< 1 Samoela 15 >
1 Ary hoy Samoela tamin’ i Saoly: Jehovah naniraka ahy hanosotra anao ho mpanjakan’ ny Isiraely olony; koa ankehitriny mihainoa ny tenin’ i Jehovah ianao.
Sama’ila ya ce wa Shawulu, “Ni ne wanda Ubangiji ya aika in shafe ka ka zama sarki bisa mutanensa Isra’ila. Saurara yanzu ka ji saƙo daga wurin Ubangiji.
2 Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Hovaliako izay nataon’ ny Amalekita tamin’ ny Isiraely, dia ny nanotrehany azy tany an-dalana, fony izy niakatra avy tany Egypta.
Ga abin da Ubangiji Maɗaukaki ya ce, ‘Zan hori Amalekawa saboda abin da suka yi wa Isra’ila sa’ad da suka ba su wahala yayinda suka fito daga Masar.
3 Koa mandehana ankehitriny, ka mameleza ny Amalekita, ary aringano izay rehetra mety ho azy, ka aza asiana miangana, fa vonoy avokoa, na lahy na vavy, na ankizy madinika, na zaza minono, na omby, na ondry aman’ osy, na rameva, na boriky.
Yanzu ka tafi ka yaƙi Amalekawa, ka hallaka kome da yake nasu, kada ka bar su da rai, ka kashe maza, da mata, da yara, da jarirai, da dabbobi, da tumaki, da raƙuma, da kuma jakuna.’”
4 Ary Saoly namory ny olona ka nandamina azy tao Telaima, dia roa hetsy ny mandeha an-tongotra, ary iray alina ny lehilahy amin’ ny Joda.
Sai Shawulu ya tattara sojoji, ya ƙidaya su a Telayim, ya sami su dubu ɗari biyu da dubu goma daga Yahuda.
5 Ary Saoly dia tonga tao an-tanànan’ ny Amalekita ka nanotrika tao an-dohasaha.
Shawulu ya tafi birnin Amalek ya yi kwanto a kwari.
6 Ary hoy Saoly tamin’ ny Kenita: Andeha miala ianareo, ka midìna hiala amin’ ny Amalekita, fandrao miaraka aringako aminy ianareo, fa ianareo nanisy soa ny Zanak’ Isiraely rehetra, fony izy nivoaka avy tany Egypta. Ka dia niala tamin’ ny Amalekita ny Kenita.
Sai Shawulu ya ce wa Keniyawa, “Ku tashi ku bar Amalekawa don kada in hallaka ku tare da su, saboda kun yi wa dukan Isra’ilawa kirki, lokacin da suka fito daga Masar.” Saboda haka Keniyawa suka tashi suka bar Amalekawa.
7 Ary Saoly namely ny Amalekita hatrany Havila amin’ ny lalana mankany Sora izay tandrifin’ i Egypta.
Sa’an nan Shawulu ya ci Amalekawa da yaƙi tun daga Hawila har zuwa Shur, a gabashin iyakar Masar.
8 Ary azony sambo-belona Agaga, mpanjakan’ ny Amalekita, fa ny vahoaka rehetra kosa dia naringany tamin’ ny lelan-tsabatra.
Ya kama Agag sarkin Amalekawa da rai. Ya kuma hallaka dukan mutanensa da takobi.
9 Fa Saoly sy ny olona tsy namono an’ i Agaga sy izay tsara indrindra tamin’ ny ondry aman’ osy sy ny omby sy ny mifahy sy ny zanak’ ondry ary izay tsara rehetra, fa tsy foiny ho naringana ireny; fa ny ratsy rehetra sy izay tsy tiany kosa dia naringany ihany avokoa.
Amma Shawulu da sojojinsa suka bar Agag, da tumaki, da shanu, da’yan maruƙa masu ƙiba da kuma duk abin da yake mai kyau da rai. Waɗannan ba su so su hallaka su gaba ɗaya ba, amma duk abin da ba a so da kuma marar amfani suka hallaka.
10 Ary tonga tamin’ i Samoela ny tenin’ i Jehovah hoe:
Sai Ubangiji ya yi magana da Sama’ila ya ce,
11 Manenina Aho noho ny nanaovako an’ i Saoly ho mpanjaka, fa niala tamin’ ny fanarahana Ahy izy ka tsy nahatanteraka ny teniko. Dia tezitra Samoela ka nitaraina tamin’ i Jehovah mandritra ny alina.
“Na damu da na naɗa Shawulu sarki, domin ya juya mini baya, bai kuma bi umarnina ba.” Sama’ila ya damu ƙwarai, ya yi kuka ga Ubangiji dukan dare.
12 Ary nifoha maraina koa Samoela hitsena an’ i Saoly, dia nisy nilaza tamin’ i Samoela hoe: Saoly efa tonga ato Karmela, ary, indro, izy nanorina fahatsiarovana ho azy, dia nihodina ka nandroso nidina ho any Gilgala.
