< 1 Samoela 17 >

1 Ary ny Filistina namory ny miaramilany hiady, ka tafavory tao Soko any Joda izy ary nitoby teo anelanelan’ i Soko sy Azeka, dia tao Efesa-damima.
To, fa, Filistiyawa suka tattara mayaƙansu suka haɗu a Soko cikin Yahuda domin yaƙi. Suka yi sansani a Efes-Dammim, tsakanin Soko da Azeka.
2 Ary Saoly sy ny lehilahy amin’ ny Isiraely dia tafavory ka nitoby teo amin’ ny lohasaha Elaha ary nilahatra hiady amin’ ny Filistina.
Shawulu da Isra’ilawa suka taru suka yi sansani a Kwarin Ela suka ja dāgā don su yi yaƙi da Filistiyawa.
3 Ary ny Filistina dia teo am-pita teo amin’ ny tendrombohitra iray, ary ny Isiraely kosa teo am-pita teo amin’ ny tendrombohitra iray, ary lohasaha no elanelany.
Filistiyawa suka zauna a tudu guda, Isra’ilawa kuma suka zauna a ɗaya tudun. Kwari yana a tsakaninsu.
4 Ary nisy lehilahy iray mpihantsy ady nivoaka avy teny amin’ ny tobin’ ny Filistina, Goliata avy any Gata no anarany; enina hakiho sy irain-jehy no halavany
Wani jarumin da ake kira Goliyat wanda ya fito daga Gat, ya fita daga sansanin Filistiyawa. Tsawonsa ya fi ƙafa tara.
5 Ary nisatroka fiarovan-doha varahina izy, ary niakanjo fiarovan-tratra, ka ny lanjan’ ny akanjony varahina dia dimy arivo sekely.
Ya sa hular kwanon da aka yi da tagulla, da rigar ƙarfe mai sulke, nauyin rigar ya kai shekel dubu biyar.
6 Ary nanao fiarovan-dranjo varahina tamin’ ny tongony izy ary lefom-pohy varahina teo an-damosiny.
A ƙafafunsa kuwa ya sa ƙarafar tagulla, rataye a bayansa kuma māshi ne na tagulla.
7 Ary ny haben’ ny zaran-defony dia tahaka ny vodi-tenon’ ny mpanenona; ary ny lela-lefony dia vy lanjan-tsekely enin-jato; ary nisy nitondra ny ampinga lehibe nandeha teo alohany.
Ƙotar kibiyarsa kuwa kamar sandar saƙar igiya take, ƙarfen kibiyar kuma nauyinsa ya kai shekel ɗari shida. Mai riƙe masa garkuwa yana tafe a gabansa.
8 Ary nijanona izy, dia niantso ny miaramilan’ ny Isiraely ka nanao taminy hoe: Nahoana ianareo no mivoaka hilahatra hiady? Tsy Filistina va aho, ary ianareo kosa mpanompon’ i Saoly? Mifidiana lehilahy iray ianareo, ary aoka izy hidina etỳ amiko.
Goliyat ya tsaya ya tā da murya wa hafsoshin Isra’ila ya ce, “Me ya sa kuka fito kuna layi don yaƙi? Ni ba Bafilistin ba ne? Ku kuma ba bayin Shawulu ba ne? Ku zaɓi waninku yă zo nan.
9 Raha tàhiny maharesy ahy izy ka mahafaty ahy, dia ho mpanomponareo izahay; fa raha resiko kosa izy ka matiko, dia ho mpanomponay ianareo ka hanompo anay.
In zai iya yin faɗa har yă kashe ni, to, za mu zama bayinku. Amma in na fi ƙarfinsa na kashe shi, to, sai ku zama bayinmu, ku kuma yi mana bauta.”
10 Ary hoy ilay Filistina: Izaho efa nihaika ny miaramilan’ ny Isiraely androany; amoahy lehilahy iray aho hiady amiko.
Sai Bafilistin ya ce, “A wannan rana, na kalubalanci sojojin Isra’ila, ku ba ni mutum ɗaya mu yi faɗa.”
11 Ary raha ren’ i Saoly sy ny Isiraely rehetra izany tenin’ ilay Filistina izany, dia nivadi-po izy ka raikitahotra loatra.
