< 1 Petera 1 >
1 Petera, Apostolin’ i Jesosy Kristy, mamangy ny mpivahiny monina any am-pielezana any Ponto, Galatia, Kapadokia, Asia sy Bitynia, dia olom-boafidy
Pita, Manzo Yesu Kristi, hi ni bi tsri wawu'u, ni wa ba chu ba ni-gbu Pontus, Galashiya, Kappodosiya, Ashiya ni Bitiniya.
2 araka ny fahalalana rahateo, izay an’ Andriamanitra Ray, amin’ ny fanamasinan’ ny Fanahy, ho amin’ ny fanarahana sy ny famafazan’ ny ran’ i Jesosy Kristy: hampitomboina ho anareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana.
A hi tie u Irji - Tietie wa'a toh ko shishi'a, nda tie ndu ni Ruhuma u wo tre mba u iyi Yesu Kristi wa'a ka-vra. Ndu Zizih hu'yi, u'si suron mbi ndu babrahn.
3 Isaorana anie Andriamanitra, Rain’ i Jesosy Kristy Tompontsika, Izay niteraka antsika indray araka ny haben’ ny famindram-pony ho amin’ ny fanantenana velona tamin’ ny nitsanganan’ i Jesosy Kristy tamin’ ny maty,
Irji ni'tti Bachi mbu ndu kpa gbre-san. Ni Khikle llo suron ma, a nnota ingrji să ma ni yo suron ni tashimme Yesu Kristi.
4 ho amin’ ny lova tsy mety simba, tsy misy loto, tsy mety levona, voatahiry any an-danitra ho anareo,
Gado yi a wa ana gla na, ana tie memme na, nda na khle na. Ba mlau zi ni yiwu ni shulu.
5 izay arovan’ ny herin’ Andriamanitra amin’ ny finoana ho amin’ ny famonjena efa vonona haseho any am-parany.
Irji hrawu ni gbengble ma ni'wa wu nyime ni kpa chuwo wa ba tsoro ni'nton bi khle.
6 Izany no iravoravoanareo, na dia ampalahelovina vetivety ankehitriny amin’ ny fakam-panahy maro samy hafa aza ianareo, raha tsy maintsy hisy izany,
Bi ngiri kpukpo me ni wu, duk ni wa a mla bi, na he wiye me nitu gbugbu ya-a.
7 mba ho hita ho fiderana sy voninahitra ary fankalazana ny fizahan-toetra ny finoanareo (izay tsara lavitra noho ny volamena mety ho simba, na dia voazaha toetra tamin’ ny afo aza), dia amin’ ny hisehoan’ i Jesosy Kristy;
Iwayi tsro suron kpa nyime mbi, a bi zan zinariya wa ani tie meme'a, ko ba goun ni llu. A tie to'mba dun suron'mbi dun fe gbire-san, daraja mba nzu suron ivi wa ba tsuro Yesu Kristi'a.
8 Izay, na dia tsy mbola hitanareo aza, dia tianareo, ary na dia tsy hitanareo ankehitriny aza, anefa, satria inoanareo, dia iravoravoanareo amin’ ny fifaliana tsy azo tononina sady be voninahitra,
Bi rihen towu, u bi sonwu. Bina towu zizan na, u bi kpa nyime niwu ndi ngiri wa'a zan wa bana tre-e na.
9 mandray ny anton’ ny finoanareo, dia ny famonjena ny fanahy.
Bi ki kpa ɖï mbi zizahn yi wa'ahe nitu yo'suron mbi, wa ani kpa yi chuwo.
10 Ny amin’ izany famonjena izany dia notadiavin’ ny mpaminany sy nokatsahiny fatratra, dia ireo efa naminany ny fahasoavana ho anareo;
Ni tu chu'chuwo mbi'a, Anabawa ba bă hla tre alheri wa ani ye ni yi'a, ba frowa nda froya sren-me,
11 eny, nokatsahiny izay andro na izay toetry ny andro notondroin’ ny Fanahin’ i Kristy ao anatiny, raha nambarany rahateo ny fijalian’ i Kristy sy ny voninahitra manaraka izany.
Ba wá ba toh ka ba nha u ntoh wa Ruhu Kristi nimi mba sia tre ni ba-a. U wayi asi ti ka wa asi hla ni bawu nitu iya u Kristi ni kikkle kpi wa ba ye ni gohn.
12 Ary naseho tamin’ ireo fa tsy ho azy, fa ho anareo no nanompoany ny amin’ izany zavatra izany, izay voalaza aminareo ankehitriny, tamin’ ny tenin’ ireo nitory ny filazantsara taminareo amin’ ny Fanahy Masìna, Izay nirahina avy tany an-danitra; izany zavatra izany dia tian’ ny anjely hodinihina.
