< 1 Petera 4 >
1 Koa satria niaritra tamin’ ny nofo Kristy, dia alao mba ho fiadianareo izany saina izany; fa izay niaritra tamin’ ny nofo dia efa afaka tamin’ ny ny ota;
Seeing therefore Christ hath suffered for us in the flesh, arm yourselves likewise with the same thought, that he, who hath mortified the flesh, hath ceased from sin;
2 mba tsy handanianareo ny andro sisa iainanareo amin’ ny nofo araka ny filan’ ny olona intsony, fa araka ny sitrapon’ Andriamanitra.
that he should no longer live the rest of his time in the flesh according to the lusts of men, but after the will of God.
3 Fa ampy izay ny andro lasa ho nanaovana ny fanaon’ ny jentilisa tamin’ ny nandehanana tamin’ ny fijejojejoana sy ny fanirian-dratsy sy ny fimamoana sy ny filalaovan-dratsy sy ny fisotroan-toaka ary ny fanompoan-tsampy izay fady indrindra;
For the time past of our life is sufficient for us to have wrought the will of the Gentiles, walking in lasciviousness, inordinate desires, excess of wine, revellings, drunkenness, and abominable idolatries:
4 ary amin’ izany dia gaga izy ireo, satria tsy miara-mihazakazaka aminy ianareo amin’ izany fanaranam-po amin’ ny ratsy izany, ka dia teneniny ratsy;
in which they think it strange that ye run not with them into the same excess of riot, and therefore speak evil of you:
5 nefa hampamoahin’ ilay efa vonona hitsara ny velona sy ny maty
who shall give an account to Him, who is ready to judge the living and the dead.
6 Fa noho izany no nitoriana ny filazantsara tamin’ izay maty aza; mba hotsaraina araka ny olona amin’ ny nofo izy fa ho velona araka an’ Andriamanitra amin’ ny fanahy.
For to this end was the gospel preached also to them that are dead, that they might be judged indeed according to men in the flesh, but might live according to God in the spirit.
7 Fa antomotra ny faran’ ny zavatra rehetra; koa hendre ka mahonòna tena ho amin’ ny fivavahana.
But the end of all things draws nigh: be ye therefore sober, and watch unto prayer:
8 Ary mihoatra noho ny zavatra rehetra, mifankatiava tsara; fa “ny fitiavana manarona fahotana maro”
having above all things fervent love to each other; for love will cover a multitude of sins.
9 Mifampiantranoa, ka aza mimonomonona.
Be hospitable one to another, without grudging;
10 Samia mifanompo araka ny fanomezam-pahasoavana izay noraisinareo, dia tahaka ny mpitandrina tsara ny fahasoavana maro samy hafa izay an’ Andriamanitra.
as every one hath received a gift, imparting it to each other, as good stewards of the manifold grace of God.
11 Rana misy olona miteny, dia aoka izy hiteny toy ny milaza tenin’ Andriamanitra, raha misy olona manompo, dia aoka izy hanao izany araka ny hery izay omen’ Andriamanitra azy; mba hankalazana an’ Andriamanitra amin’ ny zavatra rehetra amin’ ny alalan’ i Jesosy Kristy; fa Azy ny voninahitra sy ny fanjakana mandrakizay mandrakizay. Amena, (aiōn )
If any one speak, let it be as declaring the oracles of God: if any one minister, let it be as from the power which God affordeth him: that in all things God may be glorified through Jesus Christ, to whom be the glory and dominion for ever and ever. Amen. (aiōn )
12 Ry malala, aza gaga noho ny fizahan-toetra mahamay izay mahazo anareo ho fitsapan-toetra, ary aza atao ho zavatra mahagaga manjo anareo izany,
Beloved, be not surprised at the fiery trial coming upon you, which is to try you, as if some strange thing befel you:
13 fa araka ny iombonanareo fijaliana amin’ i Kristy, dia mifalia, mba hiravoravoanareo indrindra amin’ ny fisehoan’ ny voninahiny koa.
but rejoice in that ye are partakers in the sufferings of Christ; that, when his glory shall be revealed, ye may also rejoice with exceeding joy.
14 Sambatra ianareo, raha haratsina noho ny anaran’ i Kristy, fa ny Fanahin’ ny voninahitra, dia ny Fanahin’ Andriamanitra, mipetraka ao aminareo.
If ye be reproached for the name of Christ, happy are ye; for the Spirit of glory and of God resteth upon you: and though as to them He is blasphemed, yet as to you He is glorified.
15 Fa aoka tsy hisy aminareo hijaly satria mpamono olona, na mpangalatra, na mpanao ratsy, na mpiraharaha ny an’ olona.
But let none of you suffer as a murderer, or as a thief, or as a malefactor, or as an intermeddler with other people's affairs.
16 Fa raha misy mijaly satria Kristiana, dia aoka tsy ho menatra izy; fa aoka hankalaza an’ Andriamanitra amin’ izany anarana izany izy.
But if any suffer as a Christian, let him not be ashamed; but let him glorify God herein.
17 Fa tonga ny andro hiantombohan’ ny fitsarana hatrao amin’ ny ankohonan’ Andriamanitra; ary raha miantomboka amintsika izany, dia hanao ahoana kosa no hiafaran’ izay tsy manaiky ny filazantsaran’ Andriamanitra?
For the time is coming when judgement is to begin at the house of God: and if at us first, what will be the end of those that obey not the gospel of God?
18 Ary “raha saiky tsy voavonjy ny marina, aiza no hisehoan ny ratsy fanahy sy sy ny mpanota?”.
And if the righteous be saved with difficulty, where shall the ungodly and the sinner appear?
19 Koa izay mitondra fahoriana araka ny sitrapon’ Andriamanitra, dia aoka ny fanaovan-tsoa no hanolorany ny fanahiny ho an’ ilay mahatoky, dia ny Mpanao azy.
Wherefore let them, that suffer according to the will of God, commit their souls in well-doing to Him as to a faithful Creator.