< 1 Samoela 15 >

1 Ary hoy Samoela tamin’ i Saoly: Jehovah naniraka ahy hanosotra anao ho mpanjakan’ ny Isiraely olony; koa ankehitriny mihainoa ny tenin’ i Jehovah ianao.
Samuel said to Saul, “The LORD sent me to anoint you to be king over his people, over Israel. Now therefore listen to the voice of the LORD’s words.
2 Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Hovaliako izay nataon’ ny Amalekita tamin’ ny Isiraely, dia ny nanotrehany azy tany an-dalana, fony izy niakatra avy tany Egypta.
The LORD of Armies says, ‘I remember what Amalek did to Israel, how he set himself against him on the way when he came up out of Egypt.
3 Koa mandehana ankehitriny, ka mameleza ny Amalekita, ary aringano izay rehetra mety ho azy, ka aza asiana miangana, fa vonoy avokoa, na lahy na vavy, na ankizy madinika, na zaza minono, na omby, na ondry aman’ osy, na rameva, na boriky.
Now go and strike Amalek, and utterly destroy all that they have, and do not spare them; but kill both man and woman, infant and nursing baby, ox and sheep, camel and donkey.’”
4 Ary Saoly namory ny olona ka nandamina azy tao Telaima, dia roa hetsy ny mandeha an-tongotra, ary iray alina ny lehilahy amin’ ny Joda.
Saul summoned the people, and counted them in Telaim, two hundred thousand footmen and ten thousand men of Judah.
5 Ary Saoly dia tonga tao an-tanànan’ ny Amalekita ka nanotrika tao an-dohasaha.
Saul came to the city of Amalek, and set an ambush in the valley.
6 Ary hoy Saoly tamin’ ny Kenita: Andeha miala ianareo, ka midìna hiala amin’ ny Amalekita, fandrao miaraka aringako aminy ianareo, fa ianareo nanisy soa ny Zanak’ Isiraely rehetra, fony izy nivoaka avy tany Egypta. Ka dia niala tamin’ ny Amalekita ny Kenita.
Saul said to the Kenites, “Go, depart, go down from among the Amalekites, lest I destroy you with them; for you showed kindness to all the children of Israel when they came up out of Egypt.” So the Kenites departed from among the Amalekites.
7 Ary Saoly namely ny Amalekita hatrany Havila amin’ ny lalana mankany Sora izay tandrifin’ i Egypta.
Saul struck the Amalekites, from Havilah as you go to Shur, which is before Egypt.
8 Ary azony sambo-belona Agaga, mpanjakan’ ny Amalekita, fa ny vahoaka rehetra kosa dia naringany tamin’ ny lelan-tsabatra.
He took Agag the king of the Amalekites alive, and utterly destroyed all the people with the edge of the sword.
9 Fa Saoly sy ny olona tsy namono an’ i Agaga sy izay tsara indrindra tamin’ ny ondry aman’ osy sy ny omby sy ny mifahy sy ny zanak’ ondry ary izay tsara rehetra, fa tsy foiny ho naringana ireny; fa ny ratsy rehetra sy izay tsy tiany kosa dia naringany ihany avokoa.
But Saul and the people spared Agag and the best of the sheep, of the cattle, of the fat calves, of the lambs, and all that was good, and were not willing to utterly destroy them; but everything that was vile and refuse, that they destroyed utterly.
10 Ary tonga tamin’ i Samoela ny tenin’ i Jehovah hoe:
Then the LORD’s word came to Samuel, saying,
11 Manenina Aho noho ny nanaovako an’ i Saoly ho mpanjaka, fa niala tamin’ ny fanarahana Ahy izy ka tsy nahatanteraka ny teniko. Dia tezitra Samoela ka nitaraina tamin’ i Jehovah mandritra ny alina.
“It grieves me that I have set up Saul to be king, for he has turned back from following me, and has not performed my commandments.” Samuel was angry; and he cried to the LORD all night.
12 Ary nifoha maraina koa Samoela hitsena an’ i Saoly, dia nisy nilaza tamin’ i Samoela hoe: Saoly efa tonga ato Karmela, ary, indro, izy nanorina fahatsiarovana ho azy, dia nihodina ka nandroso nidina ho any Gilgala.
