< 1 Samoela 19 >

1 Ary Saoly niresaka tamin’ i Jonatana zanany sy tamin’ ny mpanompony rehetra ny amin’ izay hahafaty an’ i Davida. Fa Jonatana, zanak’ i Saoly, kosa tia dia tia an’ i Davida.
Saulo hyɛɛ nʼasomfo ne ne babarima Yonatan sɛ wonkum Dawid. Nanso esiane sɛ na Yonatan adamfo pa ara ne Dawid nti,
2 Ary Jonatana nanambara tamin’ i Davida hoe: Saoly raiko mitady hamono anao; koa, masìna ianao, tandremo ny tenanao rahampitso maraina, ary mitoera amin’ izay fitoerana mangingina, ka miere;
Yonatan kaa adwene a nʼagya ayɛ afa ne ho no kyerɛɛ no tuu no fo se, “Ɔkyena anɔpa, pɛ wuram baabi kɔbɔ wo ho aguaa, efisɛ mʼagya rehwehwɛ wo akum wo.
3 ary izaho hivoaka ka hitsangana eo anilan’ ikaky amin’ ny saha izay misy anao, dia hiresaka aminy ny aminao; koa izay hitako dia hambarako aminao.
Mɛka akyerɛ mʼagya, na ɔne me aba hɔ na mɛka wo ho asɛm nyinaa akyerɛ no. Na biribiara a mehu wɔ hɔ no nso, mɛbɔ wo amanneɛ.”
4 Ary Jonatana nilaza soa an’ i Davida tamin’ i Saoly rainy, ka hoy izy taminy: Aoka ny mpanjaka tsy hanisy ratsy an’ i Davida mpanompony, fa izy tsy nanisy ratsy anao, sady nahasoa anao indrindra ny nataony,
Ade kyee anɔpa no, Yonatan ne nʼagya dii nkɔmmɔ faa Dawid ho. Yonatan kaa ne ho nsɛm pa pii. Yonatan srɛɛ nʼagya se, “Mesrɛ wo, nyɛ bɔne biara ntia Dawid. Ɔnyɛɛ biribiara a ɛbɛhaw wo. Daa, ɔfa ɔkwan biara a obetumi so boa wo.
5 fa izy efa nanao ny ainy tsy ho zavatra ka namono ny Filistina, ary Jehovah nahavita famonjena lehibe ho an’ ny Isiraely rehetra; ianao nahita izany ka faly; koa nahoana no dia hanota handatsaka rà marina ianao ka hahafaty foana an’ i Davida?
Wo werɛ afi bere a ɔde ne nkwa too ne nsam, kokum Filistini no, na ɛnam so maa Awurade de nkonimdi kɛse brɛɛ Israel no? Saa bere no, akyinnye biara nni ho sɛ, wʼani gyei. Adɛn nti na ɛsɛ sɛ wukum onipa a ne ho nni asɛm sɛ Dawid? Nkyerɛase pa biara nni mu koraa.”
6 Ary Saoly nihaino ny tenin’ i Jonatana ka nianiana hoe: Raha velona koa Jehovah, dia tsy hatao maty izy.
Enti Saulo tiee Yonatan, na ɔkaa ho ntam dii nsew se, “Sɛ Awurade te ase yi, wɔrenkum Dawid.”
7 Ary Jonatana niantso an’ i Davida ka nanambara izany rehetra Izany taminy, dia nitondra an’ i Davida ho eo amin’ i Saoly, ka dia nitoetra teo anatrehany tahaka ny teo aloha ihany indray izy.
Akyiri no, Yonatan frɛɛ Dawid kaa asɛm a asi no kyerɛɛ no. Enti ɔfaa Dawid de no kohuu Saulo, na biribiara totɔɔ yiye, sɛnea kan no na ɛte no ara pɛ.
8 Ary mbola nisy ady ihany; dia nivoaka Davida ka niady tamin’ ny Filistina ary nahafaty betsaka, ka dia nandositra azy ireny.
Ankyɛ biara na ɔko bi sii, maa Dawid dii nʼakofo anim kɔko tiaa Filistifo. Ɔde anibere toaa wɔn, maa wɔn nyinaa guanee.
9 Ary nisy fanahy ratsy avy tany amin’ i Jehovah tonga tao amin’ i Saoly, raha nipetraka tao an-tranony izy sy nitana ny lefony teny an-tànany; ary Davida nitendry lokanga tamin’ ny tànany.
Nanso da bi, Saulo te fi ara no, honhommɔne a efi Awurade bɛhyɛɛ ne mu prɛko pɛ bio. Bere a Dawid rebɔ ne sanku ama ɔhene no,
10 Ary Saoly nihendry hamely an’ i Davida tamin’ ny lefona, ka hataony miboroaka mihatra amin’ ny rindrina; fa izy nisoroka niala teo anatrehan’ i Saoly, ka ny rindrina no voan’ ny lefona; dia nandositra Davida ka afaka tamin’ iny alina iny ihany.
Saulo tow ne peaw kyerɛɛ Dawid so, pɛɛ sɛ okum no. Nanso Dawid twee ne ho, totɔɔ esum mu guan maa peaw no kaa ɔfasu no mu.
11 Ary Saoly naniraka olona hankany amin’ ny tranon’ i Davida hiambina azy hahafaty azy raha maraina; fa Mikala, vadin’ i Davida, nilaza taminy hoe: Raha tsy mamonjy ny ainao anio alina ianao, dia hatao maty raha maraina.
Saulo somaa mmarima kɔɔ Dawid fi kɔwɛn hɔ sɛ, opue anɔpa a wonkum no. Nanso Dawid yere Mikal bɔɔ no kɔkɔ se, “Sɛ woanguan ampɛ wo nkwa anadwo yi a, ɔkyena, wobekum wo.”
