< 1 Samoela 17 >
1 Ary ny Filistina namory ny miaramilany hiady, ka tafavory tao Soko any Joda izy ary nitoby teo anelanelan’ i Soko sy Azeka, dia tao Efesa-damima.
Et les Philistins rassemblèrent leur armée pour combattre; ils se réunirent vers Socchoth en Juda; ils campèrent entre Socchoth et Azéca- Ephermen.
2 Ary Saoly sy ny lehilahy amin’ ny Isiraely dia tafavory ka nitoby teo amin’ ny lohasaha Elaha ary nilahatra hiady amin’ ny Filistina.
Et Saül et les hommes d'Israël se réunirent; ils campèrent dans la vallée, et ils se rangèrent en bataille devant les Philistins.
3 Ary ny Filistina dia teo am-pita teo amin’ ny tendrombohitra iray, ary ny Isiraely kosa teo am-pita teo amin’ ny tendrombohitra iray, ary lohasaha no elanelany.
Les étrangers se tenaient sur une montagne, et Israël était sur la montagne opposée: une vallée les séparait.
4 Ary nisy lehilahy iray mpihantsy ady nivoaka avy teny amin’ ny tobin’ ny Filistina, Goliata avy any Gata no anarany; enina hakiho sy irain-jehy no halavany
Or, un homme d'une grande force sortit des rangs des Philistins; il était de Geth, et il se nommait Goliath; il avait quatre coudées et une spithame.
5 Ary nisatroka fiarovan-doha varahina izy, ary niakanjo fiarovan-tratra, ka ny lanjan’ ny akanjony varahina dia dimy arivo sekely.
Il portait sur la tête un casque, et sur la poitrine une cotte de mailles; cette armure pesait cinq mille sicles d'airain ou de fer.
6 Ary nanao fiarovan-dranjo varahina tamin’ ny tongony izy ary lefom-pohy varahina teo an-damosiny.
Sur ses jambes étaient des cnémides d'airain, et entre ses deux épaules était un bouclier d'airain.
7 Ary ny haben’ ny zaran-defony dia tahaka ny vodi-tenon’ ny mpanenona; ary ny lela-lefony dia vy lanjan-tsekely enin-jato; ary nisy nitondra ny ampinga lehibe nandeha teo alohany.
La hampe de sa javeline était semblable à un mât de tisserand; la pointe pesait six cents sicles de fer; et celui qui portait ses armes le précédait.
8 Ary nijanona izy, dia niantso ny miaramilan’ ny Isiraely ka nanao taminy hoe: Nahoana ianareo no mivoaka hilahatra hiady? Tsy Filistina va aho, ary ianareo kosa mpanompon’ i Saoly? Mifidiana lehilahy iray ianareo, ary aoka izy hidina etỳ amiko.
Il s'avança en criant vers les rangs d'Israël, et il dit: Pourquoi êtes- vous venus vous mettre en bataille devant nous? Ne suis-je pas un Philistin; n'êtes-vous pas les Hébreux de Saül? Choisissez parmi vous un homme, et qu'il descende près de moi.
9 Raha tàhiny maharesy ahy izy ka mahafaty ahy, dia ho mpanomponareo izahay; fa raha resiko kosa izy ka matiko, dia ho mpanomponay ianareo ka hanompo anay.
S'il est capable de me combattre, s'il triomphe de moi, nous serons vos esclaves; si c'est moi qui l'emporte, et si je le tue, vous serez nos esclaves et vous nous servirez.
10 Ary hoy ilay Filistina: Izaho efa nihaika ny miaramilan’ ny Isiraely androany; amoahy lehilahy iray aho hiady amiko.
Le Philistin ajouta: Voyez, j'ai défié aujourd'hui l'armée d'Israël; donnez-moi donc un homme, et que nous combattions seul à seul.
11 Ary raha ren’ i Saoly sy ny Isiraely rehetra izany tenin’ ilay Filistina izany, dia nivadi-po izy ka raikitahotra loatra.