Kashegari da sassafe sai Sama’ila ya tashi ya tafi domin yă sadu da Shawulu, amma aka gaya masa cewa Shawulu ya tafi Karmel. A can ya yi wa kansa abin tunawa don yă girmama kansa, daga can kuma ya juya ya gangara zuwa Gilgal.
13 Ary Samoela tonga teo amin’ i Saoly, dia hoy Saoly taminy: Hotahin’ i Jehovah anie ianao; efa nahatanteraka ny tenin’ i Jehovah aho.
Da Sama’ila ya kai wurinsa, sai Shawulu ya ce, “Ubangiji yă albarkace ka, na aikata umarnin Ubangiji.”
14 Fa hoy Samoela: Inona anefa izany fibarareoky ny ondry aman’ osy ren’ ny sofiko izany sy ny fimàmàn’ ny omby reko?
Amma Sama’ila ya ce, “Ashe, waɗannan ba kukan tumaki ke nan nake ji a kunnena ba? Wane kuka shanu ke nan nake ji?”
15 Ary hoy Saoly: Avy tany amin’ ny Amalekita no nitondrany ireny, fa ny olona namela izay ondry aman’ osy sy omby tsara indrindra mba hovonoina hatao fanatitra ho an’ i Jehovah Andriamanitrao, fa ny sisa dia naringanay ihany avokoa.
Shawulu ya amsa ya ce, “Sojoji ne suka kawo su daga Amalekawa. Sun bar tumaki da shanu masu kyau da rai don su yi wa Ubangiji Allahnka hadaya, amma sauran mun hallaka duka.”
16 Dia hoy Samoela tamin’ i Saoly: Aoka izay, fa hambarako aminao izay nolazain’ i Jehovah tamiko halina. Ary hoy izy taminy: Ambarao ary.
Sama’ila ya ce, “Dakata, bari in faɗa maka abin da Ubangiji ya ce mini jiya da dare.” Shawulu ya ce, “Gaya mini.”
17 Dia hoy Samoela: Na dia noheverinao ho kely aza ny tenanao, moa tsy tonga lohan’ ny firenen’ Isiraely va? Ary Jehovah nanosotra anao ho mpanjakan’ ny Isiraely;
Sama’ila ya ce, “Ko da yake kana ganin kanka kai ba wani abu ne ba, ashe, ba kai ne yanzu shugaban kabilan Isra’ila ba? Ubangiji ya shafe ka ka zama sarkin Isra’ila.
18 ary Jehovah naniraka anao ka nanao hoe: Mandehana, ka aringano avokoa ny Amalekita mpanota, ary miadia aminy ambara-paharingany.
Shi kuma ya aika, ya umarce ka cewa, ‘Tafi ka hallaka Amalekawa mugayen mutanen nan duka, ka yaƙe su sai ka share su ƙaf.’
19 Koa nahoana ianao no tsy nihaino ny feon’ i Jehovah, fa nanao an-kazakazaka tamin’ ny babo ka nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah?
Me ya sa ba ka bi umarnin Ubangiji ba? Me ya sa ka sa hannu a ganima, ka kuma yi mugun abu a gaban Ubangiji?”
20 Fa hoy Saoly tamin’ i Samoela: Efa nihaino ny feon’ i Jehovah ihany aho ka nandeha tamin’ izay nanirahan’ i Jehovah ahy ary nitondra an’ i Agaga, mpanjakan’ ny Amalekita, sady nandringana ny Amalekita rehetra.
Shawulu ya ce, “Amma na bi umarnin Ubangiji. Na bi saƙon da Ubangiji ya ba ni. Na hallaka Amalekawa, na kuma kamo Agag sarkinsu.
21 Nefa nangalan’ ny olona ondry aman’ osy sy omby ny babo, dia izay soa avy tamin’ ny zavatra haringana, mba hovonoina hatao fanatitra ho an’ i Jehovah Andriamanitrao ao Gilgala.
Sojoji suka kawo tumaki da shanu mafi kyau daga cikin ganimar domin a miƙa hadaya ga Ubangiji Allahnka a Gilgal.”
22 Fa hoy Samoela: Sitrak’ i Jehovah moa ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hafa alatsa-drà mihoatra noho ny mihaino ny feon’ i Jehovah? He! ny manafaka no tsara noho ny fanatitra, ary ny mihaino no tsara noho ny saboran’ ondrilahy.
Amma Sama’ila ya ce, “Ubangiji yana murna da sadaka da hadaya fiye da biyayya ga maganar Ubangiji? Yin biyayya ta fi hadaya a kula kuma ta fi ƙibabbun raguna.
23 Fa ny miodina dia toy ny heloka amin’ ny fankatovana, ary ny ditra dia toy ny manompo sampy sy terafima. Satria nandà ny tenin’ i Jehovah ianao, dia nolaviny tsy ho mpanjaka kosa.
Gama tawaye yana kama da zunubi na duba, girman kai kuma yana kama da bautar gumaka. Saboda ka ƙi maganar Ubangiji, shi ma ya ƙi ka da zaman sarki.”
