< 1 Mpanjaka 9 >

1 Ary rehefa vitan’ i Solomona ny nanaovany ny tranon’ i Jehovah sy ny lapan’ ny mpanjaka araka izay rehetra efa niriny hatao,
After Solomon had finished the Lord's Temple and the royal palace, having accomplished everything he'd wanted to do,
2 dia niseho tamin’ i Solomona indray Jehovah tahaka ilay nisehoany taminy tao Gibeona.
the Lord appeared to him a second time, as he had appeared to him at Gibeon.
3 Ary hoy Jehovah taminy: Efa reko ny vavakao sy ny fifonanao izay nataonao teo anatrehako; koa efa nohamasiniko ity trano nataonao ity mba hampitoerana ny anarako mandrakizay: ary ho amin’ ity mandrakariva ny masoko sy ny foko.
The Lord told him, “I have heard your prayer and your request to me. I have dedicated this Temple you have built by placing my name on it forever; I will always watch over it and take care of it.
4 Ary raha ianao handeha eo anatrehako tahaka ny nandehanan’ i Davida rainao tamin’ ny fahitsian’ ny fo sy ny fahamarinana ka hanao araka izay rehetra nandidiako anao ary hitandrina ny didiko sy ny fitsipiko,
As for you, if you follow my ways as your father David did, doing everything I've told you to do, and if you keep my laws and regulations,
5 dia hampitoeriko mandrakizay amin’ ny Isiraely ny seza fiandrianan’ ny fanjakanao, araka ilay nolazaiko tamin’ i Davida rainao hoe: Tsy ho diso zanakalahy amin’ ny seza fiandrianan’ ny Isiraely ianao.
then I will make your throne secure forever. I made this agreement with your father David, telling him, ‘You will always have a descendant to rule over Israel.’
6 Fa raha miala amin’ ny fanarahana Ahy kosa ianareo na ny zanakareo ka tsy mitandrina ny lalàko sy ny didiko, izay nataoko teo anoloanareo, fa mandeha manompo andriamani-kafa sy miankohoka eo anatrehany,
But if you or your descendants turn away and do not keep the laws and the commandments I have given you, and if you go and serve and worship other gods,
7 dia hofongorako tsy ho amin’ ny tany izay nomeko azy ny Isiraely; ary ity trano izay nohamasiniko ho an’ ny anarako ity dia hofongorako tsy ho eo imasoko; ary ny Isiraely ho tonga ohabolana sy ambentinteny any amin’ ny firenena rehetra;
then I will cut Israel off from the land I have given them. I will banish from my presence this Temple I have dedicated to my honor, and I will make it an object lesson of ridicule among the nations.
8 ary na dia avo aza ity trano ity, dia mbola hitalanjonan’ izay rehetra mandalo izy sady hisitrisirany ka hanaovany hoe: Naninona re no dia nataon’ i Jehovah toy izao ity tany sy ity trano ity?
This Temple will become a pile of rubble. All who pass by it will be appalled and will hiss, saying, ‘Why has the Lord acted in such a way to this land and this Temple?’
9 Ary hisy hamaly hoe: Satria ny olona nahafoy an’ i Jehovah Andriamaniny, Izay nitondra ny razany nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta, ary nikikitra tamin’ andriamani-kafa sy niankohoka teo anatrehany ka nanompo azy, dia izany no nampidiran’ i Jehovah izao loza rehetra izao taminy.
The answer will come, ‘Because they abandoned the Lord their God, who brought their forefathers out of Egypt, and have embraced other gods, worshiping them and serving them. That's why the Lord has brought all this trouble upon them.’”
10 Ary nony afaka ny roa-polo taona nanaovan’ i Solomona ny trano roa, dia ny tranon’ i Jehovah sy ny lapan’ ny mpanjaka
It took twenty years for Solomon to construct the two buildings—the Temple of the Lord and his own palace. After this,
11 (Hirama, mpanjakan’ i Tyro, nanome an’ i Solomona hazo sedera sy hazo kypreso ary volamena, araka izay rehetra niriny), dia nomen’ i Solomona tanàna roa-polo tany amin’ ny tany Galilia kosa Hirama.
King Solomon gave twenty towns in Galilee to Hiram king of Tyre, because Hiram had provided him with all the cedar and juniper and gold he wanted.
12 Ary Hirama niala tany Tyro hizaha ny tanàna izay nomen’ i Solomona azy, ka tsy tiany ireny.
But when Hiram went from Tyre to see the cities that Solomon had given him, he was not happy with them.
13 Dia hoy izy: Hatao inona ireo tanàna nomenao ahy ireo, ry rahalahiko? Ary ireny dia natao hoe tany Kobola mandraka androany.
“What are these towns you have given me, my brother?” asked Hiram. He called them the land of Cabul, the name they are known by to this day.
14 Ary Hirama nampanatitra talenta volamena roa-polo amby zato ho an’ ny mpanjaka.
Even so, Hiram sent the king 120 talents of gold in payment.