Saül et tout Israël entendirent ces paroles du Philistin; ils en furent hors d'eux-mêmes, et ils eurent grande crainte.
12 Ary Davida dia zanak’ ilay Efratita avy any Betlehema-joda atao hoe Jese, izay nanana zanaka valo mirahalahy; ary Jese dia efa zokiolona sy anti-panahy tamin’ ny andron’ i Saoly;
13 ary ny zokiny telo lahy tamin’ ny zanak’ i Jese lasa nanaraka an’ i Saoly nankany an-tafika; ary ny anaran’ ny zanany telo lahy lasa nankany an-tafika dia Eliaba, lahimatoa, sy Abinadaba, lahiaivo, ary Sama no fahatelony;
14 ary Davida no faralahy; ary izy telo lahy zokiny lasa nanaraka an’ i Saoly;
15 fa Davida kosa nivoivoy avy tany amin’ i Saoly hiandry ny ondrin-drainy tany Betlehema.
16 Ary ilay Filistina nanatona marain-tsy hariva ka niseho efa-polo andro.
17 Ary hoy Jese tamin’ i Davida zanany: Ento ity lango eran’ ny efaha ity sy ireto mofo folo ireto ho an’ ny rahalahinao; ka dia atero faingana ho any an-toby ho any amin’ ny rahalahinao.
18 Ary ento ho an’ ny mpifehy arivony ireto fromazy didiny folo ireto, dia izahao na tsara ihany ny rahalahinao, na manao ahoana, ary itondray izay hahafantarako ny toeny aho.
19 Ary Saoly sy izy telo lahy mbamin’ ny lehilahy rehetra amin’ ny Isiraely dia teo amin’ ny lohasaha Elaha niady tamin’ ny Filistina.
20 Dia nifoha maraina koa Davida ka namela ny ondriny hotandreman’ olona, ary naka ny entany izy ka lasa nandeha araka ny nandidian’ i Jese azy; ary tonga teo amin’ ny sehatra-sariety izy; ary ny antokon’ ny miaramila izay efa hivoaka hilahatra dia nanakora hiady tamin’ izay.
21 Fa ny Isiraely sy ny Filistina efa nilahatra hiady ka nifanatrika ny miaramila.
22 Ary Davida namela ny entany teo anilan’ ny mpiambina entana, dia nihazakazaka nankeny amin’ ny laharan’ ny miaramila, ary tonga ka nanontany ny amin’ izay toetry ny rahalahiny.
23 Ary raha mbola niresaka taminy izy, indro, tamy niakatra avy teo amin’ ny laharan’ ny miaramilan’ ny Filistina ilay mpihantsy ady, lehilahy Filistina avy any Gata, Goliata no anarany; ary niteny tahaka ny teo aloha ihany izy ka ren’ i Davida.
24 ary ny lehilahy rehetra amin’ ny Isiraely, raha nahita io lehilahy io, dia nandositra azy, fa natahotra indrindra izy.
25 Ary hoy ny lehilahy amin’ ny Isiraely: Efa hitanareo va io lehilahy miakatra io? Hihaika ny Isiraely no iakarany; koa izay lehilahy mahafaty io dia hataon’ ny mpanjaka manan-karem-bevava, ary dia homeny koa ny zananivavy ho vadiny, sady tsy hampandoavin-ketra amin’ ny Isiraely ny tarana-drainy.
26 Ary hoy Davida tamin’ ny olona teo anilany: Ahoana sy ahoana ange no hatao amin’ izay lehilahy mahafaty io Filistina io ka mahafa-tondromaso ny Isiraely? Fa zinona moa io Filistina tsy mifora io, no dia hihaika ny miaramilan’ Andriamanitra velona?
