary dia nanao fanekena Jonatana ny amin’ ny taranak’ i Davida hoe: Jehovah no hamaly ny fahavalon’ i Davida.
Ainsi Jonathan contracta ce pacte avec la maison de David: "Que Dieu demande compte du parjure aux ennemis de David!"
17 Ary Jonatana nampianiana an’ i Davida indray noho ny fitiavany azy; fa tiany toy ny tenany izy.
Et Jonathan continua d’adjurer David au nom de son affection pour lui, car il l’aimait comme lui-même.
18 Ary hoy Jonatana tamin’ i Davida: Rahampitso ho tsinam-bolana; ary ho hita fa tsy eo ianao, fa ho foana ny fipetrahanao.
Jonathan lui dit: "C’Est demain néoménie; ton absence sera remarquée, ta place étant vide.
19 Koa rehefa mby amin’ ny andro fahatelo dia midìna faingana ianao, ary tongava ao amin’ ilay nierenao tamin’ ny andro nitrangan’ ilay raharaha iny, ka mitoera ao anilan’ ny vato Ezela.
Parvenu au troisième jour, tu t’enfonceras encore plus avant, jusqu’au lieu où tu étais caché le jour de l’événement, et tu attendras près de la pierre itinéraire.
20 Ary izaho handefa zana-tsipìka telo eo anilany, toy ny mikendry marika.
Moi, je lancerai trois flèches de ce côté, comme pour tirer à la cible;
21 Dia haniraka ny zazalahy aho ka hanao hoe: Mandehana, izahao ny zana-tsipìka. Ka raha lazaiko mihitsy amin’ ilay zazalahy hoe: Indreo eo aorianao ny zana-tsipìka, ento etỳ, dia avia ianao, fa hipetraka amin’ ny fiadanana ianao, ka tsy hisy haninona anao, raha velona koa Jehovah.
puis, j’enverrai le jeune esclave ramasser les flèches. Si je lui dis: Vois, les flèches sont en deçà de toi, prends-les! alors reviens, car il y aura sécurité pour toi et nul danger, par I’Eternel!
22 Fa raha hoy kosa aho amin’ ilay zazalahy: Indreo eo alohanao ny zana-tsipìka, dia mandehana ianao, fa Jehovah no nampandeha anao.
Mais si je dis au jeune homme: Vois, les flèches sont en avant de toi, va-t-en, car le Seigneur veut ton départ.
23 Ary ny amin’ ilay noresahintsika, dia izaho sy ianao, indro, Jehovah no vavolombelona amiko sy aminao mandrakizay.
Quant à la parole que nous avons échangée, toi et moi, l’Eternel en est, entre nous deux, l’immuable garant."
24 Ary Davida niery tany an-tsaha. Koa nony tsinam-bolana, dia nipetraka hihinana
David resta caché dans la campagne. La néoménie venue, le roi se mit à table pour le repas.
25 teo amin’ ny fipetrahany tahaka ny isanandro ihany ny mpanjaka, dia teo amin’ ny fipetrahana teo anilan’ ny rindrina, koa Jonatana nitsangana, fa Abnera nipetraka teo anilan’ i Saoly; ary foana kosa ny fipetrahan’ i Davida.
Le roi s’était assis à sa place, comme d’habitude sur son siège près du mur, Jonathan se tint debout, Abner prit place auprès de Saül, et le siège de David resta inoccupé.
26 Nefa Saoly tsy niteny na inona na inona tamin’ izany andro izany; fa nataony ho nisy zavatra nanjo azy, ka tsy madio izy, eny, tsy madio izy.
Saül ne fit aucune observation ce jour-là. Il se disait: "C’Est un accident. Il est sans doute impur, oui, il est impur!"
27 Ary nony tamin’ ny andro faharoa dia ny ampitson’ ny tsinam-bolana, ka mbola foana ihany ny fipetrahan’ i Davida, dia hoy Saoly tamin’ i Jonatana zanany: Ahoana no tsy mba nahatongavan’ ny zanak’ i Jese hihinana omaly sy androany?
Mais le second jour de la néoménie, la place de David étant encore vacante, Saül dit à son fils Jonathan: "Pourquoi le fils de Jessé n’a-t-il paru ni hier ni aujourd’hui au repas?"
28 Ary Jonatana namaly an’ i Saoly hoe: Davida niera fatratra tamiko hankany Betlehema
Jonathan répondit à Saül: "C’Est que David m’a demandé la permission d’aller à Bethléem.
29 nanao hoe: Masìna ianao, aoka handeha aho, fa izahay mianakavy manao fanatitra any an-tanàna, ka asain’ ny rahalahiko mankany aho; koa ankehitriny, raha nahita fitia eo imasonao aho, masìna ianao, aoka handeha aho hamangy ny rahalahiko; ka izany no tsy mba nahatongavany teto amin’ ny latabatry ny mpanjaka.
Il a dit: Laisse-moi partir, car nous avons un banquet de famille dans la ville, et mon frère lui-même me l’a demandé. Si donc j’ai trouvé faveur à tes yeux, permets-moi de m’échapper pour visiter mes frères. C’Est pour cela qu’il n’est pas venu à la table du roi."
