< 1 Samoela 16 >

1 Ary hoy Jehovah tamin’ i Samoela: Mandra-pahoviana no hahalahelovanao an’ i Saoly, nefa Izaho efa nandà azy tsy ho mpanjakan’ ny Isiraely? fenoy diloilo ny tandrokao, ka mandehana, fa hirahiko ho any amin’ i Jese Betlehemita ianao; fa efa nahita mpanjaka ho Ahy ao amin’ ny zanany Aho.
The LORD said to Samuel, “How long will you mourn for Saul, since I have rejected him from being king over Israel? Fill your horn with oil, and go. I will send you to Jesse the Bethlehemite, for I have provided a king for myself amongst his sons.”
2 Fa hoy Samoela: Hataoko ahoana no fandeha; fa raha ren’ i Saoly izany, moa tsy hovonoiny va aho? Ary hoy Jehovah: Mitondrà ombivavy kely ianao, ka lazao hoe: Avy hamono zavatra hatao fanatitra ho an’ i Jehovah aho.
Samuel said, “How can I go? If Saul hears it, he will kill me.” The LORD said, “Take a heifer with you, and say, ‘I have come to sacrifice to the LORD.’
3 Ary antsoy Jese mba ho any amin’ ny fanatitra, ary Izaho no hampahafantatra anao izay hataonao; ka dia hohosoranao ho Ahy izay holazaiko aminao.
Call Jesse to the sacrifice, and I will show you what you shall do. You shall anoint to me him whom I name to you.”
4 Ary Samoela nanao izay nolazain’ i Jehovah, dia tonga tao Betlehema. Ary nitsena azy amin-kovitra ny loholona teo an-tanàna ka nanao hoe: Fihavanana va no ihavianao?
Samuel did that which the LORD spoke, and came to Bethlehem. The elders of the city came to meet him trembling, and said, “Do you come peaceably?”
5 Ary hoy izy: Fihavanana; avy hamono zavatra hatao fanatitra ho an’ i Jehovah aho; hamasino ny tenanareo, ary andeha hiaraka amiko ho any amin’ ny fanatitra. Dia nohamasininy Jese sy ny zanany ka nasainy ho any amin’ ny fanatitra.
He said, “Peaceably; I have come to sacrifice to the LORD. Sanctify yourselves, and come with me to the sacrifice.” He sanctified Jesse and his sons, and called them to the sacrifice.
6 Ary nony tonga ireo, dia nijery an’ i Eliaba izy ka nanao hoe: Ny voahosotr’ i Jehovah tokoa ity eto anatrehany.
When they had come, he looked at Eliab, and said, “Surely the LORD’s anointed is before him.”
7 Fa hoy Jehovah tamin’ i Samoela: Aza mijery ny tarehiny na ny hahavon’ ny tsanganany, fa efa nolaviko izy; fa tsy mba toy ny fijerin’ ny olona no fijerin’ i Jehovah; fa ny olona mijery ny miseho eo ivelany, fa Jehovah kosa mijery ny fo.
But the LORD said to Samuel, “Don’t look on his face, or on the height of his stature, because I have rejected him; for I don’t see as man sees. For man looks at the outward appearance, but the LORD looks at the heart.”
8 Ary Jese niantso an’ i Abinadaba ka nampandalo azy teo anatrehan’ i Samoela. Fa hoy izy: Tsy ity no nofidin’ i Jehovah.
Then Jesse called Abinadab, and made him pass before Samuel. He said, “The LORD has not chosen this one, either.”
9 Ary Jese dia nampandalo an’ i Sama indray. Fa hoy izy: Tsy ity no nofidin’ i Jehovah.
Then Jesse made Shammah to pass by. He said, “The LORD has not chosen this one, either.”
10 Ary Jese nampandalo fito lahy tamin’ ny zanany teo anatrehan’ i Samoela. Fa hoy Samoela tamin’ i Jese: Tsy nofidin’ i Jehovah ireto.
Jesse made seven of his sons to pass before Samuel. Samuel said to Jesse, “The LORD has not chosen these.”
11 Ary hoy Samoela tamin’ i Jese: Tapitra eto avokoa va ny zanakao-lahy rehetra? Dia hoy izy: Ny faralahy no sisa, fa miandry ondry izy. Ary hoy Samoela tamin’ i Jese: Maniraha haka azy, fa tsy hipetraka hihinana isika ambara-pahatongany eto.