27 Ary ny olona namaly hoe: Izany ka izany no hatao amin’ izay lehilahy mahafaty azy.
28 Ary Eliaba zokiny nandre azy niteny tamin’ ny olona dia nirehitra tamin’ i Davida ny fahatezerany, ka hoy izy: Nahoana ianao no midìna etỳ? Ary amin’ iza moa no namelanao ireny ondry vitsy ireny any an-efitra? fantatro ny avonavonao sy ny faharatsian’ ny fonao, fa hizaha ny ady no idinanao etỳ.
29 Ary hoy Davida: Moa maninona aho izao? Mba miteny aho, ka nahoana moa?
30 Ary niala teo aminy hankany amin’ ny sasany koa izy ka niteny tahaka ny teo; ary ny olona namaly azy tahaka ny teo ihany indray.
31 Ary nony ren’ ny olona ny teny izay nataon’ i Davida, dia nambarany tamin’ i Saoly; ka dia naniraka naka azy izy.
32 Ary hoy Davida tamin’ i Saoly: Aoka tsy ho ketraka amin’ ilehio ny fon’ ny olona; fa ny mpanomponao handeha hiady amin’ io Filistina io.
Alors, David dit à Saül: Que le cœur de mon maître ne soit pas abattu; ton serviteur marchera, et il combattra ce Philistin.
33 Fa hoy Saoly tamin’ i Davida: Tsy tohanao ny handeha hiady amin’ io Filistina io, satria mbola zaza ianao, fa izy efa mpiady hatrizay niainany.
Mais Saül dit à David: Tu n'es point capable de combattre ce Philistin; tu n'es qu'un enfant, et il est homme de guerre depuis sa jeunesse.
34 Fa hoy Davida tamin’ i Saoly: Ny mpanomponao niandry ny ondrin-drainy, ary nisy liona sy bera tonga tao ka nahalasa zanak’ ondry teo amin’ ny ondry,
Et David dit à Saül: Ton serviteur était berger chez son père, il gardait les troupeaux, et quand venait un lion ou un ours, quand ils prenaient tour à tour une tête du troupeau,
35 dia nanenjika azy aho ka namely azy, ary azoko teny am-bavany ilay zanak’ ondry; ary nony handramatra ahy izy, dia nohazoniko tamin’ ny somony, ary nasiako ka matiko.
Je courais après le ravisseur, je le frappais, je lui arrachais sa proie de la gueule; puis, comme il s'élançait sur moi, je le saisissais à la gorge, je venais à bout de lui, et je le tuais.
36 Ny liona sy ny bera samy novonoin’ ny mpanomponao; ary io Filistina tsy mifora io dia ho tahaka ny anankiray amin’ ireny, satria nihaika ny miaramilan’ Andriamanitra velona izy.
Ton serviteur a tué le lion et l'ours, il en sera de même de cet incirconcis; pourquoi donc n'irai-je pas le tuer, et effacer aujourd'hui l'outrage qu'il fait à Israël? Car, quel est cet incirconcis qui a défié l'armée du Dieu vivant?
37 Ary hoy koa Davida; Jehovah, Izay namonjy ahy tamin’ ny tanan’ ny liona sy ny bera, Izy no hamonjy ahy amin’ ny tanan’ io Filistina io. Dia hoy Saoly tamin’ i Davida; Mandehana, ary homba anao anie Jehovah.
Le Seigneur, qui m'a tiré des griffes du lion et de celles de l'ours, me retirera de la main de cet incirconcis. Et Saül dit à David: Marche, le Seigneur sera avec toi.
38 Ary Saoly nampiakanjo an’ i Davida ny akanjo fiadiany ary nanisy fiarovan-doha varahina tamin’ ny lohany sy nampiakanjo azy akanjo fiarovan-tratra.
Saül alors revêtit David d'une cuirasse; il lui mit sur la tête son propre casque d'airain.
39 Ary Davida namehy ny sabany tamin’ ny akanjo fiadiany, dia nanandrana handeha; fa tsy mbola nahazatra azy izany, ka hoy izy tamin’ i Saoly: Tsy afa-mandeha amin’ ireto aho, fa tsy mbola nahazatra ahy; ary dia nesorin’ i Davida izany.
