< 1 Samoela 2 >

1 Ary Hana nivavaka ka nanao hoe: Ny foko ravoravo amin’ i Jehovah, Ny tandroko voasandratra amin’ i Jehovah; ny vavako misokatra hamaly ny fahavaloko; fa mifaly amin’ ny famonjenao aho.
Ndipo Hana anapemphera nati, “Moyo wanga ukukondwera mwa Yehova; Ndiyenda mwa tukumutukumu chifukwa cha Yehova. Pakamwa panga pakula ndi kuseka adani anga mowanyogodola. Ndikukondwa chifukwa mwandipulumutsa.
2 Tsy misy masìna tahaka an’ i Jehovah, fa tsy misy afa-tsy Hianao; ary tsy misy vatolampy tahaka an’ Andriamanitsika.
“Palibe wina woyera ngati Yehova, palibe wina koma inu nokha, palibe thanthwe lofanana ndi Mulungu wathu.
3 Aza dia mahery miteny avonavona; ary aoka tsy haloaky ny vavanareo ny fireharehana. Fa Jehovah no Andriamanitry ny fahalalana, ary Izy no mandanja ny asa.
“Musandiyankhulenso modzitama, pakamwa panu pasatuluke zonyada, pakuti Yehova ndi Mulungu wanzeru, ndipo ndiye amene amayesa ntchito za anthu onse.
4 Tapaka ny tsipìkan’ ny olo-mahery, ary izay mila ho reraka dia sikinana hery.
“Mauta a anthu ankhondo athyoka koma anthu ofowoka avala dzilimbe.
5 Mikarama mofo ny voky, ary mianina kosa ny noana; ny momba miteraka fito, ary mihamalemy kosa ny maro anaka.
Amene kale anali okhuta tsopano akukagula chakudya, koma iwo amene anali ndi njala sakumvanso njala. Amene anali wosabereka, wabereka ana aamuna asanu ndi awiri, koma iye wobereka ana ambiri watsala yekha.
6 Jehovah no mahafaty sy mahavelona; izy no mampidina ho any amin’ ny fiainan-tsi-hita ary mampitsangana. (Sheol h7585)
“Yehova amabweretsa imfa ndipo amaperekanso moyo, amatsitsira ku manda ndipo amawatulutsakonso. (Sheol h7585)
7 Jehovah no mampalahelo sy mampanan-karena; izy no mampietry sy mampisandratra.
Yehova amasaukitsa ndipo amalemeretsa, amatsitsa ndipo amakweza.
8 Izy no manangana ny malahelo ho afaka amin’ ny vovoka, ary manandratra ny mahantra hiala eo amin’ ny zezika, mba hampiara-mitoetra azy eo amin’ ny mpanapaka ka hampandova azy ny sezam-boninahitra; fa an’ i Jehovah ny andrin’ ny tany, ary izany no ametrahany izao tontolo izao.
Iye amakweza osauka kuwachotsa pa fumbi, ndipo amachotsa anthu osowa pa dzala. Iye amawakhazika pamodzi ndi ana a mafumu, amawapatsa mpando waulemu. “Pakuti nsanamira za dziko lapansi ndi za Yehova, anakhazika dziko lapansi pa nsanamirazo.
9 Ny tongotry ny olo-masiny dia tandremany, fa ny ratsy fanahy kosa hampangininy any amin’ ny maizina; fa tsy amin’ ny hery no handresen’ ny olona.
Iye adzateteza moyo wa anthu okhulupirika koma anthu oyipa adzawonongedwa mu mdima. “Pakuti munthu sapambana ndi mphamvu zake.
10 Ho torotoro izay miady amin’ i Jehovah; any an-danitra Izy no hampikotrokorana hamely azy. Jehovah hitsara ny vazan-tany, ary Izy hanome hery ny mpanjakany sy hanandratra ny tandroky ny voahosony.
Yehova adzaphwanya omutsutsa. Adzawaopsa ndi bingu kuchokera kumwamba; Yehova adzaweruza mathero a dziko lapansi. “Koma adzapereka mphamvu kwa mfumu yake, adzakuza mphamvu za odzozedwa wake.”
