< 1 Mpanjaka 6 >
1 Ary tamin’ ny taona fahavalo-polo amby efa-jato taorian’ ny nialan’ ny Zanak’ Isiraely tamin’ ny tany Egypta tamin’ ny volana Ziva (volana faharoa izany), tamin’ ny taona fahefatra nanjakan’ i Solomona tamin’ ny Isiraely, dia nanorina ny tranon’ i Jehovah izy.
A shekara ta ɗari huɗu da tamani bayan fitowar Isra’ilawa daga Masar, a shekara ta huɗu ta mulkin Solomon a bisa Isra’ila, a watan Zif, wata na biyu, Solomon ya fara gina haikalin Ubangiji.
2 Ary ny trano nataon’ i Solomona mpanjaka ho an’ i Jehovah dia enim-polo hakiho ny lavany, ary roa-polo hakiho ny sakany, ary telo-polo hakiho ny hahavony.
Haikalin da Sarki Solomon ya gina wa Ubangiji, tsawonsa kamu sittin, fāɗinsa kamu ashirin, tsayinsa kuma kamu talatin ne.
3 Ary ny lavarangana fidirana teo anoloan’ ny ati-trano lehibe, dia roa-polo hakiho ny lavany mifanerana amin’ ny sakan’ ny trano, ary folo akiho ny habeny teo anoloan’ ny trano ihany.
Shirayin da yake a gaban ainihin zauren haikalin, ya ƙara faɗin haikalin da kamu ashirin, ya kuma nausa daga gaban haikalin kamu goma.
4 Ary ny varavarankelin’ ny trano nataony makarakara tsy mivoha.
Ya yi tagogin da suka fi fāɗi daga ciki fiye da waje a haikalin.
5 Ary tamin’ ny lafin-trano dia nasiany paosin-trano mifanongoa manodidina, na amin’ ny ati-trano lehibe, na amin’ ny efitra atiny, sady nasiany efi-trano manodidina;
A jikin bangayen babban zaure da kuma cikin wuri mai tsarki, ya gina ɗakuna kewaye da ginin, inda akwai ɗakuna a gefe.
6 ny efi-trano ambany indrindra, dimy hakiho ny sakany, ary ny an-tenatenany, enina hakiho ny sakany, ary ny fahatelony, dia fito hakiho sakany; fa ny rindrina ivelan’ ny trano dia ahenany manodidina isaky ny mifanongoa, mba tsy hisy hitsatoka amin’ ny rindrina.
Fāɗin ɗakunan ƙasa, kamu biyar ne, fāɗin ɗakunan tsakiya, kamu shida ne, fāɗin ɗakunan hawa na uku kuwa, kamu bakwai ne. Ya yi bangaye kewaye a waje da haikalin don kada a sa wani abu a bangayen haikali.
7 Ary tamin’ ny nanaovana ny trano dia vato voapaika rahateo hatrany amin’ ny fihadiam-bato no nanaovany azy: ka dia tsy nisy feon’ ny tantanana, na fandraka, na vy fiasana, re tao an-trano tamin’ ny nanaovany azy.
A yin ginin haikalin, duwatsun da aka fafe ne kaɗai daga wurin fafe duwatsu aka yi amfani da su, ba a ji karar guduma ko gizago, ko wani abin da aka yi da ƙarfe a wurin ginin haikali yayinda ake gina shi ba.
8 Ny varavarana mankao amin’ ny efi-trano an-tenatenany dia teo amin’ ny ilany ankavanan’ ny trano; ary tohatra miolikolika no niakarany ho ao amin’ ny efi-trano an-tenatenany, ary avy tao amin’ ny an-tenatenany indray no niakarany ho ao amin’ ny fahatelony.
Ƙofar zuwa ɗakunan ƙasa tana gefen kudu na haikalin; akwai matakai da suka bi zuwa hawa na tsakiya, daga can kuma matakan sun wuce zuwa hawa na uku.
9 Toy izany no nanaovany ny trano sy nahavitany azy; ary rairainy nopetahany hazo fisaka sedera no nataony tafon’ ny trano.
A haka ya gina haikalin ya kuma gama shi, ya jinƙe shi da manyan katakai da kuma katakan al’ul.
10 Ary ny paosin-trano nataony manodidina ny trano, dimy hakiho avy ny hahavony, ary hazo sedera no nikambanany tamin’ ny trano.
Ya kuma gina ɗakunan gefe duka a gefen haikalin. Tsayin kowanne, kamu biyar ne, aka haɗa su da haikalin da manyan katakan al’ul.