12 Ary Mikala nampidina an’ i Davida tamin’ ny varavarankely; ka dia lasa nandositra izy ka afaka.
Enti Mikal de Dawid faa mfɛnsere mu ma oguanee.
13 Ary nalain’ i Mikala ny sampy, dia napetrany teo amin’ ny farafarany, ka nosaronany makarakara volon’ osy ny lohany, dia norakofany ny lamba izy.
Na Mikal faa ohoni bi de no too mpa so de atade kataa ho, na ne ti hɔ no nso, ɔde abirekyi ho nwi katae.
14 Ary nony naniraka haka an’ i Davida Saoly, dia hoy ny vavy: Marary izy.
Bere a Saulo somaa mmarima sɛ wɔnkɔkyere Dawid no, Mikal ka kyerɛɛ wɔn se, “Ɔyare a ontumi nsɔre mfi mpa so.”
15 Ary Saoly naniraka ny olona hizaha an’ i Davida indray ka nanao hoe: Ento miakatra atỳ amiko amin’ ny farafara izy hovonoiko.
Saulo san somaa mmarima no bio se, “Monkɔfa no mfi ne mpa so mmra, sɛnea metumi akum no.”
16 Dia niditra ny iraka, kanjo, indro, ny sampy no teo am-parafara, ary voasaron’ ilay makarakara volon’ osy ny lohany.
Nanso mmarima no wuraa ɔdan no mu no, na ohoni na ɔda mpa no so a abirekyi ho nwi na ɛkata so.
17 Dia hoy Saoly tamin’ i Mikala: Nahoana ianao no namitaka ahy toy izany ka nandefa ny fahavaloko, ary afa-nandositra izy? Fa hoy Mikala tamin’ i Saoly: Hoy izy tamiko: Avelao aho handeha, fandrao hovonoiko
Saulo bisaa Mikal se, “Adɛn nti na woadaadaa me, ama me tamfo aguan?” Mikal buaa no se, “Na ɛsɛ sɛ meyɛ saa efisɛ ɔka kyerɛɛ me se, ‘Mammoa no a, obekum me.’”
18 Dia nandositra Davida ka afaka ary tonga tany amin’ i Samoela tany Rama, dia nambarany azy izay rehetra nataon’ i Saoly taminy; ary nandeha izy sy Samoela ka nonina tany Naiota.
Bere a Dawid guanee no, ɔkɔɔ Samuel nkyɛn wɔ Rama kɔkaa nea Saulo ayɛ no no nyinaa kyerɛɛ no. Enti Samuel de Dawid kɔtenaa Naiot.
19 Ary nisy nanambara tamin’ i Saoly hoe: Indro, Davida ao Naiota any Rama.
Bere a Saulo tee sɛ Dawid te Naiot a ɛwɔ Rama no,
20 Ary Saoly naniraka olona hisambotra an’ i Davida; ary nony hitan’ ireo ny mpaminany tafangona sy maminany ary Samoela mitsangana eo ho lohany, dia tonga tamin’ ny irak’ i Saoly ny Fanahin’ Andriamanitra, ka dia mba naminany koa izy.
ɔsomaa asraafo sɛ wɔnkɔkyere no mmra. Nanso woduu a wohuu Samuel ne adiyifo bi sɛ wɔrehyɛ nkɔm no, Onyankopɔn honhom baa Saulo mmarima no so, maa wɔn nso hyɛɛ nkɔm.
21 Ary nony nisy nanambara izany tamin’ i Saoly, dia naniraka olon-kafa izy, ary ireo koa dia mba naminany. Ary Saoly naniraka olonkafa indray fanintelony, nefa naminany ihany koa ireo.
Saulo tee asɛm a aba no, ɔsan somaa asraafo foforo, nanso wɔn nso kɔhyɛɛ nkɔm! Asɛm koro no ara sii ne mprɛnsa so.
22 Ary dia lasa nankany Rama koa ny tenany, ary tonga tao amin’ ny lavaka lehibe famorian-drano izay ao Seko izy ka nanontany hoe: Aiza Samoela sy Davida? Ary hoy ny anankiray: Indreo ao Naiota any Rama izy.
Akyiri yi koraa, Saulo no ankasa kɔɔ Rama, koduu abura kɛse bi a ɛwɔ Seku ho. Obisae se, “Samuel ne Dawid wɔ he?” Obi ka kyerɛɛ no se, “Wɔn baanu wɔ Naiot a ɛwɔ Rama hɔ.”
23 Dia nankany Naiota any Rama Saoly, ary tonga tao aminy koa ny Fanahin’ Andriamanitra, dia nandroso izy sady naminany teny am-pandehanana ambara-pahatongany tany Naiota any Rama.
Na ɔrekɔ Naiot no, ɔkwan no so na Onyankopɔn honhom baa Saulo so, na ɔno nso fii ase hyɛɛ nkɔm.
24 Ary nanaisotra ny fitafiany koa izy ka mba naminany tahaka ny sasany teo anatrehan’ i Samoela, ary izy nandry nitanjaka mandritra iny andro sy alina iny. Koa izany no nanaovan’ ny olona hoe: Saoly koa moa mba isan’ ny mpaminany?
Osunsuan nʼatade mu, de ne ho too fam, daa hɔ da mu ne anadwo mu nyinaa, hyɛɛ nkɔm wɔ Samuel anim. Nnipa a wɔrehwɛ no no teɛteɛɛ mu se, “Asɛm ni? Enti daa yi Saulo nso yɛ odiyifo?”

< 1 Samoela 19 >