11 Ary Elkana nankany an-tranony tany Rama; fa ny zaza kosa nanao fanompoam-pivavahana tamin’ i Jehovah teo anatrehan’ i Ely mpisorona.
Tsono Elikana anapita ku mudzi kwawo ku Rama, koma mnyamatayo amatumikira Yehova pansi pa ulamuliro wa wansembe Eli.
12 Ary ny zanakalahin’ i Ely dia tena ratsy fanahy, tsy nahalala an’ i Jehovah.
Ana a Eli anali ana achabechabe pakuti samasamala za Yehova.
13 Ary izao no fanaon’ ny mpisorona tamin’ ny olona: Raha nisy olona namono zavatra hatao fanatitra, dia avy ny zatovon’ ny mpisorona nitondra fitrebika telo rantsana teny an-tànany, raha mbola nahandroina ny hena,
Ndipo chizolowezi cha ansembe pakati pa anthu chinali motere kuti pamene munthu aliyense ankapereka nsembe ndipo nyama ija ikuwira pa moto, mtumiki wa wansembe ankabwera ndi chifoloko cha mano atatu mʼdzanja lake.
14 dia natsindrony tao anatin’ ny fanendasana ny fitrebika, na tao anatin’ ny fahandroan-kena, na ny vilany, na ny vilanibe, ka izay rehetra azon’ ny fitrebika tao dia nalain’ ny mpisorona ho azy. Ary izany no fanaony tao Silo tamin’ ny Isiraely rehetra izay tonga tao.
Iye ankachipisa mu mʼphikamo, ndipo wansembeyo amatenga chilichonse chimene folokoyo yabaya. Umu ndi mmene ansembewo amachitira ndi Aisraeli onse amene amabwera ku Silo.
15 Ary raha tsy mbola nodorany ho fofona ny sabora, dia avy ny zatovon’ ny mpisorona ka nanao tamin’ izay lehilahy namono zavatra hatao fanatitra hoe: Omeo hena hatsatsika ho an’ ny mpisorona; fa tsy haka hena masaka aminao izy, fa ny manta ihany.
Ndipo ngakhale mafuta asanatenthedwe, mtumiki wansembe amabwera ndi kunena kwa munthu amene akupereka nsembeyo kuti, “Ndipatse nyama kuti ndiwotche, pakuti Yehova salandira nyama yophika koma yayiwisi.”
16 Ary raha nisy olona nanao taminy hoe: Hodorana aloha ny sabora, dia amin’ izay vao halainao izay sitraky ny fonao, dia novaliany hoe: Tsia; fa omeo ankehitriny izao ihany; fa raha tsy izany, dia halaiko an-keriny.
Ngati munthuyo anena kuti, “Apseretu mafuta poyamba, ndipo kenaka mutenge mmene mufunira,” mtumikiyo amayankha kuti, “Ayi ndipatse tsopano lino. Ngati sutero, ine nditenga molanda.”
17 Ka dia lehibe indrindra ny helok’ ireo zatovo ireo teo anatrehan’ i Jehovah, satria halan’ ny olona ny fanatitra ho an’ i Jehovah.
Tchimo la ana a Eli linali lalikulu kwambiri pamaso pa Yehova pakuti iwo amanyoza nsembe za Yehova.
18 Fa Samoela nanao fanompoam-pivavahana teo anatrehan’ i Jehovah raha mbola zaza, ary nisalotra efoda rongony fotsy izy.
Koma Samueli amatumikira pamaso pa Yehova atavala efodi ya nsalu yofewa yosalala.
19 Ary nanaovan-dreniny akanjo kely izy, ka nentiny ho azy isan-taona isan-taona izany, raha niara-ran’ ny mpisorona avy amin’ ny olona. Koa raha niakatra tamin’ ny vadiny hanatitra ny fanatitra fanao isan-taona izy.
Chaka chilichonse amayi ake ankamusokera kamkanjo ndi kukamupatsa akamapita ndi mwamuna wake kukapereka nsembe za pa chaka.
20 Ary Ely nitso-drano an’ i Elkana mivady ka nanao hoe: Homen’ i Jehovah zaza amin’ ity vehivavy ity anie ianao ho solon’ ilay voatolotra ho an’ i Jehovah. Dia lasa nody izy mivady.
