< 1 Mpanjaka 7 >
1 Ary telo ambin’ ny folo taona no nanaovan’ i Solomona ny lapany, dia vita.
Ilimchukua Sulemani miaka kumi na tatu kujenga ikulu yake.
2 Fa nanao ilay trano Alan’ i Libanona izy: zato hakiho ny lavany, dimam-polo hakiho ny sakany, ary telo-polo hakiho ny hahavony, teo ambonin’ ny andry sedera efatra an-dalana mbamin’ ny sedera rairainy teo ambonin’ ny andry.
Aliijenga ikulu iliyoitwa mwitu wa Lebanoni. Urefu wake ulikuwa mita 46, na upanawake ulikuwa mita 23, na kimo chake kilikuwa mita 14. Nayo ilikuwa na safu nne ya nguzo za mierezi na mithili ya mwerezi juu ya nguzo.
3 Ary ireo efi-trano teo ambonin’ ny andry notafoany hazo sedera; ary ny isany dia dimy ambin’ ny folo isan’ an-dalana, ka dimy amby efa-polo izy rehetra.
Paa la ikulu lilikuwa la mwerezi ambalo lilikaa juu ya mihimili. Mihili hiyo ilikuwa imeshikiliwa na nguzo. Kulikuwa na mihimili arobaini na tano, ambayo ilikuwa katika safu kumi na tano.
4 Ary ny rairainy dia telo an-dalana, ary ny varavarankely dia nifanandrify intelo.
Nayo mihimili ilikuwa safu tatu, na kila dirisha lilikabili dirisha lingine katika madaraja matatu.
5 Ary ny varavarana rehetra sy ny tolana dia natao efa-joro; ary ny varavarankely nifanandrify intelo.
Milango yote na miimo ilitengenezwa kwa mraba, na madirisha yalikuwa yakikabiliana katika madaraja matatu
6 Ary dia nataony koa ny lavarangana maro andry; dimam-polo hakiho ny lavany, ary telo-polo hakiho ny sakany; nisy koa ny lavarangana fidirana teo anoloany; ary nisy andry sy tokonana koa teo anoloan’ io.
Akatengeneza baraza lenye uerfu wa mita 23 na upana wa mita 14. Mbele yake kulikuwa na ukumbi ulioezekwa.
7 Ary nataony koa ny lavarangana hitoeran’ ny seza fiandrianana izay hitsarany, dia ny lavarangana fitsarana; ary nataony hazo sedera avokoa ny gorodona rehetra.
Sulemani akajenga baraza yenye kiti cha enzi ambacho alitolea hukumu ya haki. Nayo ilikuwa imeezekwa kwa mwerezi kutoka sakafu moja hadi nyingine.
8 Ary ny tranony izay nitoerany teo amin’ ny kianja hafa tao anatinatiny kokoa noho ny lavarangana fidirana dia nitovy rafitra tamin’ io koa. Ary Solomona nanao trano tahaka izany lavarangana fidirana izany koa ho an’ ny zanakavavin’ i Farao, izay efa nampakariny ho vady.
Nyumba ya Sulemani ambayo alikusudia kuishi, katika behewa nyingine ndani ya sehemu ya chini ya ikulu, ilitengenezwa kwa kazi hiyo hiyo. Pia alimjengea binti wa Farao nyumba kama hii, ambaye alikuwa mke wake
9 Izany rehetra izany dia vato tsara avokoa voapaika araka ny marika, sady voatsofa ny atiny sy ny ivelany, hatramin’ ny fanambaniny ka hatramin’ ny tongolany, ary teo ivelany koa hatramin’ ny kianja lehibe.
Majengo haya yalipmbwa kwa vitu vya thamaini, mawe ya thamani, yaliyochongwa na kukatwa kwa msimeno kufuata vipimo sahihi na kulainishwa pande zote. Mawe ya namna hii ndiyo yale yaliyotumika kuanzia kwenye msingi hadi juu, pia na nje hadi kwenye baraza.
10 Ary vato tsara sady lehibe ny fanorenany, dia vato folo hakiho sy valo hakiho.
Msingi ulijengwa kwa mawe makubwa sana na ya thamani yenye urefu wa mita 3. 7 na mengine mita 4. 8.
11 Ary teo ambony nisy vato tsara voapaika araka ny marika sy hazo sedera;
Kwa juu ilipambwa kwa, mawe ya thamani yaliyochongwa sawa sawa kwa msimeno na kwa mihimili ya mierezi.
