< 1 Petera 1 >
1 Petera, Apostolin’ i Jesosy Kristy, mamangy ny mpivahiny monina any am-pielezana any Ponto, Galatia, Kapadokia, Asia sy Bitynia, dia olom-boafidy
耶穌基督的宗徒伯多祿致書給散居在本都、迦拉達、卡帕多細雅、亞細亞和彼提尼雅作旅客的選民:
2 araka ny fahalalana rahateo, izay an’ Andriamanitra Ray, amin’ ny fanamasinan’ ny Fanahy, ho amin’ ny fanarahana sy ny famafazan’ ny ran’ i Jesosy Kristy: hampitomboina ho anareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana.
你們被召選,是照天主的預定;受聖神祝聖,是為服事耶穌基督,和分沾他寶血洗淨之恩。願恩寵和平安豐富地賜予你們!
3 Isaorana anie Andriamanitra, Rain’ i Jesosy Kristy Tompontsika, Izay niteraka antsika indray araka ny haben’ ny famindram-pony ho amin’ ny fanantenana velona tamin’ ny nitsanganan’ i Jesosy Kristy tamin’ ny maty,
願我們的主耶穌基督的天主和父受讚美!他因自己的大仁慈,藉耶穌基督由死者中的復活,重生了我們,為獲得那充滿生命的希望,
4 ho amin’ ny lova tsy mety simba, tsy misy loto, tsy mety levona, voatahiry any an-danitra ho anareo,
為獲得那為你們已存留在天上的不壞、無瑕、不朽的產業,
5 izay arovan’ ny herin’ Andriamanitra amin’ ny finoana ho amin’ ny famonjena efa vonona haseho any am-parany.
因為你們原是為天主的能力所保護,為使你們藉著信德,而獲得那已準備好,在最後時期出現的救恩。
6 Izany no iravoravoanareo, na dia ampalahelovina vetivety ankehitriny amin’ ny fakam-panahy maro samy hafa aza ianareo, raha tsy maintsy hisy izany,
為此,你們要歡躍,雖然如今你們暫時還該在各種試探中受苦,
7 mba ho hita ho fiderana sy voninahitra ary fankalazana ny fizahan-toetra ny finoanareo (izay tsara lavitra noho ny volamena mety ho simba, na dia voazaha toetra tamin’ ny afo aza), dia amin’ ny hisehoan’ i Jesosy Kristy;
這是為使你們的信德,得以精煉,比經過火煉而仍易消失的黃金,更有價值,好在耶穌基督顯現時,堪受稱讚、光榮和尊敬。
8 Izay, na dia tsy mbola hitanareo aza, dia tianareo, ary na dia tsy hitanareo ankehitriny aza, anefa, satria inoanareo, dia iravoravoanareo amin’ ny fifaliana tsy azo tononina sady be voninahitra,
你們雖然沒有見過他,卻愛慕他;雖然你們如今仍看不見他,還是相信他;並且以不可言傳,和充滿光榮的喜樂而歡躍,
9 mandray ny anton’ ny finoanareo, dia ny famonjena ny fanahy.
因為你們已把握住信仰的效果:靈魂的救恩。
10 Ny amin’ izany famonjena izany dia notadiavin’ ny mpaminany sy nokatsahiny fatratra, dia ireo efa naminany ny fahasoavana ho anareo;
關於這救恩,那些預言了你們要得恩寵的先知們,也曾經尋求過,考究過,
11 eny, nokatsahiny izay andro na izay toetry ny andro notondroin’ ny Fanahin’ i Kristy ao anatiny, raha nambarany rahateo ny fijalian’ i Kristy sy ny voninahitra manaraka izany.
就是考究那在他們內的基督的聖神,預言那要臨於基督的苦難,和以後的光榮時,指的是什麼時期,或怎樣的光景。
12 Ary naseho tamin’ ireo fa tsy ho azy, fa ho anareo no nanompoany ny amin’ izany zavatra izany, izay voalaza aminareo ankehitriny, tamin’ ny tenin’ ireo nitory ny filazantsara taminareo amin’ ny Fanahy Masìna, Izay nirahina avy tany an-danitra; izany zavatra izany dia tian’ ny anjely hodinihina.