24 Ary hoy Saoly tamin’ i Samoela: Efa nanota aho, fa efa nandika ny tenin’ i Jehovah sy ny teninao; fa natahotra ny vahoaka aho ka nihaino ny feony.
Sai Shawulu ya ce wa Sama’ila, “Na yi zunubi, na ƙi bin umarnin Ubangiji, na kuma ƙi bin maganarka. Na ji tsoron mutane ne shi ya sa na bi maganarsu.
25 Koa ankehitriny, masìna ianao, mamelà ny heloko ary miverena amiko indray mba hiankohofako eo anatrehan’ i Jehovah.
Yanzu fa, ina roƙonka ka yafe mini zunubina, ka koma tare da ni, domin in yi wa Ubangiji sujada.”
26 Fa hoy Samoela tamin’ i Saoly: Tsy hiverina aminao aho; fa ianao efa nandà ny tenin’ i Jehovah, ary Jehovah kosa efa nandà anao tsy ho mpanjakan’ ny Isiraely intsony.
Amma Sama’ila ya ce, “Ba zan koma tare da kai ba. Ka ƙi maganar Ubangiji, Ubangiji kuma ya ƙi ka da zama sarki a bisa Isra’ila.”
27 Ary nony nihodina handeha Samoela, dia nohazonin’ i Saoly ny sisin’ akanjony ka triatra.
Da Sama’ila ya juya zai tafi, sai Shawulu ya kama bakin rigarsa, sai rigar ta yage.
28 Dia hoy Samoela tamin’ i Saoly: Efa notriarin’ i Jehovah kosa ho afaka aminao androany ny fanjakan’ Isiraely ka efa nomeny ny namanao izay tsara noho ianao.
Sama’ila ya ce masa, “Ubangiji ya yage masarautar Isra’ila daga gare ka yau, ya ba wa wani daga cikin maƙwabtanka wanda ya fi ka.
29 Ary koa, ny Tokin’ ny Isiraely tsy mba handainga na hanenina, fa tsy olona Izy ka hanenina.
Shi wanda yake Ɗaukakar Isra’ila ba ya ƙarya ko yă canja zuciyarsa, gama shi ba mutum ba ne da zai canja zuciyarsa.”
30 Fa hoy Saoly: Efa nanota aho izao, kanefa, masìna ianao, mba omeo voninahitra eo anatrehan’ ny loholoko sy eo anatrehan’ ny Isiraely aho, ary andeha re hiara-miverina amiko indray mba hiankohofako eo anatrehan’ i Jehovah Andriamanitrao.
Shawulu ya ce, “Na yi zunubi. Amma ina roƙonka ka ba ni girma a gaban dattawan mutanena da kuma a gaban Isra’ila, ka koma tare da ni domin in yi wa Ubangiji Allahnka sujada.”
31 Ary Samoela dia niverina nanaraka an’ i Saoly indray ary Saoly niankohoka teo anatrehan’ i Jehovah.
Saboda haka sai Sama’ila ya koma tare da Shawulu, Shawulu kuwa ya yi wa Ubangiji sujada.
32 Dia hoy Samoela: Entonareo eto amiko Agaga, mpanjakan’ ny Amalekita. Ary Agaga nankeo aminy sady falifaly ka nanao hoe: Lasa tokoa ny fangidian’ ny fahafatesana.
Sa’an nan Sama’ila ya ce, “Kawo mini Agag sarkin Amalekawa.” Agag kuwa ya zo wurinsa daure da sarƙa, yana tunani cewa, “Tabbatacce zancen mutuwa dai ya wuce.”
33 Fa hoy Samoela: Toy ny tsy nampananan’ ny sabatrao zanaka ny vehivavy no tsy hananan’ ny reninao zanaka kosa ao amin’ ny vehivavy. Dia notetitetehin’ i Samoela teo anatrehan’ i Jehovah tao Gilgala Agaga.
Amma Sama’ila ya ce, “Yadda takobinka ya sa mata suka rasa’ya’ya, haka mahaifiyarka za tă zama marar’ya’ya a cikin mata.” Sama’ila kuwa ya kashe Agag a Gilgal a gaban Ubangiji.
34 Ary Samoela nankany Rama; fa Saoly kosa niakatra tany amin’ ny tranony tao Gibean’ i Saoly.
Sai Sama’ila ya tafi Rama, amma Shawulu ya haura zuwa gidansa a Gibeya na Shawulu.
35 Ary Samoela tsy namangy an’ i Saoly intsony ambara-pahafatiny; fa Samoela nalahelo an’ i Saoly. Ary Jehovah nanenina noho ny nanaovany an’ i Saoly ho mpanjakan’ ny Isiraely.
Daga wannan rana Sama’ila bai ƙara saduwa da sarki Shawulu ba, har rasuwar Sama’ila, amma ya yi baƙin ciki sosai a kan Shawulu. Ubangiji kuwa ya damu da ya sa Shawulu ya zama Sarkin Isra’ila ba.