< 1 Samoela 12 >
1 Ary hoy Samoela tamin’ ny Isiraely rehetra: Indro, efa nihaino ny teninareo aho tamin’ izay rehetra nolazainareo tamiko ka efa nanendry mpanjaka hanjaka aminareo.
Samuel dit à tout Israël: « Voici, j’ai écouté votre voix dans tout ce que vous m’avez dit, et j’ai établi un roi sur vous.
2 Ary ankehitriny, indro, ny mpanjaka mandeha eo anatrehanareo; fa izaho efa antitra sy fotsy volo; koa, indreo, eo aminareo ny zanako, ary izaho efa nandeha teo anatrehanareo hatry ny fony vao zaza ka mandraka androany.
Et maintenant, voici le roi qui marchera devant vous. Pour moi, je suis vieux, j’ai blanchi, et mes fils sont au milieu de vous; j’ai marché devant vous, depuis ma jeunesse jusqu’à ce jour.
3 Koa inty aho; tondroy maso eto anatrehan’ i Jehovah sy ny voahosony aho: ombin’ iza moa no nalaiko? na borikin’ iza no nalaiko? na an’ iza no nanaovako an-keriny? na iza no nampahoriko? na teo an-tànan’ iza no nandraisako kolikoly hahatampina ny masoko? fa honerako aminareo izany.
Me voici; rendez témoignage de moi, en présence de Yahweh et en présence de son oint: De qui ai-je pris le bœuf et de qui ai-je pris l’âne? À qui ai-je fait tort et qui ai-je opprimé? De qui ai-je reçu un présent pour fermer les yeux sur lui? Je vous le rendrai. »
4 Ary hoy ireo: Hianao tsy nanao an-keriny taminay, na nampahory anay, na naka zavatra teny an-tànan’ olona na dia iray akory aza.
Ils répondirent: « Tu ne nous as point fait tort, tu ne nous as point opprimés, et tu n’as rien reçu de la main de personne. »
5 Dia hoy Samoela taminy: Vavolombelona aminareo anio Jehovah, ary vavolombelona koa ny voahosony, fa tsy nisy zavatra hitanareo teo an-tanako na inona na inona. Dia hoy ireo: Eny, vavolombelona Izy.
Il leur dit: « Yahweh est témoin contre vous, et son oint aussi est témoin, en ce jour, que vous n’avez rien trouvé dans mes mains! » Le peuple répondit: « Il en est témoin. »
6 Ary hoy Samoela tamin’ ny olona: Jehovah no nanendry an’ i Mosesy sy Arona, ary nitondra ny razanareo niakatra avy tany amin’ ny tany Egypta.
Et Samuel dit au peuple: « Oui, Yahweh est témoin, lui qui a établi Moïse et Aaron, et qui a fait monter vos pères du pays d’Égypte.
7 Koa ankehitriny avia ianareo, fa hifandahatra aminareo eto anatrehan’ i Jehovah aho ny amin’ ny asa marina rehetra izay nataon’ i Jehovah taminareo sy ny razanareo.
Maintenant, présentez-vous, je veux vous appeler en jugement devant Yahweh au sujet de tous les bienfaits qu’il vous a accordés, à vous et à vos pères.
8 Rehefa tonga tany Egypta Jakoba, ka nitaraina tamin’ i Jehovah ny razanareo, Jehovah dia naniraka an’ i Mosesy sy Arona, ka ireo no nitondra ny razanareo nivoaka avy tany Egypta ary namponina azy teto amin’ ity tany ity.
Après que Jacob fut venu en Égypte, vos pères crièrent vers Yahweh, et Yahweh envoya Moïse et Aaron, qui firent sortir vos pères d’Égypte et les établirent dans ce lieu.
9 Nefa raha nanadino an’ i Jehovah Andriamaniny izy, dia namidiny ho eo an-tànan’ i Sisera, komandin’ ny miaramilan’ i Hazora, sy ho eo an-tànan’ ny Filistina ary ho eo an-tànan’ ny mpanjakan’ i Moaba, ka niadian’ ireo izy.
Mais ils oublièrent Yahweh, leur Dieu, et il les livra entre les mains de Sisara chef de l’armée d’Hasor, entre les mains des Philistins et entre les mains du roi de Moab, qui leur firent la guerre.
10 Dia nitaraina tamin’ i Jehovah izy ka nanao hoe: Efa nanota izahay, fa efa nahafoy an’ i Jehovah ka nanompo ireo Bala sy Astarta, nefa ankehitriny vonjeo amin’ ny tanan’ ny fahavalonay izahay, dia hanompo Anao.
Ils crièrent vers Yahweh, en disant: « Nous avons péché, car nous avons abandonné Yahweh et nous avons servi les Baals et les Astartés; délivrez-nous maintenant de la main de nos ennemis, et nous vous servirons. »
11 Ary Jehovah efa naniraka an’ i Jerobala sy Bedana sy Jefta ary Samoela, ka namonjy anareo tamin’ ny tanan’ ny fahavalonareo manodidina Izy, dia nandry fahizay ianareo.
Et Yahweh envoya Jérobaal et Badan, et Jephté et Samuel, et il vous délivra de la main de vos ennemis tout autour de vous, et vous avez habité vos demeures en sécurité.
