< 1 Samoela 18 >

1 Ary rehefa nitsahatra niteny tamin’ i Saoly izy, dia raiki-pitia tamin’ i Davida ny fanahin’ i Jonatana, ka tia azy hoatra ny tenany mihitsy izy.
When he had finished speaking to Saul, the soul of Jonathan was knit with the soul of David, and Jonathan loved him as his own soul.
2 Ary Saoly nandray azy tamin’ izany andro izany ka tsy namela azy hody tany amin’ ny tranon-drainy intsony.
Saul took him that day, and wouldn’t let him go home to his father’s house any more.
3 Ary Davida sy Jonatana nanao fanekena noho ny fitiavan’ i Jonatana azy toy ny tenany.
Then Jonathan and David made a covenant, because he loved him as his own soul.
4 Ary nesorin’ i Jonatana ny akanjony ivelany izay teny aminy ka nomeny an’ i Davida mbamin’ ny akanjo fiadiany sy ny sabany sy ny tsipìkany ary ny fehin-kibony koa aza.
Jonathan stripped himself of the robe that was on him and gave it to David with his clothing, even including his sword, his bow, and his sash.
5 Ary Davida nanafika ka hita fa hendry tamin’ izay rehetra nanirahan’ i Saoly azy; ka dia nataon’ i Saoly mpifehy ny miaramila izy sady nankasitrahan’ ny vahoaka rehetra sy ny mpanompon’ i Saoly koa.
David went out wherever Saul sent him, and behaved himself wisely; and Saul set him over the men of war. It was good in the sight of all the people, and also in the sight of Saul’s servants.
6 Ary nony tonga ny olona tamin’ ny niverenan’ i Davida avy namono ilay Filistina, dia nivoaka ny vehivavy avy tamin’ ny tanànan’ ny Isiraely rehetra ka nihira sy nandihy nitsena an’ i Saoly mpanjaka tamin’ ny ampongatapaka sy ny fifaliana ary ny kipantsona.
As they came, when David returned from the slaughter of the Philistine, the women came out of all the cities of Israel, singing and dancing, to meet King Saul with tambourines, with joy, and with instruments of music.
7 Ary ny vehivavy mpandihy dia nihira hoe: Saoly nahafaty arivoarivo; Fa Davida nahafaty alinalina.
The women sang to one another as they played, and said, “Saul has slain his thousands, and David his ten thousands.”
8 Dia tezitra indrindra Saoly, fa tsy sitrany izany teny izany, ka hoy izy: Ny an’ i Davida nataony alinalina lahy, fa ny ahy kosa nataony arivoarivo ihany; koa ny fanjakana ihany no sisa tsy mbola azony.
Saul was very angry, and this saying displeased him. He said, “They have credited David with ten thousands, and they have only credited me with thousands. What can he have more but the kingdom?”
9 Ary Saoly hatramin’ izany andro izany dia nangarika an’ i Davida.
Saul watched David from that day and forward.
10 Ary nony ampitson’ iny dia nisy fanahy ratsy avy tany amin’ Andriamanitra nilatsaka tamin’ i Saoly, ka dia maola tao an-trano izy; ary Davida nitendry lokanga tamin’ ny tànany tahaka ny fanaony isan’ andro ihany, ary nisy lefona teny an-tànan’ i Saoly.
On the next day, an evil spirit from God came mightily on Saul, and he prophesied in the middle of the house. David played with his hand, as he did day by day. Saul had his spear in his hand;
11 Dia natorak’ i Saoly ny lefona; fa hoy izy: Hamely an’ i Davida aho, ka hataoko miboroaka mihatra amin’ ny rindrina. Fa Davida nisoroka indroa teo anatrehany.
and Saul threw the spear, for he said, “I will pin David to the wall!” David escaped from his presence twice.
12 Ary Saoly natahotra an’ i Davida, satria Jehovah nomba azy, fa Saoly kosa efa nialany.
Saul was afraid of David, because the LORD was with him, and had departed from Saul.
13 Koa dia nesorin’ i Saoly tsy ho eo aminy Davida, ary nataony mpifehy arivo, dia nitarika ny olona nivoaka sy niditra izy.
Therefore Saul removed him from his presence, and made him his captain over a thousand; and he went out and came in before the people.
14 Ary Davida dia hita fa hendry tamin’ izay rehetra nataony, ary Jehovah nomba azy.
David behaved himself wisely in all his ways; and the LORD was with him.
15 Ary nony hitan’ i Saoly fa hendry dia hendry Davida, dia natahotra azy izy.
When Saul saw that he behaved himself very wisely, he stood in awe of him.
16 Fa ny Isiraely sy ny Joda rehetra kosa tia an’ i Davida, satria nitondra azy nivoaka sy niditra izy.
But all Israel and Judah loved David; for he went out and came in before them.
17 Ary hoy Saoly tamin’ i Davida: Indro homeko ho vadinao Meraba vavimatoako, koa mahereza ho ahy anefa ianao, ary miadia ny adin’ i Jehovah. (Fa hoy Saoly: Aoka tsy ny tanako no hamely azy, fa aoka ny tanan’ ny Filistina no hamely azy.)
