< 1 Samoela 13 >
1 Telo-polo taona Saoly, raha vao nanjaka; ary nanjaka roa taona tamin’ ny Isiraely izy.
Sauli alikwa na umri wa miaka [thelathini] alipoanza kutawala; alipokuwa ametawala Israeli kwa miaka [arobaini],
2 Ary Saoly nifantina telo arivo lahy tamin’ ny Isiraely, ka ny roa arivo lahy nitoetra teo aminy tany Mikmasy sy tany amin’ ny tany havoan’ i Betela, ary ny arivo lahy nitoetra teo amin’ i Jonatana tany Gibean’ ny Benjamina; fa ny olona sisa kosa samy nampodiny ho any an-dainy avy.
aliwachagua wanaume elfu tatu wa Israeli. Elfu mbili walikuwa pamoja naye huko Mikmashi na katika nchi ya milima ya Betheli, wakati huo wale elfu moja walikuwa pamoja na Yonathani katika Gibea ya Benyamini. Askari waliobaki aliwarudisha nyumbani, kila mtu hemani kwake.
3 Ary Jonatana namely ny miaramilan’ ny Filistina, izay tany Geba, ary ren’ ny Filistina izany. Ary Saoly nampitsoka anjomara teny amin’ ny tany rehetra ka nanao hoe Aoka handre ny Hebreo.
Yonathani akaishinda ngome ya jeshi la Wafilisti iliyokuwa Geba na Wafilisti wakasikia habari hiyo. Baadaye Sauli alipiga tarumbeta katika nchi yote, akisema, “Sikieni enyi Waebrania.”
4 Dia ren’ ny Isiraely rehetra fa efa namely ny miaramilan’ ny Filistina Saoly, ka dia halan’ ny Filistina ny Isiraely. Dia nivory ny olona hanaraka an’ i Saoly ho any Gilgala.
Israeli yote imesikia kwamba Sauli ameipiga ngome ya Wafilisti, na pia kwamba Israeli imekuwa uvundo kwa Wafilisti. Ndipo askari wakaitwa kwa pamoja kuungana na Sauli huko Gilgali.
5 Ary ny Filistina telo alina an-kalesy sy enina arivo an-tsoavaly ary vahoaka betsaka tahaka ny fasika eny amoron-dranomasina dia nivory hiady tamin’ ny Isiraely; dia nandeha izy ka nitoby tany Mikmasy atsinanan’ i Betavena.
Wafilisti walijikusanya pamoja kupigana dhidi ya Waisraeli: magari elfu tatu, watu elfu sita wakuendesha magari, na majeshi mengi kama mchanga ufukoni mwa bahari. Wakapanda na kupiga kambi huko Mikimashi, mashariki mwa Beth aveni.
6 Ary nony hitan’ ny lehilahy amin’ ny Isiraely fa poritra izy (fa efa ory indrindra ny olona), dia nijery tany an-johy sy tany amin’ ny kirihitrala sy tany, amin’ ny harambato sy tany amin’ ny fierena ary tany amin’ ny lavaka famorian-drano izy.
Watu wa Israeli walipoona kuwa wapo katika matatizo -kwa maana watu walikata tamaa, wakajificha kwenye mapango, kwenye vichaka, kwenye miamba, kwenye visima na katika mashimo.
7 Ary ny Hebreo sasany dia lasa nita an’ i Jordana nankany amin’ ny tany Gada sy Gileada. Fa Saoly mbola tany Gilgala ihany, ary ny vahoaka rehetra nanaraka azy, nefa toran-kovitra be ihany.
Baadhi ya Waebrania walipanda kwenda Yordani katika nchi ya Gadi na Gileadi. Lakini Sauli alibaki Gilgali, na watu waliomfuata wakitetemeka.
8 Ary niandry hafitoana izy araka ny fotoana nataon’ i Samoela; fa Samoela tsy mbola tonga tany Gilgala; ary ny olona niely nandao an’ i Saoly.
Alisubiri kwa siku saba, muda uliopangwa na Samweli. Lakini Samweli hakufika huko Gilgali, na watu wakatawanyika mbali na Sauli.
9 Ary hoy Saoly: Ento etỳ amiko ny fanatitra dorana sy ny fanati-pihavanana; ka dia nanatitra ny fanatitra dorana izy.
Sauli akasema, “Nileteeni sadaka ya kuteketezwa na sdaka ya amani.” Kisha akatoa sadaka ya kuteketezwa.
10 Ary rehefa vita ny nanaterany ny fanatitra dorana, indro, tamy Samoela, ary nivoaka hitsena azy Saoly mba hiarahaba azy.
Mara tu alipomaliza kutoa sadaka ya kuteketezwa Samweli akawasili. Sauli akatoka nje wakutane na kumsalimia.