11 Ary ny tenin’ i Jehovah tonga tamin’ i Solomona nanao hoe:
Sai maganar Ubangiji ta zo wa Solomon ta ce,
12 Ny amin’ ity trano ataonao, ity raha handeha araka ny lalako ianao sy hanaraka ny fitsipiko ary hitandrina ny didiko rehetra ka hanaraka azy, dia hotanterahiko aminao ny teniko, izay nolazaiko tamin’ i Davida rainao;
“Game da wannan haikalin da kake ginawa, in ka bi ƙa’idodina, ka cika farillaina, ka kiyaye dukan umarnaina, ka kuma yi biyayya da su, zan cika alkawarin da na yi wa mahaifinka Dawuda ta wurinka.
13 ary hitoetra ao amin’ ny Zanak’ Isiraely Aho ka tsy hahafoy ny Isiraely oloko.
Zan kuma zauna a cikin Isra’ilawa, ba kuwa zan taɓa rabuwa da su ba.”
14 Ary nataon’ i Solomona ny trano, ka dia vitany.
Saboda haka Solomon ya gina haikalin ya kuma gama shi.
15 Ary ny rindrina anatiny nopetahany hazo sedera; hatramin’ ny vodi-rindrina ka hatramin’ ny loha-rindrina dia nopetahany hazo avokoa ary hazo kypreso no nataony gorodon’ ny trano.
Ya rufe bangon ciki da katakan itacen al’ul tun daga ƙasa har zuwa sama, ya kuma rufe daɓen da katakan itacen fir.
16 Ary ny roa-polo hakiho hatreo amin’ ny rindrina farany dia nasiany efitra hazo sedera hatramin’ ny vodirindrina ka hatramin’ ny loha-rindrina, ary nataony ho efitra anatiny izany, dia ny fitoerana masìna indrindra.
Ya gina Wuri Mafi Tsarki na can ciki, ya gina shi a can ƙuryar haikalin. Tsayinsa kamu ashirin ne, an manne masa katakan itacen al’ul tun daga ƙasa har zuwa sama.
17 Ary ny lavan’ ny ati-trano lehibe teo anoloan’ io dia efa-polo hakiho.
Tsawon babban zaure a gaban wannan ɗaki, kamu arba’in ne.
18 Ary ny sedera amin’ ny ati-trano dia nosoratany nasiany sarin’ ny voantango sy voninkazo mivelatra; sedera avokoa izy, ka tsy nisy vato niseho.
An yi wa katakan itacen al’ul na cikin haikalin zāne mai fasalin gora da na buɗaɗɗun furanni. An rufe bangon ciki duka da itacen al’ul, har ba a ganin duwatsun ginin.
19 Nanisy efitra anatiny tao anatin’ ny trano izy hametrahany ny fiaran’ ny faneken’ i Jehovah.
Ya shirya wuri mai tsarki na ciki can cikin haikali don yă sa akwatin alkawarin Ubangiji a can.
20 Ary teo anoloan’ ny efitra anatiny roa-polo hakiho ny lavany, ary roa-polo hakiho ny sakany, roa-polo hakiho koa ny hahavony, sady voapetaka takela-bolamena tsara izy dia nopetahany hazo sedera ny alitara.
Tsawon wuri mai tsarki na ciki kamu ashirin, fāɗin kamu ashirin, tsayin kuma kamu ashirin. Ya dalaye cikin da zinariya zalla, ya kuma dalaye bagade al’ul ɗin.
21 Ary nopetahan’ i Solomona takela-bolamena tsara indrindra ny atin’ ny trano; sady nasiany vakoka volamena hisakana eo anoloan’ ny efitra anatiny; ary nopetahany takela-bolamena koa ny alitara.
Solomon ya rufe cikin haikalin da zinariya zalla, ya kuma gifta sarƙoƙin zinariya a gaban wuri mai tsarki na ciki, wanda aka dalaye da zinariya.
22 Izao ati-trano rehetra izao dia nopetahany takela-bolamena avokoa; ary ny alitara momba ny efitra anatiny koa dia nopetahany takela-bolamena avokoa.
Haka ya dalaye dukan cikin da zinariya. Ya kuma dalaye bagade na cikin wuri mai tsarki da zinariya.
23 Ary tao anatin’ ny efitra anatiny dia nasiany kerobima hazo oliva roa, samy folo hakiho avy no hahavony.
A wuri mai tsarki na can ciki, ya yi kerubobi biyu na itacen zaitun, kowanne mai tsayi kamu goma.
24 Ary samy dimy hakiho avy ny elatry ny kerobima iray, dia folo hakiho hatramin’ ny tendron’ elany anankiray ka hatramin’ ny tendron’ elany anankiray.
Fiffike ɗaya na kerub na fari tsawonsa kamu biyar ne, ɗayan fiffike kuma kamu biyar, kamu goma daga ƙarshen fiffike zuwa ƙarshen fiffike.