Ba nhara-a bawu ndi bana ki ti ndu'a u mba na, amma bi yi, wa ba tre nitu kpi wa ba hla yiwu'a ni nyu biwa ba bla tre Irji ni yiwu ni zo Ruhu Irji wa a rji shu'a - ikpi wa Malaiku ba wa to'a.
13 Koa amin’ izany sikino ny sainareo, dia mahonona tena, ka antenao tsara ny fahasoavana izay ho entina ho anareo amin’ ny hisehoan’ i Jesosy Kristy;
U bi ka lo suron mbi nji. Sohn nchen meh. Yo suron nitu Aleri wa ba njiye ni yiwu ni ntoh wa ba bwu ni yiwu Yesu Kristi.
14 tahaka ny zanaka manoa, tsy mitondra tena araka ny filanareo fahiny tamin’ ny tsi-fahalalanareo;
Na immri bi woh-tre, na yo tu-mbi ti kpe wa bi si ta ti ni ntoh wa bina toh Irji na.
15 fa araka ny fahamasinan’ ilay niantso anareo, dia aoka mba ho masìna koa ianareo amin’ ny fitondran-tena rehetra,
Na wawu wa a yo yi son ni nkinklah suron, biyi ngameh ban nkinklah suron'a ni-ti-mbi.
16 satria voasoratra hoe: “Ho masìna ianareo, satria masìna Aho”.
Ba nha ndi, son ni nkinklah suron, u Me ngameh mi he ni nkinklah suron.
17 Ary raha Ilay tsy mizaha tavan’ olona, fa mitsara araka ny asan’ izy rehetra, no antsoinareo hoe Ray, dia mitondrà tena amin’ ny fahatahorana mandritra ny andron’ ny fivahinianareo etỳ;
U to bi yo “iti” wawu yi ni yi sheriya ni ko-nha nda na ya shishi njo na, njiu mgbamgbah ni zren meh.
18 fa fantatrareo fa tsy zavatra mety ho simba, tahaka ny volafotsy sy ny volamena, no nanavotana anareo tamin’ ny fitondran-tena adala, izay azonareo tamin’ ny nentin-drazana,
Bi to ndi ana ni silva ko gold wa ani gla mba A kpa yi chuwo rji ni memme ti nkprah wa bi vu-rji ni ba ti-mbi na.
19 fa ny rà soan’ i Kristy, toy ny ran’ ny zanak’ ondry tsy misy kilema ary tsy misy pentimpentina;
Naki, A kpa yi chuwo ni iyi u Kristi, wa-a na he ni lla-tre mpempe meh na.
20 Izay fantatra rahateo, fony tsy mbola ary ny fanorenan’ izao tontolo izao, fa efa naseho tamin’ izao andro farany izao noho ny aminareo
Irji chu Kristi rji ni memmle wa-a yo nchi u ti mgbumgblu'a, u a bwu ni yiwu ni ntoh bi wa ba kle yi.
21 Izay mino an’ Andriamanitra amin’ ny alalany, dia Ilay nanangana Azy tamin’ ny maty ka nanome voninahitra Azy, ― mba hiorenan’ ny finoanareo sy ny fanantenanareo amin’ Andriamanitra.
Wawu yi bwu nkoh u kpa Irji ni tawu, wa A nzuw rji nimi biwa ba kyu u nda nu ruron u chu, nitu kii yo suron mbi ni he tu-nkoh Irji.
22 Satria efa nodiovinareo ny fanahinareo tamin’ ny fanarahana ny fahamarinana ho amin’ ny fitiavan-drahalahy tsy miangatra dia mifankatiava fatratra amin’ ny fo;
Bi kpa suron mbi du kpan nitu bi wo tre njanji'a. Wayi he nitu son u njanji u mmri vayi; bi ka son kpa-mbi rji nimi suron mbi.
23 fa efa teraka indray ianareo, tsy tamin’ ny voa mety ho lò, fa tamin’ ny tsy mety ho lò, dia ny tenin’ Andriamanitra, izay velona sady maharitra. (aiōn )
Ba ngrji yi ngari, ana rji ni bi wa-ani ti memme na, a rji ni bi wa-ana ti memme na, ni kii bi kpa vri mba imbru tre Irji'a. (aiōn )
24 Fa “ny nofo rehetra dia tahaka ny ahitra, Ary izay mety ho voninahiny dia tahaka ny vonin’ ny ahitra. Malazo ny ahitra, ka mihintsana ny voniny;
U “ikpa yi he na giga, ibi ngame he na u flawa u giga. Giga ba ba kyu, u flawa ba kuhle,
25 Fa ny tenin’ ny Tompo maharitra mandrakizay”. Ary izany no tenin’ ny filazantsara izay notorina taminareo. (aiōn )
U tre Irji na kle na. Wayi ahi tre njanji wa ba hla ni yiwu. (aiōn )