11 Dia hoy Samoela: Inona no nataonao? Ary hoy Saoly: Raha hitako fa niely nandao ahy ny olona, sady tsy tonga tamin’ ny fotoana ianao, ary tafangona tany Mikmasy ny Filistina,
Basi Samweli akasema, “Umefanya nini?” Sauli akajibu, “Nilipoona kwamba watu wanaiacha, na kwamba umechelewa hukufika kwa muda uliopangwa, na kwamba Wafilisti wamekwisha jikusanya huko Mikmashi,
12 dia hoy izaho: Hidina amin’ izao ny Filistina hamely ahy atỳ Gilgala, nefa tsy mbola nanao fifonana tamin’ i Jehovah aho; dia sahy ihany aho ka nanatitra ny fanatitra dorana.
nikasema, 'Sasa Wafilisti watashuka dhidi yangu huko Gilgali, na sijaomba kibali cha BWANA.' Kwa hiyo nikajilazimisha mwenyewe kutoa sadaka ya kuteketezwa.”.
13 Ary hoy Samoela tamin’ i Saoly: Nanao adala ianao; tsy nitandrina ny didin’ i Jehovah Andriamanitrao izay nandidiany anao ianao; fa raha tsy izany, ankehitriny Jehovah dia ho nampitoetra ny fanjakanao amin’ ny Isiraely ho mandrakizay.
Ndipo Samweli akamwambia Sauli, “Umetenda mambo ya kipumbavu. Hukuheshimu amri ya BWANA Mungu wako aliyokupatia. Kwa maana BWANA angeutengeneza utawala wako juu ya Israeli milele.
14 Koa izao dia tsy haharitra ny fanjakanao; Jehovah efa nitady lehilahy ho Azy araka ny fony, ary izay no voatendrin’ i Jehovah ho mpanapaka ny olony, satria tsy nitandrina izay nandidian’ i Jehovah anao ianao.
Lakini sasa utawala wako hautaendelea. BWANA ametafuta mtu anayekubaliwa na moyo wake, kwa sababu wewe hukutii alichokuamuru.”
15 Dia niainga Samoela ka niala tany Gilgala hankany Gibean’ ny Benjamina. Ary Saoly nandamina ny olona izay teo aminy, dia tokony ho enin-jato lahy reny.
Ndipo Samweli akasimama akapanda kutoka Gilgali hadi Gibea ya Benyamini. Basi Sauli akawahesabu watu waliokuwapo pamoja naye, idadi yao ilikuwa kama watu mia sita.
16 Ary raha mbola nitoetra tany Gibean’ ny Benjamina Saoly sy Jonatana zanany sy ny vahoaka teo amin’ izy roa lahy, ary ny Filistina kosa nitoby, tany Mikmasy.
Sauli, mtoto wake Yonathani, na watu waliokuwa pamoja nao, wakabaki Geba ya Benyamimni. Lakini Wafilisti wakapiga kambi huko Mikmashi.
17 dia nivoaka nanao telo toko ny mpandrava avy teo amin’ ny tobin’ ny Filistina: ny iray toko nizotra tamin’ ny lalana mankany Ofra ho any amin’ ny tany Solala;
Wateka nyara makundi matatu wakaja kutoka kambi ya Wafilisti. Kundi moja likapinda kuelekea Ofra, hadi nchi ya Shuali.
18 ary ny iray toko nizotra ho any amin’ ny lalana mankany Beti-horona; ary ny iray toko kosa nizotra ho any amin’ ny lalana mankany amin’ ny fari-tany manatrika ny lohasaha Zeboïma tandrifin’ ny efitra.
Kundi jingine likageuka kuelekea Bethholoni, na kundi jingine likaelekea katika mpaka kulikabili bonde la Seboimu kuelekea jangwani.
19 Ary teny amin’ ny tanin’ ny Isiraely rehetra tsy nisy mpanefy; fa hoy ny Fifistina: Andrao manefy sabatra na lefona ny Hebreo.
Hakuna hata mhunzi aliyeonekana katika nchi yote ya Israeli, kwa sababu Wafilisti walisema, “Waebrania wasije wakajitengenezea mapanga au mikuki.”
20 Ka dia samy nidina ho any amin’ ny Filistina ny Isiraely rehetra hanasa ny fangadiny sy ny fiasàny sy ny famakiny ary ny fihadia-taniny.
Lakini Waisraeli wote huwa wakiteremka kwa Wafilisti, kila mtu kunoa jembe lake, sululu yake, shoka lake na mundu wake.
21 Nefa nanana tsofa ihany izy handranitany ny fihadian-tany sy ny fiasàna sy ny telorantsana sy ny famaky ary handranitany ny fanindronan-omby.
Gharama za kunoa ncha za majembe, sululu, mashoka na kunyoosha michokoo ilikuwa theluthi moja ya shekeli.
22 Ary tamin’ ny andro niadiana dia tsy nisy sabatra na lefona hita teny an-tànan’ ny vahoaka rehetra izay eo amin’ i Saoly sy Jonatana; fa tamin’ i Saoly sy Jonatana zanany ihany no nisy.
Hivyo siku ya vita, hakukuwa na mapanga au mikuki iliyoonekana katika mikono yoyote ya askali waliokuwa na Sauli na Yonathani; Ni Sauli na mtoto wake tu ndio walikuwa nazo.
23 Ary ny avy tao amin’ ny miaramilan’ ny Filistina nivoaka ho ao amin’ ny hadilanana mankany. Mikmasy.
Vikosi vya Wafilisti wakatokeza katika nija ya Mikmashi.