< 1 Samoela 10 >
1 Ary Samoela nitondra tavoara feno diloilo ka nanidina ny diloilo teo an-dohan’ i Saoly, dia nanoroka azy ka nanao hoe: Tsy nanosotra anao va Jehovah mba ho mpanapaka ny lovany?
Тада Самуило узе уљаницу, и изли му уље на главу, па га пољуби, и рече му: Ето, није ли те помазао Господ над наследством својим да му будеш вођ?
2 Rehefa misaraka amiko ianao anio, dia hahita olona roa lahy eo anilan’ ny fasan-dRahely, ao amin’ ny fari-tanin’ ny Benjamina, ao Zelza, ary izy ireo hilaza aminao hoe: Efa hita ny boriky izay notadiavinao; ary, indro, tsy ny boriky intsony no heverin’ ny rainao, fa ianareo kosa indray no ahiny, ka hoy izy: Ahoana re no hataoko ny amin’ ny zanako?
Кад отидеш данас од мене, наћи ћеш два човека код гроба Рахиљиног у крају Венијаминовом у Селси, који ће ти рећи: Нашле су се магарице, које си пошао да тражиш, и ево отац твој не марећи за магарице забринуо се за вас говорећи: Шта ћу чинити поради сина свог?
3 Dia handroso hiala ao ianao ka ho tonga ao amin’ ny hazo terebinta any Tabara, dia hifanena amin’ ny olona telo lahy miakatra ho any amin’ Andriamanitra any Betela, ny anankiray mitondra zanak’ osy telo, ny anankiray mitondra mofo telo, ary ny anankiray mitondra divay iray tavoara;
И отишавши оданде даље кад дођеш у равницу таворску, срешће те онде три човека идући к Богу у Ветиљ, носећи један три јарета, а други носећи три хлеба, а трећи носећи мешину вина.
4 ary hiarahaba anao ireo sy hanome anao mofo roa, dia horaisinao amin’ ny tànany izany.
Па ће те упитати за здравље, и даће ти два хлеба, које прими из руку њихових.
5 Rehefa afaka izany, dia ho tonga any Gibean’ Andriamanitra ianao, izay misy miaramilan’ ny Filistina; ary rehefa tonga ao an-tanàna ianao, dia hifanena amin’ ny mpaminany maro irai-dia midìna avy ao amin’ ny fitoerana avo mitondra lokanga sy ampongatapaka sy sodina ary valiha eo alohany, dia haminany ireo.
Потом ћеш доћи на хум Божји, где је стража филистејска, и кад уђеш у град, срешће те гомила пророка силазећи с горе, а пред њима псалтири и бубњи и свирале и гусле; и они ће пророковати.
6 Ary hilatsaka aminao ny Fanahin’ i Jehovah, ka hiara-maminany aminy ianao, dia ho voaova ho olom-baovao.
И сићи ће на те дух Господњи, те ћеш пророковати с њима, и постаћеш други човек.
7 Ary rehefa tonga aminao ireo famantarana ireo, dia ataovy izay azon’ ny tananao atao, fa Andriamanitra no momba anao.
И кад ти дођу ти знаци, чини шта ти дође на руку, јер је Бог с тобом.
8 Ary ianao hidina eo alohako ho any Gilgala, ary indro aho hidina ho any aminao mba hanatitra fanatitra dorana sy fanati-pihavanana; ka hafitoana no hitoeranao mandra-pahatongako aminao, dia holazaiko aminao izay hataonao.
Потом ћеш отићи пре мене у Галгал, и гле, ја ћу доћи к теби да принесем жртве паљенице и да принесем жртве захвалне. Седам дана чекај докле дођем к теби и кажем ти шта ћеш чинити.
9 Ary raha vao nihodina niala tamin’ i Samoela izy, dia nomen’ Andriamanitra fo vaovao; ary tonga avokoa androtrizay ihany ireo famantarana rehetra ireo.
И кад се окрете да иде од Самуила, Бог му даде друго срце; и сви се они знаци збише онај дан.
10 Ary rehefa tonga tany Gibea, izy indro, ny mpaminany maro irai-dia nifanena taminy; dia nilatsaka tamin’ i Saoly ny Fanahin’ Andriamanitra, ka naminany teo aminy izy.
И кад дођоше на хум, гле, срете га гомила пророка, и дође на њ дух Божји, и пророкова међу њима.
11 Ary nony hitan’ izay rehetra nahalala azy hatramin’ ny taloha fa, indro, maminany eo amin’ ny mpaminany izy, dia nifampilaza ny olona ka nanao hoe: Inona izao tonga amin’ ny zanak’ i Kisy izao? Saoly koa va mba isan’ ny mpaminany?
И кад га видеше, сви који га познаваху од пре где пророкује с пророцима, рекоше један другом: Шта то би од сина Кисовог? Еда ли је и Саул међу пророцима?
12 Ary ny anankiray teo namaly hoe: Fa iza moa no rain’ ireny? Ary izany no nisehoan’ ny fitenenana hoe: Saoly koa va mba isan’ ny mpaminany?
А један оданде одговори и рече: Ко ли им је отац? Отуда поста прича: Еда ли је и Саул међу пророцима?
13 Ary rehefa nitsahatra naminany Saoly, dia nankeo amin’ ny fitoerana avo.
И преставши пророковати дође на гору.