Par-dessus la cuirasse, David ceignit son épée, et il essaya une fois et deux fois de marcher ainsi; mais il se fatigua, et dit à Saül: Je ne pourrai marcher avec ces armes, je n'y suis point accoutumé. Et on les lui ôta.
40 Dia nitondra ny tehiny teny an-tànany izy sady nifidy vato kilonjy dimy tao amin’ ny lohasahan-driaka, ka nataony tao anatin’ ny kitapo fitondran’ ny mpiandry ondry, izay teny aminy, ary ny antsamotadiny koa teny an-tànany; dia nanatona ilay Filistina izy.
Et il prit à la main sa houlette; il choisit cinq cailloux polis par le torrent il les mit tous dans la panetière de berger qu'il portait sur lui; enfin, il s'arma de sa fronde; et il marcha contre le Philistin.
41 Ary ilay Filistina nandroso nanatona an’ i Davida, sady teo alohany ilay lehilahy mitondra ny ampinga lehibe.
Et il prit à la main sa houlette; il choisit cinq cailloux polis par le torrent il les mit tous dans la panetière de berger qu'il portait sur lui; enfin, il s'arma de sa fronde; et il marcha contre le Philistin.
42 Ary nony nijerijery an’ i Davida ilay Filistina ka nahita azy, dia nianjonanjona taminy, fa tanora izy sady mena volo no tsara tarehy.
Goliath vit David, et il le méprisa, parce que c'était un jeune garçon, qu'il était roux et qu'il avait de beaux yeux.
43 Ary hoy ilay Filistina tamin’ i Davida: Alika angaha aho, no hatonin’ ialahy amin’ ny tehina? Ary nanozona an’ i Davida tamin’ ireo andriamaniny ilay Filistina
Et le Philistin dit à David: Me prends-tu pour un chien, toi qui viens à moi avec une houlette et des pierres? Et David reprit: Nullement, mais pour moins qu'un chien. Et le Philistin maudit David en invoquant tous ses dieux.
44 sady nanao tamin’ i Davida hoe: Avia etỳ amiko, dia homeko ny voro-manidina sy ny bibi-dia ny nofon’ ialahy.
Et le Philistin dit à David: Viens, approche, que je donne ta chair aux oiseaux du ciel et aux bêtes fauves des champs.
45 Fa hoy kosa Davida tamin’ ilay Filistina: Hianao manatona ahy amin’ ny sabatra sy ny lefona ary ny lefom-pohy; fa izaho kosa manatona anao amin’ ny anaran’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Andriamanitry ny miaramilan’ ny Isiraely, Izay efa nohaikainao.
Mais, David dit au Philistin: Tu marches contre moi avec le glaive, la javeline, le bouclier; moi je marche contre toi, au nom du Seigneur Dieu sabaoth, Dieu de l'armée d'Israël que tu as insultée.
46 Anio no hanoloran’ i Jehovah anao amin’ ny tanako, ary hamely anao aho ka hanapaka ny lohanao, dia homeko ny voro-manidina sy ny bibi-dia ny fatin’ ny miaramilan’ ny Filistina anio, mba ho fantatry ny tany rehetra fa manana Andriamanitra tokoa ny Isiraely.
Le Seigneur aujourd'hui t'enfermera dans ma main; je te tuerai, je te trancherai la tête; aujourd'hui je donnerai les lambeaux et les lambeaux de l'armée des Philistins aux oiseaux du ciel et aux bêtes fauves de la terre. Toute la terre alors reconnaîtra que Dieu est avec Israël.
47 Ary ho fantatr’ izao fiangonana rehetra izao fa tsy sabatra sy lefona no amonjen’ i Jehovah; fa an’ i Jehovah ny ady, ary hanolotra anareo ho eo an-tananay Izy.
Toute cette Église connaîtra que le Seigneur ne sauve point avec le glaive et la javeline; car cette guerre est du Seigneur, et il vous livrera à nos mains.