12 ary manodidina ny kianja lehibe dia nasiany vato voapaika telo an-dalana sy hazo sedera iray an-dalana, tahaka ny amin’ ny kianja anatiny amin’ ny tranon’ i Jehovah sy amin’ ny lavarangana fidirana amin’ ny trano.
Na behewa kubwa iliyokuwa ikizunguka ikulu ilikuwa na safu tatu za mawe yaliyokatwa na safu moja ya mihimili ya mierezi kama ilivyo kwenye baraza la ndani la hekalu la BWANA na ule ukumbi wa hekalu.
13 Ary Solomona mpanjaka naniraka haka an’ i Hirama avy tany Tyro.
Mfalme Sulemani alituma watu kumleta Huramu kutoka Tiro.
14 Zanaky ny vehivavy mpitondra-tena tamin’ ny firenen’ i Naftaly izy, nefa rainy dia lehilahy Tyriana, mpiasa varahina; feno fahendrena sy fahiratan-tsaina ary fahaizana izy hahavitany ny asa varahina rehetra. Dia tonga tao amin’ i Solomona mpanjaka Hirama ka nanao izay asa rehetra tao aminy.
Huramu alikuwa mwana wa mjane wa kabila ya Naftali; baba yake alikuwa mtu wa Tiro, mfua shaba. Huramu alikuwa mwingi wa hekima na ufahamu na stadi za kufanya kazi kubwa za shaba. Aliletwa kwa mfalme ili kufanya kazi zilizohusiana na shaba kwa mfalme.
15 Dia nanao ny andry varahina roa izy: valo ambin’ ny folo hakiho avy ny hahavony, ary roa ambin’ ny folo hakiho ny manodidina azy.
Huramu alizilemba zile nguzo mbili za shaba, kila moja ilikuwa na kimo cha mita 8. 3 na mzingo wa mita 5. 5.
16 Ary nanao kapitaly varahina roa an-idina izy hatao eo amin’ ny tampon’ ny andry: dimy hakiho avy ny hahavony,
Akatengeneza taji mbili za shaba za kuwekwa juu ya zile nguzo. Kimo cha kila taji ilikuwa mita 2. 3.
17 ary harato sy fesitona miolana amin’ ny kapitaly izay teo amin’ ny tampon’ ny andry avy: fito amin’ ny kapitaly iray, ary fito koa amin’ ny kapitaly iray.
Kulikuwa na nyavu za kuwa kama kazi ya kusuka, na masongo ya mikufu, kwa ajili ya kuvipamba vile vichwa vya nguzo, nayo yailikuwa saba kwa kila kichwa.
18 Ary nanao ny andry izy, ary nisy roa an-dalana manodidina tamin’ ny asa harato iray, hafono ny kapitaly izay teo an-tampon’ ny andry; ary toy izany koa no nataony tamin’ ny kapitaly iray.
Kwa hiyo Huramu akafanya safu mbili za komamanga kuzunguka vile vichwa vya nguzo ili kuvipamba vile vichwa.
19 Ary ny kapitaly izay teo an-tampon’ ny andry dia nataony mitarehim-boninkazo lilia tahaka ny amin’ ny lavarangana fidirana, ary efatra hakiho ny hahavony;
Zile taji kwenye vile vichwa vya nguzo za ukumbi zilikuwa zimepambwa kwa maua, yenye vimo vya mita 1. 8.
20 ary ny kapitaly teo an-tampon’ ny andry roa dia teo ambony koa, teo akaikin’ ny kibony izay anatin’ ny harato; ary nisy sarin’ ampongabendanitra roan-jato nifanandalana nanodidina ny kapitaly avy.
Hizo taji kwenye hizo nguzo mbili kwenye vichwa vyake, karibu yake kulikuwa na makomamanga mia mbili yote yakiwa kwenye safu.
21 Ary ny andry dia natsangany teo amin’ ny lavarangana fidirana amin’ ny efitra lehibe: ny andry ankavanana natsangany, ka ny anarany nataony hoe Jakina; ary ny andry ankavia natsangany koa, ka ny anarany nataony hoe Boaza.
Alisimamisha nguzo kwenye ukumbi wa hekalu. Ile nguzo ya kuume akaipa jina la Yakini, na ile ya kushoto akaipa jina la Boazi.
22 Ary nisy natao mitarehim-boninkazo lilia teo an-tampon’ ny andry. Toy izany no nahavitany ny asa tamin’ ny andry.
Na juu ya zile nguzo kulikuwa na mapambo kama maua. Hivyo ndivyo zile nguzo zilivyotengenezwa.