14 Ary hoy ny rahalahin-drain’ i Saoly taminy sy tamin’ ny mpanompony: Taiza no alehanareo? Ary hoy izy: Nitady ny boriky izahay; ka nony tsy hitanay izy, dia nankany amin’ i Samoela izahay.
А стриц Саулов рече њему и момку његовом: Куда сте ишли? А он одговори: Да тражимо магарице; и кад видесмо да их нигде нема, отидосмо к Самуилу.
15 Ary hoy ny rahalahin-drain’ i Saoly: Masìna ianao, lazao amiko izay nolazain’ i Samoela taminao.
А Стриц Саулов рече: Кажи ми шта вам је рекао Самуило?
16 Dia hoy Saoly tamin’ ny rahalahin-drainy: Nolazainy marimarina taminay fa efa hita ny boriky. Fa ilay nolazain’ i Samoela ny amin’ ny fanjakana tsy mba nambarany taminy.
А Саул рече стрицу свом: Казао нам је да су се нашле магарице. Али му не рече за царство што му је казао Самуило.
17 Ary Samoela namory ny vahoaka ho any Mizpa ho any amin’ i Jehovah
А Самуило сазва народ у Миспу ка Господу.
18 ka nanao tamin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Izaho nitondra ny Isiraely niakatra avy tany Egypta ka namonjy anareo tamin’ ny tanan’ ny Egyptiana sy tamin’ ny tanan’ ny fanjakana rehetra izay nampahory anareo.
И рече синовима Израиљевим: Овако вели Господ Бог Израиљев: Ја изведох Израиља из Мисира, и избавих вас из руку мисирских и из руку свих царстава која вас мучаху.
19 Nefa ianareo kosa efa nandà an’ Andriamanitrareo androany, Izay mamonjy anareo amin’ ny zavatra manjo anareo sy ny fahorianareo rehetra; fa hoy ianareo taminy: Tsia, fa manendre mpanjaka ho anay. Koa ankehitriny, mijanòna eo anatrehan’ i Jehovah araka ny firenenareo sy ny arivonareo avy.
А ви данас одбацисте Бога свог, који вас сам избавља од свих зала ваших и невоља ваших, и рекосте му: Постави цара над нама. Сада дакле станите пред Господом по племенима својим и по хиљадама својим.
20 Dia nampanatona ny firenen’ Isiraely rehetra Samoela, ka ny firenen’ i Benjamina no voafidy.
И приведе Самуило сва племена Израиљева, и паде на племе Венијаминово.
21 Dia nampanatona ny firenen’ i Benjamina araka ny fokony avy izy, ary ny fokon’ ny Matrita no voafidy. Dia voafidy Saoly, zanak’ i Kisy; ary raha nitady azy ny olona, dia tsy nahita azy.
Потом приведе племе Венијаминово по породицама његовим, и паде на породицу Матријеву; потом паде на Саула, сина Кисовог. И тражише га, али се не нађе.
22 Dia nanontany tamin’ i Jehovah indray ny olona, na mba efa tonga ao ralehilahy, na tsia. Ary hoy Jehovah: Indro, miery ao amin’ ny entana izy.
Тада опет упиташе Господа: Хоће ли још доћи овамо тај човек? А Господ рече: Ето сакрио се за пртљагом.
23 Dia nihazakazaka ny olona ka naka azy tao; ary rehefa nitsangana teo afovoan’ ny olona izy, dia nanan-tombo noho ny olona rehetra hatramin’ ny sorony no ho miakatra ny halavany.
Тада отрчаше, и доведоше га оданде. И стаде усред народа, и беше главом виши од свега народа.
24 Ary hoy Samoela tamin’ ny vahoaka rehetra: Hitanareo va izay nofidin’ i Jehovah, fa tsy misy tahaka azy eo amin’ ny vahoaka rehetra? Dia nihoby ny vahoaka rehetra ka nanao hoe: Ho ela velona anie ny mpanjaka.
И рече Самуило свему народу: Видите ли кога је изабрао Господ да нико није као он у свему народу? И сав народ повика и рече: Да живи цар!
25 Ary Samoela nilaza tamin’ ny olona izay mety ho fitondrana ny fanjakana, dia nosoratany tamin’ ny taratasy izany ka napetrany teo anatrehan’ i Jehovah. Ary ny vahoaka rehetra samy nampodin’ i Samoela ho any an-tranony avy.
Тада Самуило каза народу права царска и написа у књигу, и метну је пред Господом. Потом Самуило распусти народ да иде свак својој кући.
26 Fa Saoly kosa nandeha nody tany Gibea, ary nomba azy ny olona maro, izay voatendrin’ ny tànan’ Andriamanitra ny fony.
И Саул такође отиде својој кући у Гавају, и с њим отидоше војници, којима Бог такну срца.
27 Fa nisy kosa olona tena ratsy fanahy nanao hoe: Hataon’ io lehilahy io ahoana no famonjy antsika? Dia nanazimba an’ i Saoly ireo ka tsy nitondra fanomezana ho azy. Nefa Saoly dia tahaka ny marenina.
А људи неваљали рекоше: Тај ли ће нас избавити? И презираху га, нити му донесоше дар. Али се он учини као да није чуо.