Tsono Eli amadalitsa Elikana ndi mkazi wake ndi mawu akuti “Yehova akupatseni ana mwa mkazi uyu kulowa mʼmalo mwa amene anapempha ndi kumupereka kwa Yehova.”
21 Ary Jehovah namangy an’ i Hana, ka dia nanan’ anaka koa izy ary niteraka lahy telo sy vavy roa. Ary Samoela zaza nitombo teo anatrehan’ i Jehovah.
Ndipo Yehova anamukomera mtima Hana. Anakhala ndi pathupi ndi kubereka ana aamuna atatu ndi ana aakazi awiri. Ndipo Samueli ankakula pamaso pa Yehova.
22 Ary efa antitra indrindra Ely, ary izy nandre izay rehetra nataon’ ny zananilahy tamin’ ny Isiraely rehetra sy ny nandriany tamin’ ireo vehivavy izay nanompo teo amin’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana.
Tsono Eli anakalamba kwambiri. Iye ankamva zonse zimene ana ake aamuna ankachitira Aisraeli onse, ndiponso kuti ankagona ndi akazi pa chipata cha tenti ya msonkhano.
23 Dia hoy izy taminy: Nahoana ianareo no manao izany zavatra izany? fa reko amin’ izao olona rehetra izao ny ratsy ataonareo.
Choncho anawafunsa kuti, “Nʼchifukwa chiyani mukuchita zinthu zotere? Ine ndikumva kuchokera kwa anthu onse za zoyipa zanuzo.
24 Tsia anaka, fa tsy tsara ny teny reko; fa mampanota ny olon’ i Jehovah ianareo.
Ayi, ana anga si mbiri yabwino imene ndikumva anthu a Mulungu akufalitsa.
25 Raha misy olona manota amin’ olona, dia ny mpitsara no hitsara azy; fa raha misy manota amin’ i Jehovah kosa, iza no hifona ho azy? Nefa tsy nihaino ny tenin-drainy izy ireo, satria sitrak’ i Jehovah ny hahafaty azy.
Ngati munthu alakwira munthu mnzake, mwina Mulungu adzamupepesera, koma ngati munthu achimwira Yehova adzamupepesera ndani?” Koma ana ake sanamvere kudzudzula kwa abambo awo, pakuti chinali cholinga cha Yehova kuti awaphe.
26 Ary Samoela zaza nitombo, sady tian’ i Jehovah sy ny olona koa izy.
Ndipo mnyamata Samueli anapitirira kukula mu msinkhu, ndipo ankapeza kuyanja pamaso pa Yehova ndi anthu.
27 Ary nisy lehilahin’ Andriamanitra nankany amin’ i Ely ka nanao taminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Tsy efa niseho tokoa tamin’ ny ankohonan-drainao va Aho, raha mbola tany Egypta tao an-tranon’ i Farao izy?
Tsiku lina munthu wa Mulungu anabwera kwa Eli ndipo anamuwuza kuti, “Yehova akuti, ‘Kodi Ine sindinadziwulule ndekha kwa banja la kholo lako pamene iwo anali akapolo a Farao ku Igupto?
28 Eny, nofidiko tamin’ ny firenen’ Isiraely rehetra ho mpisoroko izy mba hanatitra fanatitra eo ambonin’ ny alitarako sy handoro ditin-kazo manitra ary hisalotra efoda eo anatrehako, ary nomeko ho an’ ny tarana-drainao ny fanatitra rehetra ataon’ ny Zanak’ Isiraely amin’ ny afo.
Ndipo ndinamusankha pakati pa mafuko a Israeli kuti akhale wansembe wanga ndi kuti azipita pa guwa langa la nsembe, kufukiza Lubani ndi kuvala efodi pamaso panga. Ndinapatsa banja la abambo ako gawo la nsembe zonse zopsereza zimene Aisraeli amapereka.
29 Nahoana no hitsahinareo ny fanatitra alatsa-drà sy ny fanatitra hohanina izay aterina ho Ahy, dia ilay nasaiko hatao ao amin’ ny fonenako, ka ny zanakao no omenao voninahitra mihoatra noho Izaho, mba hanatavy anareo amin’ izay tsara indrindra amin’ ny fanatitra rehetra aterin’ ny Isiraely oloko?