23 Ary nanao ny tavin-drano an-idina boribory lehibe izy, ka folo hakiho no halehiben’ ny vavany ary dimy hakiho ny hahavony, ary telo-polo hakiho ny manodidina azy.
Tena akafanya bahari ya kusubu ya, yenye mita 2. 3 kutoka ukingo hadi ukingo, kimo chake kilikuwa mita 4. 6, mziingo wake ulikuwa mita 13. 7.
24 Ary tambanin’ ny molotry ny tavin-drano lehibe manodidina nisy sarim-boantango manodidina azy, folo amin’ ny iray hakiho manodidina ny tavin-drano lehibe, ary naidiny ho roa an-dalana ny sarim-boantango sady niara-nataony an-idina tamin’ ny tavin-drano.
Na chini ya ile bahari kulikuwa na vibuyu vilivyoizunguka, vilikuwa vibuyu kumi na nane katika kila mita, vilivyowekwa katika kila hicho kipande wakati bahari inapokuwa kalibu.
25 Ary ny tavin-drano dia nipetraka tambonin’ ny sarin’ omby roa ambin’ ny folo; ny telo nanatrika ny avaratra, ny telo nanatrika ny andrefana, ny telo nanatrika ny atsimo, ary ny telo nanatrika ny atsinanana; ary ny tavin-drano lehibe dia teo ambonin’ ireo, ary niady vody izy rehetra.
Bahari ikakaa juu ya makisai kumi na mbili, tatu, zilitazama kaskazini, tatu zikitazama magharibi, tatu zikitazama kusini na tatu zikitazama kaskazini. Ile bahari iliwekwa juu yao, na pande zao zote za nyuma zilikuwa ndani.
26 Ary ny hateviny dia vodivoam-pelatanana, ary ny molony nataony tahaka ny molotry ny kapoaka, dia tahaka ny vonin’ ny lilia; ary nahalany roa arivo bata izy.
Bahari ilikuwa nene kama upana wa mkono, na ukingo wake ulikuwakama ukingo wa kikombe, kama ua la yungi huingia bathi elfu mbili za maji.
27 Ary nanao ny fitoeran-tavin-drano varahina folo izy: efatra hakiho ny lavan’ ny anankiray, ary efatra hakiho koa ny sakany, ary telo hakiho ny hahavony.
Huramu akatengeneza makalio kumi ya shaba. Kila kalio lilkuwa na urefu wa mita 1. 8, upana wa mita 1. 8, na kimo cha mita 1. 3.
28 Ary toy izao ny asa amin’ ireo fitoeran-tavin-drano ireo: nisy kobany izy, ary ireo kobany ireo dia teo anatin’ ny sisiny;
Hivi ndivyo kazi za makalio zilivyofanywa. Yalikuwa na papi ambazo zilikaa kati kati ya vipandio,
29 ary tamin’ ny kobany izay nohodidinin’ ny sisiny dia nisy sarin-diona sy omby ary kerobima; ary teo ambonin’ ny sisiny koa nisy faladiany; ary teo ambanin’ ny sarin-diona sy omby nisy fesitona mihantona.
na juu ya papi na vipandio kulikuwa na simba, makisai, na makerubi. Chini na juu simba kulikuwa na masongo ya kazi ya kufuliwa.
30 Ary isan’ ireo fitoeran-tavin-drano ireo nisy kodia varahina efatra sy tanan-kodia varahina, ary ny tongony efatra nisy sorony; teo ambanin’ ny tavin-drano no nisy ny sorony an-idina manandrify ny fesitona tsirairay.
Kila kalio lilikuwa na magurudumu ya shaba na vipini, na pande zake nne na miguu yake minne ilikuwa na mataruma chini ya birika. Chini ya birika yalikuweko mataruma ya kusubu yenye masongo katika kila upande.
31 Ary ny vavan’ ny fitoeran-tavin-drano dia teo anatin’ ny kapitaliny, ary mbola nisy iray hakiho teo ambonin’ io; ary ny vavany dia hakiho iray sy tapany sady boribory tahaka ny amin’ ny faladia, ary tamin’ ny vavany koa nisy soratra, ary ny kobany teo aminy dia efajoro, fa tsy boribory.
Na kinywa chake kilikuwa cha kuviringana, chenye upana wa sentimita araobaini na sita, na ile taji ilikuwa na sentimita ishirini na tatu. Na kinywa chake kilikuwa na nakshi, na papi zake zilikuwa za mraba, na wala siyo za mvringo.
