< 1 Samoela 14 >
1 Ary tamin’ ny indray andro dia hoy Jonatana, zanak’ i Saoly, tamin’ ny zatovo, mpitondra ny fiadiany: Andeha isika hankany amin’ ny miaramilan’ ny Filistina izay erỳ an-dafy erỳ. Nefa tsy nilaza tamin-drainy izy.
2 Ary Saoly nitoetra tao an-tsisin’ i Gibea teo ambanin’ ny hazo ampongabendanitra any Migrona; ary ny vahoaka teo aminy dia tokony ho enin-jato lahy;
3 ary teo koa nisalotra efoda Ahia, zanak’ i Ahitoba, rahalahin’ i Ikaboda, zanak’ i Finehasa, zanak’ i Ely, mpisoron’ i Jehovah tany Silo. Fa tsy fantatry ny olona fa lasa Jonatana.
4 Ary teo an-daniny roa teo an-tenatenan’ ny hadilanana izay nitadiavan’ i Jonatana hankanesana ao amin’ ny miaramilan’ ny Filistina dia nisy harambato kitso loha: ny anaran’ ny anankiray dia Bozeza, ary ny anaran’ ny anankiray kosa Sene.
5 Ny iray amin’ ireo harambato ireo dia nijoro avo teo an-daniny avaratra manandrify an’ i Mikmasy, ary ny iray kosa nijoro avo teo atsimo manandrify an’ i Gibea.
6 Ary hoy Jonatana tamin’ ny zatovo, mpitondra ny fiadiany: Andeha isika hankany amin’ ny miaramilan’ ireo tsy mifora ireo; angamba homba antsika Jehovah, fa tsy misy mahasakana an’ i Jehovah tsy hamonjy, na amin’ ny maro, na amin’ ny vitsy.
7 Dia hoy kosa ny mpitondra ny fiadiany taminy: Ataovy izay rehetra ao am-ponao; mandrosoa ihany; indro, hanaraka anao aho araka ny sitraponao.
8 Ary hoy Jonatana: Indro, handroso ho amin’ ireo olona ireo isika ka hiseho aminy.
9 Ary raha hoy izy: Andraso mandra-pahatonganay any aminareo, dia hitoetra ao amin’ izay itoerantsika ihany isika ka tsy hiakatra eny aminy.
10 Fa raha hoy kosa izy: Miakara etỳ aminay, dia hiakatra isika, fa efa natolotr’ i Jehovah eo an-tanantsika izy; ary izany no ho famantarana ho antsika.
11 Dia niseho tamin’ ny miaramilan’ ny Filistina izy roa lahy, ary hoy ny Filistina: Indreo, misy Hebreo mifongatra avy any an-davaka niereny.
12 Ary ny miaramila namaly an’ i Jonatana sy ny mpitondra ny fiadiany hoe: Miakara etỳ aminay, dia hanehoanay zavatra ianareo. Ary hoy Jonatana tamin’ ny mpitondra ny fiadiany: Manaraha ahy, fa efa natolotr’ i Jehovah eo an-tànan’ ny Isiraely izy.
13 Ary Jonatana nananika, nandady tongotra aman-tanana, ary nanaraka azy ny mpitondra ny fiadiany. Dia lavo teo anatrehan’ i Jonatana ny Filistina, ary ny mpitondra ny fiadiany namono teo aoriany.
14 Ary tokony ho roa-polo lahy no matiny aloha, izay novonoin’ i Jonatana sy ny mpitondra ny fiadiany tao anatin’ ny tany tokony ho antsasaky ny vavasa iray akera.
15 Koa nisy hovitra tao amin’ ny toby tany an-tsaha sy tamin’ ny vahoaka rehetra; ary ny teo amin’ ny miaramila sy ny mpandrava nangovitra koa, ary nihorohoro ny tany, ka dia nisy fampangovitana avy tamin’ Andriamanitra.
16 Ary ny mpitilin’ i Saoly ao Gibean’ ny Benjamina dia nitazana, ka, indro, niely ny vahoaka sady nifanaritaka be ihany.
17 Ary hoy Saoly tamin’ ny olona teo aminy: Alaharo, ka izahao izay niala tamintsika. Ary nony voalahatra ny olona, dia Jonatana sy ny mpitondra ny fiadiany no tsy teo.