48 Ary nony niainga ilay Filistina ka nanatona hitsena an’ i Davida, dia nandroso faingana Davida ka nihazakazaka ho eo amin’ ny laharan’ ny miaramila hitsena ilay Filistina.
A ces mots, le Philistin s'ébranla, et il marcha à la rencontre de David.
49 Ary natsofok’ i Davida tao an-kitapo ny tananay, ka naka vato tao izy, ka dia nalefany tamin’ ny antsamotady, ka nahavoa ilay Filistina tamin’ ny handriny, ary nilentika tamin’ ny handriny ny vato, dia potraka niankohoka tamin’ ny tany izy.
De son côté, David porta sa main à sa panetière; il y prit un caillou; il le lança avec la fronde, et il atteignit le Philistin au front; la pierre, à travers le casque, pénétra dans le crâne, et Goliath tomba la face contre terre.
50 Toy izany no nandresen’ i Davida ilay Filistina tamin’ ny vaton’ antsamotady, fa namely ilay Filistina izy ka nahafaty azy, ary tsy nisy sabatra teny an-tànan’ i Davida.
De son côté, David porta sa main à sa panetière; il y prit un caillou; il le lança avec la fronde, et il atteignit le Philistin au front; la pierre, à travers le casque, pénétra dans le crâne, et Goliath tomba la face contre terre.
51 Dia nihazakazaka Davida ka nitsangana teo anilan’ ilay Filistina, dia nalainy ny sabatr’ ilehio ka notsoahany tamin’ ny tranony, dia namonoany azy, sy nanapahany ny lohany. Ary nony hitan’ ny Filistina fa maty ilay lehilahy maheriny, dia vaky nandositra izy.
Et David courut, s'arrêta sur lui, prit son glaive, le tua et lui trancha la tête. Les Philistins virent que leur homme fort était tué, et ils prirent la fuite.
52 Ary ny lehilahy amin’ ny Isiraely sy ny Joda dia nitsangana ka nanakora sy nanenjika ny Filistina hatrany akaikin’ i Gay sy ny vavahadin’ i Ekrona; ary izay voa tamin’ ny Filistina dia niampatrampatra teny amin’ ny lalana mankany Saraima ary hatrany Gata ka hatrany Ekrona.
Alors, les hommes d'Israël et de Juda se levèrent, poussant de grands cris de joie, et poursuivirent les fuyards jusqu'à l'entrée de Geth et jusqu'aux portes d'Ascalon. Une multitude de Philistins tomba sur les chemins de ces villes, et sur celui d'Accaron.
53 Ary ny Zanak’ Isiraely niverina avy nanenjika mafy ny Filistina ka namabo ny tobiny koa.
Et les hommes d'Israël s'en retournèrent après avoir poursuivi les Philistins, et détruisirent leur camp.
54 Ary ny lohan’ ilay Filistina dia noraisin’ i Davida ka nentiny tany Jerosalema; fa ny fiadiany napetrany tao amin’ ny lainy.
Et David prit la tête du Philistin et il l'emporta à Jérusalem, et il plaça en sa demeure les armes de Goliath.
55 Ary nony nahita an’ i Davida nandeha hiady tamin’ ny Filistina Saoly, dia hoy izy tamin’ i Abnera, komandin’ ny miaramila: Ry Abnera, zanak’ iza moa iny zaza iny? Ary hoy Abnera: Raha velona koa ny ainao, ry mpanjaka, tsy fantatro velively.
56 Ary hoy ny mpanjaka: Anontanionao na zanak’ iza na zanak’ iza iny zaza iny.
57 Ary nony niverina avy namono ilay Filistina Davida, dia nalain’ i Abnera izy ka nentiny teo anatrehan’ i Saoly, ary mbola teny an-tànany ihany ny lohan’ ilay Filistina.
58 Dia hoy Saoly taminy: Zanak’ iza moa ianao, ry zatovo? Ary hoy Davida: Zanak’ i Jese Betlehemita mpanomponao aho.