Saul said to David, “Behold, my elder daughter Merab. I will give her to you as wife. Only be valiant for me, and fight the LORD’s battles.” For Saul said, “Don’t let my hand be on him, but let the hand of the Philistines be on him.”
18 Fa hoy Davida tamin’ i Saoly: Zinona moa aho, ary manao ahoana no toetry ny mpianakavin’ ny raiko ao amin’ ny Isiraely, no ho vinanton’ ny mpanjaka aho?
David said to Saul, “Who am I, and what is my life, or my father’s family in Israel, that I should be son-in-law to the king?”
19 Kanjo nony tamin’ ny andro tokony ho namoahana an’ i Meraba, zanakavavin’ i Saoly, ho vadin’ i Davida, dia nomena ho vadin’ i Adriela Meholatita izy.
But at the time when Merab, Saul’s daughter, should have been given to David, she was given to Adriel the Meholathite as wife.
20 Fa Mikala, zanakavavin’ i Saoly kosa tia an’ i Davida; ary nisy nanambara izany tamin’ i Saoly, ka sitrak’ i Saoly izany.
Michal, Saul’s daughter, loved David; and they told Saul, and the thing pleased him.
21 (Fa hoy Saoly: Homeko azy izy, mba ho fandrika aminy ka hamelezan’ ny tanan’ ny Filistina azy.) Dia hoy Saoly tamin’ i Davida: Fanindroan’ ny maha-vinantoko anao izao.
Saul said, I will give her to him, that she may be a snare to him and that the hand of the Philistines may be against him. Therefore Saul said to David a second time, “You shall today be my son-in-law.”
22 Ary Saoly nandidy ny mpanompony hoe: Miresaha mangingina amin’ i Davida, ka ataovy hoe: Indro, tian’ ny mpanjaka ianao, ary ny mpanompony rehetra tia anao; ka dia maneke ihany ho vinanton’ ny mpanjaka ianao.
Saul commanded his servants, “Talk with David secretly, and say, ‘Behold, the king has delight in you, and all his servants love you. Now therefore be the king’s son-in-law.’”
23 Ary ny mpanompon’ i Saoly nilaza izany teny izany tamin’ i Davida. Fa hoy Davida: Moa ataonareo ho zavatra kely izany ho vinanton’ ny mpanjaka? Tsy hitanareo va fa izaho dia olona malahelo sady tsy manan-daza?
Saul’s servants spoke those words in the ears of David. David said, “Does it seem to you a light thing to be the king’s son-in-law, since I am a poor man and little known?”
24 Ary ny mpanompon’ i Saoly nilaza taminy hoe: Izany no navalin’ i Davida.
The servants of Saul told him, saying, “David spoke like this.”
25 Dia hoy Saoly: Izao no holazainareo amin’ i Davida: Ny mpanjaka tsy mila harena be ho vodiondry, fa ny mariky ny fahafatesan’ ny Filistina zato lahy ihany, mba ho famaliana ny fahavalony. Kanjo hevitr’ i Saoly hahafaty an’ i Davida amin’ ny tanan’ ny Filistina izany.
Saul said, “Tell David, ‘The king desires no dowry except one hundred foreskins of the Philistines, to be avenged of the king’s enemies.’” Now Saul thought he would make David fall by the hand of the Philistines.
26 Ary rehefa nambaran’ ny mpanompon’ i Saoly tamin’ i Davida izany teny izany, dia sitrak’ i Davida ny ho vinanton’ ny mpanjaka. Ary raha tsy mbola tapitra ny fetr’ andro,
When his servants told David these words, it pleased David well to be the king’s son-in-law. Before the deadline,
27 dia niainga Davida, ary nandeha izy sy ny olony ka nahafaty Filistina roan-jato, lahy ary Davida nitondra ny mariky ny fahafatesany ka nanisa azy teo anatrehan’ ny mpanjaka mba hahavinanton’ ny mpanjaka azy. Dia nomen’ i Saoly ho vadin’ i Davida Mikala zananivavy.
David arose and went, he and his men, and killed two hundred men of the Philistines. Then David brought their foreskins, and they gave them in full number to the king, that he might be the king’s son-in-law. Then Saul gave him Michal his daughter as wife.
28 Ary Saoly nahita sy nahalala fa Jehovah nomba an’ i Davida; ary Mikala zananivavy tia azy.
Saul saw and knew that the LORD was with David; and Michal, Saul’s daughter, loved him.
29 Ary dia vao mainka natahotra an’ i Davida Saoly; ka dia tonga fahavalon’ i Davida mandrakariva izy.
Saul was even more afraid of David; and Saul was David’s enemy continually.
30 Ary ireo andrianan’ ny Filistina dia nanafika; ary isaky ny nanafika izy, dia Davida no hita fa hendry noho ny mpanompon’ i Saoly rehetra, ka dia nisandratra ny anarany.
Then the princes of the Philistines went out; and as often as they went out, David behaved himself more wisely than all the servants of Saul, so that his name was highly esteemed.

< 1 Samoela 18 >