18 Dia hoy Saoly tamin’ i Ahia: Ento etỳ ny fiaran’ Andriamanitra (fa teo amin’ ny Zanak’ Isiraely ny fiaran’ Andriamanitra fahizany).
19 Ary raha Saoly mbola niresaka tamin’ ny mpisorona, dia nandroso sy nitombo ny tabataba terỳ an-tobin’ ny Filistina. Ary hoy Saoly tamin’ ny mpisorona: Aoka ihany.
20 Ary Saoly sy ny vahoaka rehetra izay teo aminy nivory, ka dia tonga tany amin’ ny ady izy, ary indreo ny Filistina nifamely tamin’ ny sabany, dia izy samy izy, ka nifanaritaka be ihany.
21 Ary ny Hebreo izay teo amin’ ny Filistina taloha ka niara-niakatra taminy ho any an-toby avy tamin’ ny tany manodidina dia nikambana tamin’ ny Isiraely izay teo amin’ i Saoly sy Jonatana koa.
22 Ary ny lehilahy rehetra amin’ ny Isiraely izay niery tany amin’ ny tany havoan’ i Efraima, raha nandre ny nandosiran’ ny Filistina, dia nanenjika azy fatratra koa tamin’ ny ady.
23 Ary Jehovah namonjy ny Isiraely tamin’ izany andro izany; ary tafahoatra any Betavena ny ady.
24 Ary ory ny lehilahy amin’ ny Isiraely tamin’ izany andro izany, nefa Saoly efa nampianiana ny olona hoe: Ho voaozona anie izay olona homan-kanina anio tontolo andro mandra-pamaliko ny fahavaloko. Dia tsy nisy olona nitendry hanina na dia iray akory aza.
25 Ary ny olona rehetra amin’ ny tany dia niditra ny ala; ary nisy tantely teny ambonin’ ny tany.
26 Ary rehefa tonga teo anaty ala ny olona, indro, nisy tantely nitsororoka; fa tsy nisy olona sahy nanainga ny tànany ho amin’ ny vavany, fa natahotra ny fianianana izy.
27 Fa Jonatana kosa tsy nandre ny nampianianan-drainy ny olona; koa dia narosony ny loha-tehiny teny an-tànany ka natsobony teo amin’ ny tantely, ary nataony teo am-bavany ny tànany, ka dia nazava ny masony.
28 Ary nisy olona anankiray niteny taminy ka nanao hoe: Rainao anie ka efa nampianiana mafy ny olona hoe: Ho voaozona anie izay olona homan-kanina anio; ka efa reraka ny olona.
29 Dia hoy Jonatana: Ikaky efa nampiditra loza tamin’ ny tany; koa jereo, masìna ianareo, he! izato fahazavan’ ny masoko tamin’ ilay nanandramako kely tamin’ ity tantely ity.
30 Ka mainka fa raha navela hihinanan’ ny olona ny babo azony tamin’ ny fahavalony, tsy ho nahafatesana be lavitra va ny Filistina?
31 Ary izy ireo namely ny Filistina tamin’ izany andro izany hatrany Mikmasy ka hatrany Aialona, ary reraka indrindra ny olona.
32 Dia nanaovan’ ny olona an-kazakazaka ny babo, ka naka ondry aman’ osy sy omby ary zanak’ omby izy, dia namono azy teo amin’ ny tany, ka dia nohanin’ ny olona mbamin’ ny ràny.
33 Ary nisy nanambara tamin’ i Saoly hoe: Indro, ny olona manota amin’ i Jehovah, fa mihinana zavatra mbamin’ ny ràny izy. Ary hoy Saoly: Efa diso ianareo, manakodiava vato lehibe etỳ amiko anio.
34 Ary hoy koa izy: Mieleza eny amin’ ny olona ianareo, ka lazao aminy hoe: Samia mitondra ny ombiny etỳ amiko, ary samia mitondra ny ondriny, ka vonoy eto izy, dia hano, ary aza manota amin’ i Jehovah amin’ ny fihinanana zavatra mbamin’ ny ràny. Ary ny vahoaka rehetra samy nitondra ny ombiny niaraka taminy tamin’ izany alina izany ka namono azy teo.