Nʼchifukwa chiyani ukunyoza nsembe ndi zopereka zanga zimene ndinalamula? Nʼchifukwa chiyani ukupereka ulemu kwa ana ako kuposa Ine podzinenepetsa nokha ndi zopereka zabwino kwambiri za nsembe zimene Aisraeli amapereka?’”
30 Koa izany no anaovan’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, hoe: Efa voalazako tokoa fa ny taranakao sy ny tarana-drainao no handeha eo anatrehako mandrakizay; fa ankehitriny kosa, hoy Jehovah, sanatria Ahy izany; fa izay manome voninahitra Ahy no homeko voninahitra, ary izay manamavo Ahy no ho afa-baraka.
“Paja Ine Yehova Mulungu wa Israeli ‘Ndinalonjeza kuti anthu a pa banja lako ndi a pa banja la abambo ako azidzanditumikira nthawi zonse.’ Koma tsopano ndikuti, ‘Zonsezi zithe!’ Tsopano anthu amene amandilemekeza Inenso ndidzawalemekeza koma iwo amene amandinyoza Ine ndidzawanyoza.
31 Indro, avy ny andro izay hanapahako ny sandrinao sy ny sandrin’ ny tarana-drainao, ka tsy hisy lehilahy ho tratrantitra amin’ ny taranakao.
Nthawi ikubwera imene ndidzachotsa anyamata ako ndi anyamata a pa banja la abambo ako, kotero kuti sipadzakhala munthu wokalamba pa banja lako.
32 Ary hahita ny manjo ny fonenako ianao na inona na inona soa omena ho an’ ny Isiraely, ka tsy hisy lehilahy ho tratrantitra amin’ ny taranakao mandrakizay.
Pa mavuto ako udzayangʼana ndi maso ansanje zabwino zimene ndidzachitira Aisraeli ena. Mʼbanja lako simudzapezeka munthu wokalamba.
33 Nefa tsy dia hofongorako avokoa tsy ho eo anilan’ ny alitarako izy, mba hahapahina ny masonao sy hampalahelo ny fonao; ary ny taranakao rehetra dia ho faty raha vao herotrerony.
Komabe pa banja lako mmodzi yekha ndidzamuleka wosamuchotsa kuti azidzanditumikira. Iyeyu azidzakuliritsa ndi kukumvetsa chisoni. Koma ena onse pa banja lako adzafa akanali aangʼono.”
34 Ary izao no ho famantarana ho anao, izay hanjo ny zanakao roa lahy, dia Hofinia sy Finehasa: ho indray andro maty izy mirahalahy.
“‘Ndipo chimene chidzachitike kwa ana ako awiriwa, Hofini ndi Finehasi, chidzakhala chizindikiro kwa iwe. Onse awiri adzafa pa tsiku limodzi.
35 Ary Izaho hanangana mpisorona mahatoky ho Ahy, izay hanao araka ny ato am-poko sy ato an-tsaiko; ary Izaho hampaharitra ny taranany, ka handeha eo anatrehan’ ny voahosotro mandrakizay izy.
Pambuyo pake ndidzasankha wansembe wokhulupirika, amene adzachita zimene zili mu mtima ndi mʼmaganizo mwanga. Ndidzakhazikitsa banja lako kolimba ndipo adzatumikira pamaso pa wodzozedwa wanga nthawi zonse.
36 Ary ho avy izay sisa rehetra amin’ ny taranakao ka hiankohoka eo anatrehany hangataka vola kely sy mofo iray ka hanao hoe: Masìna ianao, mba tendreo ho isan’ ny mpisorona aho, mba hahazoako sombi-mofo hohanina.
Ndipo aliyense wotsala wa banja lako adzabwera ndi kugwada pamaso pake kupempha ndalama kapena chakudya.’ Adzati, ‘Chonde ndiloleni kuti ndizithandizako pa ntchito iliyonse ya unsembe kuti ndipeze chakudya.’”

< 1 Samoela 2 >