32 Ary ny kodia efatra dia teo ambanin’ ny kobany; ary ny fihazonana ny tanan-kodia dia nikambana tamin’ ny fitoeran-tavin-drano ihany; ary hakiho iray sy tapany ny hahavon’ ny kodia.
Yale magurudumu mawili yalikuwa chini ya papi, na mikono ya magurudumu yalikuwa ndani ya makalio. Kimo cha yale magurudumu kilikuwa sentimeta sitini na tisa.
33 Ary ny fomban’ ny kodia dia tahaka ny amin’ ny kodian-kalesy: ny tànany sy ny boriboriny manodidina azy sy ny tanamasoandrony ary ny foitrany dia nataony an-idina avokoa.
Yale magurudumu yalikuwa kama ya gari. Mikono yake, na maduara, matindi yake, na vipande vya ndani vyote vilikuwa vya kusubu.
34 Ary nisy sorony efatra tamin’ ny zorony efatra amin’ ny fitoeran-tavin-drano iray, sady nitranga avy teo amin’ ny fitoeran-tavin-drano ireo.
Kulikuwa na mataruma manne katika pande zake nne za makalio, yaliyokuwa yameshikamanishwa na kalio lenyewe.
35 Ary teo an-tampon’ ny fitoeran-tavin-drano dia nisy boribory manodidina, irain-jehy ny hahavony; ary teo an-tampon’ ny fitoeran-tavin-drano koa ny fitombenany sy ny kobany dia natao an-idina iray aminy.
Juu ya makalio kulikuwa na duara yenye kina cha sentimita ishirini na tatu, na juu ya makalio mashikio yake na papi zake zikiwa zimeshikamanishwa.
36 Fa ny koban’ ny sorony sy ny kobany hafa nosoratany nasiany sarin’ ny kerobima sy liona ary hazo rofia, araka izay nahafeno azy avy, sady nasiany fesitona manodidina.
Juu ya mabamba na papi zake Huramu akachora makerubi, simba, na mitende ambayo ilifunika nafasi ya juu, nayo ilikuwa imezungukwa na masongo.
37 Tahaka izany no nanaovany ny fitoeran-tavin-drano folo: samy natao an-idina avokoa, ary nitovy halehibe sy nitovy tarehy izy.
Alitengeneza makalio kumi kwa jinsi hii. Yote yalikuwa yametengenezwa kwa kufanana, na yalikuwa ya vipimo sawa, na sura inayofanana.
38 Ary nanao tavin-drano varahina folo koa izy; ny tavin-drano samy nahalany efa-polo bata avy; ary samy efatra hakiho avy ny tavin-drano; ary tavin-drano iray avy no tamin’ ny fitoerany folo.
Huramu akatengeneza birika kumi za shaba. Birika moja liliweza kubeba bathi arobaini za maji. Kila birika lilikuwa mita 1. 8 toka birika moja hadi jingine na kulikuwa na birika moja katika kila kalio kati ya yale kumi.
39 Ary nametraka ny fitoeran-tavin-drano dimy teo ankavanan’ ny trano izy, ary ny dimy teo ankavian’ ny trano, ary ilay tavin-drano lehibe nataony teo ankavanan’ ny trano, dia teo atsimo-atsinanana.
Alitengeneza makalio tano upande wa kusini unaoelekea upande wa hekalu. Akatengeneza bahari katika upande wa mashariki, ukielekea upande wa kusini wa hekalu.
40 Ary Hirama nanao ny tavin-drano sy ny sotron’ afo ary ny lovia famafazana; ka dia vitan’ i Hirama ny asa rehetra izay nataony ho an’ i Solomona mpanjaka ho amin’ ny tranon’ i Jehovah:
Huramu akatengeneza birika na koleo na besini la kunyunyizia. Kisha akamaliza kazi yote aliyofanya kwa mfalme Sulemani katika hekalu la BWANA:
41 dia ny andry roa sy ny boriboriny roa amin’ ny kapitaly izay teny an-tampon’ ny andry roa, sy ny harato roa izay hafono ny boriboriny roa amin’ ny kapitaly izay teo an-tampon’ ny andry avy,
Zile nguzo mbili, na lile besini lakawa kama taji ambalo lilikuwa juu ya zile nguzo, na nyavu mbili za mapambo za kufunika zile besini mbili za kuwa kama taji zilizokuwa juu ya nguzo.