15 Ary izao no toetry ny fanompoana nampanaovin’ i Solomona mpanjaka ny olona, tamin’ ny nanaovany ny tranon’ i Jehovah sy ny lapan’ andriana ary Milo sy ny màndan’ i Jerosalema, sy Hazora sy Megido ary Gazera
Here is the account of the forced labor that King Solomon imposed to build the Lord's Temple, his own palace, the terraces, and the wall of Jerusalem, as well as Hazor, Megiddo, and Gezer.
16 (fa Farao, mpanjakan’ i Egypta, efa niakatra, dia nahafaka an’ i Gazera ka nandoro azy tamin’ ny afo; ary ny Kananita izay nitoetra tao an-tanàna dia novonoiny, ary ny tanàna dia nomeny ho haren-jazavavy ho an’ ny zananivavy, vadin’ i Solomona),
Pharaoh, king of Egypt, had attacked and captured Gezer. He had set it on fire, killed the Canaanites living in the town. He had then given it as a wedding dowry to his daughter, Solomon's wife.
17 ary, Solomona nanamboatra an’ i Gazera sy Beti-horona ambany
Solomon rebuilt Gezer and lower Beth-horon,
18 sy Baleta sy Tadmora any an-efitra, amin’ ny tany Samata,
Baalath and Tamar in the wilderness, in the land of Judah,
19 ary ny tanàna fitehirizana rehetra izay nananan’ i Solomona sy ny tanàna fitoeran’ ny kalesy sy ny tanàna fitoeran’ ny mpitaingin-tsoavaly sy izay tian’ i Solomona haorina tany Jerosalema sy tany Libanona ary tany amin’ ny tany nanjakany rehetra.
and all of Solomon's towns for storage, and the towns for his chariots and for his horsemen, plus whatever Solomon wanted to build in Jerusalem, in Lebanon, and throughout his entire kingdom.
20 Ary ny olona sisa rehetra tamin’ ny Amorita sy ny Hetita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita, izay tsy isan’ ny Zanak’ Isiraely,
The descendants of the Amorites, Hittites, Perizzites, Hivites and Jebusites (people who were not Israelites)
21 dia ny taranany izay sisa nandimby azy teo amin’ ny tany, izay tsy azon’ ny Isiraely naringana avokoa, no nampanaovin’ i Solomona fanompoana mandraka androany.
who remained in the land—those whom the Israelites were unable to destroy completely—were conscripted by Solomon to work as forced laborers, as they continue to do to this day.
22 Fa ny Zanak’ Isiraely dia tsy mba nampanaovin’ i Solomona izany; fa izy kosa no miaramila sy mpanompony sy komandy sy mpanafika malaza sy komandin’ ny kalesiny sy ny mpitaingin-tsoavaliny.
But Solomon did not enslave any of the Israelites. They were his soldiers, officials, commanders, captains, chariot commanders, and horsemen.
23 Izao no isan’ ny mpifehy ny olona voatendry izay nitandrina ny asan’ i Solomona: dimam-polo amby dimam-jato lahy no mpifehy ny mpiasa.
They were also the chief officers in charge of Solomon's programs: 550 in command of the people who carried out the work.
24 Ary rehefa niakatra avy any an-Tanànan’ i Davida ny zanakavavin’ i Farao hankany amin’ ny tranony izay nataon’ i Solomona ho azy, dia nanao an’ i Milo koa izy.
Once Pharaoh's daughter had moved from the City of David to the palace that Solomon had built for her, he built the city terraces.
25 Ary intelo isan-taona no nanateran’ i Solomona fanatitra dorana sy fanati-pihavanana teo ambonin’ ny alitara izay naoriny ho an’ i Jehovah, sady nandoro ditin-kazo manitra teo ambonin’ ny alitara teo anatrehan’ i Jehovah izy. Ka toy izany no nahavitany ny trano.
Three times each year Solomon sacrificed burnt offerings and friendship offerings on the altar he had built for the Lord, burning incense before the Lord with them, and so fulfilled what was required at the Temple.
26 Ary Solomona mpanjaka nanao sambo tao Ezion-gebera, izay ao anilan’ i Elota, ao amoron’ ny Ranomasina Mena, amin’ ny tany Edoma.
King Solomon built a fleet of ships at Ezion-geber, which is near Eloth on the shore of the Red Sea, in the land of Edom.
27 Ary Hirama nampandeha ny vahoakany tamin’ ny sambo, dia matilô izay nahay ranomasina, hiaraka amin’ ny vahoakan’ i Solomona.
Hiram sent his sailors who knew the sea to serve in the fleet with Solomon's men.
28 Ary nankany Ofira ireo, dia naka talenta volamena roa-polo amby efa-jato, ka nentiny tany amin’ i Solomona mpanjaka izany.
They sailed to Ophir and brought back 420 talents of gold from there and delivered it to Solomon.

< 1 Mpanjaka 9 >