Da jin maganganun Bafilistin, sai Shawulu da dukan Isra’ila suka damu suka kuma ji tsoro.
12 Ary Davida dia zanak’ ilay Efratita avy any Betlehema-joda atao hoe Jese, izay nanana zanaka valo mirahalahy; ary Jese dia efa zokiolona sy anti-panahy tamin’ ny andron’ i Saoly;
To, Dawuda dai ɗan wani mutumin Efratawa ne mai suna Yesse, shi mutumin Betlehem ne a cikin Yahudiya. Yesse yana da yara maza takwas, a zamanin Shawulu kuwa, Yesse ya riga ya tsufa.
13 ary ny zokiny telo lahy tamin’ ny zanak’ i Jese lasa nanaraka an’ i Saoly nankany an-tafika; ary ny anaran’ ny zanany telo lahy lasa nankany an-tafika dia Eliaba, lahimatoa, sy Abinadaba, lahiaivo, ary Sama no fahatelony;
Manyan’ya’yansa maza uku, sun bi Shawulu wajen yaƙi. Ɗansa na fari shi ne Eliyab, na biyu shi ne Abinadab, na uku kuwa shi ne Shamma.
14 ary Davida no faralahy; ary izy telo lahy zokiny lasa nanaraka an’ i Saoly;
Dawuda shi ne ɗan autansu. Manyan’yan mazan nan uku suka bi Shawulu.
15 fa Davida kosa nivoivoy avy tany amin’ i Saoly hiandry ny ondrin-drainy tany Betlehema.
Amma Dawuda yakan tafi sansanin Shawulu lokaci-lokaci yă kuma koma Betlehem don yă yi kiwon tumakin mahaifinsa.
16 Ary ilay Filistina nanatona marain-tsy hariva ka niseho efa-polo andro.
Kwana arba’in cif, Bafilistin nan ya yi ta fitowa kowane safe da kuma kowace yamma.
17 Ary hoy Jese tamin’ i Davida zanany: Ento ity lango eran’ ny efaha ity sy ireto mofo folo ireto ho an’ ny rahalahinao; ka dia atero faingana ho any an-toby ho any amin’ ny rahalahinao.
Yesse ya ce wa ɗansa Dawuda, “Ka ɗauki wannan gasasshen hatsi da waɗannan curin burodi goma, ka kai wa’yan’uwanka a sansani da sauri.
18 Ary ento ho an’ ny mpifehy arivony ireto fromazy didiny folo ireto, dia izahao na tsara ihany ny rahalahinao, na manao ahoana, ary itondray izay hahafantarako ny toeny aho.
Ka haɗa da waɗannan cuku guda goma, ka kai wa komandan rundunarsu. Ka ga lafiyar’yan’uwanka, ka kawo mini labari daga wurinsu.
19 Ary Saoly sy izy telo lahy mbamin’ ny lehilahy rehetra amin’ ny Isiraely dia teo amin’ ny lohasaha Elaha niady tamin’ ny Filistina.
Suna tare da Shawulu da kuma dukan mutanen Isra’ila a Kwarin Ela, suna can suna yaƙi da Filistiyawa.”
20 Dia nifoha maraina koa Davida ka namela ny ondriny hotandreman’ olona, ary naka ny entany izy ka lasa nandeha araka ny nandidian’ i Jese azy; ary tonga teo amin’ ny sehatra-sariety izy; ary ny antokon’ ny miaramila izay efa hivoaka hilahatra dia nanakora hiady tamin’ izay.
Kashegari da sassafe, Dawuda ya tashi ya bar tumakinsa wa wani yă lura da su, sai ya ɗauki kayansa, ya kama hanya kamar yadda Yesse ya umarce shi. Ya isa sansanin daidai sa’ad da rundunar tana fitowa zuwa bakin dāgā, suna kirarin yaƙi.
21 Fa ny Isiraely sy ny Filistina efa nilahatra hiady ka nifanatrika ny miaramila.
Isra’ila da Filistiyawa suka ja dāgā suna fuskantar junansu.
22 Ary Davida namela ny entany teo anilan’ ny mpiambina entana, dia nihazakazaka nankeny amin’ ny laharan’ ny miaramila, ary tonga ka nanontany ny amin’ izay toetry ny rahalahiny.