42 ary ny sarin’ ampongabendanitra efa-jato ho amin’ ny harato roa, ampongabendanitra roa an-dalana ho amin’ ny harato iray hafono ny boriboriny roa amin’ ny kapitaly izay teny an-tampon’ ny andry avy,
Kisha akatengeneza makomamanga mia nne kwa ajili ya zile nyavu mbili za mapambo: safu mbili za makomamamanga kwa kila kazi ya nyavu kwa ajili ya kufunikia zile besini mbili kama taji iliyo juu ya nguzo,
43 ary ny fitoeran-tavin-drano folo sy ny tavin-drano folo ho eo ambonin’ ny fitoerany
yale makalio kumi, na birika kumi kwenye makalio.
44 ary ny tavin-drano lehibe iray sy ny sarin’ omby roa ambin’ ny folo teo ambaniny.
Akatengeneza bahari na makisai kumi chini yake;
45 ary ny vilany fandraofan-davenona sy ny sotron’ afo ary ny lovia famafazana. Ary ireo fanaka rehetra ireo, izay nataon’ i Hirama ho an’ i Solomona mpanjaka ho amin’ ny tranon’ i Jehovah, dia varahina manganohano avokoa.
na masufuria, koleo, birika na vyombo vingine vyote. Huramu akivitengeneza kwa shaba iliyosuguliwa, kwa ajili ya mfalme Sulemani, na kawa ajili ya hekalu la BWANA.
46 Teo amin’ ny tany amoron’ i Jordana no nanaovan’ ny mpanjaka an-idina azy tamin’ ny tanimanga teo anelanelan’ i Sokota sy Zaretana.
Mfalme alivisubu katika uwanda wa Yorodani, katika udongo mfinyanzi kati ya Sukoti na Zarethani.
47 Ary tsy nolanjain’ i Solomona ny fanaka rehetra, satria be loatra izy; ary tsy nozahana izay lanjan’ ny varahina.
Sulemani hakuvipima vyombo vyote kwa sababu vilikuwa vingi mno kuvipima, na kwa sababu uzito wa shaba ulikuwa hauwezi kupimwa.
48 Ary Solomona nanao ny fanaka rehetra izay ao amin’ ny tranon’ i Jehovah: ny alitara volamena sy ny latabatra volamena, izay fitoeran’ ny mofo aseho,
Sulemani akatengeneza mapambo yote yaliyokuwa kwenye hekalu la BWANA kwa kutumia dhahabu: Ile madhabahu ya dhahabu na ile meza ambayo iliwekwa mikate ya wonyesho.
49 ary ny fanaovan-jiro, dimy amin’ ny ankavanana ary dimy amin’ ny ankavia, teo anoloan’ ny efitra anatiny, dia samy volamena tsara; ary ny voniny sy ny lela fanaovan-jiro ary ny hetin-jiro dia volamena koa;
Vile vinara vya dhahabu, ambavyo vitano vilikuwa upande wa kulia na vitano mkono wa kushoto, mbele ya chumba cha ndani, vilikuwa vya dhahabu safi, na maua, na taa na koleo zilikuwa za dhahabu.
50 ary ny vilia sy ny antsy sy ny lovia famafazana sy ny lovia kely sy ny fitoeran-davenon-jiro dia volamena tsara; ary ny vavin-tsavily ho amin’ ny lela-varavaran’ ny efitra anatiny, dia ny fitoerana masìna indrindra, sy ho amin’ ny lela-varavaran’ ny efi-trano lehibe dia volamena avokoa.
Vile vikombe, na makasi, mabakuri, na vijiko, na vyetezo vyote vilikuwa vimetengenezwa kwa dhahabu safi. na bawaba za dhahabu za milango ya ndani, ambazoo ndio mahali patakatifu sana, na milango ya ukumbi mkubwa, vyote vilitengenezwa kwa dhahabu.
51 Toy izany no nahavitana ny asa nataon’ i Solomona mpanjaka ho amin’ ny tranon’ i Jehovah; ary nampidirin’ i Solomona ny zavatra izay efa nohamasinin’ i Davida rainy, dia ny volafotsy sy ny volamena ary ny fanaka, sa nataony tao amin’ ny rakitry ny tranon’ i Jehovah.
Kwa njia hii, kazi yote ambayo mfalme Sulemani alifanya kwa ajili ya hekalu ilimalizika. Kwa Sulemani akaviingiza ndani yake vitu vile vilivyokuwa vimewekwa wakfu na Daudi, baba yake, na fedha na dhahabu, na mapambo, na vile vya ndani ya hazina ya BWANA.