12 Kanjo nony hitanareo fa avy hiady taminareo Nahasy, mpanjakan’ ny Amonita, dia hoy ianareo tamiko: Tsia, fa aoka hisy mpanjaka hanjaka aminay; kanefa Jehovah Andriamanitrareo no mpanjakanareo.
Et quand vous avez vu Naas, roi des fils d’Ammon marcher contre vous, vous m’avez dit: Non! mais un roi régnera sur nous! alors que Yahweh, votre Dieu, était votre roi.
13 Koa ankehitriny, indro ny mpanjaka izay nofidinareo sy nangatahinareo; ary indro fa Jehovah nanome mpanjaka hanjaka aminareo.
Voici donc le roi que vous avez choisi, que vous avez demandé; voici que Yahweh a établi un roi sur vous.
14 Enga anie ka hatahotra an’ i Jehovah sy hanompo Azy ary hihaino ny feony ka tsy handà ny didiny ianareo, fa samy hanaraka an’ i Jehovah Andriamanitrareo ianareo sy ny mpanjaka izay manjaka aminareo.
Si vous craignez Yahweh, si vous le servez et obéissez à sa voix, si vous n’êtes point rebelles au commandement de Yahweh et si vous suivez vous et le roi qui règne sur vous, Yahweh votre Dieu, …
15 Fa raha tsy mihaino ny tenin’ i Jehovah kosa ianareo, fa mandà ny didiny, dia hamely anareo ny tànan’ i Jehovah tahaka ny namelezany ny razanareo.
Mais si vous n’obéissez pas à la voix de Yahweh et si vous êtes rebelles au commandement de Yahweh la main de Yahweh sera contre vous, comme elle a été contre vos pères.
16 Koa mitsangàna ankehitriny, ka jereo izao zavatra lehibe hataon’ i Jehovah eto imasonareo izao:
Maintenant, restez encore, et voyez cette grande chose que Yahweh va opérer sous vos yeux.
17 Moa tsy taom-pijinjana vary tritika va izao? Hiantso an’ i Jehovah aho, ary hahatonga kotrokorana sy orana Izy, dia ho hitanareo sy ho fantatrareo fa lehibe ny ratsy nataonareo teo imason’ i Jehovah, satria nangataka mpanjaka ianareo.
N’est-ce pas maintenant la moisson des blés? Eh bien, je vais invoquer Yahweh, et il enverra des tonnerres et de la pluie; vous saurez alors et vous verrez combien grand est aux yeux de Yahweh le mal que vous avez fait en demandant pour vous un roi. »
18 Ary Samoela niantso an’ i Jehovah, ary Jehovah nahatonga kotrokorana sy orana tamin’ izany andro izany; ary ny vahoaka rehetra dia natahotra an’ i Jehovah sy Samoela indrindra.
Samuel invoqua Yahweh et Yahweh envoya ce même jour des tonnerres et de la pluie; et tout le peuple eut une grande crainte de Yahweh et de Samuel.
19 Dia hoy ny vahoaka rehetra tamin’ i Samoela: Mangataha amin’ i Jehovah Andriamanitrao ho an’ ny mpanomponao, Fandrao maty izahay! fa efa nanao izao ratsy Izao izahay ho fanampin’ ny fahotanay rehetra, satria nangataka mpanjaka ho anay.
Tout le peuple dit à Samuel: « Prie pour tes serviteurs Yahweh, ton Dieu, afin que nous ne mourions pas, car nous avons ajouté à tous nos péchés le tort de demander pour nous un roi. »
20 Ary hoy Samoela tamin’ ny vahoaka: Aza matahotra; efa nanao izany ratsy rehetra izany tokoa ianareo; kanefa aza mivily tsy hanaraka an’ i Jehovah; fa manompoa Azy amin’ ny fonareo rehetra.
Samuel dit au peuple: « Ne craignez point. Vous avez fait tout ce mal, mais ne cessez pas de suivre Yahweh, et servez Yahweh de tout votre cœur.
21 Eny, aza mivily; fa manaraka ireo zava-poana ianareo, izay tsy mahasoa na mahavonjy; fa zava-poana ireo.
Ne vous en détournez point, car ce serait pour aller à des choses de néant, qui ne vous donneraient ni profit ni délivrance, parce que ce sont des choses de néant.
22 Fa Jehovah tsy hahafoy ny olony noho ny anarany lehibe, satria sitrak’ i Jehovah ny nanaovany anareo ho olony.
Car Yahweh n’abandonnera pas son peuple, à cause de son grand nom; car il a plu à Yahweh de faire de vous son peuple.
23 Ary ny amiko, sanatria raha hanota amin’ i Jehovah aho ka hitsahatra tsy hangataka ho anareo; fa izaho hanoro anareo izay lalana tsara sy mahitsy.
Loin de moi aussi de pécher contre Yahweh, en cessant de prier pour vous! Je vous enseignerai le bon et droit chemin.
24 Kanefa matahora an’ i Jehovah ianareo, ka manompoa Azy marina amin’ ny fonareo rehetra; fa eritrereto izao zavatra lehibe nataony ho anareo izao.
Craignez seulement Yahweh, et servez-le en vérité de tout votre cœur; car voyez quelles grandes choses il a faites au milieu de vous!
25 Fa raha mbola manao ratsy ihany ianareo, dia haringana ianareo sy ny mpanjakanareo koa.
Mais si vous persévérez à faire le mal, vous périrez, vous et votre roi. »