Samuel rose early to meet Saul in the morning; and Samuel was told, saying, “Saul came to Carmel, and behold, he set up a monument for himself, turned, passed on, and went down to Gilgal.”
13 Ary Samoela tonga teo amin’ i Saoly, dia hoy Saoly taminy: Hotahin’ i Jehovah anie ianao; efa nahatanteraka ny tenin’ i Jehovah aho.
Samuel came to Saul; and Saul said to him, “You are blessed by the LORD! I have performed the commandment of the LORD.”
14 Fa hoy Samoela: Inona anefa izany fibarareoky ny ondry aman’ osy ren’ ny sofiko izany sy ny fimàmàn’ ny omby reko?
Samuel said, “Then what does this bleating of the sheep in my ears and the lowing of the cattle which I hear mean?”
15 Ary hoy Saoly: Avy tany amin’ ny Amalekita no nitondrany ireny, fa ny olona namela izay ondry aman’ osy sy omby tsara indrindra mba hovonoina hatao fanatitra ho an’ i Jehovah Andriamanitrao, fa ny sisa dia naringanay ihany avokoa.
Saul said, “They have brought them from the Amalekites; for the people spared the best of the sheep and of the cattle, to sacrifice to the LORD your God. We have utterly destroyed the rest.”
16 Dia hoy Samoela tamin’ i Saoly: Aoka izay, fa hambarako aminao izay nolazain’ i Jehovah tamiko halina. Ary hoy izy taminy: Ambarao ary.
Then Samuel said to Saul, “Stay, and I will tell you what the LORD said to me last night.” He said to him, “Say on.”
17 Dia hoy Samoela: Na dia noheverinao ho kely aza ny tenanao, moa tsy tonga lohan’ ny firenen’ Isiraely va? Ary Jehovah nanosotra anao ho mpanjakan’ ny Isiraely;
Samuel said, “Though you were little in your own sight, were not you made the head of the tribes of Israel? The LORD anointed you king over Israel;
18 ary Jehovah naniraka anao ka nanao hoe: Mandehana, ka aringano avokoa ny Amalekita mpanota, ary miadia aminy ambara-paharingany.
and the LORD sent you on a journey, and said, ‘Go, and utterly destroy the sinners the Amalekites, and fight against them until they are consumed.’
19 Koa nahoana ianao no tsy nihaino ny feon’ i Jehovah, fa nanao an-kazakazaka tamin’ ny babo ka nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah?
Why then did not you obey the LORD’s voice, but took the plunder, and did that which was evil in the LORD’s sight?”
20 Fa hoy Saoly tamin’ i Samoela: Efa nihaino ny feon’ i Jehovah ihany aho ka nandeha tamin’ izay nanirahan’ i Jehovah ahy ary nitondra an’ i Agaga, mpanjakan’ ny Amalekita, sady nandringana ny Amalekita rehetra.
Saul said to Samuel, “But I have obeyed the LORD’s voice, and have gone the way which the LORD sent me, and have brought Agag the king of Amalek, and have utterly destroyed the Amalekites.
21 Nefa nangalan’ ny olona ondry aman’ osy sy omby ny babo, dia izay soa avy tamin’ ny zavatra haringana, mba hovonoina hatao fanatitra ho an’ i Jehovah Andriamanitrao ao Gilgala.
But the people took of the plunder, sheep and cattle, the best of the devoted things, to sacrifice to the LORD your God in Gilgal.”
22 Fa hoy Samoela: Sitrak’ i Jehovah moa ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hafa alatsa-drà mihoatra noho ny mihaino ny feon’ i Jehovah? He! ny manafaka no tsara noho ny fanatitra, ary ny mihaino no tsara noho ny saboran’ ondrilahy.
Samuel said, “Has the LORD as great delight in burnt offerings and sacrifices, as in obeying the LORD’s voice? Behold, to obey is better than sacrifice, and to listen than the fat of rams.
23 Fa ny miodina dia toy ny heloka amin’ ny fankatovana, ary ny ditra dia toy ny manompo sampy sy terafima. Satria nandà ny tenin’ i Jehovah ianao, dia nolaviny tsy ho mpanjaka kosa.