這一切給他們啟示出來,並不是為他們自己,而是為給你們服務;這一切,如今藉著給你們宣傳福音的人,依賴由天上派遣來的聖神,傳報給你們;對於這一切奧蹟,連眾天使也都切望窺探。
13 Koa amin’ izany sikino ny sainareo, dia mahonona tena, ka antenao tsara ny fahasoavana izay ho entina ho anareo amin’ ny hisehoan’ i Jesosy Kristy;
為此,你們要束上腰,謹守心神;要清醒,要全心希望在耶穌基督顯現時,給你們帶來的恩寵;
14 tahaka ny zanaka manoa, tsy mitondra tena araka ny filanareo fahiny tamin’ ny tsi-fahalalanareo;
要做順命的子女,不要符合你們昔日在無知中生活的慾望,
15 fa araka ny fahamasinan’ ilay niantso anareo, dia aoka mba ho masìna koa ianareo amin’ ny fitondran-tena rehetra,
但要像那召叫你們的聖者一樣,在一切生活上是聖的,
16 satria voasoratra hoe: “Ho masìna ianareo, satria masìna Aho”.
因為經上記載:『你們應是聖的,因為我是聖的。』
17 Ary raha Ilay tsy mizaha tavan’ olona, fa mitsara araka ny asan’ izy rehetra, no antsoinareo hoe Ray, dia mitondrà tena amin’ ny fahatahorana mandritra ny andron’ ny fivahinianareo etỳ;
你們既稱呼那不看情面,而只按每人的作為行審判者為父,就該懷著敬畏,度過你們這旅居的時期。
18 fa fantatrareo fa tsy zavatra mety ho simba, tahaka ny volafotsy sy ny volamena, no nanavotana anareo tamin’ ny fitondran-tena adala, izay azonareo tamin’ ny nentin-drazana,
該知道:你們不是用能朽壞的金銀等物,由你們祖傳的虛妄生活中被贖出來的,
19 fa ny rà soan’ i Kristy, toy ny ran’ ny zanak’ ondry tsy misy kilema ary tsy misy pentimpentina;
而是用寶血,即無玷無瑕的羔羊基督的寶血。
20 Izay fantatra rahateo, fony tsy mbola ary ny fanorenan’ izao tontolo izao, fa efa naseho tamin’ izao andro farany izao noho ny aminareo
他固然是在創世以前就被預定了的,但在最末的時期為了你們纔出現,
21 Izay mino an’ Andriamanitra amin’ ny alalany, dia Ilay nanangana Azy tamin’ ny maty ka nanome voninahitra Azy, ― mba hiorenan’ ny finoanareo sy ny fanantenanareo amin’ Andriamanitra.
為使你們因著他,而相信那使他由死者中復活,並賜給他光榮的天主:這樣你們的信德和望德,都同歸於天主。
22 Satria efa nodiovinareo ny fanahinareo tamin’ ny fanarahana ny fahamarinana ho amin’ ny fitiavan-drahalahy tsy miangatra dia mifankatiava fatratra amin’ ny fo;
你們既因服從真理,而潔淨了你們的心靈,獲得了真實無偽的弟兄之愛,就該以赤誠的心,熱切相愛,
23 fa efa teraka indray ianareo, tsy tamin’ ny voa mety ho lò, fa tamin’ ny tsy mety ho lò, dia ny tenin’ Andriamanitra, izay velona sady maharitra. (aiōn )
因為你們原是賴天主生活而永存的聖言,不是由於能壞的,而是由於不能壞的種子,得以重生。 (aiōn )
24 Fa “ny nofo rehetra dia tahaka ny ahitra, Ary izay mety ho voninahiny dia tahaka ny vonin’ ny ahitra. Malazo ny ahitra, ka mihintsana ny voniny;
因為『凡有血肉的都似草,他的一切美麗都似草上的花:草枯萎了,花也就凋謝了;
25 Fa ny tenin’ ny Tompo maharitra mandrakizay”. Ary izany no tenin’ ny filazantsara izay notorina taminareo. (aiōn )
但上主的話卻永遠常存:』這話就是傳報給你們的福音。 (aiōn )