25 Ary ny kerobima iray koa folo hakiho; fa ny kerobima roa mitovy halehibe sy mitovy tarehy:
Kerub na biyun shi ma kamu goma ne, gama kerubobi biyun sun yi kama da juna a girma da kuma siffa.
26 Folo hakiho ny hahavon’ ny kerobima iray, ary tahaka io ihany koa ny kerobima anankiray.
Tsayin kowane kerub kamu goma ne.
27 Ary ny kerobima nataony tao afovoan’ ny trano anatiny; ary ny elany nataony mivelatra, ka ny ilany samy nipaka tamin’ ny rindrina avy, ary ny ilany nifanendry teo afovoan’ ny trano.
Ya ajiye kerubobin a ɗaki na can cikin haikalin, da fikafikansu a buɗe. Fiffiken kerub ɗaya ya taɓa bango guda, yayinda fiffiken ɗayan ya taɓa ɗayan bangon, kuma fikafikansu sun taɓa juna a tsakiyar ɗakin.
28 Ary nopetahany takela-bolamena ny kerobima.
Ya dalaye kerubobin da zinariya.
29 Ary ny rindrina manodidina nosoratany nasiany sarin’ ny kerobima sy hazo rofia ary voninkazo mivelatra, na ny efitra anatiny, na ny ati-trano lehibe.
A bangaye kewaye da haikali, a ɗakuna ciki da waje, ya zāzzāna kerubobi, itatuwan dabino, da furanni buɗaɗɗu.
30 Ary nopetahany takela-bolamena ny gorodona, na ny teo amin’ ny efi-trano anatiny, na ny teo amin’ ny ati-trano lehibe.
Ya kuma rufe ƙasan ɗakuna ciki da wajen haikali da zinariya.
31 Ary ny varavarana mankao amin’ ny efitra anatiny dia nasiany lela-varavarana hazo oliva kopa-droa, ary ny tolany sy ny momba azy dia ampahadimin’ ny sakan-trano.
Don ƙofar shiga wuri mai tsarki na ciki kuwa, ya yi ƙofofin katakon zaitun da madogarai masu gefe biyar.
32 Ny lela-varavarana hazo oliva kopa-droa dia nosoratany nasiany sarin’ ny kerobima sy hazo rofia ary voninkazo mivelatra, ary, nopetahany volamena manify ny kerobima: sy ny hazo rofia.
A kan ƙofofin katakan zaitun kuwa ya zāzzāna kerubobi, itatuwa dabino, da furanni buɗaɗɗu, ya kuma dalaye kerubobin, da kuma itatuwan dabinon da zinariya.
33 Dia toy izany koa ny varavarana mankao amin’ ny ati-trano lehibe, dia nasiany tolam-baravarana hazo oliva mahafeno ny ampahefatry ny sahan-trano.
Haka ma ya yi madogarai masu gefe huɗu na katakon zaitun don ƙofar shiga zuwa babban zaure.
34 Ary ny lela-varavarana hazo kypreso kopa-droa dia kamban-droa samy nisy savily avy.
Ya yi ƙofofi biyu na itacen fir, kowanne yana da shafi biyu da suke juyewa a maɗaurai.
35 Ary nosoratany nasiany sarin’ ny kerobima sy ny hazo rofia ary voninkazo mivelatra ireo, dia nopetahany volamena manify ny sorany.
Ya zāzzāna kerubobi, itatuwan dabino, da kuma furanni buɗaɗɗu a kansu, ya kuma dalaye su da zinariyar da aka buga daidai a kan sassaƙa.
36 Ary nanao ny kianja tao anatiny tamin’ ny vato voapaika telo an-dalana sy hazo sedera iray an-dalana izy.
Ya kuma gina filin ciki da sassaƙaƙƙun duwatsu, jeri uku, da jeri ɗaya na katakan itacen al’ul.
37 Tamin’ ny volana Ziva tamin’ ny taona fahefatra, no; nanaovany ny fanorenan’ ny tranon’ i Jehovah.
An kafa tushen haikalin Ubangiji a shekara ta huɗu, a watan Zif.
38 Ary tamin’ ny volana Bola (volana fahavalo izany), tamin’ ny taona fahiraika ambin’ ny folo, no nahavitany ny trano araka ny fombany rehetra sy izay rehetra nahamety azy. Dia fito taona no nanaovany azy.
A shekara ta goma sha ɗaya, a watan Bul, wata na takwas ke nan, aka gama haikalin daidai yadda aka tsara shi bisa ga fasalinsa. Solomon ya ɗauki shekara bakwai yana ginin haikalin.