Dawuda ya bar kayansa a wajen wani mai lura da kaya, sai ya ruga zuwa bakin dāgā yă gai da’yan’uwansa.
23 Ary raha mbola niresaka taminy izy, indro, tamy niakatra avy teo amin’ ny laharan’ ny miaramilan’ ny Filistina ilay mpihantsy ady, lehilahy Filistina avy any Gata, Goliata no anarany; ary niteny tahaka ny teo aloha ihany izy ka ren’ i Davida.
Da yana magana da su sai Goliyat, jarumin nan Bafilistin daga Gat ya fito daga rundunar Filistiyawa, ya tā da murya kamar yadda ya saba. Dawuda kuwa ya ji shi.
24 ary ny lehilahy rehetra amin’ ny Isiraely, raha nahita io lehilahy io, dia nandositra azy, fa natahotra indrindra izy.
Da Isra’ilawa suka ga mutumin, sai dukansu suka gudu saboda tsananin tsoro.
25 Ary hoy ny lehilahy amin’ ny Isiraely: Efa hitanareo va io lehilahy miakatra io? Hihaika ny Isiraely no iakarany; koa izay lehilahy mahafaty io dia hataon’ ny mpanjaka manan-karem-bevava, ary dia homeny koa ny zananivavy ho vadiny, sady tsy hampandoavin-ketra amin’ ny Isiraely ny tarana-drainy.
Isra’ilawa suka yi ta cewa, “Kun ga yadda wannan mutum yana ta fitowa? Yana fitowa ne don yă kalubalanci Isra’ila. Sarki zai sāka wa mutumin da ya kashe wannan da dukiya mai yawa. Zai kuma ba shi’yarsa yă aura, yă cire suna mahaifinsa daga biyan kuɗin haraji cikin Isra’ila.”
26 Ary hoy Davida tamin’ ny olona teo anilany: Ahoana sy ahoana ange no hatao amin’ izay lehilahy mahafaty io Filistina io ka mahafa-tondromaso ny Isiraely? Fa zinona moa io Filistina tsy mifora io, no dia hihaika ny miaramilan’ Andriamanitra velona?
Dawuda ya tambayi mutanen da suke tsaye kusa da shi ya ce, “Me za a yi wa wanda ya kashe Bafilistin nan, ya kuma cire wannan kunya daga Isra’ila? Wane ne wannan bafilistin marar kaciya da yake kalubalantar rundunar yaƙi na Allah mai rai?”
27 Ary ny olona namaly hoe: Izany ka izany no hatao amin’ izay lehilahy mahafaty azy.
Sai suka sāke gaya masa abin da suka faɗa cewa, “Ga abin da zai faru da wanda ya kashe shi.”
28 Ary Eliaba zokiny nandre azy niteny tamin’ ny olona dia nirehitra tamin’ i Davida ny fahatezerany, ka hoy izy: Nahoana ianao no midìna etỳ? Ary amin’ iza moa no namelanao ireny ondry vitsy ireny any an-efitra? fantatro ny avonavonao sy ny faharatsian’ ny fonao, fa hizaha ny ady no idinanao etỳ.
Da wansa Eliyab, ya ji yana magana da mutanen, sai ransa ya ɓace ƙwarai saboda fushi, sai ya ce wa Dawuda, “Me ka zo yi a nan? Wa kuma ka bar wa’yan tumakin a jeji? Na san ka da taurinkai, da kuma mugun hali. Ka zo nan ne don ka yi kallon yaƙi kawai.”
29 Ary hoy Davida: Moa maninona aho izao? Mba miteny aho, ka nahoana moa?
Dawuda ya ce, “To, yanzu me na yi? Ba zan ma yi magana ba?”
30 Ary niala teo aminy hankany amin’ ny sasany koa izy ka niteny tahaka ny teo; ary ny olona namaly azy tahaka ny teo ihany indray.
Sai ya juya wajen wani kuma ya sāke kawo zancen, mutanen kuwa suka amsa masa kamar dā.
31 Ary nony ren’ ny olona ny teny izay nataon’ i Davida, dia nambarany tamin’ i Saoly; ka dia naniraka naka azy izy.
Aka ji abin da Dawuda ya ce, aka kuwa gaya wa Shawulu, Shawulu kuma ya aika a kawo shi.