Samuel said to Jesse, “Are all your children here?” He said, “There remains yet the youngest. Behold, he is keeping the sheep.” Samuel said to Jesse, “Send and get him, for we will not sit down until he comes here.”
12 Dia naniraka izy ka nitondra azy hiditra. Ary mena volo izy sady bary maso no tsara tarehy. Ary hoy Jehovah: Mitsangàna, hosory izy, fa io no izy.
He sent, and brought him in. Now he was ruddy, with a handsome face and good appearance. The LORD said, “Arise! Anoint him, for this is he.”
13 Ary Samoela nandray ny tandroka feno diloilo ka nanosotra azy teo amin’ ny rahalahiny; ary ny Fanahin’ i Jehovah dia nilatsaka tamin’ i Davida hatramin’ iny andro iny. Dia nitsangana Samoela ka nankany Rama.
Then Samuel took the horn of oil and anointed him in the middle of his brothers. Then the LORD’s Spirit came mightily on David from that day forward. So Samuel rose up and went to Ramah.
14 Fa ny Fanahin’ i Jehovah efa niala tamin’ i Saoly, ary nisy fanahy ratsy avy tany amin’ i Jehovah nampahatahotra azy.
Now the LORD’s Spirit departed from Saul, and an evil spirit from the LORD troubled him.
15 Ary hoy ny mpanompon’ i Saoly taminy: Indro, ankehitriny misy fanahy ratsy avy any amin’ Andriamanitra mampahatahotra anao.
Saul’s servants said to him, “See now, an evil spirit from God troubles you.
16 Aoka ny tomponay ankehitriny handidy anay mpanomponao izay eto anatrehanao, dia hitady olona mahay mitendry lokanga izahay; ary rehefa misy fanahy ratsy avy any amin’ Andriamanitra tonga aminao, dia hitendry amin’ ny tànany izy, ka dia ho tsara ihany ianao.
Let our lord now command your servants who are in front of you to seek out a man who is a skilful player on the harp. Then when the evil spirit from God is on you, he will play with his hand, and you will be well.”
17 Ary hoy Saoly tamin’ ny mpanompony: Mizahà ary olona izay mahay mitendry tsara, ka ento etỳ amiko.
Saul said to his servants, “Provide me now a man who can play well, and bring him to me.”
18 Dia namaly ny anankiray amin’ ny zatovony ka nanao hoe: Indro, ny anankiray amin’ ny zanak’ i Jese Betlehemita no hitako mahay mitendry, sady lehilahy mahery sy mpanafika izy ary mahay mandaha-teny sy lehilahy tsara tarehy, ary Jehovah momba azy.
Then one of the young men answered and said, “Behold, I have seen a son of Jesse the Bethlehemite who is skilful in playing, a mighty man of valour, a man of war, prudent in speech, and a handsome person; and the LORD is with him.”
19 Ary Saoly dia naniraka tany amin’ i Jese ka nanao hoe: Iraho hankatỳ amiko Davida zanakao izay miandry ondry.
Therefore Saul sent messengers to Jesse, and said, “Send me David your son, who is with the sheep.”
20 Ary Jese naka mofo tokony ho zakan’ ny boriky iray sy divay iray siny hoditra sy zanak’ osy, ka nampitondrainy an’ i Davida zanany ho an’ i Saoly ireo.
Jesse took a donkey loaded with bread, a container of wine, and a young goat, and sent them by David his son to Saul.
21 Ary Davida tonga tany amin’ i Saoly ka nitoetra teo anatrehany; ary tiany indrindra izy, ka dia tonga mpitondra ny fiadiany.
David came to Saul and stood before him. He loved him greatly; and he became his armour bearer.
22 Ary Saoly naniraka tany amin’ i Jese nanao hoe: Masìna ianao, avelao Davida hitoetra eo anatrehako, fa efa mahita fitia amiko izy.
Saul sent to Jesse, saying, “Please let David stand before me, for he has found favour in my sight.”
23 Ary raha nisy fanahy avy tany amin’ Andriamanitra tonga tao amin’ i Saoly, dia noraisin’ i Davida ny lokanga ka notendren’ ny tànany; ka dia velombelona sady nanaritra Saoly, ary ny fanahy ratsy niala taminy.
When the spirit from God was on Saul, David took the harp and played with his hand; so Saul was refreshed and was well, and the evil spirit departed from him.

< 1 Samoela 16 >