30 Dia nirehitra tamin’ i Jonatana ny fahatezeran’ i Saoly, ka hoy izy taminy: Hianao zanaky ny vehivavy maditra sy mpiodina, moa tsy fantatro va fa mifidy ny zanak’ i Jese ianao ho henatrao sy ho henatry ny kibon’ ny reninao.
Saül se mit en colère contre Jonathan et lui dit: "Fils perfide et rebelle! Crois-tu que j’ignore que tu chéris le fils de Jessé, à ta honte et à la honte des flancs de ta mère?
31 Fa raha mbola velona etỳ ambonin’ ny tany koa iny zanak’ i Jese iny, dia tsy ho tafatoetra tsara ianao na ny fanjakanao. Koa maniraha haka azy hankatỳ amiko, fa meloka tokony ho faty izy.
Non, tant que le fils de Jessé sera vivant sur la terre, ni toi ni ta royauté ne pourrez subsister! Partant, ordonne qu’on me l’amène, car il a mérité la mort,"
32 Ary Jonatana namaly an’ i Saoly rainy ka nanao taminy hoe: Nahoana no hatao maty izy? Inona no nataony?
Répondant à Saül, son père, Jonathan lui dit: "Pourquoi serait-il mis à mort? Qu’a-t-il fait?"
33 Ary Saoly nitora-defona handefona azy, ka dia fantatr’ i Jonatana fa nofofoin’ ny rainy hovonoina Davida.
Saül lança son javelot contre lui pour le frapper; Jonathan reconnut alors que son père avait résolu la mort de David.
34 Dia nitsangana niala teo amin’ ny latabatra Jonatana, sady nirehitra ny fahatezerany, ka tsy nihinan-kanina izy tamin’ ny ampitson’ ny tsinam-bolana; fa nalahelo an’ i Davida izy, satria nomen-drainy henatra.
Jonathan se leva de table, exaspéré, et il ne prit aucune nourriture le jour de cette seconde néoménie, affligé qu’il était au sujet de David, parce que son père l’avait outragé.
35 Ary nony maraina, dia nivoaka nankany an-tsaha Jonatana tamin’ ilay fotoana nataony tamin’ i Davida, ary nisy zazalahy kely nanaraka azy.
Le matin venu, Jonathan se rendit aux champs, à l’endroit convenu avec David; un jeune serviteur l’accompagnait.
36 Ary hoy Jonatana taminy: Mihazakazaha, ka izahao ny zana-tsipìka alefako. Ary nony nihazakazaka ilay zazalahy, dia nalefany nihoatra azy ny zana-tsipìka.
Il dit à son serviteur: "Cours ramasser, je te prie, les flèches que je lancerai." Le serviteur courut, mais lui, il lança les flèches de manière à le dépasser.
37 Ary nony efa tonga teo amin’ ilay nipetrahan’ ny zana-tsipìka nalefan’ i Jonatana ilay zazalahy, dia nantsoin’ i Jonatana izy hoe: Tsy ireo alohanao ireo va ny zana-tsipìka?
Comme le serviteur atteignit l’endroit où Jonathan avait dirigé les flèches, celui-ci lui cria: "Mais les flèches sont en avant de toi!"
38 Ary Jonatana niantso ilay zazalahy hoe: Haingàna dia haingàna, ka aza mijanonjanona. Ary ny zazalahin’ i Jonatana nanangona ny zana-tsipìka, dia nankeo amin’ ny tompony.
Puis Jonathan cria au serviteur: "Vite, hâte-toi, ne t’arrête point!" Et le serviteur de Jonathan ramassa les flèches et revint vers son maître.
39 Nefa ilay zazalahy tsy nahalala na inona na inona; fa Jonatana sy Davida ihany no nahalala ny anton’ izany.
Or, le serviteur ne s’était douté de rien; Jonathan et David seuls étaient d’intelligence.
40 Dia nomen’ i Jonatana ilay zazalahy ny fiadiany, ka hoy izy taminy: Mandehana, ka ento ho any an-tanàna ireto.
Jonathan remit ses armes à son serviteur et lui dit: "Va, porte cela à la ville."
41 Ary nony lasa ilay zazalahy, dia nitsangana avy any atsimo Davida, ka niankohoka tamin’ ny tany izy sady niondrika in-telo, ary nifanoroka izy roa lahy, ka samy nitomany; nefa ny an’ i Davida dia mafy loatra.
Le serviteur parti, David vint du côté du midi, tomba la face contre terre et se prosterna trois fois. Ils s’embrassèrent et pleurèrent ensemble, David surtout versa d’abondantes larmes.
42 Ary hoy Jonatana tamin’ i Davida: Mandehana soa aman-tsara; fa efa nianiana tamin’ ny anaran’ i Jehovah isika roa lahy hoe: Jehovah no vavolombelona amiko sy aminao ary amin’ ny taranako sy ny taranakao mandrakizay. Dia nitsangana Davida ka lasa; fa Jonatana kosa nankany an-tanàna.
Et Jonathan dit à David: "Va en paix, puisque nous nous sommes juré mutuellement au nom de l’Eternel, en disant: Que Dieu soit entre toi et moi, entre ta postérité et la mienne, à tout jamais!" Il se mit en route et partit, tandis que Jonathan retourna à la ville.

< 1 Samoela 20 >