32 Ary hoy Davida tamin’ i Saoly: Aoka tsy ho ketraka amin’ ilehio ny fon’ ny olona; fa ny mpanomponao handeha hiady amin’ io Filistina io.
Da Shawulu ya tambayi Dawuda, sai Dawuda ya ce masa, “Kada kowa yă damu saboda wannan Bafilistin. Bawanka zai je yă yi faɗa da shi.”
33 Fa hoy Saoly tamin’ i Davida: Tsy tohanao ny handeha hiady amin’ io Filistina io, satria mbola zaza ianao, fa izy efa mpiady hatrizay niainany.
Shawulu ya ce, “Ba za ka iya yin faɗa da wannan Bafilistin ba, ya daɗe yana yaƙi, ya yi yaƙi tun yana saurayi. Ga shi kuwa kai ɗan yaro ne kawai.”
34 Fa hoy Davida tamin’ i Saoly: Ny mpanomponao niandry ny ondrin-drainy, ary nisy liona sy bera tonga tao ka nahalasa zanak’ ondry teo amin’ ny ondry,
Amma Dawuda ya ce wa Shawulu, “Bawanka yana kiwon tumakin mahaifinsa. Sa’ad da zaki ko beyar ta zo ta kama tunkiya, ta tafi da ita.
35 dia nanenjika azy aho ka namely azy, ary azoko teny am-bavany ilay zanak’ ondry; ary nony handramatra ahy izy, dia nohazoniko tamin’ ny somony, ary nasiako ka matiko.
Nakan bi ta a baya in buga ta in kuma ƙwato tunkiyar daga bakinta. In kuma ta taso mini, nakan cafke ta a gashinta in buga ta in kashe.
36 Ny liona sy ny bera samy novonoin’ ny mpanomponao; ary io Filistina tsy mifora io dia ho tahaka ny anankiray amin’ ireny, satria nihaika ny miaramilan’ Andriamanitra velona izy.
Bawanka ya kashe zaki da beyar, wannan Bafilistin marar kaciya zai zama kamar ɗaya daga cikinsu, domin ya rena rundunar Allah mai rai.
37 Ary hoy koa Davida; Jehovah, Izay namonjy ahy tamin’ ny tanan’ ny liona sy ny bera, Izy no hamonjy ahy amin’ ny tanan’ io Filistina io. Dia hoy Saoly tamin’ i Davida; Mandehana, ary homba anao anie Jehovah.
Ubangiji wanda ya cece ni daga kumbar zaki da kuma kumbar beyar, zai cece ni daga hannun wannan Bafilistin.” Shawulu ya ce wa Dawuda, “Je ka, Ubangiji yă kasance tare da kai.”
38 Ary Saoly nampiakanjo an’ i Davida ny akanjo fiadiany ary nanisy fiarovan-doha varahina tamin’ ny lohany sy nampiakanjo azy akanjo fiarovan-tratra.
Sai Shawulu ya kawo kayan yaƙinsa ya sa wa Dawuda. Ya sa masa hular kwanon da aka yi da tagulla a kansa, ya kuma sa masa rigar ƙarfensa.
39 Ary Davida namehy ny sabany tamin’ ny akanjo fiadiany, dia nanandrana handeha; fa tsy mbola nahazatra azy izany, ka hoy izy tamin’ i Saoly: Tsy afa-mandeha amin’ ireto aho, fa tsy mbola nahazatra ahy; ary dia nesorin’ i Davida izany.
Dawuda ya ɗaura māshin Shawulu a sulken, ya yi ƙoƙari yă zaga, sai ya ji ba zai iya ba saboda bai saba ba. Ya cewa Shawulu, “Ba zan iya tafiya da waɗannan ba, domin ban saba ba.” Don haka ya tuɓe su.
40 Dia nitondra ny tehiny teny an-tànany izy sady nifidy vato kilonjy dimy tao amin’ ny lohasahan-driaka, ka nataony tao anatin’ ny kitapo fitondran’ ny mpiandry ondry, izay teny aminy, ary ny antsamotadiny koa teny an-tànany; dia nanatona ilay Filistina izy.