35 Ary Saoly nanao alitara ho an’ i Jehovah; io no alitara voalohany naoriny ho an’ i Jehovah.
36 Ary hoy Saoly: Andeha isika hidina hanenjika ny Filistina anio alina ka hamabo azy ambara-pahazavan’ ny andro, ary tsy hasiantsika miangana izy. Dia hoy ny olona: Ataovy izay sitrakao. Fa hoy ny mpisorona: Andeha isika hanatona an’ Andriamanitra etoana.
37 Ary Saoly nanontany tamin’ Andriamanitra hoe: Hidina hanenjika ny Filistina va aho? Hatolotrao eo an-tànan’ ny Isiraely va izy? Fa tsy namaly azy akory Izy androtr’ iny.
38 Ary hoy Saoly: Manatona etỳ, ianareo loholona rehetra, ary fantaro ka izahao izay nahatonga izao fahotana androany izao?
39 Fa raha velona koa Jehovah, Izay Mpamonjy ny Isiraely, dia na amin’ i Jonatana zanako aza no hahitana izany, dia ho faty tokoa izy. Fa tsy nisy namaly azy ny vahoaka rehetra.
40 Dia hoy kosa izy tamin’ ny Isiraely rehetra: Hianareo no aoka ho an-daniny, ary izaho sy Jonatana zanako kosa ho an-daniny. Ary hoy ny vahoaka tamin’ i Saoly: Ataovy izay sitrakao.
41 Dia hoy Saoly tamin’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Asehoy izay marina. Ary Jonatana sy Saoly no notànany, fa afaka ny olona.
42 Ary hoy Saoly; Manaova filokana ny amiko sy Jonatana zanako. Ary Jonatana no notànany.
43 Dia hoy Saoly tamin’ i Jonatana: Ambarao amiko izay nataonao. Ary Jonatana nanambara taminy hoe: Nanandrana tantely kely monja tamin’ ny tendron’ ny tehina tetỳ an-tanako aho, ary, indro, tsy maintsy ho faty aho.
44 Dia hoy Saoly: Hataon’ Andriamanitra toy izany anie, eny mihoatra noho izany aza, raha tsy hatao maty tokoa ianao, ry Jonatana.
45 Fa hoy ny vahoaka tamin’ i Saoly: Ho faty va Jonatana, izay nanao izao famonjena lehibe izao tamin’ ny Isiraely? Sanatria izany! Raha velona koa Jehovah, tsy hisy na dia ny singam-bolony iray akory aza ho latsaka amin’ ny tany, fa niara-niasa tamin’ Andriamanitra izy androany. Ary ny vahoaka namonjy an’ i Jonatana, ka dia tsy maty izy.
46 Ary Saoly niakatra rehefa avy nanenjika ny Filistina; ary ny Filistina kosa dia lasa nankany amin’ ny taniny.
47 Ary Saoly nahazo ny fanjakan’ Isiraely ary niady tamin’ ny fahavalony rehetra manodidina, dia tamin’ ny Moaba sy ny taranak’ i Amona sy ny Edomita sy ny mpanjakan’ i Zoba ary ny Filistina; ary izay nalehany rehetra dia resiny avokoa.
48 Ary namory miaramila izy, dia namely ny Amalekita ka namonjy ny Isiraely tamin’ ny tànan’ izay namaboazy.
49 Ary izao no zanakalahin’ i Saoly: Jonatana sy Jisvy sy Malkisoa; izao kosa no anaran’ ny zananivavy roa: ny anaran’ ny vavimatoa Meraba, ary ny anaran’ ny faravavy Mikala.
50 Ary ny anaran’ ny vadin’ i Saoly dia Ahinoama, zanakavavin’ i Ahimaza: ary ny anaran’ ny komandin’ ny miaramilany dia Abnera, zanak’ i Nera, rahalahin-drain’ i Saoly.
51 Ary Kisy no rain’ i Saoly; ary Nera, rain’ i Abnera, dia zanak’ i Abiela.
52 Ary mafy ny ady tamin’ ny Filistina tamin’ ny andron’ i Saoly rehetra; koa raha nisy olona matanjaka sy mahery hitan’ i Saoly, dia nalainy ho azy.