For rebellion is as the sin of witchcraft, and stubbornness is as idolatry and teraphim. Because you have rejected the LORD’s word, he has also rejected you from being king.”
24 Ary hoy Saoly tamin’ i Samoela: Efa nanota aho, fa efa nandika ny tenin’ i Jehovah sy ny teninao; fa natahotra ny vahoaka aho ka nihaino ny feony.
Saul said to Samuel, “I have sinned; for I have transgressed the commandment of the LORD and your words, because I feared the people and obeyed their voice.
25 Koa ankehitriny, masìna ianao, mamelà ny heloko ary miverena amiko indray mba hiankohofako eo anatrehan’ i Jehovah.
Now therefore, please pardon my sin, and turn again with me, that I may worship the LORD.”
26 Fa hoy Samoela tamin’ i Saoly: Tsy hiverina aminao aho; fa ianao efa nandà ny tenin’ i Jehovah, ary Jehovah kosa efa nandà anao tsy ho mpanjakan’ ny Isiraely intsony.
Samuel said to Saul, “I will not return with you; for you have rejected the LORD’s word, and the LORD has rejected you from being king over Israel.”
27 Ary nony nihodina handeha Samoela, dia nohazonin’ i Saoly ny sisin’ akanjony ka triatra.
As Samuel turned around to go away, Saul grabbed the skirt of his robe, and it tore.
28 Dia hoy Samoela tamin’ i Saoly: Efa notriarin’ i Jehovah kosa ho afaka aminao androany ny fanjakan’ Isiraely ka efa nomeny ny namanao izay tsara noho ianao.
Samuel said to him, “The LORD has torn the kingdom of Israel from you today, and has given it to a neighbor of yours who is better than you.
29 Ary koa, ny Tokin’ ny Isiraely tsy mba handainga na hanenina, fa tsy olona Izy ka hanenina.
Also the Strength of Israel will not lie nor repent; for he is not a man, that he should repent.”
30 Fa hoy Saoly: Efa nanota aho izao, kanefa, masìna ianao, mba omeo voninahitra eo anatrehan’ ny loholoko sy eo anatrehan’ ny Isiraely aho, ary andeha re hiara-miverina amiko indray mba hiankohofako eo anatrehan’ i Jehovah Andriamanitrao.
Then he said, “I have sinned; yet please honor me now before the elders of my people and before Israel, and come back with me, that I may worship the LORD your God.”
31 Ary Samoela dia niverina nanaraka an’ i Saoly indray ary Saoly niankohoka teo anatrehan’ i Jehovah.
So Samuel went back with Saul; and Saul worshiped the LORD.
32 Dia hoy Samoela: Entonareo eto amiko Agaga, mpanjakan’ ny Amalekita. Ary Agaga nankeo aminy sady falifaly ka nanao hoe: Lasa tokoa ny fangidian’ ny fahafatesana.
Then Samuel said, “Bring Agag the king of the Amalekites here to me!” Agag came to him cheerfully. Agag said, “Surely the bitterness of death is past.”
33 Fa hoy Samoela: Toy ny tsy nampananan’ ny sabatrao zanaka ny vehivavy no tsy hananan’ ny reninao zanaka kosa ao amin’ ny vehivavy. Dia notetitetehin’ i Samoela teo anatrehan’ i Jehovah tao Gilgala Agaga.
Samuel said, “As your sword has made women childless, so your mother will be childless among women!” Then Samuel cut Agag in pieces before the LORD in Gilgal.
34 Ary Samoela nankany Rama; fa Saoly kosa niakatra tany amin’ ny tranony tao Gibean’ i Saoly.
Then Samuel went to Ramah; and Saul went up to his house to Gibeah of Saul.
35 Ary Samoela tsy namangy an’ i Saoly intsony ambara-pahafatiny; fa Samoela nalahelo an’ i Saoly. Ary Jehovah nanenina noho ny nanaovany an’ i Saoly ho mpanjakan’ ny Isiraely.
Samuel came no more to see Saul until the day of his death, but Samuel mourned for Saul. The LORD grieved that he had made Saul king over Israel.

< 1 Samoela 15 >