Sai ya ɗauki sandansa, ya zaɓi duwatsu guda biyar masu sulɓi daga cikin rafi, ya sa su a’yar jakarsa ta makiyaya; ya kuma ɗauki majajjawarsa, ya tafi, yă fuskanci Bafilistin.
41 Ary ilay Filistina nandroso nanatona an’ i Davida, sady teo alohany ilay lehilahy mitondra ny ampinga lehibe.
Ana ciki haka, sai Bafilistin nan shi ma ya fita yana gusowa zuwa wurin Dawuda. Mai riƙe masa garkuwar yaƙi kuwa yana tafe a gabansa.
42 Ary nony nijerijery an’ i Davida ilay Filistina ka nahita azy, dia nianjonanjona taminy, fa tanora izy sady mena volo no tsara tarehy.
Bafilistin ya dubi Dawuda daga sama har ƙasa, ya gan dai ɗan yaro ne kawai, kyakkyawa kuma mai ƙoshin lafiya, sai ya rena shi.
43 Ary hoy ilay Filistina tamin’ i Davida: Alika angaha aho, no hatonin’ ialahy amin’ ny tehina? Ary nanozona an’ i Davida tamin’ ireo andriamaniny ilay Filistina
Ya ce masa, “Kana tsammani ni kare ne da za ka zo mini da sanda?” Sai ya la’anci Dawuda da sunayen allolin Filistiyawa.
44 sady nanao tamin’ i Davida hoe: Avia etỳ amiko, dia homeko ny voro-manidina sy ny bibi-dia ny nofon’ ialahy.
Ya ce, “Zo nan, ni kuwa zan ba da naman jikinka ga tsuntsayen sama da namun jeji su ci.”
45 Fa hoy kosa Davida tamin’ ilay Filistina: Hianao manatona ahy amin’ ny sabatra sy ny lefona ary ny lefom-pohy; fa izaho kosa manatona anao amin’ ny anaran’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Andriamanitry ny miaramilan’ ny Isiraely, Izay efa nohaikainao.
Dawuda ya ce wa Bafilistin, “Kana zuwa ka yaƙe ni da māshi da takobi da kere, amma ni ina zuwa in yaƙe ka a cikin sunan Ubangiji Maɗaukaki, Allah na rundunar Isra’ila, wanda ka rena.
46 Anio no hanoloran’ i Jehovah anao amin’ ny tanako, ary hamely anao aho ka hanapaka ny lohanao, dia homeko ny voro-manidina sy ny bibi-dia ny fatin’ ny miaramilan’ ny Filistina anio, mba ho fantatry ny tany rehetra fa manana Andriamanitra tokoa ny Isiraely.
Yau nan, Ubangiji zai bashe ka a hannuna, zan kuwa kashe ka, in datse kanka. Yau, zan ba da gawawwakin rundunar Filistiyawa ga tsuntsayen sama da namun jeji, da haka duniya za tă sani lalle akwai Allah a cikin Isra’ila.
47 Ary ho fantatr’ izao fiangonana rehetra izao fa tsy sabatra sy lefona no amonjen’ i Jehovah; fa an’ i Jehovah ny ady, ary hanolotra anareo ho eo an-tananay Izy.
Duk waɗanda suka taru a nan za su san cewa ba da māshi ko takobi ne Ubangiji yake ceto ba, gama yaƙin nan na Ubangiji ne, shi kuwa zai bashe ku duka a hannuwanmu.”
48 Ary nony niainga ilay Filistina ka nanatona hitsena an’ i Davida, dia nandroso faingana Davida ka nihazakazaka ho eo amin’ ny laharan’ ny miaramila hitsena ilay Filistina.
Yayinda Bafilistin yana matsowa kusa domin yă fāɗa wa Dawuda, sai Dawuda ya ruga a guje zuwa bakin dāgā don yă same shi.
49 Ary natsofok’ i Davida tao an-kitapo ny tananay, ka naka vato tao izy, ka dia nalefany tamin’ ny antsamotady, ka nahavoa ilay Filistina tamin’ ny handriny, ary nilentika tamin’ ny handriny ny vato, dia potraka niankohoka tamin’ ny tany izy.
Ya sa hannu a jakarsa ya ɗauki dutse, ya sa cikin majajjawa ya wurga, dutsen kuwa ya bugi Bafilistin a goshi, dutsen ya shiga cikin goshinsa, sai Bafilistin ya fāɗi rubda ciki.
50 Toy izany no nandresen’ i Davida ilay Filistina tamin’ ny vaton’ antsamotady, fa namely ilay Filistina izy ka nahafaty azy, ary tsy nisy sabatra teny an-tànan’ i Davida.
Da majajjawa da dutse kawai Dawuda ya ci nasara a kan Bafilistin. Ya buge shi, ya kashe shi ba tare da takobi a hannunsa ba.
51 Dia nihazakazaka Davida ka nitsangana teo anilan’ ilay Filistina, dia nalainy ny sabatr’ ilehio ka notsoahany tamin’ ny tranony, dia namonoany azy, sy nanapahany ny lohany. Ary nony hitan’ ny Filistina fa maty ilay lehilahy maheriny, dia vaky nandositra izy.
Dawuda ya ruga ya tsaya a bisan Bafilistin, ya zare takobin Bafilistin daga kubensa, ya datse masa kai da shi. Da Filistiyawa suka ga jaruminsu ya mutu, sai suka juya suka gudu.
52 Ary ny lehilahy amin’ ny Isiraely sy ny Joda dia nitsangana ka nanakora sy nanenjika ny Filistina hatrany akaikin’ i Gay sy ny vavahadin’ i Ekrona; ary izay voa tamin’ ny Filistina dia niampatrampatra teny amin’ ny lalana mankany Saraima ary hatrany Gata ka hatrany Ekrona.
Mutanen Isra’ila da na Yahuda suka rugo gaba da babbar murya, suka fafari Filistiyawa har zuwa mashigin Gat da kuma ƙofofin Ekron. Gawawwakin Filistiyawa suka bazu a hanyar Sha’arayim zuwa Gat da kuma Ekron.
53 Ary ny Zanak’ Isiraely niverina avy nanenjika mafy ny Filistina ka namabo ny tobiny koa.
Da Isra’ilawa suka komo daga bin Filistiyawa sai suka washe sansanin Filistiyawa.
54 Ary ny lohan’ ilay Filistina dia noraisin’ i Davida ka nentiny tany Jerosalema; fa ny fiadiany napetrany tao amin’ ny lainy.
Dawuda ya ɗauki kan Bafilistin zuwa Urushalima. Sai Dawuda ya ajiye kayan yaƙin Bafilistin a tentinsa.
55 Ary nony nahita an’ i Davida nandeha hiady tamin’ ny Filistina Saoly, dia hoy izy tamin’ i Abnera, komandin’ ny miaramila: Ry Abnera, zanak’ iza moa iny zaza iny? Ary hoy Abnera: Raha velona koa ny ainao, ry mpanjaka, tsy fantatro velively.
Yayinda Shawulu yake kallon Dawuda sa’ad da za shi yă yaƙi Bafilistin, sai ya tambayi Abner, komandan rundunarsa ya ce, “Abner, ɗan wane ne wannan saurayi?” Abner ya ce ran sarki yă daɗe, “Ban sani ba.”
56 Ary hoy ny mpanjaka: Anontanionao na zanak’ iza na zanak’ iza iny zaza iny.
Sarki ya ce, “Ka tambaya mini ko yaron wane ne wannan saurayi.”
57 Ary nony niverina avy namono ilay Filistina Davida, dia nalain’ i Abnera izy ka nentiny teo anatrehan’ i Saoly, ary mbola teny an-tànany ihany ny lohan’ ilay Filistina.
Dawuda yana dawowa daga karkashe Filistiyawa ke nan, sai Abner ya kai shi gaban Shawulu, riƙe da kan Bafilistin.
58 Dia hoy Saoly taminy: Zanak’ iza moa ianao, ry zatovo? Ary hoy Davida: Zanak’ i Jese Betlehemita mpanomponao aho.
Sai Shawulu ya ce, “Kai ɗan wane ne, saurayi?” Dawuda ya ce, “Ni ɗan bawanka Yesse ne, na Betlehem.”

< 1 Samoela 17 >